Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Novorina Ireo Anisan’ny Fitsarana Avo’

‘Novorina Ireo Anisan’ny Fitsarana Avo’

‘Novorina Ireo Anisan’ny Fitsarana Avo’

SAHIRAN-TSAINA ireo mpisoronabe sy manam-pahefana jiosy. Tsy hitan’izy ireo izay hatao, mba tsy hitana ny sain’ny olona ny resaka momba an’i Jesosy Kristy. Nahavita nampamono azy mantsy izy ireo, nefa feno resaka momba ny nitsanganany tamin’ny maty indray i Jerosalema, noho ny fitorian’ny mpianany. Ahoana no hampanginana an’ireo mpianany ireo? “Namory an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy” ny mpisoronabe sy ireo mpanampy azy, mba handraisana fanapahan-kevitra.—Asan’ny Apostoly 5:21.

I Pontio Pilato, Governora Romanina, no nanana ny fahefana tampony teo amin’ny Israely, tamin’izany. Ahoana anefa no nifampiraharahan’ny Fitsarana Avo Jiosy tamin’i Pilato? Taiza ny faritra niadidian’io fitsarana io? Iza no mpikambana tao? Ary ahoana no fomba fiasany?

Ny niandohan’ny Fitsarana Avo

Ilay teny grika nadika hoe “Fitsarana Avo”, dia midika ara-bakiteny hoe “mipetraka miaraka amin’ny.” Teny nilazana ny fivoriambe na fivoriana izy io mazàna. Araka ny lovantsofina jiosy, dia io teny io matetika no niantsoana ny fitsarana teo anivon’ny fivavahana iray.

Efa nisy hatry ny ela ny Fitsarana Avo Jiosy, araka ny filazan’ireo mpanoratra ny Talmoda, izay boky nosoratana nandritra ireo taonjato vitsivitsy taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70. Nino izy ireo fa manam-pahaizana foana no mpikambana tao amin’izy io hatramin’izay, ary nivory izy ireny mba hiady hevitra momba ny ampahany sasany tamin’ny lalàna jiosy. Nihevitra koa ireo mpanoratra ny Talmoda fa niorina ilay fitsarana, nanomboka tamin’ny fotoana namorian’i Mosesy anti-panahy 70 mba hanampy azy hitarika ny Israely. (Nomery 11:16, 17) Tsy eken’ny mpahay tantara anefa izany. Milaza izy ireo fa tamin’ny fotoana nanjakan’ny Persanina teo amin’ny Israely, vao nisy antokon’olona nitovitovy tamin’ilay Fitsarana Avo nisy tamin’ny taonjato voalohany. Milaza koa ny mpahay tantara, fa mitovitovy kokoa amin’ny fikambanan’ny raby tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo ireo manam-pahaizana resahin’ny mpanoratra ny Talmoda ireo, fa tsy nitovy tamin’ny Fitsarana Avo tamin’ny taonjato voalohany. Oviana àry no tena nanomboka nijoro io fitsarana io?

Asehon’ny Baiboly fa efa firenena voalamina tsara ireo babo avy tany Babylona, rehefa niverina tany Joda tamin’ny 537 T.K. Nilaza i Nehemia sy Ezra fa nisy mpanapaka sy anti-panahy ary olo-manan-kaja tamin’izany. Ireo angamba no anisan’ny Fitsarana Avo voalohany.—Ezra 10:8; Nehemia 5:7.

Feno korontana ny fiainan’ny Jiosy, nanomboka tamin’ny fotoana nahavitan’ny Soratra Hebreo, mandra-pahatongan’ny fotoana nanoratana ny Filazantsaran’i Matio. Nandray ny fahefana tao Jodia ilay mpanjaka grika Aleksandra Lehibe, tamin’ny 332 T.K. Rehefa maty izy, dia nandimby azy ny mpanjaka grika taranak’i Ptolémée, ary avy eo ny taranak’i Séleucus tamin’ny 198 T.K. Ao amin’ny tantaran’io fanjakana farany io no ahitana firesahana voalohany momba ny antenimieran-doholona jiosy. Toa voafetra ny fahefan’io antenimiera io, nefa toy ny hoe nanana fitondrana mizaka tena ihany ny Jiosy, noho ny fisian’izy io.

