Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampitombo ny Herim-po ny Fitiavana

Mampitombo ny Herim-po ny Fitiavana

Mampitombo ny Herim-po ny Fitiavana

“Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.”—2 TIMOTY 1:7.

1, 2. a) Mahatonga ny olona hahavita inona ny fitiavana? b) Inona no mampiavaka ny herim-pon’i Jesosy?

NANAO antsitrika tany an-dranomasina ny mpivady vao iray, tany akaikin’ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia. Efa nadiva hipoitra teny ambony rano izy ireo, no indro nisy antsantsa fotsy lehibe nanitsy tany amin’ilay vehivavy. Nisikina herim-po ilay lehilahy ka nanosika ny vadiny, ary nitolo-tena harapak’ilay antsantsa. Hoy ilay vehivavy tamin’ny fandevenana ny vadiny: “Nafoiny ny ainy mba hamonjena ahy.”

2 Mahatonga ny olona hanana herim-po miavaka tokoa ny fitiavana. Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Namoy ny ainy izy tsy ampy iray andro taorian’izay, saingy tsy ho an’olona iray monja fa ho an’ny olon-drehetra. (Matio 20:28) Tsy nisikina herim-po tampotampoka fotsiny koa izy, matoa nanolotra ny ainy. Efa fantany mialoha fa hesoina sy hampijalina izy, helohina tsy ara-drariny, ary hovonoina eo amin’ny hazo fijaliana. Efa nampiomana ny mpianany mihitsy aza izy hoe: “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty, dia hatolony amin’ireo hafa firenena, ka hataon’ireo fihomehezana sy hororany sy hoveleziny ary hovonoiny ho faty.”—Marka 10:33, 34.

3. Inona no nahatonga an’i Jesosy ho be herim-po?

3 Inona no nahatonga an’i Jesosy hanana herim-po miavaka? Nisy heriny lehibe taminy ny finoana sy ny tahotra an’Andriamanitra. (Hebreo 5:7; 12:2) Ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny olona anefa no tena nanampy azy ho be herim-po. (1 Jaona 3:16) Hanana herim-po toa an’i Kristy koa isika, raha manana fitiavana toy izany, ankoatra ny finoana sy ny tahotra an’Andriamanitra. (Efesianina 5:2) Ahoana no hananana io fitiavana io? Mila fantarintsika aloha hoe avy aiza izy io.

“Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana”

4. Nahoana no lazaina fa avy amin’i Jehovah ny fitiavana?

4 I Jehovah dia fitiavana ary avy aminy io toetra io. Hoy ny apostoly Jaona: “Ry malala, aoka isika hifankatia hatrany, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia dia naterak’Andriamanitra, sady efa mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:7, 8) Rehefa manatona an’Andriamanitra ihany àry ny olona vao afaka manana fitiavana toa azy. Afaka manatona an’i Jehovah izy, raha mianatra ny marina momba azy sy mampihatra izay ianarany, izany hoe mankatò azy amin’ny fo manontolo.—Filipianina 1:9; Jakoba 4:8; 1 Jaona 5:3.

5, 6. Inona no nanampy ny Kristianina voalohany hanana fitiavana toy ny an’i Kristy?

5 Rehefa nivavaka farany niaraka tamin’ny apostoliny nahatoky 11 i Jesosy, dia nasehony fa mampitombo ny fitiavana, ny fahafantarana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.” (Jaona 17:26) Nampian’i Jesosy ny mpianany mba hanana ilay karazana fitiavana nisy teo aminy sy ny Rainy. Ahoana no nanaovany izany? Nampahafantariny azy ireo tamin’ny teniny sy ny nataony ny anaran’Andriamanitra, izany hoe ireo toetra faran’izay tsara ananan’ilay mitondra an’io anarana io. Afaka nilaza àry i Jesosy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”—Jaona 14:9, 10; 17:8.

