Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Daniela

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Daniela

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Daniela

“ANISAN’NY boky tena mahaliana ao amin’ny Baiboly ny bokin’i Daniela”, hoy ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary, Nataon’i Holman (anglisy). “Tsy lany andro ny fahamarinana raketiny.” Nanomboka tamin’ny 618 T.K. ny fitantaran’i Daniela. Tamin’izay no tonga tao Jerosalema i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ary nataony fahirano ilay tanàna. Nentiny ho babo tany Babylona ny ‘sasany tamin’ny Zanak’Israely.’ (Daniela 1:1-3) Anisan’izy ireny i Daniela, izay vao 20 taona latsaka, tamin’izany. Mbola tany Babylona ihany izy, na dia efa ho 100 taona aza. Izao no nampanantenain’Andriamanitra azy, rehefa nifarana ilay fitantarana: “Hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.”—Daniela 12:13.

I Daniela no nanoratra an’ilay boky. Lazainy arakaraka ny fotoana nisehoany, ireo zava-nitranga ao amin’ny tapany voalohany. Tsy mampiasa hoe “izaho” na “aho” izy, raha tsy amin’ny tapany farany. Tantarainy ny faminaniana momba ny nisandratan’ireo firenena matanjaka sy ny nahareseny. Resahiny koa ny fotoana ahatongavan’ny Mesia, sy ny zavatra hitranga amin’ny androntsika. * Mitantara ny fiainany koa ilay mpaminany be taona. Mampirisika antsika tsy hivadika amin’Andriamanitra ny zavatra maro noresahiny. Tena velona sy mahery ny hafatr’i Daniela.—Hebreo 4:12.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IREO TANTARA AO ANATINY?

(Daniela 1:1–6:29)

Taona 617 T.K. tamin’izay. Tao an-dapan’i Babylona i Daniela sy ny namany telo lahy, dia i Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Nampianarina ny kolontsaina babylonianina sy ny fombafomba tao an-dapa izy ireo, nandritra ny telo taona. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy anefa izy ireo. Nanonofy hafahafa i Nebokadnezara Mpanjaka, valo taona taorian’izay. Nampahafantarin’i Daniela azy ilay nofy sady nohazavainy ny heviny. Niaiky ilay mpanjaka fa i Jehovah tokoa no “Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary Mpampiseho zava-miafina.” (Daniela 2:47) Vetivety anefa dia hadinony izany. Nasainy natsipy tao anaty lafaoro nirehitra ireo naman’i Daniela telo lahy, rehefa tsy nety nivavaka tamin’ny sary goavam-be. Novonjen’ilay tena Andriamanitra anefa izy ireo. Voatery niaiky i Nebokadnezara, fa “tsy misy andriamani-kafa mahavonjy” toa an’i Jehovah.—Daniela 3:29.

Nanonofy hafahafa indray i Nebokadnezara, ka nahita hazo goavam-be. Nokapaina ilay izy, ary tsy navela haniry ny fotony. Nohazavain’i Daniela koa ny hevitr’io nofy io. Tanteraka voalohany izy io, rehefa lasa adala i Nebokadnezara ary sitrana tatỳ aoriana. Am-polony taona taorian’izay anefa vao tena tanteraka ilay izy, rehefa nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany i Belsazara Mpanjaka. Tsy nanaja an’i Jehovah izy tamin’izay, satria nampiasa ny fitaovana tany amin’ny tempoly. Novonoina i Belsazara tamin’io alina io, ary i Dariosy Medianina no nandray ny fanjakana. (Daniela 5:30–6:1) Efa 90 taona mahery i Daniela tamin’ny andron’i Dariosy. Nialona azy ny olona ambony sasany, ka nanao tetika hamonoana azy. Niaro azy “tamin’ny herin’ny liona” anefa i Jehovah.—Daniela 6:28.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:11-15—Ny legioma nohanin’ireo tovolahy efatra ve no nahatonga azy ho mandimandina kokoa? Tsia. Tsy misy sakafo afaka manova olona toy izany, ao anatin’ny folo andro monja. I Jehovah no nanova ny tarehin’ireo tanora hebreo, satria nitoky taminy izy ireo.—Ohabolana 10:22.

