Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tena Ilaina ny Midera ny Hafa?

Nahoana no Tena Ilaina ny Midera ny Hafa?

Nahoana no Tena Ilaina ny Midera ny Hafa?

EFA nahare olona nitaraina ve ianao hoe zara raha midera azy ny mpampiasa azy? Sa ianao mihitsy no efa nitaraina toy izany? Ary raha ankizy ianao, efa nisy fotoana nitarainanao ve hoe zara raha midera anao ny ray aman-dreninao na ny mpampianatra anao?

Mety ho marina tokoa ny fitarainana toy ireo. Milaza anefa ny mpanolo-tsaina alemà iray, fa tsy noho ny mpiasa tsy mahazo teny fiderana no tena mahatonga azy hitaraina, fa noho izy tsy mba voamariky ny mpampiasa azy. Na ahoana na ahoana, dia zavatra roa no hita fa tsy azony: teny fiderana sy fiahiana. Samy ilaina anefa ireo, raha tiana hahafinaritra ny fifandraisana.

Marina koa izany eo amin’ny sehatry ny fivavahana. Tokony hidera ny hafa sy hifankatia ary hifampiahy ny rehetra eo anivon’ny fiangonana kristianina, ary tokony hiharihary izany. Hahavita hanao izany hatrany izy ireo, raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Marina aloha fa misy fiangonana efa tena anjakan’ny fitiavana, nefa mila hatsaraina foana izany. Andeha isika hiresaka olona telo tia nidera ny hafa, dia i Eliho mpanompon’Andriamanitra fahiny, ny apostoly Paoly ary i Jesosy Kristy.

Nahalala fomba sy nanaja rehefa nanoro hevitra

Toa havan’i Abrahama lavitra i Eliho. Nanampy an’i Joba izy mba hahita hoe manao ahoana marina ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Nahalala fomba sy nanaja an’i Joba izy rehefa nanao izany. Tsy maika hiteny izy, fa niandry tsara ny anjarany. Tsy nahita afa-tsy ny fahadisoan’i Joba ireo telo lahy nihambo ho namany, fa i Eliho kosa nanoro hevitra azy, ary tsy nisalasala nidera azy noho izy tsara fitondran-tena. Tsara fanahy izy rehefa nanao izany, ary hita fa niahy an’i Joba. Nandray azy ho toy ny namana izy, ka nanonona ny anarany, fa tsy toy ireo telo lahy. Niangavy an’i Joba izy hoe: “Masìna hianao, ry Joba, mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.” Nasehony avy eo fa nanaja an’i Joba izy sady nahay niara-niory taminy. Hoy izy: “Indro, izaho koa mba an’Andriamanitra tahaka anao ihany; eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.” Nidera an’i Joba izy taorian’izay, ary nilaza hoe: “Raha manan-kavaly hianao, dia mamalia ahy ihany; mitenena, fa ta-hanamarina anao aho [na mahafinaritra ahy ny fahamarinanao, TV ].”—Joba 33:1, 6, 32.

Azo lazaina hoe midera ny hafa isika rehefa mahalala fomba aminy sy manaja azy. Toy ny milaza aminy isika hoe: “Mendrika ny hanehoana fiheverana sy hohajaina ianao.” Asehontsika amin’izany fa tsara fanahy aminy sy miahy azy isika.

Tsy tokony ho fombafomba fotsiny anefa ny fahalalam-pomba. Tokony ho vokatry ny fo sy ho feno fahatsorana kosa izany, raha tiantsika ny hanohina ny fon’ny olona. Tokony ho hitany fa tena tia sy miahy azy isika.

Nahay nandanjalanja

Hita tamin’izay nataon’ny apostoly Paoly fa misy vokany tsara ny fahaizana mandanjalanja. Niaro ny Fivavahana Kristianina teo anatrehan’ny filozofa grika maromaro, ohatra, izy, rehefa nitory tany Atena, tamin’ny dia misionera faharoa nataony. Nahay nandanjalanja izy, ka vitany ny niresaka tamin’ireo olona ireo, na dia tsy mora aza izany. Hoy ny Baiboly: ‘Nisy tamin’ireo Epikoreanina sy ny filozofa stôika niady hevitra taminy, ka hoy ny sasany: “Mba inona, hono, no tian’io be resaka io holazaina?” Ary hoy ny hafa: “Toa mpitory momba ny andriamanitra vaovao, hono, izy io.” ’ (Asan’ny Apostoly 17:18) Niezaka ny ho tony i Paoly na dia teo aza izany fanamarihana izany. Hoy izy: “Ry Atenianina, hitako fa amin’ny zava-drehetra dia matahotra kokoa an’ireo andriamanitra ianareo raha oharina amin’ny olon-kafa.” Nanompo sampy ireo olona ireo, nefa tsy nanameloka azy i Paoly, fa nidera azy kosa noho izy ireo tia fivavahana.—Asan’ny Apostoly 17:22.

