Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mandray Soa Isika Raha Miaritra Fijaliana

Afaka Mandray Soa Isika Raha Miaritra Fijaliana

Afaka Mandray Soa Isika Raha Miaritra Fijaliana

“Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra.”—JAKOBA 5:11.

1, 2. Inona no manaporofo fa tsy nataon’i Jehovah hijaly ny olona?

TSY misy olona te hijaly raha mbola salama saina koa. Na i Jehovah Andriamanitra Mpamorona aza tsy maniry ny hijaliantsika. Mampiseho izany ny Teniny sy izay nitranga taorian’ny namoronany ny olombelona. Ny lehilahy aloha no noforoniny. “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.” (Genesisy 2:7) Nanana vatana sy saina tonga lafatra i Adama, ka tsy mba narary na maty.

2 Nanao ahoana ny toerana niainany? Hoy ny Baiboly: “Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana.” (Genesisy 2:8, 9) Tena kanto tokoa ny fonenan’i Adama! Tsy nisy fijaliana mihitsy tao Edena.

3. Hoavy manao ahoana no mety ho nananan’ny mpivady voalohany?

3 Hoy ny Genesisy 2:18: “Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.” Vady lavorary no noforonin’i Jehovah ho an’i Adama, ka afaka nanantena izy ireo fa ho sambatra ny tokantranony. (Genesisy 2:21-23) Hoy koa ny Baiboly: “Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” (Genesisy 1:28) Nanana tombontsoa tsy hay tombanana tokoa ny mpivady voalohany: Hanitatra tsikelikely ny Paradisan’i Edena, ka hanjary ho paradisa ny tany manontolo. Ho sambatra sy tsy hijaly mihitsy ny taranany. Tena tsara fiandohana tokoa ny fiainan’ny olombelona!—Genesisy 1:31.

Nanomboka ny fijaliana

4. Inona no hita miharihary, rehefa jerena ny tantaran’ny olombelona?

4 Rehefa jerena anefa ny fiainan’ny olombelona hatramin’izay, dia hita fa nisy olana lehibe tena nanimba zavatra tao. Nanjary nisy ny faharatsiana, ary tena nijaly be ny olona. Nandritra ny taonjato maro, dia nanjary narary sy nihantitra ary maty ny taranak’i Adama sy Eva. Tsy paradisa mihitsy ny tany, ary tsy sambatra ny olona. Marina mihitsy ny voalazan’ny Romanina 8:22 hoe: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.”

5. Nahoana no azo lazaina fa anisan’ny nahatonga ny fijaliana i Adama sy Eva?

5 Tsy i Jehovah no tompon’andraikitra amin’izany fijaliana mahatsiravina sy naharitra ela izany. (2 Samoela 22:31) Anisan’ny tompon’andraikitra amin’izany kosa ny olombelona. “Manao izay ratsy sy vetaveta” mantsy izy ireo. (Salamo 14:1) Tsara daholo ny zavatra nomena an’i Adama sy Eva. Nila nankatò an’Andriamanitra izy ireo, raha te hihazona an’izany foana. Tsy te hiantehitra tamin’i Jehovah anefa izy ireo ka nanda azy. Nanjary tsy lavorary intsony àry izy ireo. Nihasimba tsikelikely ny vatany, ary maty izy ireo tamin’ny farany. Nandova tsy fahalavorariana isika noho izany.—Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12.

6. Inona no nataon’i Satana ka anisan’ny nahatonga ny fijaliana?

6 Anisan’ny nahatonga ny fijaliana koa ilay anjely lasa Satana Devoly. Nomena safidy malalaka izy, nefa nampiasa izany tamin’ny fomba ratsy. Niriny hivavaka aminy mantsy ny olona. I Jehovah irery ihany anefa no tokony hivavahana fa tsy ny zavatra noforoniny. I Satana no nampirisika an’i Adama sy Eva tsy hiantehitra tamin’i Jehovah. “Ho tahaka an’Andriamanitra”, hono, izy ireo amin’izay ka “hahalala ny tsara sy ny ratsy.”—Genesisy 3:5.