2:1—Oviana i Nebokadnezara no nanonofy an’ilay sariolona goavam-be? Milaza ny fitantarana fa “tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara” ilay izy. Tamin’ny 624 T.K. izy no lasa mpanjakan’i Babylona, ka noho izany dia ny 623 T.K. no taona faharoa nanjakany. Taona maro taorian’izay anefa izy vao nanafika an’i Joda. Tsy tamin’izay àry i Daniela no nilaza ny hevitr’ilay nofy, satria mbola tsy tany Babylona izy. Roa taona taorian’ny 607 T.K. kosa ilay “taona faharoa”, satria tamin’izay no nandrava an’i Jerosalema i Nebokadnezara, ka lasa firenena matanjaka i Babylona.

2:32, 39—Nahoana no latsa-danja noho ilay loha volamena, ilay fanjakana toy ny volafotsy? Ary nahoana no latsa-danja noho ilay volafotsy, ilay fanjakana toy ny varahina? Ilay tapany volafotsy eo amin’ilay sary dia ny Fanjakana Medianina sy Persanina. Tsy niavaka noho ilay loha volamena, na i Babylona, izy io satria tsy izy no nandresy an’i Joda. I Gresy no firenena matanjaka nanaraka, mifanitsy amin’ilay tapany varahina. Tsy sarobidy noho ny volafotsy ny varahina. Tsy niavaka koa àry ny Fanjakan’i Gresy, na dia lehibe aza ny faritaniny. Tsy izy mantsy no nanafaka ny vahoakan’Andriamanitra avy any an-tsesitany, fa i Media sy Persa.

4:5, 6—Lasa ombiasy ve i Daniela? Tsia. Nantsoina hoe “lehiben’ny ombiasy” fotsiny izy, satria izy no “lehiben’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babylona rehetra.”—Daniela 2:48.

4:7, 8, 17-19—Manondro inona ilay hazo goavam-be tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara? Voalohany, dia manondro an’i Nebokadnezara, mpanjakan’ilay firenena matanjaka, izy io. Manondro zavatra hafa lehibe kokoa anefa izy io, satria “hatramin’ny faran’ny tany” ilay fanjakana resahina. Mifandray amin’ny fanjakan’ny “Avo Indrindra” eo amin’ny olombelona ilay nofy, araka ny Daniela 4:14. Ilay hazo àry dia manondro koa ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao, indrindra fa ny tany. Misy fahatanterahany roa izany ilay nofy: tamin’ny fitondran’i Nebokadnezara, ary amin’ny fanjakan’i Jehovah.

4:13, 20, 22, 29, 30—Hafiriana ilay hoe “fetr’andro fito”? Tsy fito andro fotsiny izy io, matoa niova be ny endrik’i Nebokadnezara Mpanjaka nandritra ilay fotoana. Naharitra fito taona ilay izy tamin’io fahatanterahany voalohany io, ka nisy 360 andro ny taona iray, izany hoe 2 520 andro ny tontaliny. Naharitra 2 520 taona kosa ilay “fetr’andro fito”, tamin’ilay fahatanterahany faharoa. (Ezekiela 4:6, 7) Nanomboka tamin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. izany, ary tapitra tamin’ny 1914, rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy.—Lioka 21:24.

6:7-11—Tsy malina kokoa ve i Daniela raha mba niafina rehefa nivavaka, nandritra ny 30 andro? Tsy takin’i Jehovah mantsy hoe tsy maintsy manao fihetsika manokana ny olona rehefa mivavaka. Fantatry ny rehetra fa nivavaka intelo isan’andro i Daniela. Izany no nahatonga ny fahavalony hitady tetika handrarana ny fanaovana vavaka. Raha nanova ny fahazarany i Daniela, dia ho noheverin’ny olona hoe nanaiky lembenana. Lasa nivadika tamin’i Jehovah izy raha nanao izany.

