Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’Andriamanitra

Ry Tanora, Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’Andriamanitra

Ry Tanora, Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’Andriamanitra

‘Zaro foana hanana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ny tenanao.’—1 TIMOTY 4:7.

1, 2. a) Nahoana i Paoly no nidera an’i Timoty? b) Inona no ataon’ny tanora ankehitriny, mba ‘hanazarana ny tenany hahafoy tena ho an’Andriamanitra’?

“IZAHO tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo. ... Tahaka ny anompoan’ny zanaka ny rainy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.” (Filipianina 2:20, 22) Nanao izany teny fiderana feno fitiavana izany ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Filipy. Iza no noresahiny? I Timoty, ilay tovolahy niara-dia taminy. Nanome toky azy i Paoly teo fa tena tia azy sy natoky azy, ary azo antoka fa nampahery an’i Timoty izany!

2 Sarobidy amin’ny vahoakan’i Jehovah foana hatramin’izay ny tanora matahotra an’Andriamanitra toa an’i Timoty. (Salamo 110:3) Tanora maro ankehitriny no mpisava lalana, misionera, mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana, ary Betelita. Tena mendri-piderana koa ireo mazoto mandray anjara amin’ny asa ataon’ny fiangonana, nefa sady miantsoroka andraikitra hafa. Tena afa-po ireny tanora ireny, satria manatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah Raintsika. ‘Manazatra ny tenany mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra’ tokoa izy ireny.—1 Timoty 4:7, 8.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Ry tanora, manana tanjona voafaritra tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve ianao? Inona no afaka manampy sy mampahery anao mba hanao izany? Inona no azonao atao, mba tsy ho voatarik’ity tontolo ity hikatsaka vola aman-karena? Inona no fitahiana ho azonao, raha manatratra tanjona manome voninahitra an’Andriamanitra ianao? Handinika ny fiainan’i Timoty sy izay nataony anton-draharaha isika, mba hahitana ny valin’izany.

Ny mombamomba an’i Timoty

4. Inona avy no azo lazaina momba ny fiainan’i Timoty teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

4 Lehibe tao Lystra i Timoty. Tanàna kely tao amin’ny faritany romanina atao hoe Galatia izy io. Nitory tao i Paoly tamin’ny taona 47 tany ho any, ary azo inoana fa tamin’izay i Timoty zatovo no nandre voalohany momba ny Fivavahana Kristianina. Vetivety izy dia nanjary tsara laza teo amin’ny rahalahy tao amin’ilay tanàna. Niverina tany i Paoly, roa taona tatỳ aoriana, ary nandre fa nandroso tsara i Timoty, ka nofidiny ho misionera hiaraka aminy. (Asan’ny Apostoly 14:5-20; 16:1-3) Nomena andraikitra lehibe kokoa mihitsy aza i Timoty, rehefa nihamatotra. Nirahina hampahery an’ireo rahalahy izy, ohatra. Anti-panahy tao Efesosy izy, rehefa nanoratra ho azy avy tany am-ponja tany Roma i Paoly, tamin’ny taona 65 tany ho any.

5. Araka ny 2 Timoty 3:14, 15, inona ireo antony roa nahatonga an’i Timoty hifidy ny hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah?

5 Nifidy tanjona manome voninahitra an’i Jehovah tokoa i Timoty. Inona no nahatonga azy hanao izany? Nilaza antony roa lehibe i Paoly, tao amin’ilay taratasy faharoa nosoratany ho an’i Timoty. Hoy izy: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe avy tamin’iza avy no nianaranao azy ireny. Ary mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina.” (2 Timoty 3:14, 15) Hojerentsika aloha fa nisy vokany teo amin’ny safidy nataon’i Timoty ny fiarahana tamin’ny Kristianina hafa.

