Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manehoa Fitiavana sy Fanajana ka Fehezo ny Lelanao

Manehoa Fitiavana sy Fanajana ka Fehezo ny Lelanao

Manehoa Fitiavana sy Fanajana ka Fehezo ny Lelanao

“Aoka ... ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”—EFESIANINA 5:33.

1, 2. Inona no fanontaniana lehibe tokony hosaintsainin’ny olona rehetra manambady, ary nahoana?

ERITRERETO hoe mahazo fanomezana iray ianao, ary misy soratra eo amin’ny fonon’ilay izy hoe: “Mora Vaky.” Ahoana no fomba itondranao azy io? Azo antoka fa hitandrina mafy ianao mba tsy ho simba ilay izy. Ahoana kosa no ataonao amin’ny fanambadiana, izay fanomezan’Andriamanitra?

2 Niresaka tamin’ny vehivavy tanora roa atao hoe Orpa sy Rota i Naomy, mpitondratena israelita. Hoy izy: “Homen’i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy.” (Rota 1:3-9) Izao koa no lazain’ny Baiboly, momba ny vady tsara: “Trano sy harena no lova avy amin’ny ray; fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah.” (Ohabolana 19:14) Raha manambady àry ianao, dia tokony hoheverinao ho fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vadinao. Ahoana no fomba itondranao io fanomezana io?

3. Inona no torohevitra nomen’i Paoly, izay tokony harahin’ny mpivady?

3 Nanoratra ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ... ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.” (Efesianina 5:33) Andeha hodinihintsika izay azon’ny mpivady ampiharana io torohevitra io, rehefa mifampiresaka izy ireo.

Tandremo fa “manimba sy tsy hay fehezina” ny lela

4. Nahoana ny lela no mety hitondra soa na hanimba?

4 Milaza i Jakoba mpanoratra Baiboly, fa “manimba sy tsy hay fehezina” ny lela, “sady feno poizina mahafaty.” (Jakoba 3:8) Niaiky izy fa mampidi-doza ny lela tsy voafehy. Tsy isalasalana fa fantany tsara ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly, izay mampitovy ny teny tsy tsaroana amin’ny “fanindron’ny sabatra.” Lazain’io ohabolana io ihany anefa, fa “ny lelan’ny marina dia fanasitranana.” (Ohabolana 12:18) Manan-kery tokoa ny teny. Mety handratra izy io, na hanasitrana. Inona no vokatry ny teninao eo amin’ny vadinao? Ahoana no mety havaliny anao, raha anontanianao an’izany izy?

5, 6. Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny mifehy ny lelany?

5 Manomboka andrenesana teny maharary ve ao an-tokantranonao? Afaka manao zavatra ianao mba hanovana izany. Ilaina anefa ny ezaka. Nahoana? Satria tsy lavorary isika, ary mila miady mafy mba handresena ny fahalementsika. Misy vokany ratsy eo amin’ny fomba iheverantsika ny hafa sy ny zavatra lazaintsika aminy, ny ota nolovantsika. Hoy i Jakoba: “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.”—Jakoba 3:2.

6 Zatra manao teny mandratra koa ny olona sasany, noho ny zavatra niainany hatramin’ny fahazazany. ‘Tsy azo ifanarahana sy tsy mahafehy tena ary masiaka be’, ny ray aman-dreniny. (2 Timoty 3:1-3) Raha mitombo ao anatin’ny tokantrano ahitana an’izany ny ankizy, dia mazàna izy ireo no manana ireo toetra ireo koa rehefa lehibe. Mazava ho azy fa tsy fialan-tsiny anaovana teny maharary, ny tsy fahalavorariana na ny fomba fitaizana ratsy. Azontsika avy amin’ireo antony ireo anefa hoe nahoana no tena sarotra amin’ny olona sasany, ny mifehy ny lelany tsy hanao teny mandratra.

‘Esory ny fanaratsiana’

7. Inona no tian’i Petera holazaina, rehefa nampirisika ny Kristianina izy mba ‘hanaisotra ny karazana fanaratsiana rehetra’?