I Jehovah ihany no manana zo hitondra

7. Inona no voaporofo rehefa jerena ny vokatr’ilay fikomiana tamin’i Jehovah?

7 Hita amin’ny voka-dratsin’ilay fikomiana, fa i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao ihany no manana zo hitondra, ary ny fitondrany ihany no manao ny fahamarinana. Voaporofo nandritra ny an’arivony taona lasa fa tena tsy mahafa-po ny fitondran’i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” Nanjary be dia be ny faharatsiana ary manjaka ny tsy fahamarinana sy ny herisetra. (Jaona 12:31) Efa naharitra ela ny fitondran’olombelona teo ambany fahefan’i Satana, nefa tsy nahomby. Hita amin’izany fa tsy mahay mitondra araka ny fahamarinana koa izy ireo. (Jeremia 10:23) Tsy hahomby mihitsy àry izay karazana fitondrana rehetra mety hisy. Ny an’i Jehovah ihany no mahomby. Manaporofo an’izany tsara ny zava-nitranga teo amin’ny tantara.

8. Hataon’i Jehovah ahoana ny karazana fitondran’olombelona rehetra? Ahoana no hanatanterahany an’izany?

8 Ara-drariny raha hanafoana ny karazana fitondrana rehetra misy eto an-tany i Jehovah, ary hanolo izany amin’ny fanjakany. Efa an’arivony taona mantsy izay ny olombelona no navelany hitondra samirery, tsy misy ny fanampiany. Hoy ny faminaniana iray momba izany: ‘Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [mpitondra olombelona] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [fanjakany any an-danitra entin’i Kristy] izay tsy ho rava mandrakizay. Hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo [io fanjakana io], fa izy kosa hitoetra mandrakizay.’ (Daniela 2:44) Tsy hisy intsony ny fitondran’olombelona sy ny an’i Satana, fa ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ihany sisa no ho eo, ary hitondra ny tany. I Kristy no ho Mpanjaka, ary olo-mahatoky 144 000 avy eto an-tany no hiara-manjaka aminy.—Apokalypsy 14:1.

Andraisan-tsoa ny fijaliana

9, 10. Nahoana no azo lazaina fa nandray soa tamin’ny fijaliana niaretany i Jesosy?

9 Mahaliana ny mandinika ny toetra tadiavina amin’ireo ho mpitondra any an-danitra. Nasehon’i Kristy Jesosy fa tena mety tsara raha izy no hatao Mpanjaka. Teo anilan’i Jehovah Rainy nandritra ny taona maro tsy hita isa izy, ary nanao ny sitrapony. “Mpità-marika”, na mpiasa tena mahay koa izy tamin’izany. (Ohabolana 8:22-31) Nanaiky an-tsitrapo izy rehefa nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany. Niresaka momba ny zon’i Jehovah hitondra sy ny Fanjakany foana izy tetỳ. Nanaiky tanteraka ny fahefan’i Jehovah izy, ka modely tena tsara ho antsika rehetra.—Matio 4:17; 6:9.

10 Niaritra fanenjehana i Jesosy, ary novonoina izy tamin’ny farany. Afaka nahita ny fahoriana rehetra nanjo ny olona nanodidina azy izy, nandritra ny fanompoany. Nandray soa avy tamin’ny fijaliana hitany sy nanjo azy ve izy? Izany tokoa. Hoy mantsy ny Hebreo 5:8: “Na dia Zanak[’Andriamanitra] aza izy, dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany.” Nanampy an’i Jesosy hahatakatra kokoa an’izay manjo ny hafa ny zavatra niainany tetỳ an-tany, ary nahatonga azy hahay hangoraka kokoa. Izy mihitsy no nandia ny zavatra iainan’ny olombelona. Noho izany, dia afaka niara-niory tamin’ireo nijaly izy, ary nahafantatra bebe kokoa izay tokony hataony mba hanampiana azy ireo. Mariho ny fomba anasongadinan’ny apostoly Paoly an’izany ao amin’ny bokin’ny Hebreo. Hoy izy: “Tsy maintsy tonga tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ izy tamin’ny lafiny rehetra, mba ho tonga mpisoronabe miantra sy mahatoky ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra, ka hanolotra sorona fampihavanana noho ny fahotan’ny olona. Fa noho izy efa nijaly rehefa niharam-pitsapana, dia afaka manampy an’izay iharam-pitsapana izy.” “Tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika no ananantsika, fa izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota. Koa aoka àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary ho sahy hiteny rehefa manao izany. Amin’izay isika dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.”—Hebreo 2:17, 18; 4:14-16; Matio 9:36; 11:28-30.