6 Anisan’ny vokatry ny fanahy masina ilay fitiavana toy ny an’i Kristy. (Galatianina 5:22) Nahatsiaro ireo zavatra maro nampianarin’i Jesosy ny Kristianina voalohany, rehefa avy nirotsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina nampanantenainy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Tsy izay ihany, fa nanjary azony tsara kokoa ny Soratra Masina. Nampitombo ny fitiavany an’Andriamanitra izany. (Jaona 14:26; 15:26) Inona no vokany? Nazoto nitory ny vaovao tsara tamin-kerim-po izy ireo, na dia notandindomin-doza aza ny ainy.—Asan’ny Apostoly 5:28, 29.

Naneho fitiavana sy be herim-po izy ireo

7. Inona no niaretan’i Paoly sy Barnabasy nandritra ny dia misionera niarahan’izy ireo?

7 Hoy ny apostoly Paoly: “Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.” (2 Timoty 1:7) Tena nahatsapa izany i Paoly. Eritrereto izay natrehin’izy sy Barnabasy, tamin’ny dia misionera niarahan’izy ireo. Nitory tany amin’ny tanàna maro izy ireo, toa an’i Antiokia, Ikonioma, ary Lystra. Samy nisy olona tonga mpino tao amin’ireo tanàna ireo, saingy nisy mpanohitra ratsy fanahy koa. (Asan’ny Apostoly 13:2, 14, 45, 50; 14:1, 5) Nitora-bato an’i Paoly mihitsy aza ny vahoaka romotra tao Lystra, ary rehefa noheveriny hoe maty vao navelany! “Nony nanodidina an’i Paoly anefa ny mpianatra, dia niarina izy ary niditra tao an-tanàna. Ary ny ampitson’iny, dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.”—Asan’ny Apostoly 14:6, 19, 20.

8. Ahoana no ahitana fa tena tia olona i Paoly sy Barnabasy matoa nanana herim-po?

8 Natahotra ve i Paoly sy Barnabasy, ka nitsahatra tsy nitory, rehefa nisy nitady hamono an’i Paoly? Tsia. Vao mainka aza izy ireo “niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia”, rehefa avy “nanampy olona maro ho tonga mpianatra” tany Derbe. Nahoana? Mba hampirisihana ireo vaovao hanana finoana matanjaka hatrany. Hoy i Paoly sy Barnabasy: “Tsy maintsy amin’ny fahoriana maro no idirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Hita amin’izany fa nanana herim-po izy ireo, satria tena tia an’ireo ‘ondrikelin’i’ Kristy. (Asan’ny Apostoly 14:21-23; Jaona 21:15-17) Rehefa avy nanendry anti-panahy teo anivon’ireo fiangonana vaovao ireo izy roa lahy dia nivavaka, ary ‘nanankina azy ireo tamin’i Jehovah, ilay nanjary ninoan’izy ireo.’

9. Inona no nataon’ireo anti-panahy avy any Efesosy, ho setrin’ny fitiavan’i Paoly azy ireo?

9 Tena niahy ny hafa sady be herim-po tokoa i Paoly, ka maro tamin’ny Kristianina voalohany no tia azy fatratra. Eritrereto ny zava-niseho tamin’izy nampivory ny anti-panahy avy any Efesosy, toerana nijanonany nandritra ny telo taona sy niaretany fanoherana maro. (Asan’ny Apostoly 20:17-31) Nampirisihiny izy ireo hiandry ny ondry nampiandraiketin’Andriamanitra azy. Niara-nandohalika tamin’izy ireo izy avy eo ary nivavaka. Taorian’izay dia ‘nitomany mafy izy rehetra ary namihina ny vozon’i Paoly, ka nanoroka azy tamim-pitiavana, satria nalahelo mafy noho ny teniny hoe tsy hahita ny tavany intsony izy ireo.’ Lalina tokoa ny fitiavan’izy ireo an’i Paoly! Rehefa tonga ny fotoana hiaingana, dia tsy maintsy “nisaraka tamin’izy ireo” i Paoly sy ny mpiara-dia taminy, na dia tena te hihazona azy ireo aza ireo anti-panahy teo an-toerana.—Asan’ny Apostoly 20:36–21:1.