Mahasoa ny miaraka amin’ny Kristianina matotra

6. Inona no nampianarina an’i Timoty? Nanao ahoana ny fandraisany an’izany?

6 Tsy nitovy fivavahana ny ray aman-drenin’i Timoty. Grika ny rainy, ary Jiosy i Eonika reniny sy Loisa renibeny. (Asan’ny Apostoly 16:1) Mbola zaza i Timoty dia efa nampianarin’i Eonika sy Loisa ny fahamarinana tao amin’ny Soratra Hebreo. Azo antoka fa rehefa nanaraka ny Kristianisma izy ireo, dia nandresy lahatra an’i Timoty mba hino ny fampianarana kristianina. Hita fa tena nanaraka an’izany fampianarana faran’izay tsara izany i Timoty. Hoy mantsy i Paoly: “Tsaroako ... ny finoana tsy mihatsaravelatsihy anananao, izay efa tao amin’i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao aminao koa.”—2 Timoty 1:5.

7. Inona no tombontsoa ananan’ny tanora maro? Nahoana izany no mahasoa azy ireo?

7 Manana tombontsoa ny tanora maro. Matahotra an’Andriamanitra mantsy ny raibe sy renibeny ary ny ray aman-dreniny, no sady miaiky toa an’i Eonika sy Loisa fa ilaina ny manana tanjona manome voninahitra an’i Jehovah. Mahatsiaro ny resadresaka naharitra nifanaovany tamin’ny ray aman-dreniny tamin’izy mbola zatovo i Samira. Hoy izy: “Nampianatra ahy hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah i Dada sy Neny, ary nilaza fa ny fitoriana no tokony hataoko ho loha laharana. Nampirisika ahy foana koa izy ireo mba hanao fanompoana manontolo andro.” Nanaraka izany torohevitra izany i Samira, ary manana tombontsoa manompo ao amin’ny Betela ao amin’ny taniny izy izao. Raha mampirisika anao hifantoka amin’ny tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah àry ny ray aman-dreninao, dia diniho tsara izany. Izay tena hahasoa anao no tadiaviny.—Ohabolana 1:5.

8. Inona no soa noraisin’i Timoty tamin’ny fiarahana tamin’ny namana kristianina matotra?

8 Tena mila mitady namana kristianina matotra koa ianao. Nanjary nanana laza tsara i Timoty teo amin’ireo anti-panahin’ny fiangonany tao Lystra sy ireo tany Ikonioma, tanàna tokony ho 30 kilaometatra avy teo. (Asan’ny Apostoly 16:1, 2) Nataony namana akaiky i Paoly, rahalahy be zotom-po. (Filipianina 3:14) Hita ao amin’ny taratasin’i Paoly fa nankasitraka ny torohevitra nomena azy i Timoty, ary nanahaka avy hatrany ny ohatra tsara navelan’ireo Kristianina nanam-pinoana. (1 Korintianina 4:17; 1 Timoty 4:6, 12-16) Hoy i Paoly: “Ianao ... efa nanaraka akaiky ny fampianarako, ny fomba fiainako, ny tanjona ananako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny fiaretako.” (2 Timoty 3:10) Nanaraka akaiky ny modely nomen’i Paoly tokoa i Timoty. Hanampy anao hanana tanjona manome voninahitra an’i Jehovah ny fifandraisana akaiky amin’ny olona manana finoana matanjaka eo anivon’ny fiangonana.—2 Timoty 2:20–22.

Ianaro ny “Soratra Masina”

9. Ankoatra ny fifidianana namana tsara, inona no tsy maintsy ataonao mba ‘hanazarana ny tenanao hahafoy tena ho an’Andriamanitra’?

9 Ampy ve ny mifidy namana tsara, mba hanatratrarana tanjona manome voninahitra an’i Jehovah? Tsia. Mila mandinika tsara ny “Soratra Masina” toa an’i Timoty ianao. Tsy dia tia mianatra angamba ianao. Tadidio anefa fa tsy maintsy ‘nanazatra ny tenany mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra’ i Timoty. Matetika no manao fanazaran-tena mafy be mandritra ny volana maro ny mpanao fanatanjahan-tena, mba hanatratrarana ny tanjony. Mila miezaka mafy toy izany koa ianao sady mahafoy zavatra sasany, mba hanatratraranao ny tanjonao. (1 Timoty 4:7, 8, 10) Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Nahoana no manampy ahy hanatratra ny tanjoko ny fianarana Baiboly?’ Misy fomba telo anampian’izy io anao.