Tamin’ny 167 T.K. dia nanandrana nanery ny Jiosy hanaraka ny kolontsaina grika i Antiochus Fahefatra (Épiphane), mpanjaka taranak’i Séleucus. Nanimbazimba ny tempolin’i Jerosalema izy, rehefa nanao sorona kisoa teo amin’ny alitaran’izy io, ho an’i Zeosy andriamaniny. Nampikomy ny Jiosy izany, ary nitarika ny Makabeo hanongana ny fitondran’ny mpanjaka taranak’i Séleucus, sy hametraka ny Hasmonianina (mpanjaka makabeo) teo amin’ny fitondrana. * Tamin’izany fotoana izany koa, dia nahazo fahefana teo amin’ny fitondrana ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, izay mpitarika ny vahoaka sy nanohana ilay fikomiana. Very ny fahefan’ny mpisorona.

Tamin’izay no nanomboka nisy ilay Fitsarana Avo resahin’ny Soratra Grika. Lasa mpanolo-tsaina momba ny raharaham-pirenena izy io tatỳ aoriana. Izy io koa no nanana ny fahefana tampony, raha ny amin’ny fanazavana ny fampiharana ny lalàn’ny Jiosy.

Ny fahefan’ny Romanina sy ny an’ny Fitsarana Avo

Efa teo ambanin’ny fahefan’ny Romanina i Jodia, tamin’ny taonjato voalohany. Nanana fahalalahana ihany anefa ny Jiosy. Fanaon’ny Romanina ny namela ny zanataniny hifidy izay endri-pitondrana tiany. Noho izany, dia tsy nitsabatsabaka tamin’ny raharahan’ny fitsarana jiosy izy. Nataon’izy ireo koa izay nisorohana ny olana mety hipoitra vokatry ny tsy fitovian’ny kolontsaina. Navelan’izy ireo ny Jiosy hanaraka ny fombafombany sy hanana ny fitondrany manokana, mba hisian’ny fandriampahalemana sy tsy hahatonga ny Jiosy hivadika amin’ny Romanina. Ny Romanina no nanendry ny mpisoronabe, izay lohan’ny Fitsarana Avo, ary izy ireo koa no nanala azy tamin’ny toerany. Izy ireo no namaritra ny habetsahan’ny hetra tokony haloa. Tsy nitsabaka tamin’ny fiainan’ny Jiosy anefa ny Romanina, raha tsy rehefa voatohintohina ny fahefany na ny tombontsoany. Toa izy ireo ihany no nanana fahefana hanameloka ho faty, araka ny hita tamin’ny fitsarana an’i Jesosy.—Jaona 18:31.

Asehon’izany fa ny Fitsarana Avo no nandray an-tanana ny ankamaroan’ny raharaham-pirenen’ny Jiosy. Nanana miaramila mpiambina izy ireo, mba hisambotra ny mpanao ratsy. (Jaona 7:32) Ny fitsarana ambaratonga voalohany no nitsara ny heloka madinika sy ny ady madio, ary tsy nitsabaka tamin’izany ny Romanina. Raha tsy nahavita nanapa-kevitra ny fitsarana ambaratonga voalohany, dia nampiakarina tany amin’ny Fitsarana Avo ny raharaha, ary izy io no namoaka ny didim-pitsarana farany.

Tsy maintsy nitandro ny fandriampahalemana sy nanohana ny fitondrana romanina ny Fitsarana Avo, mba hihazonany ny fahefany. Rehefa nisy zavatra nahiahin’ny Romanina hiteraka korontana ara-politika anefa, dia niditra an-tsehatra izy ireo ary nanao zavatra araka izay noheveriny fa mety. Izany no antony nisamboran’izy ireo ny apostoly Paoly, indray mandeha.—Asan’ny Apostoly 21:31-40.

Ireo mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo

Nisy 71 ny mpikambana tao amin’izy io, dia ny mpisoronabe sy lehilahy 70, izay samy olona ambony teo amin’ny firenena. Ireto avy no mpikambana tao, tamin’ny fotoana nanjakan’ny Romanina: andriana anisan’ny mpisorona (Sadoseo ny ankamaroany), andriana tsy anisan’ny mpitondra fivavahana, ary Fariseo mpanora-dalàna sy avara-pianarana. Ireo andriana anisan’ny mpisorona no maro an’isa indrindra. * Notohanan’ny olona ambony tsy anisan’ny mpitondra fivavahana izy ireo. Fatra-panaraka ny fomban-drazana ny Sadoseo. Ny Fariseo kosa nalala-tsaina kokoa, ary tsy anisan’ny andriana ny ankamaroany, sady tena to teny teo amin’ny vahoaka. Nilaza i Josèphe mpahay tantara, fa tsy vonona hanaiky izay nangatahin’ny Fariseo ny Sadoseo. Nanararaotra ny tsy fifanarahan’izy ireo sy ny fahasamihafan’ny zavatra ninoany i Paoly, rehefa niaro tena nanoloana ny Fitsarana Avo.—Asan’ny Apostoly 23:6-9.