10. Ahoana no ampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny fa be herim-po sy mifankatia izy ireo?

10 Tena tian’ny olona koa ankehitriny ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy anti-panahy ary ny maro hafa, noho izy ireo be herim-po mba hikarakarana ny ondrin’i Jehovah. Any amin’ny tany rotidrotiky ny ady an-trano, na andrarana ny fitoriana, ohatra, dia mitsidika fiangonana foana ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, na dia mety hamoizany ny ainy na hampigadra azy aza izany. Maro koa ireo Vavolombelona ampijalin’ny mpitondra ratsy fanahy sy ny mpanohana azy, satria tsy mety mamadika ny mpiray finoana aminy, na milaza ny toerana ahazoany sakafo ara-panahy. An’arivony no enjehina, ampijalina, na vonoina ho faty mihitsy aza, satria tsy mety mitsahatra mitory, na mbola miara-mivory amin’ny Kristianina namany ihany. (Asan’ny Apostoly 5:28, 29; Hebreo 10:24, 25) Enga anie isika hanahaka ny finoana sy ny fitiavan’ireny rahalahy sy anabavy be herim-po ireny!—1 Tesalonianina 1:6.

Aza avela hihamangatsiaka ny fitiavanareo

11. Ahoana no anaovan’i Satana ady ara-panahy amin’ny mpanompon’i Jehovah, ary inona no ilain’izy ireo hatao mba hanoherana izany?

11 Rehefa natsipy tetỳ an-tany i Satana, dia tapa-kevitra ny hanampatra ny hatezerany amin’ny mpanompon’i Jehovah, noho izy ireo ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitory momba an’i Jesosy.’ (Apokalypsy 12:9, 17) Anisan’ny paikadiny ny fanenjehana. Mifanohitra amin’ny tanjon’ny Devoly anefa ny vokatr’ilay izy matetika. Lasa mifandray akaiky sy mifankatia kokoa mantsy ny Kristianina rehefa misy fanenjehana, ary maro no vao mainka be zotom-po. Manana paikady hafa anefa i Satana. Ataony izay hisarihana antsika hanome fahafaham-po ny fanirian-dratsy ao anatintsika. Mila herim-po karazany hafa isika mba hanoherana izany. Ady anaty mantsy no tsy maintsy atao, dia ady amin’ny fanirian-dratsy ao anatin’ny fontsika, izay ‘mamitaka sy manana aretina tsy azo sitranina.’—Jeremia 17:9; Jakoba 1:14, 15.

12. Ahoana no ampiasan’i Satana “ny fanahin’izao tontolo izao”, mba hampihenana ny fitiavantsika an’Andriamanitra?

12 Manana fitaovam-piadiana mahery hafa koa i Satana. Tsy inona izy io fa “ny fanahin’izao tontolo izao”, dia ilay toe-tsaina manjaka eo aminy na ny tena antony anaovany zavatra, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fanahy masin’Andriamanitra. (1 Korintianina 2:12) Misarika ny olona ho amin’ny “fanirian’ny maso” io toe-tsaina io, izany hoe mahatonga azy ireo hanana faniriana tsy mety afa-po sy ho tia harena. (1 Jaona 2:16; 1 Timoty 6:9, 10) Tsy misy maharatsy ny harena sy ny vola. Mandresy anefa i Satana, raha ireo indray no lasa tiantsika kokoa noho Andriamanitra. Mahery na manana ‘fahefana’ ny toe-tsain’ity tontolo ity, noho izy io mitady izay mahafinaritra ny nofo mpanota, mamely an-kolaka, tsy mety lefy, ary miely patrana toy ny rivotra. Aza avela hanan-kery ao am-ponao àry io toe-tsaina io!—Efesianina 2:2, 3; Ohabolana 4:23.

