Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Lany Andro ve ny “Testamenta Taloha”?

Efa Lany Andro ve ny “Testamenta Taloha”?

Efa Lany Andro ve ny “Testamenta Taloha”?

NAMOAKA boky momba ny fandidiana ny dokotera frantsay iray, tamin’ny 1786. Izy io no misy tsipiriany marina indrindra, amin’ireo boky tamin’izany. Vitsy izy io izao, ka nisy sahy nividy 54 tapitrisa ariary mahery ny iray! Tsy ho tian’ny marary anefa raha io boky io no hampiasain’ny mpandidy azy, satria efa tranainy be ny fomba fitsaboana ao anatiny. Marina fa miavaka ilay boky, satria naharitra ela be sady kanto ny fomba nanoratana azy. Tsy ilain’ny marary ankehitriny anefa izy io.

Izany koa no iheveran’ny maro ny Testamenta Taloha, araka ny iantsoan’ny olona azy. Mahafinaritra azy ireo ilay asa soratra kanto sy ny tantaran’ny Israelita. Tsy mino anefa izy ireo hoe mbola azo arahina ny torohevitra ao, izay efa 2 400 taona mahery. Mandroso be izao ny siansa sy ny varotra, ary hafa mihitsy ny fiainam-pianakaviana, fa tsy toy ny tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Namoaka boky hoe Ny Baiboly Novakin’i Jesosy (anglisy) i Philip Yancey, mpanao gazety. Hoy izy: ‘Tsy mitombina indraindray ny voalazan’ny Testamenta Taloha. Ary na mitombina aza dia tsy eken’ny sain’ny olona ankehitriny. Izany no anisan’ny tsy amakian’ny olona azy, na dia ny telo ampahefatry ny Baiboly aza izy io.’ Efa ela no nisy nihevitra toy izany.

Nisy tovolahy nanankarena atao hoe Marcion, tamin’ny taona 150 tany ho any, 50 taona latsaka taorian’ny nahafatesan’ny apostoly Jaona. Nilaza ampahibemaso i Marcion, fa tsy ilain’ny Kristianina intsony ny Testamenta Taloha. Nanazava i Robin Fox, mpahay tantara anglisy, fa nanizingizina i Marcion hoe: “ ‘Andriamanitra lozabe sy mafana fo tsy amin’antony’ no ao amin’ny Testamenta Taloha. Jiolahy sy mpampihorohoro toa an’i Davida mpanjakan’ny Israely no tiany. Tsara lavitra sy hafa mihitsy anefa ilay Andriamanitra notorin’i Kristy.” Nanoratra i Fox fa ‘namorona antokom-pivavahana ny “mpandala ny hevitr’i Marcion.” Nihamaro izy ireo, indrindra fa ny olona niteny syriàka, ary naharitra hatramin’ny taonjato fahefatra.’ Mbola misy miombon-kevitra amin’izy ireo izao, 1 600 taona atỳ aoriana. “Mora manadino izay voalazan’ny Testamenta Taloha ny Kristianina. Ny hafa aza toa tsy mahalala momba izany mihitsy”, hoy i Philip Yancey.

Tsy ilaina intsony tokoa ve ny Testamenta Taloha? Ilay “Jehovah” ao amin’ny Testamenta Taloha ihany ve no “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” ao amin’ny Testamenta Vaovao? (Isaia 13:13; 2 Korintianina 13:11) Mety hahasoa anao ve ny Testamenta Taloha?