11. Nahoana no azo lazaina fa handray soa avy amin’ny zavatra iainany eto an-tany ireo ho mpanjaka sy mpisorona?

11 Mitovy amin’izany koa ireo 144 000, “novidina” teto an-tany mba hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy any an-danitra. (Apokalypsy 14:4) Teraka teto an-tany izy rehetra, ary nihalehibe teto amin’ity tontolo feno fijaliana ity, sady nijaly. Maro no nenjehina ary nisy aza novonoina, noho izy ireo tsy nivadika tamin’i Jehovah sy nanara-dia an’i Jesosy. Tsy ‘menatra noho ny fitoriana momba ny Tompony’ anefa izy ireo, fa ‘niaritra fahoriana noho ny vaovao tsara.’ (2 Timoty 1:8) Manana ny toetra tena ilaina mba ho mpitsara any an-danitra izy ireo, noho ny zavatra iainany eto an-tany. Mianatra ny hiara-miory amin’ny hafa sy ho tsara fanahy, ary ho vonona hanampy olona izy ireo.—Apokalypsy 5:10; 14:2-5; 20:6.

Sambatra ireo manantena hiaina eto an-tany

12, 13. Nahoana no azo lazaina fa mandray soa avy amin’ny fijaliana manjo azy ireo manantena hiaina eto an-tany?

12 Ahoana kosa ny amin’ireo manantena hiaina mandrakizay eto amin’ny tany lasa paradisa, rehefa tsy hisy intsony ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana? Afaka mandray soa avy amin’ny fijaliana manjo azy ankehitriny koa ve izy ireo? Tsy mahafinaritra mihitsy ny fanaintainana sy ny fahorian-tsaina ateraky ny fijaliana. Rehefa miaritra fijaliana anefa isika, dia mety hihatsara ny toetrantsika, ka ho sambatra isika.

13 Mariho ny fomba iresahan’ny Tenin’Andriamanitra an’izany: “Sambatra ianareo na dia mijaly noho ny fahamarinana aza.” “Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy.” (1 Petera 3:14; 4:14) “Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra.” (Matio 5:11, 12) “Sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana.”—Jakoba 1:12.

14. Inona no mahatonga ny mpanompon’i Jehovah ho sambatra rehefa mijaly?

14 Tsy ny fijaliana velively no mahasambatra. Mahasambatra sy mahafa-po kosa ny mahafantatra fa mijaly isika satria manao ny sitrapon’i Jehovah sy manara-dia an’i Jesosy. Nogadraina, ohatra, ny apostoly sasany tamin’ny taonjato voalohany, ary nentina teo anoloan’ny fitsarana avo jiosy. Nohelohina mantsy izy ireo satria nitory momba an’i Jesosy Kristy. Nokapohina izy ireo, ary navela handeha avy eo. Toe-tsaina nanao ahoana no niatrehan’izy ireo an’izany? Milaza ny Baiboly fa “niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarany izany.” (Asan’ny Apostoly 5:17-41) Tsy ny kapoka sy ny fanaintainana akory no nahasambatra azy ireo. Sambatra kosa izy ireo satria tsy nivadika tamin’i Jehovah sady nanara-dia an’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 16:25; 2 Korintianina 12:10; 1 Petera 4:13.