13. Inona no fitsapana mety hitranga, izay mitaky ny hananantsika herim-po hanaovana ny tsara?

13 Mila herim-po hanaovana ny tsara isika, raha te hanohitra sy handa ny toe-tsaina ratsin’ity tontolo ity. Ilaina, ohatra, ny herim-po, mba hitsanganana sy hivoahana avy ao amin’ny trano fijerena sinema, na mba hamonoana ordinatera na tele, rehefa misy sary vetaveta miseho. Ilaina ny herim-po mba hanoherana ny fitaomana hanao ratsy, sy hisarahana amin’ny naman-dratsy. Mila herim-po koa isika, mba hanarahana hatrany ny lalàna sy ny toro lalan’Andriamanitra, na dia eo aza ny fanesoan’ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, mpiara-monina, na havana.—1 Korintianina 15:33; 1 Jaona 5:19.

14. Inona no tokony hataontsika, raha nifindra tamintsika ny fanahin’izao tontolo izao?

14 Zava-dehibe àry ny hanamafisantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ireo rahalahy sy anabavintsika! Makà fotoana handinihana ny tanjonao sy ny fomba fiainanao, mba hahitana raha nifindra taminao ny toe-tsain’ity tontolo ity. Raha nifindra ilay izy, na dia kely aza, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanananao herim-po hanesorana azy io sy handavana azy io hatrany aorian’izay. Tsy hanao tsinontsinona ny vavaka vokatry ny fo toy izany i Jehovah. (Salamo 51:17) Mahery lavitra noho ny fanahin’izao tontolo izao koa mantsy ny fanahiny.—1 Jaona 4:4.

Atreho amin-kerim-po ny olana mianjady aminao

15, 16. Inona no ohatra mampiseho fa manampy antsika hiatrika fitsapana ny fitiavana toy ny an’i Kristy?

15 Miatrika zava-tsarotra hafa ny mpanompon’i Jehovah. Anisan’izany ny vokatry ny tsy fahalavorariana sy ny fahanterana, izay matetika miteraka aretina, kilema, hakiviana, na olana maro hafa. (Romanina 8:22) Manampy antsika hizaka izany ny fitiavana toy ny an’i Kristy. Diniho ny nahazo an’i Namangolwa, notezaina teo anivon’ny fianakaviana kristianina, any Zambia. Nanjary kilemaina izy rehefa feno roa taona. Hoy izy: “Nahamenatra ahy ny bikako, satria nihevitra aho fa mahatsiravina ny olona ny mahita ahy. Nanampy ahy hijery lafy tsaran-javatra anefa ireo anadahy kristianina. Noho izany, dia tsy nahamenatra ahy intsony ny bikako, ary natao batisa aho tatỳ aoriana.”

16 Manana seza misy kodiarana i Namangolwa, nefa voatery mandady izy matetika, rehefa eny amin’ny lalan-tany feno fasika. Na izany aza, dia manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy, indroa isan-taona, fara fahakeliny. Nitomany ny olona iray nitoriany indray mandeha. Nahoana? Nihetsi-po be izy rehefa nahita ny finoana sy ny herim-pon’ilay anabavintsika. Tena nitahy ny ezaka nataony i Jehovah, satria dimy tamin’ny olona nampianariny Baiboly no natao batisa, ary anti-panahy izao ny iray amin’izy ireo. Hoy i Namangolwa: “Marary be ny ranjoko matetika, nefa tsy avelako hampijanona ahy izany.” Io anabavy io, dia iray monja amin’ireo Vavolombelona maro be eran-tany, izay osa ara-batana, nefa be herim-po noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Sarobidy amin’i Jehovah tokoa ny olona toy ireny!—Hagay 2:7.

17, 18. Inona no manampy olona maro hizaka ny aretiny na fitsapana hafa? Manomeza ohatra eo an-toerana.

17 Mety hahakivy koa ny aretina mitaiza, ary mety hampahory mihitsy aza. Hoy ny anti-panahy iray: “Misy anabavy iray voan’ny diabeta ao amin’ny fianarana bokinay. Tsy miasa tsara intsony koa ny voany. Misy iray indray voan’ny kansera, ny anankiroa tratran’ny aretin’ny tonon-taolana, ary ny iray voan’ny aretin-koditra sy aretin-kozatra. Kivy izy ireo indraindray, nefa tsy manapaka fivoriana mihitsy, raha tsy hoe marary mafy na miditra hopitaly angaha. Mitory tsy tapaka koa izy rehetra. Izy ireo dia mampahatsiahy ahy an’i Paoly, izay niteny hoe: ‘Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.’ Tena mampiaiky ahy ny fitiavana sy ny herim-pon’izy ireo. Mazava kokoa amin’izy ireo angamba ny zava-kendren’ny fiainana sy izay zava-dehibe kokoa, noho ny toe-javatra misy azy.”—2 Korintianina 12:10.