Koa satria andriana ny ankamaroan’ny mpikambana tao, dia azo inoana fa mpikambana naharitra, izay voafidy ho anisany. Azo inoana koa fa ny mpikambana tao ihany no nifidy ny mpikambana vaovao, raha nisy maty na nesorina. Milaza ny Mishnah na ny lalàna am-bava, fa ny mpikambana vaovao dia tsy maintsy “mpisorona, na Levita, na Israelita mahazo manome ny zanany vavy ho vadina mpisorona.” Midika izany fa azo nekena ho mpikambana, izay Jiosy afaka nampiseho taratasy milaza ny firazanany mba hanaporofoana fa tena Jiosy izy. Koa satria nanara-maso ny fitsarana hafa nanerana ilay firenena ny Fitsarana Avo, dia azo inoana fa izay lehilahy tsara laza tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, no nasondrotra hiasa tao amin’ny Fitsarana Avo.

Ny faritra niadidiany sy ny fahefany

Nanaja fatratra ny Fitsarana Avo ny Jiosy. Tsy maintsy nanaiky ny didim-pitsarana navoakan’izy io ny mpitsara tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, raha tsy izany dia voaheloka ho faty. Asan’ny Fitsarana Avo ny nandinika raha mbola nahafeno fepetra ny mpisorona. Narahiny maso tsara koa ireo raharaha momba an’i Jerosalema sy ny tempoly ary ny fanompoana tao. I Jodia ihany no faritra niadidian’ny Fitsarana Avo, raha ny marina. Namaritra ny fitsipi-pitondran-tena narahin’ny Jiosy naneran-tany anefa izy io, satria nekena ho nanana ny fahefana tampony, raha ny amin’ny fanazavana ny fampiharana ny Lalàna. Nandidy ny lehiben’ny synagoga tao Damaskosy, ohatra, ny mpisoronabe sy ireo mpanolo-tsainy, mba hanampy tamin’ny fisamborana ny mpianatr’i Kristy. (Asan’ny Apostoly 9:1, 2; 22:4, 5; 26:12) Azo inoana koa fa rehefa avy namonjy fety tao Jerosalema ny Jiosy avy tany ivelany, dia nampita ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo tany amin’ny faritra nisy azy.

Milaza ny Mishnah fa ny Fitsarana Avo ihany no nanana fahefana hitsara ny raharaha nahakasika ny firenena sy ny mpitsara nanohitra ny fanapahan-keviny ary ny mpaminany sandoka. Nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo, ohatra, i Jesosy sy Stefana, rehefa nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra. Natao toy izany koa i Petera sy Jaona, izay nampangaina ho mpanakorontana firenena, ary i Paoly izay nolazaina fa nanimbazimba ny tempoly.—Marka 14:64; Asan’ny Apostoly 4:15-17; 6:11; 23:1; 24:6.

Ny fitsarana an’i Jesosy sy ny mpianany

Niasa isan’andro ny Fitsarana Avo, nanomboka tamin’ny fotoanan’ny fanatitra maraina, ka mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fanatitra hariva. Tsy niasa kosa izy io rehefa Sabata sy andro fety. Nandritra ny andro ihany no nisy fitsarana. Tsy nivoaka ny didim-pitsarana momba ny fanamelohana ho faty, raha tsy ny ampitson’ny andro nanaovana ny fitsarana. Noho izany, dia tsy natao tamin’ny andro alohan’ny Sabata na alohan’ny andro fety ireny raharaham-pitsarana ireny. Nantitranterina mafy tamin’ireo vavolombelona, fa heloka lehibe ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny. Hita amin’izany àry fa tsy ara-dalàna ilay fitsarana sy fanamelohana an’i Jesosy, izay natao nandritra ny alina tao an-tranon’i Kaiafa, talohan’ny andro fety iray. Mbola ratsy noho izany aza no nataon’ireo mpitsara, satria nitady vavolombelona sandoka izy ireo, sady nandresy lahatra an’i Pilato mba handidy ny hamonoana an’i Jesosy.—Matio 26:57-59; Jaona 11:47-53; 19:31.

Milaza ny Talmoda fa rehefa nisy olona nampangaina ho nanao heloka mendrika ny fanamelohana ho faty, dia nanao izay hanavotana azy ny mpitsara, ary naka fotoana nandinihana an’ilay raharaha tamim-pitandremana. Tsy toy izany anefa no fomba nitsarana an’i Stefana, ary na dia i Jesosy koa aza. Nitora-bato an’i Stefana ny vahoaka, noho izy niaro tena nanoloana ny Fitsarana Avo. Saika matin’ny vahoaka koa ny apostoly Paoly, raha tsy nisalovana ny Romanina. Ny mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo mihitsy aza no nikaon-doha hamono azy.—Asan’ny Apostoly 6:12; 7:58; 23:6-15.