Lesona ho antsika:

1:3-8. Tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah i Daniela sy ny namany. Porofoin’izany fa nampiofana azy ireo tsara ny ray aman-dreniny. Tokony ho ny fanompoana an’Andriamanitra koa no zava-dehibe indrindra amin’ny ray aman-dreny kristianina. Azo inoana mantsy fa hahatohitra fakam-panahy sy fitaoman-dratsy any an-tsekoly na any an-toeran-kafa ny zanany, raha mahita ny modely omeny sy ampianariny hanahaka izany.

1:10-12. Azon’i Daniela ny antony natahoran’ilay “lehiben’ny tandapa” ny mpanjaka, ka tsy nisisika intsony izy. Nanatona ny “mpiadidy” kosa izy, satria mety hanaiky ny fangatahany izy io. Tokony ho hendry sy hahira-tsaina ary hahay hanavaka koa isika, rehefa misy toe-javatra sarotra.

2:29, 30. Raha manana fahalalana, toetra tsara, na fahaizana isika, dia tokony hanahaka an’i Daniela ka i Jehovah irery no hoderaintsika. Noho ny fampianarany ihany mantsy no mety ho nahazoantsika izany.

3:16-18. Azo inoana fa tsy ho hentitra toy izany ireo Hebreo telo lahy, raha nanaiky lembenana tamin’ilay resaka sakafo. Tokony hiezaka mafy koa isika, mba “hahatoky ny amin’ny zavatra rehetra.”—1 Timoty 3:11.

4:21-24. Nanam-pinoana sy herim-po i Daniela, rehefa nanambara izay hitranga amin’i Nebokadnezara sy izay tokony hataony mba ‘hampaharitra ny fiadanany.’ Mila finoana sy herim-po koa isika, rehefa manambara ny hafatra momba ilay Fanjakana, anisan’izany ny didim-pitsaran’Andriamanitra.

5:30–6:1. Tanteraka ilay “oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babylona.” (Isaia 14:3, 4, 12-15) Ho ratsy fiafara koa i Satana Devoly, satria mirehareha toa azy.—Daniela 4:27; 5:2-4, 23.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IREO FAHITAN’I DANIELA?

(Daniela 7:1–12:13)

Efa 70 taona mahery i Daniela rehefa nahazo fahitana voalohany, tamin’ny 553 T.K. Nanonofy izy ka nahita biby efatra lehibe, izay manondro firenena matanjaka nifandimby tamin’izany ka hatramin’izao. Nahazo fahitana hafa koa izy, ka nisy “toy ny zanak’olona” tany an-danitra, izay nomena “fanapahana mandrakizay.” (Daniela 7:13, 14) Nahazo fahitana indray izy, roa taona tatỳ aoriana, momba an’i Media sy Persa, Gresy, ary ilay ‘mpanjaka masia-tarehy.’—Daniela 8:23.

Resy i Babylona tamin’ny 539 T.K., ary i Dariosy Medianina no nanjaka tamin’ny Kaldeanina. Nivavaka tamin’i Jehovah i Daniela mba haverina amin’ny laoniny ny tanindrazany. Raha mbola nivavaka izy, dia nirahin’i Jehovah ny anjely Gabriela ‘hanazava’ taminy momba ny fiavian’ny Mesia. (Daniela 9:20-25) Tafaverina tany Jerosalema ny Israelita vitsivitsy, tamin’ny 536/535 T.K. Nisy nanohitra anefa ny fanorenana ny tempoly, ka niady saina i Daniela. Nivavaka mafy momba izany izy, ka naniraka anjely mitana toerana ambony i Jehovah. Nampahery azy aloha ilay anjely, ary avy eo nilaza faminaniana momba ny adin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Nanomboka io ady io, rehefa nozarain’ny jeneraliny efatra ny fanjakan’i Aleksandra Lehibe. Hifarana izy io rehefa “hitsangana” i Mikaela, Andriana Lehibe.—Daniela 12:1.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

8:9—Manondro inona ilay “tany mahafinaritra”? Eto izy io dia manondro ny toe-javatra iainan’ireo Kristianina voahosotra eto an-tany, mandritra ny fitondran’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.