15. Inona no soa horaisintsika amin’ny hoavy, raha miaritra fijaliana isika ankehitriny?

15 Hahavita hiaritra kokoa isika, raha manana toe-tsaina tsara rehefa miaritra fanoherana sy fanenjehana. Hanampy antsika hizaka izay fijaliana mety hitranga amin’ny hoavy izany. Hoy ny Baiboly: “Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany. Fantatrareo mantsy fa miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra.” (Jakoba 1:2, 3) Hoy koa ny Romanina 5:3-5: “Aoka koa isika hifaly ao anatin’ny fahoriana, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga fiaretana, ny fiaretana indray mahatonga fankasitrahan’Andriamanitra, ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga fanantenana, ary ny fanantenana tsy mba mitondra fahadisoam-panantenana.” Raha miaritra fijaliana noho ny fanarahana ny fomba fiaina kristianina àry isika dieny izao, dia ho vonona kokoa hiaritra fijaliana hafa eto amin’ity tontolo ratsy ity.

Hamaly soa i Jehovah

16. Inona no valisoa homen’i Jehovah an’ireo ho mpanjaka sy mpisorona, noho izy ireo niaritra fijaliana?

16 Mety hamoy fananana isika rehefa misy manohitra, na misy manenjika noho isika manaraka fomba fiaina kristianina. Afaka ny ho faly anefa isika na izany aza. Fantatsika mantsy fa hanome valisoa be dia be ho antsika i Jehovah. Nanoratra toy izao ho an’ny olona sasany ho any an-danitra, ohatra, ny apostoly Paoly: ‘Faly ianareo rehefa norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa manana fananana tsara kokoa sy maharitra ianareo.’ Tsy inona izany fa ny ho tonga mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Hebreo 10:34) Alao sary an-tsaina koa ny fifaliana ho tsapan’izy ireo, rehefa hiasa eo ambany fitarihan’i Jehovah sy Kristy: Hanome fitahiana lehibe ho an’ny olona ao amin’ny tontolo vaovao eto an-tany izy ireo. Tena marina tokoa ny tenin’ny apostoly Paoly amin’ny Kristianina mahatoky hoe: “Heveriko fa tsinontsinona ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao, raha oharina amin’ny voninahitra izay efa haharihary eo amintsika.”—Romanina 8:18.

17. Inona no hataon’i Jehovah ho an’ny mpanompony mahatoky manantena ny hiaina eto an-tany?

17 Ary ahoana ny amin’ireo manantena ny hiaina eto an-tany? Na inona na inona afoin’izy ireo noho ny fanompoany an’i Jehovah, dia honerany izany ka homeny valisoa tondraka izy ireo amin’ny hoavy. Hataony lavorary izy ireo, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. “Hofafan[’i Jehovah] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo” ao amin’io tontolo vaovao io, “ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Tena tsara tokoa izany fampanantenana izany! Mety hisy zavatra hafointsika an-tsitrapo na tsy fidiny ankehitriny, noho isika manompo an’i Jehovah. Na inona anefa izany na inona, dia mbola tsara lavitra noho izany ilay fiainana kanto homen’i Jehovah ny mpanompony mahatoky, izay miaritra fijaliana.

18. Inona no fampanantenana mampahery omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Teniny?

18 Na inona na inona fijaliana mety mbola iaretantsika ankehitriny, dia tsy hanembantsembana ny fankafizantsika ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao izany. Ho voaonitry ny fiainana mahafinaritra ao amin’ny tontolo vaovao izany fijaliana rehetra izany. Hoy ny Isaia 65:17, 18: “Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho.” Mety tsara àry ny nilazan’i Jakoba rahalahin’i Jesosy hoe: “Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra.” (Jakoba 5:11) Afaka ny handray soa tokoa isika dieny izao sy amin’ny hoavy, raha mahatoky rehefa miaritra fijaliana.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampisy ny fijaliana?

• Inona no soa mety horaisin’ireo ho lasa mpitondra ny tany sy ny vahoakany, avy amin’ny fijaliana iaretany?

• Nahoana isika no afaka ny ho sambatra na dia mijaly aza?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 27]

Afaka nanana hoavy tena tsara ny ray aman-drenintsika voalohany

[Sary, pejy 29]

Nanampy an’i Jesosy ho Mpanjaka sy Mpisoronabe tena tsara toetra ny nahitany fijaliana

[Sary, pejy 31]

“Faly” ny apostoly “satria natao mendrika ny ho afa-baraka” noho ny finoany