Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo

Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo

Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo

“Aoka mba hatao amim-pitiavana izay rehetra ataonareo.”—1 KORINTIANINA 16:14.

1. Inona no tsapan’ny ray aman-dreny raha vao teraka ny zanany?

AZO inoana fa eken’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny hoe anisan’ny fisehoan-javatra mahafinaritra indrindra eo amin’ny fiainana ny fahaterahan’ny zaza iray. Hoy ny vehivavy atao hoe Aleah: “Nientam-po be aho, raha vao nijery ny zanako vavikely vao teraka. Mbola tsy nahita zazakely nahafatifaty hoatr’izany aho.” Faly sahirana koa anefa ny ray aman-dreny amin’io fotoana io. Hoy ny vadin’i Aleah: “Nanahy aho raha ho haiko ny hanomana tsara ny zanako vavy, mba hiatrika ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.” Manahy toy izany ny ray aman-dreny maro, ary miaiky fa mila mitaiza ny zanany amim-pitiavana izy. Tsy mora ho an’ny ray aman-dreny kristianina anefa izany. Inona no zava-tsarotra sasany atrehiny?

2. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny ray aman-dreny?

2 Tena ao anatin’ny andro faran’ity tontolo ity isika izao. Maro ny olona tsy manam-pitiavana, araka ny efa voalaza mialoha. Na eo anivon’ny fianakaviana aza, dia misy ‘tsy tia ny mpianakaviny’, ka lasa ‘tsy misaotra, tsy mena-mivadika, tsy mahafehy tena, ary masiaka be.’ (2 Timoty 3:1-5) Mifanerasera amin’ny olona manana toetra toy ireo ny Kristianina isan’andro, ka mety hisy vokany eo amin’ny fomba itondrany ny mpianakaviny izany. Miady amin’ny fironan-dratsy nolovany koa ny ray aman-dreny. Mety tsy hahafehy tena izy, ohatra, na mety ho lasalasa ny vavany ka hilaza teny maharary izy, na hanao zavatra hafa tsy voahevitra tsara.—Romanina 3:23; Jakoba 3:2, 8, 9.

3. Inona no ilain’ny ray aman-dreny hatao, raha tiany ho sambatra ny zanany?

3 Afaka manampy ny zanany mba ho sambatra sy ho tia an’Andriamanitra ny ray aman-dreny, na eo aza ireny zava-tsarotra ireny. Ahoana no hahavitany izany? Mila manaraka izao torohevitry ny Baiboly izao izy ireo: “Aoka mba hatao amim-pitiavana izay rehetra ataonareo.” (1 Korintianina 16:14) “Fatorana mampiray tonga lafatra” tokoa ny fitiavana. (Kolosianina 3:14) Hodinihintsika ny lafiny telo amin’io toetra io, izay resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Hojerentsika koa ny zavatra sasany azo atao, mba hitaizana ny zanaka amim-pitiavana.—1 Korintianina 13:4-8.

Mila mahari-po ianareo

4. Nahoana ny ray aman-dreny no mila mahari-po?

4 “Ny fitiavana mahari-po”, hoy i Paoly. (1 Korintianina 13:4) Avy amin’ny teny grika midika hoe maharitra sy tsy mora tezitra ny hoe “mahari-po.” Nahoana ny ray aman-dreny no mila an’io toetra io? Azo inoana fa mahita antony maro ny ankamaroany. Ireto misy ohatra vitsivitsy. Tsy indray mandeha fotsiny ny ankizy mazàna no mangataka, rehefa misy zavatra tadiaviny. Na efa nanda mafy aza ianao, dia mety hizizo lava izy, sao mba miova hevitra ianao. Ahoana indray rehefa mihalehibebe izy? Raha misy zavatra tiany hatao, dia mety hiady varotra aminao ela be izy mba hamelanao azy hanao izany, nefa efa hitanao fa hadalana ilay izy. (Ohabolana 22:15) Matetika koa ny ankizy no mamerina ny fahadisoana sasany nataony, toa antsika rehetra ihany.—Salamo 130:3.

