Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Herim-po Noho ny Finoana sy ny Tahotra An’Andriamanitra

Be Herim-po Noho ny Finoana sy ny Tahotra An’Andriamanitra

Be Herim-po Noho ny Finoana sy ny Tahotra An’Andriamanitra

“Mahereza sy matanjaha ... Momba anao Jehovah Andriamanitrao.” —JOSOA 1:9.

1, 2. a) Mety ho afaka handresy ny Kananita ve ny Israely, raha araka ny fomba fijerin’olombelona? b) Inona no fanomezan-toky azon’i Josoa?

VONONA hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, tamin’ny 1473 T.K. Nahatsinjo ny zava-tsarotra hatrehin’izy ireo i Mosesy, ka nampahatsiahy hoe: “Hianao izao dia efa hita an’i Jordana hiditra eo amin’ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho hianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy mànda manakatra ny lanitra, dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay ... efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ny taranak’i Anàka?” (Deoteronomia 9:1, 2) Fanta-daza tokoa ireo mpiady goavam-be ireo! Nanana fitaovana ary fomba koa ny tafika kananita sasany. Nanana soavaly sy kalesy izy ireo, ary nisy lelan’antsy teo amin’ny kodiaran’ny kalesiny.—Mpitsara 4:13.

2 Andevo afaka kosa anefa ny Israelita, ary vao avy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona. Sarotra inoana àry hoe handresy izy ireo, raha araka ny fomba fijerin’olombelona. Nanam-pinoana anefa i Mosesy. ‘Hitany’ fa nitarika azy ireo i Jehovah. (Hebreo 11:27) Hoy izy tamin’ny vahoaka: “Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao ... Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao.” (Deoteronomia 9:3; Salamo 33:16, 17) Rehefa maty i Mosesy, dia nanome toky an’i Josoa i Jehovah fa hanampy azy. Hoy izy: “Mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’Isiraely. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.”—Josoa 1:2, 5.

3. Inona no nahatonga an’i Josoa hanana finoana sy herim-po?

3 Tsy maintsy namaky sy nisaintsaina ny Lalàn’Andriamanitra ary nampihatra izany i Josoa, mba hahazoany fanampiana sy tari-dalana avy aminy. Nilaza taminy i Jehovah fa raha manao izany izy, dia ‘hahalavorary ny lalany sady hambinina.’ Hoy koa izy: “Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.” (Josoa 1:8, 9) Nankatò an’Andriamanitra i Josoa, ka lasa be herim-po sy natanjaka ary lavorary izay nataony, izany hoe nahomby. Tsy nankatò anefa ny ankamaroan’ny Israelita nitovitovy taona taminy, ka tsy nahomby ary maty tany an-tany efitra.

Tsy nanana herim-po satria tsy ampy finoana

4, 5. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo folo lahy, raha ampitahaina amin’ny an’i Josoa sy Kaleba? b) Inona no tsapan’i Jehovah, rehefa hitany fa tsy ampy finoana ny vahoaka?

4 Naniraka lehilahy 12 hisafo ny tany Kanana i Mosesy, 40 taona talohan’izay. Sambany ny Israelita tamin’izay vao tonga teo akaikin’i Kanana. Raiki-tahotra ny folo lahy rehefa niverina, ary nitabataba hoe: “Ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe; ary nahita ny Nefilima teo izahay; dia taranaky ny Anakita avy amin’ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana [na valala] izahay.” Marina ve fa “ny olona rehetra” no goavam-be, fa tsy ny Anakita ihany? Marina koa ve fa taranak’ireo Nefilima niaina talohan’ny Safodrano ny Anakita? Mazava ho azy fa diso daholo izany! Nanitatra fotsiny izy folo lahy. Na izany aza, dia naharaiki-tahotra ny olona eran’ny toby ny teniny. Naniry hiverina tany Ejipta mihitsy aza ny vahoaka, nefa andevo izy ireo tany!—Nomery 13:31–14:4.