Nihatsaravelatsihy ve i Paoly? Tsia! Fantany fa tsy anjarany ny mitsara ny olona, ary efa mba tsy nahalala ny fahamarinana toa azy ireo koa izy taloha. Hitory ny tenin’Andriamanitra no asa nanendrena azy fa tsy hitsara olona. Hitany tamin’ny zavatra niainany fa mety ho lasa mpiaro ny fivavahana marina ny olona iray, ary hafana fo amin’izany, na dia nazoto niaro ny fivavahan-diso aza taloha. Maro koa ny Vavolombelon’i Jehovah mahita zavatra toy izany ankehitriny.

Nahay nitory tamin’ireo filozofa grika i Paoly, ka nahita vokatra tsara. “Nisy sasany niaraka taminy ary tonga mpino, anisan’izany koa i Dionysio, mpitsara teny amin’ny Areopago, ary vehivavy atao hoe Damary, sy ny sasany koa.” (Asan’ny Apostoly 17:34) Tena nety ny nataon’i Paoly, satria nidera ny Atenianina izy noho izy ireo tena tia fivavahana, na dia fivavahan-diso aza! Tsy nanameloka azy ireo izy satria hoe tsy nahalala ny fahamarinana izy ireo. Mety ho tso-po na dia ny olona mino ny fampianaran-diso aza.

Nahay nandanjalanja koa i Paoly, rehefa nasaina niaro ny finoany teo anatrehan’i Heroda Agripa II. Nalaza ho nanao zavatra mamoafady i Heroda, satria nanambady an’i Berenika anabaviny. Voararan’ny Tenin’Andriamanitra izany. Tsy nanameloka azy anefa i Paoly. Nahita zavatra niderana an’i Heroda kosa izy, ary tsy diso izay nolazainy. Hoy izy: “Faly aho, ry Agripa Mpanjaka, fa eto anatrehanao no ilazako ny fiarovako ny tenako anio, ny amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy. Faly tokoa aho, satria ianao mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy.”—Asan’ny Apostoly 26:1-3.

Hendry àry isika raha miezaka mandanjalanja toa azy rehefa miresaka amin’olona! Derao ny mpiara-monina na mpiara-mianatra na mpiara-miasa aminao. Mety hifankahazo tsara ianareo, ary hanjary ho tsara toetra izy. Hanohina ny fon’ny olona isika, raha midera azy noho ny zavatra tsara vitany. Mety hanova ny fisainany sy ny fanaony izy, mba hifanaraka amin’izay tena ampianarin’ny Baiboly.

I Jesosy no modely tsara indrindra

Nidera ny hafa i Jesosy. Nasain’Andriamanitra niresaka tamin’ireo fiangonana fito tany Azia Minora tamin’ny alalan’ny apostoly Jaona izy, taorian’ny niakarany tany an-danitra. Noderainy foana izay fiangonana mendrika hoderaina. Izao, ohatra, no teniny tamin’ny fiangonan’i Efesosy sy Pergamosy ary Tyatira: “Fantatro izay ataonao sy ny fisasaranao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa tsy mahatanty mahita olon-dratsy eo anivonao ianao”; ‘mifikitra amin’ny anarako foana ianao, ary tsy nolavinao ny finoanao ahy’; “fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa be kokoa noho ny tany aloha ny nataonao tatỳ aoriana.” Nila nanarina mafy kosa ny fiangonan’i Sardisy. Na izany aza, dia hitan’i Jesosy fa nisy olona mendri-koderaina ihany tao. Hoy izy: “Misy vitsivitsy anefa ao aminao ao Sardisy tsy nandoto ny akanjony ivelany, ka hiara-mandeha amiko manao akanjo fotsy, satria mendrika.” (Apokalypsy 2:2, 13, 19; 3:4) Namela modely tsara tokoa i Jesosy!