18 Osa ara-batana ve ianao, sa tsy salama na miatrika olana hafa? Raha izany no izy, dia “aza mitsahatra mivavaka” mba hahazoana fanampiana ka tsy hahatonga anao ho kivy. (1 Tesalonianina 5:14, 17) Mazava ho azy fa mety hiovaova ny fihetseham-ponao. Miezaha anefa mifantoka amin’ny zavatra mampahery eo amin’ny lafiny ara-panahy, indrindra fa ilay fanantenana sarobidy momba ilay Fanjakana. Hoy ny anabavy iray: “Ny fanompoana eny amin’ny saha no fanafodiko.” Manampy azy hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra ny firesahana ny vaovao tsara.

Manampy an’ireo nania hiverina amin’i Jehovah ny fitiavana

19, 20. a) Inona no afaka manampy an’ireo nanao fahotana lehibe, mba hanana herim-po hiverenana amin’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Maro amin’ireo nanjary osa ara-panahy, na nanao fahotana lehibe no mahatsapa fa tsy mora ny miverina amin’i Jehovah. Hanana herim-po hanaovana izany anefa izy ireny, raha tena mibebaka sy mamelona indray ny fitiavany an’Andriamanitra. Eritrereto ny nanjo an’i Mario, * mipetraka any Etazonia. Niala tsy ho anisan’ny fiangonana izy, lasa mpiboboka toaka, nidoroka zava-mahadomelina, ary tany am-ponja no niafarany rehefa afaka 20 taona. Hoy izy: “Nanomboka nisaintsaina lalina momba ny hoaviko aho, ary namaky Baiboly indray. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa nankasitraka ny toetran’i Jehovah aho, indrindra fa ny famindram-pony, izay nangatahiko matetika. Nisaraka tamin’ireo namako fahiny aho rehefa nivoaka ny fonja, namonjy fivoriana, ary voaray indray tatỳ aoriana. Misy vokany ratsy eo amin’ny tenako ny zavatra nataoko, nefa mba manana fanantenana tsara aloha aho izao. Fisaorana mitafotafo no atolotro an’i Jehovah, noho izy namindra fo tamiko sy namela ny heloko.”—Salamo 103:9-13; 130:3, 4; Galatianina 6:7, 8.

20 Mazava ho azy fa mila miezaka mafy ny olona toa an’i Mario, raha te hiverina amin’i Jehovah. Hanjary ho tia an’i Jehovah indray anefa izy ireo, raha mianatra ny Baiboly sy mivavaka ary misaintsaina. Hanampy azy ho be herim-po sy ho tapa-kevitra hiverina amin’i Jehovah izany. Nampahery an’i Mario koa ny fanantenana momba ilay Fanjakana. Hisy vokany tsara eo amin’ny fiainantsika tokoa ny fanantenana, ankoatra ny fitiavana, finoana, ary ny tahotra an’Andriamanitra. Handinika an’io fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah io isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Novana ny anarana.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no mampiseho fa nahatonga an’i Jesosy hanana herim-po miavaka ny fitiavana?

• Inona no mampiseho fa nahatonga an’i Paoly sy Barnabasy hanana herim-po miavaka, ny fitiavany an’ireo rahalahy?

• Inona avy ireo paikady ampiasain’i Satana, mba hampihenana ny fitiavan’ny Kristianina?

• Manome antsika herim-po hiaretana fitsapana inona avy ny fitiavana an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nanana herim-po hitoriana hatrany i Paoly satria tia olona

[Sary, pejy 24]]

Mila herim-po isika mba hanarahana hatrany ny fitsipik’Andriamanitra

[Sary, pejy 24]

Namangolwa Sututu