10, 11. Nahoana ny Soratra Masina no handrisika anao hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah? Manomeza ohatra.

10 Voalohany, hahatonga anao hanana antony tsara hanatratrarana ny tanjonao ny Soratra Masina. Resahina ao mantsy ireo toetra faran’izay tsara ananan’ilay Raintsika any an-danitra, sy ny zava-dehibe indrindra nataony mba hanehoana fitiavana antsika, ary ireo fitahiana mandrakizay miandry ny mpanompony mahatoky. (Amosa 3:7; Jaona 3:16; Romanina 15:4) Rehefa mitombo ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah, dia hitombo koa ny fitiavanao azy sy ny fanirianao hanolo-tena ho azy.

11 Nilaza ny tanora kristianina maro fa ny fianarana samirery tsy tapaka ny Baiboly no tena nanampy azy handray am-po ny fahamarinana. Anisan’izany i Adele. Notezain’ny ray aman-dreny kristianina izy, nefa tsy nanana tanjona mihitsy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Hoy izy: “Nentin’ny ray aman-dreniko tany am-pivoriana aho, nefa tsy nihaino akory aho tany sady tsy mba nianatra samirery.” Nanomboka nihevitra ny fahamarinana ho zava-dehibe kokoa i Adele, rehefa natao batisa ny rahavaviny. Hoy ihany izy: “Nanomboka namaky ny Baiboly manontolo aho. Isaky ny avy mamaky kely aho, dia nisy zavatra nosoratako momba izay novakiko. Mbola voatahiriko hatramin’izao ireny zavatra nosoratako ireny. Voavakiko tao anatin’ny herintaona ny Baiboly tamin’izay.” Nandrisika an’i Adele hanolo-tena ho an’i Jehovah izany, ary mpisava lalana na mpitory manontolo andro izy izao, na dia kilemaina aza.

12, 13. a) Hanampy ny tanora hanao fiovana inona ny fianarany Baiboly? Ahoana no hetezan’izany? b) Manomeza santionany amin’ny fahendrena raketin’ny Tenin’Andriamanitra.

12 Faharoa, hanampy anao hanova izay toetranao mila ovana ny Baiboly. Nilaza tamin’i Timoty i Paoly fa ny “Soratra Masina” dia “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Hanatsara ny toetranao ny fanahin’Andriamanitra, raha misaintsaina tsy tapaka momba ny zavatra misy ifandraisany amin’ny Teniny ianao, ary mampihatra ny toro lalana ao amin’izy io. Hanjary hanana toetra tena ilaina ianao, toy ny fanetren-tena, fikirizana, fahazotoana miasa, ary ny tena fitiavana ny Kristianina hafa. (1 Timoty 4:15) Nanana an’ireo toetra ireo i Timoty, ka afaka nanampy tsara an’i Paoly sy ilay fiangonana nisy azy.—Filipianina 2:20-22.

13 Fahatelo, mirakitra fahendrena be dia be ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 1:1-3; 19:7; 2 Timoty 2:7; 3:15) Hanampy anao izany mba hahay hifidy namana tsara sy fialam-boly mahasoa, ary hiatrika olana maro hafa. (Genesisy 34:1, 2; Salamo 119:37; 1 Korintianina 7:36) Tena mila mandray fanapahan-kevitra tsara dieny izao ianao, mba hanatratraranao ny tanjonao.

‘Miadia ny ady tsara’

14. Nahoana no tena tsy mora ny manatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah?

14 Marina fa tsy misy tsara noho ny hoe manatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah, ary manao izany ho loha laharana. Tena tsy mora anefa izany. Mety hieritreritra, ohatra, ny havanao sy ny namanao ary ny mpampianatra tsara fikasa, fa ny fianarana ambony sy ny asa be karama no tena mahatafita sy mahasambatra. Koa rehefa hifidy asa ianao, dia mety hampirisika mafy anao mba hanaraka ny heviny izy ireo. (Romanina 12:2) Mila ‘miady ny ady tsaran’ny finoana’ toa an’i Timoty àry ianao, mba ‘hihazonana mafy ny fiainana mandrakizay’ ampanantenain’i Jehovah anao.—1 Timoty 6:12; 2 Timoty 3:12.

