Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tokony hataon’ny fiangonana, raha nisy Kristianina nitondra fiara niharan’ny lozam-pifamoivoizana, ary nisy olona maty tamin’izany?

Tokony hohadihadiana raha mivesatra trosan-dra ilay Kristianina na tsia. Anisan’ny antony tokony hanaovana izany, ny fanahiana sao hivesatra trosan-dra koa ny fiangonana manontolo. (Deoteronomia 21:1-9; 22:8) Mety hivesatra trosan-dra ny mpamily iray nahatonga loza niteraka faty olona, raha tsy nitandrina izy, na ninia nandika ny aro loza na ny lalàn’ny fifamoivoizana. (Marka 12:14) Misy lafin-javatra hafa koa anefa tokony hodinihina.

Teo amin’ny Israely fahiny, dia tsy maintsy nofotorana izay namono olona ka nandositra tany amin’ny tanàna fandosirana. Navela hijanona tao amin’ilay tanàna izy mba ho voaro tamin’ny mpamaly ra, raha voamarina fa tsy fanahy iniany no nahafaty ilay olona. (Nomery 35:6-25) Raha tratran’ny lozam-pifamoivoizana niteraka faty olona àry ny fiara nentin’ny Kristianina iray, dia tokony hanadihady ny anti-panahy, mba hahitana raha mivesatra trosan-dra ihany ilay Kristianina na tsia. Tsy ny hevitry ny manam-pahefana na ny fanapahan-kevitry ny fitsarana no hamaritra izay fepetra horaisin’ny fiangonana.

Mety hilaza, ohatra, ny fitsarana fa meloka ilay Kristianina, satria nandika ny lalàn’ny fifamoivoizana. Mety hanatsoaka hevitra kosa ny anti-panahy nanao fanadihadiana, fa tsy meloka noho ny trosan-dra ilay Kristianina, satria tsy afa-nanoatra na tsy afaka nanao zavatra firy hisorohana ilay loza. Mety hitranga koa anefa ny hoe hitan’ny anti-panahy fa mivesatra trosan-dra ilay Kristianina, na dia nafahan’ny fitsarana madiodio aza.

Tokony hiorina amin’ny Soratra Masina sy ny zava-nitranga marina ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy, izay manadihady momba ilay raharaha. Tokony hohenoin’izy ireo tsara ny fanazavan’ilay Kristianina namily ny fiara sy/na ny tenin’ny vavolombelona nanatri-maso roa na telo. (Deoteronomia 17:6; Matio 18:15, 16) Tokony hatsangana ny komitim-pitsarana, raha marim-pototra fa mivesatra trosan-dra ilay Kristianina. Raha hitan’ilay komity fa mibebaka izy, dia homeny fananarana mety tsara avy ao amin’ny Soratra Masina. Hoferan’izy ireo koa ny tombontsoa mety ho azony eo anivon’ny fiangonana. Tsy ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy. Hisy fameperana hafa koa hampiharina. Ankoatra izany, dia tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra izy satria tsy nitandrina, ka nahatonga loza sy faty olona.—Galatianina 6:5, 7.

Aoka hatao hoe ratsy ny andro tamin’ny fotoana nitrangan’ilay loza. Tokony ho nitandrina bebe kokoa ilay mpamily. Raha ohatra indray ka rendremana izy, dia tokony ho nijanona ary natory mandra-pahafaky ny torimasony, na tokony ho olon-kafa no nasainy nitondra.

Andeha indray hatao hoe nirimorimo mafy ilay mpamily. Tsy ‘mandoa amin’i Kaisara izay an’i Kaisara’, ny Kristianina mihoatra ny hafainganam-pandeha noferan’ny lalàna. (Matio 22:21) Tsy niraharaha ny fahamasinan’ny aina koa izy, satria mety hiteraka loza mahafaty ny fandehanana mafy. Misy lafin-javatra hafa mila dinihina koa amin’io lafiny io. Ho modely ho an’ny andian’ondry ve ny anti-panahy, raha tsy miraharaha firy ny lalàn’ny fifamoivoizana apetraky ny manam-pahefana, na minia mandika azy ireny?—1 Petera 5:3.

Voatery mandeha mafy ny mpamily, rehefa manenjika fotoana. Tsy tokony hangataka ny olona mba ho tonga ara-potoana any amin’ny toerana iray àry ny Kristianina, raha fantany fa tsy ho tratran’ilay olona izany. Ny miainga aloha koa mazàna no ilaina, na ny manova ny fandaharam-potoana, mba hananana fotoana ampy hanaovana dia. Tsy halaim-panahy handeha mafy mihoatra noho ny tokony ho izy amin’izay ilay Kristianina, fa ho afaka hankatò ny lalàn’ny fifamoivoizana apetraky ny “manam-pahefana.” (Romanina 13:1, 5) Raha arahina izany, dia tsy ho tratran’ny loza hiteraka faty olona ilay mpamily ary tsy hivesatra trosan-dra. Ho fakan-tahaka izy ary hanana feon’ny fieritreretana madio foana.—1 Petera 3:16.