Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Azonao Iatrehana ny Tsy Rariny?

Ahoana no Azonao Iatrehana ny Tsy Rariny?

Ahoana no Azonao Iatrehana ny Tsy Rariny?

AZO inoana fa samy efa niharan’ny tsy rariny isika rehetra. Heverina ho tsy rariny fotsiny ny toe-javatra sasany, fa misy kosa tena tsy rariny mihitsy.

Mahatsiaro ho mijaly isika rehefa iharan’ny tsy rariny. Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy izany. Te hanova mafy an’ilay toe-javatra angamba isika. Nahoana? Satria noforonin’i Jehovah Andriamanitra ho tia rariny isika olombelona. “Tsy misy ratsy [mantsy] ao aminy”, izany hoe tsy mba manao ny tsy rariny izy. (Deoteronomia 32:4; Genesisy 1:26) Indraindray anefa isika mahatsapa hoe be loatra ny tsy rariny. Hoy ny olon-kendry iray: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” (Mpitoriteny 4:1) Ahoana àry no azontsika iatrehana ny tsy rariny?

Inona marina no atao hoe tsy rariny?

Ny atao hoe tsy rariny dia toe-javatra tsy araka ny tokony ho izy. Ahoana anefa no hahalalana hoe inona no tokony ho izy? Ny Mpamorona antsika no manan-jo hamaritra izay rariny sy tsy rariny. Manao ny marina sy tsy miovaova mantsy izy. Lazainy fa raha “tsy manao meloka” ny olona, izany hoe manao ny rariny, dia mandeha “araka ny didy mahavelona.” (Ezekiela 33:15) Rehefa namorona ny olona voalohany àry i Jehovah, dia nanome azy feon’ny fieritreretana, izay manampy azy hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Romanina 2:14, 15) Nasehon’i Jehovah ao amin’ny Teniny koa ny atao hoe rariny sy tsy rariny.

Ahoana raha mihevitra isika fa niharan’ny tsy rariny? Tsara raha dinihintsika amin’ny saina tsy miangatra ilay raharaha, mba hahitana raha tsy rariny tokoa ilay izy. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Jona, mpaminany hebreo. Nirahin’i Jehovah izy hanambara tamin’ny Ninivita, fa hisy loza hanjo azy ireo. Tsy nankatò i Jona tamin’ny voalohany, fa lasa nandositra. Nankany Ninive ihany anefa izy tatỳ aoriana, ary nampitandrina ny olona momba ilay loza. Nibebaka àry ireo Ninivita. Tsy noravan’i Jehovah indray ilay tanàna, ka voavonjy izy ireo. Ahoana no nandraisan’i Jona an’izany? “Tsy sitrak’i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.” (Jona 4:1) Nihevitra izy fa tena tsy rariny mihitsy ny nataon’i Jehovah.

Mazava ho azy fa tsy diso i Jehovah, satria mahafantatra ny ao am-po izy, sady “tia fahamarinana sy rariny.” (Salamo 33:5) Tsy maintsy nianaran’i Jona, fa ara-drariny tanteraka ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. Rehefa mihevitra àry isika fa niharan’ny tsy rariny, dia tsara ny manontany tena hoe: ‘Sao dia mba hafa àry ny fahitan’i Jehovah an’ilay toe-javatra?’

Olona niharan’ny tsy rariny

Misy olona maro niharan’ny tsy rariny tantarain’ny Baiboly. Afaka mandray lesona avy amin’izy ireny isika, rehefa mandinika ny fomba niatrehany an’ilay izy. Nialona an’i Josefa, ohatra, ny rahalahiny, ka nivarotra azy ho andevo tany Ejipta. Rehefa tonga tany izy, dia nitaona azy hanao firaisana ny vadin’ny tompony. Tsy nanaiky anefa izy ka nampangain’ilay vehivavy hoe saika hanolana azy. Nogadraina i Josefa noho izany, ary nofatorana rojo vy. Tsy nampihena ny finoany anefa izany. Tsy navelany hanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah na hampihena ny fatokisany azy, ny tsy rariny nihatra taminy.—Genesisy 37:18-28; 39:4-20; Salamo 105:17-19.

Niharan’ny tsy rariny koa i Nabota. Nanao teti-dratsy hamonoana azy i Jezebela, vadin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely. Nitsiriritra ny tanin’i Nabota teo akaikin’ny lapany mantsy ilay mpanjaka. Tsy nahazo nanao varo-maty ny lovany anefa ny Israelita, ka tsy nanaiky i Nabota rehefa nikasa hividy an’ilay tany ilay mpanjaka. (Levitikosy 25:23) Nitady vavolombelona nandainga àry i Jezebela, mba hiampangana azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Novonoina i Nabota sy ny zanany, vokatr’izany. Azonao an-tsaina ve izay tsapan’i Nabota, rehefa nandray vato hitorahana azy ny olona?—1 Mpanjaka 21:1-14; 2 Mpanjaka 9:26.