7 Na ahoana na ahoana, ny fanaovanao teny mandratra amin’ny vadinao dia mety hidika fa tsy tia sy tsy manaja azy ianao. Izany no antony nampirisihan’i Petera ny Kristianina hoe: “Esory ... ny karazana fanaratsiana rehetra.” (1 Petera 2:1) Ilay teny grika nadika hoe “fanaratsiana”, dia midika hoe “fanivaivana.” Mety hidika izy io hoe ‘mamelively olona amin’ny alalan’ny teny.’ Izany mihitsy no ataon’ny olona tsy mahafehy ny lelany!

8, 9. Inona no mety ho vokatry ny teny mandratra, ary nahoana ny mpivady no tsy tokony hanao teny toy izany?

8 Mihevitra angamba ianao fa tsy tena ratsy ny fanivaivana na ny fampiasana teny mandratra. Inona anefa no mety hitranga raha manao teny toy izany amin’ny vadiny ny olona iray? Raha miantso ny vadinao hoe tsisy saina, kamo, na tia tena ianao, dia toy ny milaza fa izany teny izany no mamintina ny momba azy manontolo, sady amin’izay indray teny manambany! Tena mandratra fo izany. Ary ahoana indray raha itarinao ny fomba ilazanao ny fahadisoan’ny vadinao? Mety hilaza aminy ianao hoe: “Tara foana ianao”, na “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao.” Tsy manitatra ve ianao amin’izany? Azo inoana fa hiaro tena ilay vadinao ho setrin’izany. Ary mety ho rafitra ny fifamaliana, amin’ny farany.—Jakoba 3:5.

9 Miteraka disadisa ao an-tokantrano ny fampiasana teny mandratra tsy misy farany, ary mety hiteraka olana lehibe koa. Hoy ny Ohabolana 25:24: “Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.” Mazava ho azy fa marina koa izany, raha ilay lehilahy no tia ady. Hanimba ny fifandraisan’ny mpivady ny esoeson-teny, rehefa mandeha ny fotoana. Mety hahatsapa ho tsy tian’ny vadiny, na tsy mendrika hotiavina mihitsy aza, ilay lehilahy na ilay vehivavy. Hita amin’izany fa zava-dehibe ny ifehezana ny lela. Ahoana anefa no anaovana izany?

‘Asio lamboridy ny lelanao’

10. Nahoana no zava-dehibe ny fifehezana ny lela?

10 Hoy ny Jakoba 3:8: “Tsy misy olombelona mahafolaka ny lela.” Tokony hanao araka izay fara herintsika anefa isika mba hifehezana azy io, toy ny ataon’ny mpitaingin-tsoavaly izay mampiasa lamboridy mba hifehezana ny soavaly. “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.” (Jakoba 1:26; 3:2, 3) Asehon’izany, fa tokony hotandremanao tsara ny fomba ampiasanao ny lelanao. Sady misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny vadinao mantsy izany, no misy akony eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra.—1 Petera 3:7.

11. Inona no azo atao mba tsy ho lasa fifandirana mafy ny tsy fifanarahana?

11 Hendry ianao raha mieritreritra tsara ny fomba iresahanao amin’ny vadinao. Miezaha hampitony ny ankilany, rehefa misy toe-javatra mampisafoaka. Diniho ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Isaka sy Rebeka vadiny, izay voatantara ao amin’ny Genesisy 27:46–28:4. Tsy nitsahatra nilaza tamin’i Isaka i Rebeka hoe: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita Jakoba tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?” Tsy milaza ny Baiboly hoe namaly izany tamin-katezerana i Isaka. Nasainy nandeha lavitra kosa i Jakoba, mba hitady vady matahotra an’Andriamanitra. Tsy hitondra fahoriana ho an’i Rebeka ilay ho vinantony, amin’izay. Andeha hatao hoe tsy mifanaraka ny mpivady iray. Tsy ho lasa fifandirana mafy ilay izy, raha ilay zava-manahirana no ifantohana, fa tsy ilaozana mifanome tsiny. Aleo, ohatra, miteny hoe: “Tsara angamba raha manokana fotoana bebe kokoa iarahana isika”, toy izay hilaza hoe: “Tsy mba manokana fotoana iarahana amiko mihitsy ianao.” Aza mailaka hitsara hoe iza no manana ny rariny, na iza no diso. Hoy ny Romanina 14:19: “Aoka ... isika hiezaka hitady izay mampisy fihavanana sy izay ifampaherezana.”