5 Dodona hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina anefa ny roa tamin’ireo mpisafo tany, dia i Josoa sy Kaleba. Hoy izy ireo: “Hanina ho antsika [ny Kananita]; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” (Nomery 14:9) Tsy marim-pototra ve ny fanantenan’izy roa lahy? Tena marim-pototra mihitsy! Na izy mirahalahy, na ny firenena manontolo, dia samy nahita fa naetrin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Loza Folo, ny firenena matanjak’i Ejipta sy ireo andriamaniny. Hitan’izy ireo koa ny nandentehan’i Jehovah an’i Farao sy ny tafiny, tao amin’ny Ranomasina Mena. (Salamo 136:15) Noho izany, dia tsy tokony ho natahotra mihitsy ireo mpisafo tany folo lahy sy ireo nanaiky hotaominy. Nalahelo mafy i Jehovah, ka niteny hoe: “Mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?”—Nomery 14:11.

6. Nahoana no azo lazaina fa mifandray ny herim-po sy ny finoana, ary inona no manaporofo izany amin’ny androntsika?

6 Nahariharin’i Jehovah fa tsy nanam-pinoana ilay vahoaka, matoa kanosa toy izany. Hita amin’izany fa tsy afa-misaraka ny finoana sy ny herim-po. Izany no nahatonga ny apostoly Jaona hanoratra toy izao momba ny fiangonana kristianina sy ny ady ara-panahy ataony: “Izao no fandresena efa naharesy an’izao tontolo izao, dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5:4) Miely eran-tany ankehitriny ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, satria manam-pinoana toy ny an’i Josoa sy Kaleba ny Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery, na tanora, na antitra, na matanjaka, na osa. Tsy misy fahavalo mahavita mampangina an’io tafika matanjaka sy be herim-po io.—Romanina 8:31.

Aza “mihemotra”

7. Inona no dikan’ny hoe “mihemotra”?

7 Be herim-po ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny rehefa mitory, satria manana ny toe-tsain’ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Isika tsy mba anisan’izay mihemotra ho amin’ny fandringanana, fa anisan’ireo manam-pinoana ho amin’ny famonjena ny aina.” (Hebreo 10:39) Tsy matahotra vetivety fotsiny no dikan’ny hoe “mihemotra” eo, satria maro tamin’ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky no natahotra indraindray. (1 Samoela 21:13; 1 Mpanjaka 19:1-4) Hazavain’ny diksionera ara-baiboly iray fa ny hoe “mihemotra”, dia midika hoe “mihataka, miala”, ary “manao tsirambina ny fahamarinana fa tsy mitana mafy azy io.” Voalaza ao koa fa io teny io dia mety ho sarin-teny avy amin’ny hoe “mampidina ny lain’ny sambo, ka mampiadana ny fandehany”, ary midika hoe tsy mazoto manompo an’Andriamanitra intsony. Mazava ho azy anefa fa ny olona manana finoana matanjaka, dia tsy mieritreritra mihitsy ny hampihena ny fahazotoany amin’ny fanompoana rehefa misy zava-tsarotra, toy ny fanenjehana, aretina, na fitsapana hafa. Manompo an’i Jehovah hatrany kosa izy ireo, satria fantany fa tena miahy azy ireo izy, ary mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitany. (Salamo 55:22; 103:14) Manam-pinoana toy izany ve ianao?

8, 9. a) Ahoana no nanatanjahan’i Jehovah ny finoan’ny Kristianina voalohany? b) Inona no azontsika atao mba hanatanjahana ny finoantsika?

8 Nahatsiaro ho tsy ampy finoana ireo apostoly indray mandeha, ka nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” (Lioka 17:5) Nivaly tokoa izany fangatahana feno fahatsorana izany, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nirotsaka tamin’ireo mpianatra ilay fanahy masina nampanantenaina, ary nanampy azy hahazo kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikasany. (Jaona 14:26; Asan’ny Apostoly 2:1-4) Nihanatanjaka ny finoan’izy ireo, ka nanomboka nanao ezaka manokana izy ireo tamin’ny fitoriana. Niely ‘tamin’ny zavaboary rehetra teny ambanin’ny lanitra’ àry ny vaovao tsara, na dia nisy fanoherana aza.—Kolosianina 1:23; Asan’ny Apostoly 1:8; 28:22.