Maivana ihany anefa izany rehetra izany, raha ampitahaina amin’ny tsy rariny nihatra tamin’i Kristy Jesosy. Nohelohina ho faty noho ny fiampangana diso izy, sady tsy ara-dalàna ny fitsarana azy. Tsy sahy niaro azy ilay governora romanina mpitsara, na dia fantany aza fa tsy meloka i Jesosy. (Jaona 18:38-40) Ny tsy rariny nataon’i Satana tamin’i Kristy Jesosy no tena nahatsiravina indrindra!

Midika ve ireny tantara ireny, fa tsy miraharaha ny tsy rariny i Jehovah? Tsia! Tsy toy ny fihevitr’olombelona ny fiheveran’i Jehovah an’ireny toe-javatra ireny. (Isaia 55:8, 9) Afaka namonjy ny fianakaviany i Josefa, noho izy namidy ho andevo. Lasa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta mantsy izy, talohan’ilay mosary lehibe nahazo ny fianakaviany. Tsy ho nigadra i Josefa, raha tsy navelan’i Jehovah hiharan’ny tsy rariny. Tany am-pigadrana anefa izy no nanazava ny nofin’ny voafonja roa. Ny iray tamin’izy ireo no nilaza izany tamin’i Farao, ka lasa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta i Josefa.—Genesisy 40:1; 41:9-14; 45:4-8.

Ahoana kosa ny amin’i Nabota? Jereo araka ny fomba fijerin’i Jehovah indray ilay izy. Afaka manangana ny maty i Jehovah, ka toy ny hoe mbola velona i Nabota aminy, satria tsy hohadinoiny na maty aza. (1 Mpanjaka 21:19; Lioka 20:37, 38) Marina fa amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah vao hatsangana izy. Ho vetivety ihany anefa izany, satria tsy mahatsiaro tena ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Nampihatra didim-pitsarana tamin’i Ahaba sy ny fianakaviany koa i Jehovah, ho valin’ny nataon’izy ireo tamin’i Nabota.—2 Mpanjaka 9:21, 24, 26, 35, 36; 10:1-11; Jaona 5:28, 29.

Ahoana indray ny amin’i Jesosy? Maty izy nefa natsangan’Andriamanitra, ka nataony “ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana ary ny anarana rehetra nomena.” (Efesianina 1:20, 21) Tsy nisakana an’i Jehovah tsy hamaly soa an’i Kristy Jesosy, ny tsy rariny nataon’i Satana. Natoky i Jesosy fa afaka nanao zavatra avy hatrany i Jehovah mba tsy hisamborana azy, raha izay no sitrapon’ny Rainy. Fantatr’i Kristy koa anefa fa tokony hotanterahina aloha izay voalazan’ny Soratra Masina, vao hofoanan’i Jehovah ny tsy rariny.

Marina aloha fa nanao ny tsy rariny tamin’ny olo-marina i Satana sy ny namany. Nanao zavatra anefa i Jehovah mba hanonerana izany, ary hanafoana tanteraka ny tsy rariny izy amin’ny hoavy. Tsy maintsy miandry an’Andriamanitra àry isika, mba hanafoana ny tsy rariny.—Deoteronomia 25:16; Romanina 12:17-19.

Nahoana no avelan’i Jehovah hisy ny tsy rariny?

Tsy ahitsin’i Jehovah ny toe-javatra sasany, satria misy zava-kendreny. Mety havelany hiharan’ny tsy rariny, ohatra, isika satria misy zavatra tiany hampiofanana antsika. Mazava ho azy anefa fa ‘tsy mitsapa na iza na iza amin-javatra ratsy Andriamanitra.’ (Jakoba 1:13) Mety tsy hosakanany ilay fitsapana, fa homeny hery kosa isika raha manaiky hampiofaniny. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Rehefa avy nijaly vetivety ... ianareo, dia ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no hamita ny fampiofanana anareo, sy hanamafy orina anareo, ary hampahatanjaka anareo.”—1 Petera 5:10.

Avelan’i Jehovah hisy koa ny tsy rariny, mba hanana fotoana hibebahana ireo nanao izany. Herinandro vitsivitsy taorian’ny namonoana an’i Jesosy, ohatra, dia nisy Jiosy nihaino ny fananaran’i Petera, ka ‘voatsindrona ny fony.’ Nanaiky ny tenin’Andriamanitra izy ireo, ka natao batisa.—Asan’ny Apostoly 2:36-42.

Tsy izay rehetra manao ny tsy rariny anefa no hibebaka. Misy aza vao mainka manao ratsy ihany. Hoy anefa ny Ohabolana 29:1: “Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.” Haringan’i Jehovah tokoa ireo mikiry manao ratsy.—Mpitoriteny 8:11-13.

Mety mbola halahelo isika noho ny tsy rariny. Azo antoka anefa fa hanasitrana izany ratram-po izany i Jehovah, rehefa mandeha ny fotoana. Hofoanany ny tsy rariny rehetra manjo antsika eto amin’ity tontolo ratsy ity. Nampanantena koa izy fa hamaly soa antsika, ka hanome fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao “hitoeran’ny fahamarinana.”—2 Petera 3:13.

[Sary, pejy 16, 17]

Inona no tsapan’i Nabota rehefa niharan’ny tsy rariny izy?