15. Inona no mety ho fitsapana hitan’i Timoty?

15 Tena mety ho fitsapana mafy aminao, raha manakiana ny safidy ataonao ny fianakavianao tsy Vavolombelona. Mety ho izany no nanjo an’i Timoty. Nilaza ny boky iray fa mety “ho anisan’ireo nahita fianarana sy mpanankarena” ny fianakaviany. Mety ho nanantena ny rainy hoe hanao fianarana ambony izy, ary handimby azy amin’ny raharaham-barotry ny fianakaviana. * Mba eritrereto ange izay nety ho nataon’ny rainy, rehefa fantany fa nifidy asa nahitana loza sy tsy nisy fidiram-bola azo antoka i Timoty e! Naleony mantsy ho misionera hiaraka amin’i Paoly.

16. Inona no nataon’ny tanora iray, rehefa nanohitra ny safidy nataony ny rainy?

16 Miatrika olana toy izany ny tanora kristianina ankehitriny. Hoy i Matthew, izay manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena diso fanantenana ny raiko, rehefa nirotsaka ho mpisava lalana aho. Mpanadio trano no asako tamin’izany, ka nilaza izy fa ‘lanilany fotsiny’ ny fotoana nanaovako fianarana. Naneso izy sady nampahatsiahy hoe ho nahazo vola be aho raha niasa tontolo andro.” Ahoana no nataon’i Matthew nanoloana izany? Hoy izy: “Narahiko tsara ny fandaharana famakiana Baiboly fanaoko ary nivavaka tsy tapaka aho, indrindra fa rehefa ilay nitady ho tezitra iny.” Novalian-tsoa i Matthew noho izy tsy nanaiky lembenana. Nihatsara ny fifandraisany tamin’ny rainy tatỳ aoriana, ary nihakaiky kokoa an’i Jehovah izy. Hoy izy: “Tsapako fa nanome izay nilaiko i Jehovah, sady nampahery ahy, ary nisakana ahy tsy handray fanapahan-kevitra tsy nety. Tsy ho nahazo izany rehetra izany aho, raha tsy niezaka nanatratra tanjona teo amin’ny fanompoana azy.”

Mifantoha foana amin’ny tanjonao

17. Inona no hevi-diso lazain’ny olona sasany, izay mety hanakana ny hafa tsy hanompo manontolo andro? (Matio 16:22)

17 Mety tsy ho tsikaritra akory indraindray fa avy amin’ny mpiara-manompo ihany ilay olana. Mety hisy hilaza mantsy hoe: ‘Fa maninona ianao no hanao mpisava lalana? Sady afaka miaina toy ny olon-drehetra ianao no mitory. Mitadiava asa be karama, dia tsy ho sahirana ianao.’ Hoatran’ny torohevitra tsara ilay izy, nefa hanazatra ny tenanao mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra ve ianao, raha izany no hataonao?

18, 19. a) Inona no hanampy anao hifantoka foana amin’ny tanjonao? b) Amin’ny maha tanora anao, inona no zavatra afoinao amin’izao fotoana izao noho ilay Fanjakana?

18 Toa nihevitra toy izany koa ny Kristianina sasany tamin’ny andron’i Timoty. (1 Timoty 6:17) Nilaza toy izao taminy i Paoly, mba hampirisihana azy hifantoka hatrany amin’ny tanjony: “Tsy misy olona manao raharaha miaramila ka miditra amin’ny raharaham-barotr’izao fiainana izao, raha tiany ny hahazo sitraka amin’ilay nandray azy ho miaramila.” (2 Timoty 2:4) Tsy azon’ny miaramila am-perinasa atao ny ho varimbariana amin’ny zavatra hafa tsy mifandray amin’ny ady. Mila vonona mandrakariva izy hanatanteraka ny baikon’ny lehibeny, satria miankina amin’izany ny ainy sy ny ain’ny olon-kafa. Miaramila eo ambany fahefan’i Kristy koa ianao, ka tsy maintsy mifantoka amin’ny tanjona tokana ihany. Mila mitandrina ianao mba tsy ho variana hikatsaka zavatra tsy ilaina. Mety hisakana anao tsy hanatanteraka tsara an’ilay fanompoana mitondra famonjena izany.—Matio 6:24; 1 Timoty 4:16; 2 Timoty 4:2, 5.