Hanahaka azy isika, ka tsy hanameloka antokon’olona iray manontolo raha olona vitsivitsy fotsiny no diso. Hidera ny hafa noho ny zavatra tsara vitany koa isika, alohan’ny hananarana azy. Tsara hotadidina anefa fa raha alohan’ny hananatra olona foana isika vao midera azy, dia mety tsy hiraharaha an’ilay teny fiderana intsony izy. Derao foana àry ny hafa isaky ny afaka manao izany ianao! Tsy ho sarotra aminy amin’izay ny hanaiky izay torohevitra omenao azy.

Midera ny hafa ny anti-panahy

Miasa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa i Cornelia, anabavy kristianina iray. Tadidiny fa nanontany azy ny mpiandraikitra mpitety faritany, tamin’ny taona 1970 tany ho any, hoe manao ahoana ny fianarany samirery sy ny famakiany ny gazetintsika. Hoy i Cornelia: “Niahotra kely aho ny hamaly azy.” Nitsotra tamin’ilay rahalahy ihany anefa izy hoe tsy vitany ny namaky ny lahatsoratra tsirairay tao amin’ny gazety. “Tsy nibedy ahy izy”, hoy i Cornelia, “fa nidera ahy kosa satria namaky lahatsoratra betsaka araka izay vitako aho. Tena nampahery ahy izany, ka tapa-kevitra aho nanomboka teo, fa hamaky ny lahatsoratra rehetra ao amin’ny gazetintsika.”

Miasa any amin’ny biraon’ny sampana any Eoropa koa i Ray. Mbola tsaroany ny andro voalohany nanompoany, tamin’izy mpisava lalana. Nanatona azy avy hatrany ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ny harivan’io, raha vao tonga tany am-pivoriana, ary nanontany azy hoe: “Nanao ahoana ny fanompoanao androany?” Tsara homarihina fa be andraikitra io rahalahy io any am-piasany sy eo anivon’ny fiangonana. Nanana ankohonana hokarakaraina koa izy. Mbola tsaroan’i Ray foana hatramin’izao ny fiahian’io anti-panahy io azy, na dia efa ho 60 taona aza no nitrangan’izany.

Hita avy amin’ireo fitantarana roa ireo fa hahita vokatra tena tsara isika, raha midera ny hafa amin’ny fontsika. Tokony ho hita amin’ny tenintsika fa tia azy isika. Tsy hisy vokany kosa ny teny fiderana atao befahatany na tsianjery fotsiny. Manana antony maro hiderana ny mpiray finoana amintsika isika. Tena tia an’i Jehovah ve izy? Voaomany tsara ve ny valin-teniny? Niezaka mafy ve izy, ka tsy dia matahotra intsony rehefa manao ny anjarany? Mazoto mitory sy mampianatra ve izy? Ataony loha laharana ve ilay Fanjakana sy ny tanjony mifandray amin’izany? Hahazo fitahiana be dia be isika raha midera ny hafa. Hahasambatra antsika izany, ary hahatonga antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Tsara àry raha midera ny fiangonana ny anti-panahy noho ny asa tsara vitany. Haneho fitiavana koa izy rehefa manome torohevitra. Tsy hanantena izy hoe ho tonga lafatra daholo izay ataon’ny hafa, ka toy ny hoe manao fahotana lehibe izy ireny rehefa misy tsy mety kely ny ataony.

Nanaja olona sy be fitiavana ary nahalala fomba i Eliho. Nahay nandanjalanja i Paoly. Tia sy niahy ny hafa i Jesosy. Raha manahaka azy ireo ny anti-panahy, dia tena hampahery ny rahalahiny. Handrisika ny hafa hanao zavatra tsara kokoa ny teny fiderana. Hahatonga ny fifandraisana hahafaly sy hilamina izany. Azo antoka fa tena faly i Jesosy tamin’ny batisany, rehefa nahare ny Rainy any an-danitra nidera azy toy izao: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” (Marka 1:11) Enga anie isika hanao teny fiderana misy heviny sy avy amin’ny fo. Hampifaly ny fon’ny rahalahintsika izany.

[Sary, pejy 15]

Hahita vokatra tsara toa an’i Paoly isika, raha mahay mandanjalanja

[Sary, pejy 16]

Hisy vokany tena tsara ny teny fiderana avy amin’ny fo sy atao amin-katsaram-panahy