Azo lazaina ho tsara toetra anefa ny mpikambana vitsivitsy tao amin’ny Fitsarana Avo. Mety ho mpikambana tao, ohatra, ilay manam-pahefana jiosy mbola tovolahy, izay niresaka tamin’i Jesosy. Azo antoka fa nanana toetra tsara izy, matoa nasain’i Jesosy ho tonga mpanara-dia azy, na dia nisakana azy tsy hanao izany aza ny harenany.—Matio 19:16-22; Lioka 18:18, 22.

Natahotra izay mety hoeritreretin’ny mpitsara namany angamba i Nikodemosy, “mpitondra teo amin’ny Jiosy”, matoa niandry efa alina vao nankany amin’i Jesosy. Niaro an’i Jesosy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo anefa izy, rehefa nanontany hoe: “Angaha moa ny lalàntsika manameloka olona, raha tsy efa re aloha ny teniny ka fantatra izay ataony?” Nanome “miora sy hazo manitra iray fehezana” koa i Nikodemosy tatỳ aoriana, mba hahosotra tamin’ny vatan’i Jesosy talohan’ny nandevenana azy.—Jaona 3:1, 2; 7:51, 52; 19:39.

Mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo koa i Josefa avy any Arimatia. Nanana herim-po izy, ka nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato, ary nametraka izany tao amin’ny fasany vaovao. “Niandry ny fanjakan’Andriamanitra” i Josefa, saingy tsy sahy nitonona ho mpianatr’i Jesosy, noho izy natahotra ny Jiosy. Mendri-piderana anefa izy, satria tsy nety nanohana ny tetiky ny Fitsarana Avo hamonoana an’i Jesosy.—Marka 15:43-46; Matio 27:57-60; Lioka 23:50-53; Jaona 19:38.

Mbola anisan’ny mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo koa i Gamaliela. Nomeny an’izao torohevitra feno fahendrena izao ireo mpitsara namany: “Avelao [ireo mpianatr’i Jesosy] ... sao dia ho hita fa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.” (Asan’ny Apostoly 5:34-39) Nahoana ny fitsarana no tsy nety nino fa nomba an’i Jesosy sy ny mpianany Andriamanitra? Tsy nankasitraka ny fahagagana nataon’i Jesosy izy ireo, fa nieritreritra hoe: “Inona no hataontsika, fa manao famantarana maro iny lehilahy iny? Raha avelantsika amin’izao izy, dia hino azy avokoa ny rehetra, ary ho avy ny Romanina ka haka ilay toeram-pivavahantsika sy ny firenentsika.” (Jaona 11:47, 48) Matimatim-pahefana ny Fitsarana Avo Jiosy, ka nanolana ny rariny. Tsy faly koa ny mpitondra fivavahana fa “velom-pialonana”, rehefa nanasitrana olona ny mpianatr’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 5:17) Tokony ho natahotra an’Andriamanitra sy nanao ny rariny izy ireo satria mpitsara. Nanao kolikoly anefa ny ankamaroany, ary tsy nanao ny marina.—Eksodosy 18:21; Deoteronomia 16:18-20.

Ny fitsaran’Andriamanitra

Tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra sy nanda ny Mesia ny Israelita, ka tsy neken’i Jehovah ho vahoakany intsony. Nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny Romanina, tamin’ny taona 70. Foana tamin’izay koa ny rafitra manontolo nisy teo amin’ny firenena jiosy. Ary tsy nisy intsony ny Fitsarana Avo, tatỳ aoriana.

Nanendry an’i Jesosy Kristy ho Mpitsara i Jehovah. Izy no hamaritra raha misy mendrika ny hatsangana amin’ny maty ny mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo tamin’ny taonjato voalohany. Izy koa no hamaritra hoe iza tamin’izy ireo no nanota tamin’ny fanahy masina. (Marka 3:29; Jaona 5:22) Afaka matoky isika fa hanao ny rariny amin’ny fomba tonga lafatra i Jesosy, rehefa hanapa-kevitra ny amin’izany.—Isaia 11:3-5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Manazava momba ny Makabeo sy ny Hasmonianina Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1998, pejy 21-24, sy ny 15 Jona 2001, pejy 27-30.

^ feh. 16 Ilay teny hoe “lohan’ny mpisorona” hita ao amin’ny Baiboly, dia mahafaoka ny mpisoronabe am-perinasa sy ny mpisoronabe taloha, ary izay fianakavian’izy ireo mahafeno fepetra hahazo toerana ambony eo amin’ny asa fisoronana.—Matio 21:23.