Esory ‘ny lolompo sy ny fahatezerana ary ny fahavinirana’

12. Mba hifehezana ny lela, inona no tokony hangatahintsika amin’ny alalan’ny vavaka, ary nahoana?

12 Tsy ny fitandremana ny teny lazaina fotsiny no ilaina mba hifehezana ny lela. Avy ao am-pontsika mantsy, raha ny marina, ny teny lazaintsika. Hoy i Jesosy: “Ny olona tsara dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny tahiry tsaran’ny fony, fa ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny tahiry ratsy ananany. Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Lioka 6:45) Mba hifehezanao ny lelanao àry, dia mety hila hivavaka toa an’i Davida ianao hoe: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.”—Salamo 51:10.

13. Nahoana no mety hitarika ho amin’ny fanevatevana, ny lolompo sy ny fahatezerana ary ny fahavinirana?

13 Tsy ny hifehy tena mba tsy hilaza teny mandratra fotsiny no nasain’i Paoly hataon’ny Efesianina, fa ny hifehy ny fihetseham-po mahatonga izany koa. Hoy izy: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra sy ny fahatezerana rehetra sy ny fahavinirana rehetra sy ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.” (Efesianina 4:31) Mariho fa niresaka momba ny ‘lolompo sy ny fahatezerana ary ny fahavinirana’ i Paoly, talohan’ny nanononany ny ‘filelalelana sy ny fanevatevana.’ Ny olona iray mitahiry fahatezerana mantsy no atahorana hitroatra tampoka, ka hahatafavoaka teny mandratra. Manontania tena àry hoe: ‘Mitahiry lolompo sy fahatezerana ao am-poko ve aho? “Masiaka” ve aho?’ (Ohabolana 29:22) Raha izany no izy, dia mivavaha amin’Andriamanitra mba hanampiany anao hiala amin’izany toetra izany, sy hahaizanao hifehy tena. Hahafehy ny fahatezeranao ianao amin’izay. Hoy ny Salamo 4:4: “Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna.” Raha atahoranao hipoaka ny fahatezeranao ary hitanao fa mety tsy hahafehy tena ianao, dia araho ity torohevitry ny Ohabolana 17:14 ity: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” Tsara ny misintaka kely mandra-pahafaky ny fahatezeranao.

14. Inona no mety ho vokatry ny lolompo, eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady?

14 Sarotra ny mifehy ny fahatezerana sy ny fahavinirana, indrindra raha ny “lolompo” no mahatonga izany. Ilay teny grika nampiasain’i Paoly, izay nadika hoe lolompo, dia milaza ny “toe-tsain’ny olona tezitra sy tsy mety hamitranam-pihavanana” ary ‘mitana am-po ny ratsy ataon’ny hafa.’ Indraindray dia lasa toy ny rindrina mampisaraka ny mpivady ny fankahalana, ary mety haharitra ela izany. Mety hanjary hanao tsinontsinona ny vadiny ny olona iray, raha tsy nisinda tanteraka ny alahelony noho ny olana nitranga tany aloha. Tsy mahasoa anefa ny fitahirizana lolompo toy izany. Toy ny rano raraka tsy azo raofina intsony ny hadisoana efa vita. Tokony hohadinoina tanteraka ny heloka efa navela. “Tsy mitana lolompo” mantsy ny fitiavana.—1 Korintianina 13:4, 5.

15. Inona no hanampy ny olona zatra manao teny mahery mba hiova?

15 Zatra manao teny mahery angamba ianao, satria fanaon’ny olona tao amin’ny fianakavianao izany. Afaka miova anefa ianao. Efa nanapa-kevitra ianao fa hifehy tena tsy hanao zavatra sasany. Nahoana koa raha mba ezahinao fehezina ny teny aloaky ny vavanao? Aza miteny intsony rehefa mitady hamoaka teny mandratra ianao. Araho ilay torohevitra voalazan’ny Efesianina 4:29 hoe: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.” Hahavita izany ianao raha ‘manaisotra ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary mitafy ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy.’—Kolosianina 3:9, 10.