8:25—Iza ilay “Andrianan’ny andriana”? “Filoha” na “lehibe” no tena hevitr’ilay teny hebreo hoe sar, nadika hoe “andriana.” I Jehovah Andriamanitra irery no “Andrianan’ny andriana”, satria izy no Filohan’ny anjely andriana rehetra, anisan’izany i “Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe.”—Daniela 10:13.

9:21—Nahoana ny anjely Gabriela no nantsoin’i Daniela hoe “lehilahy”? Satria naka endrika olona i Gabriela rehefa niseho taminy, toy ny tao amin’ny fahitana iray teo aloha.—Daniela 8:15-17.

9:27—Inona ilay fifanekena mbola nanan-kery hatramin’ny faran’ireo 70 herinandron-taona, izany hoe tamin’ny taona 36? Foana tamin’ny taona 33 ny fifaneken’ny Lalàna, rehefa novonoina i Jesosy. Namindra fo tamin’ny Jiosy anefa i Jehovah, noho izy ireo taranak’i Abrahama. Taorian’ny taona 36 àry vao tsy nanan-kery tamin’ny firenen’ny Israely ny fifanekena tamin’i Abrahama. Mbola manan-kery amin’ny “Israelin’Andriamanitra” kosa izy io.—Galatianina 3:7-9, 14-18, 29; 6:16.

Lesona ho antsika:

9:1-23; 10:11. Nanetry tena sy tia an’Andriamanitra i Daniela, sady nazoto nivavaka sy nianatra ny Soratra Masina. Izany no niantsoana azy hoe “malala indrindra”, ary nanampy azy tsy hivadika mandra-pahafatiny. Aoka àry isika hanahaka an’i Daniela.

9:17-19. Mivavaka isika mba hahatongavan’ny tontolo vaovao, izay “hitoeran’ny fahamarinana.” Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny zony hitondra anefa no tena tokony hifantohantsika, fa tsy ny fanesorana ny fijaliana sy ny olana mahazo antsika manokana.—2 Petera 3:13.

10:9-11, 18, 19. Tokony hanahaka an’ilay anjely tonga teo amin’i Daniela isika, ka hampahery ny hafa. Azo atao, ohatra, ny manome fanampiana mivaingana na manao teny mampionona.

12:3. Ireo Kristianina voahosotra no antsoina hoe “hendry”, mandritra ny andro farany. ‘Mamirapiratra toy ny mpanazava’ izy ireo, ary “maro” no voatariny “ho amin’ny fahamarinana.” Tafiditra amin’izany ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa.” (Filipianina 2:15; Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Amin’ny Fanjakana Arivo Taona izy ireo vao tena ‘hamirapiratra tahaka ny kintana.’ Hiara-miasa amin’i Kristy izy ireo amin’izay, mba handray soa feno amin’ny vidim-panavotana ny olombelona mankatò. Tokony tsy hivadika amin’ny voahosotra ny “ondry hafa”, ka hanohana hatrany azy ireo amin’ny fony manontolo.

‘Tahin’i Jehovah izay matahotra azy’

Mampianatra antsika zavatra maro momba an’ilay Andriamanitra ivavahantsika ny bokin’i Daniela. Inona, ohatra, no ianarantsika avy amin’ireo faminaniana ao? Misy amin’izy ireny efa tanteraka, ary misy mbola ho tanteraka. Porofoin’izany fa Mpanatanteraka ny teniny i Jehovah!—Isaia 55:11.

Ary inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ao amin’ny bokin’i Daniela? Nahazo ‘fahalalana sy fahendrena’ ary fahaizana ireo tanora hebreo efa-dahy, izay tsy nety nanaraka ny fomba fiaina babylonianina tao an-dapa. (Daniela 1:17) Naniraka ny anjeliny Andriamanitra, mba hamonjy an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego avy tao amin’ny lafaoro nirehitra. Novonjeny avy tao an-davaky ny liona koa i Daniela. I Jehovah tokoa no ‘hery sy ampingan’izay matoky azy. Hotahiny izay matahotra azy.’—Salamo 115:9, 13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava ny andininy tsirairay ao amin’ny Daniela, ilay boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 18]

Nahoana i Daniela no nantsoina hoe “malala indrindra”?