9 Tsy maintsy mianatra sy misaintsaina ny Soratra Masina koa isika, ary mivavaka mba hahazo ny fanahy masina, raha te hanana finoana matanjaka sy hanohy hatrany ny fanompoana. Tokony horaketintsika ao an-tsaina sy ao am-po ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Josoa sy Kaleba ary ireo Kristianina voalohany. Amin’izay ihany isika vao hanana an’ilay finoana, izay manome ny herim-po ilaina mba hiaretana sy handresena amin’ny ady ara-panahy.—Romanina 10:17.

Tsy ampy ny mino fa misy Andriamanitra

10. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe tena finoana?

10 Hita amin’ny ohatra navelan’ireo olo-nahatoky fahiny, fa tsy ampy ny mino ny fisian’Andriamanitra, mba hananana ilay finoana hanampy antsika hanana herim-po sy fiaretana. (Jakoba 2:19) Mila miezaka hahalala ny toetrany sy hatoky azy tanteraka koa isika. (Salamo 78:5-8; Ohabolana 3:5, 6) Mila inoantsika amin’ny fo manontolo, fa ny fanarahana ny lalàny sy ny toro lalany no mahasoa indrindra. (Isaia 48:17, 18) Tafiditra amin’ny hoe manam-pinoana koa ny hoe matoky tanteraka fa hanatontosa ny fampanantenany rehetra i Jehovah, ary ‘hamaly soa an’izay mitady azy fatratra.’—Hebreo 11:1, 6; Isaia 55:11.

11. Inona avy no fitahiana azon’i Josoa sy Kaleba, noho izy ireo nanana finoana sy herim-po?

11 Mihamatanjaka hatrany io finoana io, rehefa mampihatra ny fahamarinana isika, ‘manandrana’ na mahatsapa ny soa entin’izany, ‘mizaha’ na mahita ny valin’ny vavaka ataontsika, ary mahatsapa ny fomba hafa itarihan’i Jehovah antsika. (Salamo 34:8; 1 Jaona 5:14, 15) Azo antoka fa nihalalina ny finoan’i Josoa sy Kaleba, rehefa hitany ny soa nataon’Andriamanitra taminy. (Josoa 23:14) Anisan’izany ireto: Tafavoaka velona tamin’ilay dia naharitra 40 taona tany an-tany efitra izy ireo, araka ny nampanantenain’Andriamanitra. (Nomery 14:27-30; 32:11, 12) Nampandraisina anjara tamin’ny fanafihana an’i Kanana, izay naharitra enin-taona, koa izy ireo. Tsy vitan’izany fa ela velona izy ireo, nanana fahasalamana tsara, ary nahazo anjara tany manokana mihitsy. Tondraka tokoa ny valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony manana finoana sy herim-po!—Josoa 14:6, 9-14; 19:49, 50; 24:29.

12. Inona no dikan’ny hoe ‘manao fampanantenana lehibe’ i Jehovah?

12 Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto, ny fitiavana sy hatsaram-panahy nasehon’Andriamanitra tamin’i Josoa sy Kaleba: “Nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.” (Salamo 138:2, Fandikan-teny Katolika) Rehefa mampiasa ny anarany i Jehovah mba ho antoky ny fampanantenany, dia midika izany fa ho “lehibe” ny fahatanterahan’izy io, izany hoe ho tsara lavitra noho izay antenaintsika. (Efesianina 3:20) Tsy mandiso fanantenana an’ireo ‘miravoravo’ aminy mihitsy izy.—Salamo 37:3, 4.

Lehilahy iray “nahazo sitraka tamin’Andriamanitra”

13, 14. Nahoana i Enoka no nila finoana sy herim-po?