Tena ilaina ny fifampiresahana

16. Inona no vokany rehefa tsy mifampiteny ny mpivady?

16 Tsy ho voavaha ny olana raha mifampimonjomonjo fotsiny ny mpivady. Mety hiteraka vokany ratsy aza izany. Marina fa tsy voatery hoe te hanasazy ny vadiny ny olona iray matoa tsy miteny aminy, fa mety hoe nisy zavatra nahasosotra na nahakivy azy fotsiny. Tsy mamaha olana velively anefa ny tsy fifampiresahana, fa vao mainka aza mampihenjana ny tady. Manaporofo izany ny tenin’ny vehivavy iray manambady. Hoy izy: “Tsy miresaka momba ilay olana mihitsy izahay, rehefa mifampiresaka indray atỳ aoriana. [Mbola tsy voalamina ihany ilay izy.]”

17. Inona no tokony hataon’ny mpivady kristianina tsy mifanaraka?

17 Rehefa maharitra ela ny tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady, dia tsy maintsy manao zavatra izy ireo mba handaminana izany. Hoy ny Ohabolana 15:22: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” Ilay teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe “mpisaina” dia midika hoe “resaka amim-pahatsorana.” Mila mipetraka àry ianareo mivady, ary miara-miresaka an’ilay olana. Henoy amin’ny saina tsy miangatra ny vadinao, rehefa miteny. Raha tsy vitanareo izany, nahoana raha manatona anti-panahy eo anivon’ny fiangonana? Mahafantatra tsara ny Soratra Masina izy ireo, ary efa za-draharaha amin’ny fampiharana ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Toy ny ‘fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra’ ireny lehilahy ireny.—Isaia 32:2.

Ho vitanao ny hifehy ny lelanao

18. Ady amin’ny inona no resahin’ny Romanina 7:18-23?

18 Tsy mora ny mifehy ny lela. Sarotra koa ny mifehy tena. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly, momba ny zava-tsarotra natrehiny: “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato anatiko, izany hoe ato amin’ny nofoko. Ato anatiko ihany mantsy ny faniriana, saingy ny hahatanteraka izay tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko fanao. Koa raha izay tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manatanteraka izany, fa ny ota mitoetra ato anatiko.” Mora mampiasa amin’ny fomba ratsy ny lelantsika sy ny faritra hafa eo amin’ny vatantsika isika, noho ny “lalàn’ny ota” ao anatintsika. (Romanina 7:18-23) Tsy maintsy miady amin’izany anefa isika, ary afaka ny handresy, noho ny fanampian’Andriamanitra.

19, 20. Nahoana ny ohatra navelan’i Jesosy no hanampy ny mpivady hifehy ny lelany?

19 Tsy hanao teny tsy voahevitra na teny maharary ny mpivady, raha mifankatia sy mifanaja. Eritrereto ny modely nomen’i Jesosy Kristy tamin’io lafiny io. Tsy nanevateva ny mpianany mihitsy izy. Na mbola niady ny amin’izay ho lehibe aza ny mpianany tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany, dia tsy nivazavaza tamin’izy ireo izy. (Lioka 22:24-27) Hoy ny Baiboly: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.”—Efesianina 5:25.

20 Ahoana indray ny momba ny vehivavy manambady? Tokony “hanaja fatratra ny vadiny” izy. (Efesianina 5:33) Hilelalela na hanao teny maharary amin’ny vadiny ve ny vehivavy manaja ny vadiny? Hoy i Paoly: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3) Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, toy ny aneken’i Kristy an’Andriamanitra. (Kolosianina 3:18) Marina fa tsy mahavita manahaka tanteraka an’i Jesosy ny olombelona tsy lavorary. Na izany aza, dia hahavita hifehy ny lelany ny mpivady, raha miezaka mafy ‘hanaraka tsara ny dian’i Kristy.’—1 Petera 2:21.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana ny lela tsy voafehy no manimba ny fifandraisan’ny mpivady?

• Nahoana no sarotra ny mifehy ny lela?

• Inona no hanampy antsika hitandrina ny teny lazaintsika?

• Inona no tokony hataonareo mivady rehefa tsy mifanaraka ianareo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Manome fanampiana miorina amin’ny Baiboly ny anti-panahy