Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tsy Resahina ny Mpamorona?

Nahoana no Tsy Resahina ny Mpamorona?

Nahoana no Tsy Resahina ny Mpamorona?

EFA ho 150 taona izay no nilazan’ilay mpahay siansa atao hoe Charles Darwin, fa tsy nisy namorona ny zavamananaina isan-karazany sy be pitsiny eto an-tany, fa nivoatra tsikelikely. Antsoina hoe evolisiona io fampianarana io. Tato ho ato anefa, dia notoherin’ny olona maro izy io sy ny fanazavana vaovao mifandray aminy. Hitan’izy ireo mantsy fa mirindra tsara ny firafitry ny tenan’ny zavamananaina, ka mino izy fa tsy maintsy ho noforonina izy ireny, ary nisy antony nanaovana azy. Maro amin’ireo mpahay siansa malaza mihitsy aza no tsy mino ny evolisiona.

Milaza ny sasany aminy fa noforonina ny zavaboary, ary misaina ilay nanao azy. Azo porofoina amin’ny alalan’ny matematika sy ny fandinihana ny zavamananaina izany, hoy izy ireo. Lazainy koa fa hiombon-kevitra aminy izay mandinika amin’ny saina tsy miangatra. Mampirisika ny sekoly mihitsy aza izy ireo mba hanazava amin’ny ankizy, fa nilana fisainana ny famoronana ny zavaboary. Any Etazonia no tena mangotraka ny adihevitra hanoherana ny evolisiona. Voalaza anefa fa efa misy koa izany any Angletera, Holandy, Pakistan, Serbia, ary Torkia.

Mahagaga fa tsy resahina mihitsy

Mampiasa teny voafidy tsara ireo mpahay siansa ireo rehefa manaporofo fa nilana fisainana ny famoronana ny zavaboary. Mahagaga anefa fa tsy resahiny mihitsy ilay namorona azy ireny. Azo lazaina hoe zavaboary ve anefa ny zavatra iray raha tsy nisy nahary? Ahoana ny hevitrao? Hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy) momba ireny mpahay siansa ireny: “Tsy milaza mazava izy ireo hoe iza na inona no mety ho namorona ny zavaboary.” Hoy ilay mpanoratra atao hoe Claudia Wallis: “Mitandrina [izy ireo] mba tsy hiresaka momba an’Andriamanitra.” Hoy koa ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy): ‘Tsy resahina amin’io fampianarana io mihitsy raha tena misy ny mpamorona na tsia. Tsy resahina koa hoe iza izy.’

Ekenao angamba anefa fa tsy misy antony tokony hanafenana hoe iza ilay mpamorona. Tsy azo lazaina hoe ampy mantsy ny fanazavan’ny mpahay siansa, raha milaza izy ireo fa noforonina izao rehetra izao sy ny zavamananaina, nefa afeniny na tsy resahiny hoe iza no nanao izany.

Ireto misy antony vitsivitsy mahatonga ny manam-pahaizana mbola hisalasala raha hiresaka momba ilay namorona ny zavaboary na tsia: Sao dia tsy handroso intsony ny siansa sy ny fahalalan’ny olombelona, raha lazaina fa misy saina ambony noho isika namorona izao rehetra izao? Sao dia natao hanazavana ny zavatra tsy voaporofo ara-tsiansa fotsiny ny filazana hoe misy ny mpamorona iray misaina? Ary mitombina tokoa ve fa tsy maintsy misy ny nahary matoa misy ny zavaboary? Hofakafakaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa.

[Sary, pejy 3]

Nino i Charles Darwin fa ny evolisiona no nampisy ny zavamananaina be pitsiny eto an-tany

[Sary nahazoan-dalana]

Darwin: Sary nalain’i J. M. Cameron/U.S. National Archives photo