13 Afaka miana-javatra betsaka momba ny finoana sy ny herim-po isika, rehefa mandinika ny ohatra navelan’i Enoka, izay niaina talohan’ny andro kristianina. Azo inoana fa efa fantany talohan’ny naminaniany, fa hotsapaina ny finoany sy ny herim-pony. Ahoana no nahalalany izany? Satria nilaza i Jehovah tao Edena, fa hisy fifandrafiana na fifankahalana eo amin’ny mpanompony sy ny mpanompon’i Satana Devoly. (Genesisy 3:15) Fantatr’i Enoka koa fa efa nipoitra tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona io fifankahalana io, rehefa namono an’i Abela rahalahiny i Kaina. Mbola niaina 310 taona teo ho eo taorian’ny nahaterahan’i Enoka mantsy i Adama rain’izy mirahalahy ireo, ka izany no mety ho nahafantaran’i Enoka an’ireo tantara ireo.—Genesisy 5:3-18.

14 Na izany aza, dia nanana herim-po i Enoka, ary “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” foana. Nambarany koa fa meloka ny mpiara-belona taminy, satria nanao “teny manafintohina” hanoherana an’i Jehovah. (Genesisy 5:22; Joda 14, 15) Tsy natahotra izy nanohana ny fivavahana marina. Mety ho nanana fahavalo maro izy vokatr’izany, ka notandindomin-doza ny ainy. Nataon’i Jehovah àry izay tsy hahatsapan’io mpaminany io ny fangirifirian’ny fahafatesana. Nambara taminy aloha “fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy.” ‘Namindra’ azy tany amin’ny fahafatesana i Jehovah avy eo. Nataony angamba izay nahavariana be azy tamin’ny fahitana iray, ary nofaranany tamin’izay ny ainy.—Hebreo 11:5, 13; Genesisy 5:24.

15. Inona no modely nomen’i Enoka ho an’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny?

15 Nantitranterin’i Paoly indray fa ilaina ny finoana, raha vao avy niresaka momba ny namindrana an’i Enoka izy. Hoy i Paoly: “Ary raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Ny finoana tokoa no nahatonga an’i Enoka hanana herim-po, mba hiaraha-mandeha amin’i Jehovah, sy hanambarana ny didim-pitsarany tamin’ny tontolo iray tsy natahotra an’Andriamanitra. Tena modely ho antsika i Enoka amin’io lafiny io. Toy ny asa nataony no ataontsika, eo anivon’ny tontolo manohitra ny fivavahana marina sy feno faharatsiana isan-karazany.—Salamo 92:7; Matio 24:14; Apokalypsy 12:17.

Herim-po vokatry ny tahotra an’Andriamanitra

16, 17. Iza i Obadia, ary nanao ahoana ny toe-javatra nisy azy?

16 Ankoatra ny finoana, dia afaka manampy antsika ho be herim-po koa ny tahotra sy fanajana an’Andriamanitra. Namela ohatra miavaka momba izany ny lehilahy iray niaina tamin’ny andron’i Elia mpaminany sy Ahaba mpanjakan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Niely be tao amin’io faritra io ny fanompoana an’i Bala, ary mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay. ‘Nihinana teo amin’ny latabatr’i Jezebela’ vadin’i Ahaba mihitsy aza ireo mpaminanin’i Bala 450 sy ireo lehilahy 400 mpaminanin’ny Aseraha, na tsato-kazo masina.—1 Mpanjaka 16:30-33; 18:19.

17 Vehivavy lozabe sady fahavalon’i Jehovah i Jezebela, ary niezaka nanafoana ny fivavahana marina tao amin’ilay tany. Novonoiny ny mpaminanin’i Jehovah sasany. Nifofo ny ain’i Elia koa aza izy, saingy nasain’Andriamanitra nandositra tany ampitan’i Jordana izy. (1 Mpanjaka 17:1-3; 18:13) Azo antoka fa sarotra ny nanohana ny fivavahana marina tao amin’io fanjakana io tamin’izany. Vao mainka sarotra izany, ho an’izay niasa tao an-dapa. Izany anefa no toe-javatra nisy an’i Obadia. * Natahotra an’Andriamanitra sady mpanompo niandraikitra ny ankohonan’i Ahaba izy.—1 Mpanjaka 18:3.