19 Miezaha hahay hahafoy tena fa tsy hikatsaka fiainana mampiadana. “Aoka ianao ho vonona hahafoy ireo zavatra mampiadana eo amin’ny fiainana, satria anisan’ny miaramilan’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 2:3, Baiboly Anglisy Amin’ny Fiteny Tsotra) Nianatra nianina tamin’izay nananany i Timoty rehefa niaraka tamin’i Paoly, eny fa na dia tao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza. (Filipianina 4:11, 12; 1 Timoty 6:6-8) Afaka manao toy izany koa ianao. Vonona hahafoy zavatra noho ilay Fanjakana ve ianao?

Fitahiana dieny izao sy amin’ny hoavy

20, 21. a) Inona no fitahiana sasany azon’izay manatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah? b) Tapa-kevitra hanao inona ianao?

20 Niaraka tamin’i Paoly foana i Timoty nandritra ny 15 taona teo ho eo. Nahita fiangonana vaovao niforona izy, rehefa niely saika tany amin’ny toerana rehetra tany amin’ny faritra avaratry ny Ranomasina Mediterane ny vaovao tsara. Betsaka ny zavatra nampientam-po sy nahafa-po niainany, ary mihoatra lavitra noho izay mety ho hitany raha nifidy ny hanana fiainana “toy ny an’ny olon-drehetra” izy. Hahazo fitahiana sarobidy koa ianao, raha miezaka hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah. Ho akaiky kokoa azy ianao, ary ho tian’ny Kristianina hafa sady hohajainy. Tsy hanaintaina na ho diso fanantenana noho ny fikatsahana harena ianao, fa tena ho sambatra satria manome ary tsy mitady valiny. Hahazo ny zava-tsarobidy indrindra mihitsy aza ianao, satria “hihazona mafy ny tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.—1 Timoty 6:9, 10, 17-19; Asan’ny Apostoly 20:35.

21 Raha mbola tsy nanazatra ny tenanao hahafoy tena ho an’Andriamanitra àry ianao, dia mampirisika anao amim-pitiavana izahay hanomboka izany avy hatrany. Miezaha hifandray akaiky amin’ireo Kristianina ao amin’ny fiangonanao, izay afaka manampy anao hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah. Mangataha tari-dalana amin’izy ireny. Ataovy loha laharana ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hanaiky ho voataonan’ity tontolo ity mba ho matimatin-karena. “Manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika” Andriamanitra. Koa tadidio foana àry fa mampanantena hanome anao fitahiana maro dieny izao sy amin’ny hoavy izy, raha mifidy tanjona manome voninahitra azy ianao.—1 Timoty 6:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Tena zava-dehibe tamin’ny Grika ny fianarana. Hoy i Plutarque, izay niara-belona tamin’i Timoty: “Ny fianarana tsara no loharanon’ny zava-tsoa rehetra. ... Io no hitako hoe manampy ny olona ho tsara fitondran-tena sy ho sambatra. ... Tsy maharitra sady tsy misy dikany kosa ny zava-tsoa rehetra azo amin’ny fomba hafa, ka tsy tokony hifantoka amin’izany ny saintsika.”—Moralia, I, “Fanabeazana ny Ankizy.”

Tadidinao Ve?

• Inona no afaka manampy ny tanora mba hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah?

• Nahoana no tena ilaina ny mianatra tsara ny Baiboly?

• Inona no azon’ny tanora atao, mba tsy ho voatarik’ity tontolo ity hikatsaka vola aman-karena?

• Inona no fitahiana miandry an’izay manatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Nanana tanjona tena tsara i Timoty

[Sary, pejy 25]

Iza avy ireo Kristianina matotra nanampy an’i Timoty?

[Sary, pejy 26]

Miezaka hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah ve ianao?