18. Nahoana i Obadia no lazaina fa mpanompon’i Jehovah niavaka?

18 Azo inoana fa malina sy tsy nisehoseho i Obadia, teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah. Tsy nanaiky lembenana koa anefa izy. Hoy ny 1 Mpanjaka 18:3: “Obadia dia natahotra an’i Jehovah tokoa.” Tena niavaka ny fahatahorany an’Andriamanitra! Ary izany no nahatonga azy ho be herim-po. Niharihary izany taoriana kelin’ny namonoan’i Jezebela ny mpaminanin’i Jehovah.

19. Inona no manaporofo fa be herim-po i Obadia?

19 Hoy ny Baiboly: “Nony naringan’i Jezebela ny mpaminanin’i Jehovah, dia nalain’i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo.” (1 Mpanjaka 18:4) Azonao sary an-tsaina angamba fa tena nampidi-doza ny nandeha an-tsokosoko nitondra sakafo ho an’olona zato tamin’izany. Sady tsy maintsy niafina an’i Ahaba sy Jezebela i Obadia, no tsy maintsy niafina an’ireo mpaminany sandoka 850 nivezivezy tao an-dapa. Maro koa ny mpanompo sampy tao an-tanàna, na ny tantsaha na ny andriana. Azo antoka fa raha nahatratra an’i Obadia izy ireo, dia tsy maintsy ho nitatitra izany mba hahazoana sitraka tamin’ny mpanjaka sy ny vadiny. Na izany aza, dia be herim-po i Obadia, ka nikarakara izay nilain’ireo mpaminanin’i Jehovah, teo imason’ireo mpanompo sampy rehetra ireo. Nahagaga fa tsy nahamarika izany izy ireo. Manampy antsika ho be herim-po tokoa ny tahotra an’Andriamanitra!

20. Nanampy an’i Obadia hanao inona ny fahatahorany an’Andriamanitra, ary manampy anao amin’ny inona ny modely nomeny?

20 Azo inoana fa narovan’i Jehovah tamin’ny fahavalony i Obadia, noho izy nanana herim-po vokatry ny fahatahorany an’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 29:25: “Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.” Toy ny olon-drehetra ihany i Obadia. Natahotra ny ho tratra sy hovonoina izy, toa antsika ihany raha isika no teo amin’ny toerany. (1 Mpanjaka 18:7-9, 12) Noho izy natahotra an’Andriamanitra anefa, dia nanjary be herim-po, ka afaka ny tahotra olona nety ho tao aminy. Modely ho antsika rehetra izy, indrindra ho an’ireo mety hogadraina na hovonoina mihitsy aza, noho ny fanompoany an’i Jehovah. (Matio 24:9) Enga anie àry isika rehetra hiezaka hanompo an’i Jehovah “amin’ny fahatahorana sy ny fanajana.”—Hebreo 12:28.

21. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tsy ny finoana sy ny tahotra an’Andriamanitra ihany no manampy antsika ho be herim-po. Mbola manampy bebe kokoa aza ny fitiavana. Hoy i Paoly: “Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.” (2 Timoty 1:7) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no anampian’ny fitiavana antsika, mba hanompoantsika an’i Jehovah amin-kerim-po amin’izao andro farany izao, izay sarotra iainana.—2 Timoty 3:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Tsy i Obadia mpaminany.

Hainao Valiana Ve?

• Inona avy no nahatonga an’i Josoa sy Kaleba ho be herim-po?

• Inona avy no tafiditra amin’ny hoe tena finoana?

• Nahoana i Enoka no tsy natahotra nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra?

• Nahoana ny tahotra an’Andriamanitra no manampy antsika ho be herim-po?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]]

Nandidy an’i Josoa i Jehovah hoe: “Mahereza sy matanjaha”

[Sary, pejy 18]

Nikarakara sy niaro ny mpaminanin’Andriamanitra i Obadia

[Sary, pejy 19]

Sahy nanambara ny tenin’Andriamanitra i Enoka