5. Inona no hanampy ny ray aman-dreny hahari-po?

5 Inona no hanampy ny ray aman-dreny hahari-po sy hanam-paharetana? Hoy i Solomona Mpanjaka: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” (Ohabolana 19:11) Hanana fahendrena ny ray aman-dreny, raha miezaka hahatakatra ny antony anaovan’ny zanany zavatra sasany. Hanampy azy ireo hanao izany ny fitadidiana fa mba efa “niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, [ary] nisaina toy ny zaza” koa izy ireo taloha. (1 Korintianina 13:11) Tadidinao ve, ohatra, tamin’ianao mbola kely, hoe nitambezo tamin’ny rainao na ny reninao ianao, mba hanome anao izay tianao? Rehefa nihalehibebe indray ianao, mba efa nieritreritra ve ianao hoe tsy azon’izy ireo mihitsy ny fihetseham-ponao na ny olana nahazo anao? Raha izany no izy, dia azo inoana fa takatrao ny anton’ireny fihetsiky ny zanakao ireny. Azonao koa angamba hoe nahoana ianao no mila manam-paharetana, ka tsy ho sasatra ny hampahatsiahy azy ny fanapahan-kevitra noraisinao. (Kolosianina 4:6) Tsara homarihina fa nasain’i Jehovah ‘nampianatra tsara’ ny lalàny tamin’ny zanany ny Israelita. (Deoteronomia 6:6, 7) Ilay teny hebreo nadika hoe ‘mampianatra tsara’ dia midika hoe “mamerimberina” sy “mandentika ao an-tsaina.” Midika izany fa misy zavatra mety hilaina haverimberina imbetsaka amin’ny ankizy, vao hianatra hankatò ny lalàn’Andriamanitra izy. Matetika no ilaina koa ny famerimberenana, rehefa mampianatra azy zavatra hafa.

6. Nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony hilefitra amin’ny zavatra tsy mety, na dia mahari-po aza?

6 Tsy milefitra amin’ny zavatra tsy mety anefa ny ray aman-dreny, na dia mahari-po aza. Mampitandrina ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny zaza aranana [na avela hanaram-po] mampahamenatra ny reniny.” Izao no torohevitra omen’io ohabolana io mba hisorohana an’izany: “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena.” (Ohabolana 29:15) Mety tsy heken’ny ankizy indraindray hoe manana zo hananatra azy ny ray aman-dreniny. Tsy tokony ho toy ny fitondrana entim-bahoaka anefa ny tokantrano kristianina, ka hoe tsy ho afaka hanao lalàna ny ray aman-dreny raha tsy manaiky ny ankizy. I Jehovah no tena Lohan’ny fianakaviana, ary nomeny fahefana hitaiza sy hananatra amim-pitiavana ny zanany ny ray aman-dreny. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 3:15; 6:1-4) Mifandray akaiky amin’ilay lafiny faharoa amin’ny fitiavana noresahin’i Paoly ny fananarana.

Fomba hananarana amim-pitiavana

7. Nahoana ny ray aman-dreny tsara fanahy no mananatra ny zanany? Mahafaoka inona avy ny fananarana?

7 “Ny fitiavana ... tsara fanahy”, hoy i Paoly. (1 Korintianina 13:4) Raha tena tsara fanahy ny ray aman-dreny, dia mananatra ny zanany, ary tsy miovaova hevitra rehefa manome fitsipika. Manahaka an’i Jehovah izy ireo amin’izany. “Izay tian’i Jehovah no faiziny” na anariny, hoy i Paoly. Tsara homarihina fa tsy midika fotsiny hoe sazy ny hoe famaizana, ao amin’ny Baiboly. Midika hoe fampiofanana sy fampianarana koa izy io. Inona no tanjona amin’izany? Hoy i Paoly: “Izy io, dia mitondra vokatra hiadanana [na hihavanana] ho an’izay nomena fanazarana tamin’izany. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.” (Hebreo 12:6, 11) Manampy ny zanany ho lasa olona tia fihavanana sy manao ny marina ny ray aman-dreny, rehefa mampianatra azy amin-katsaram-panahy sy araka ny sitrapon’Andriamanitra. Hanana fahendrena sy fahalalana ary fahaiza-manavaka ny ankizy, raha manaiky ny “famaizan’i Jehovah.” Sarobidy lavitra noho ny volafotsy sy ny volamena ireo.—Ohabolana 3:11-18.

8. Inona mazàna no vokany, rehefa tsy mananatra ny zanany ny ray aman-dreny?

8 Tsy tsara fanahy amin’ny zanany kosa ny ray aman-dreny, raha tsy mananatra azy. Nasain’i Jehovah nanoratra toy izao i Solomona: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay [na mananatra] azy, raha mbola kely.” (Ohabolana 13:24) Ahina kokoa ho lasa tia tena sy tsy ho sambatra ny ankizy, raha tsy mananatra azy ny ray aman-dreniny, na miovaova hevitra rehefa manome fitsipika. Etsy an-danin’izany, dia hita hoe mianatra tsara kokoa, sy mahay mifandray kokoa amin’olona, ary sambatra kokoa ny ankizy, rehefa tsara fanahy ny ray aman-dreniny no sady manome fitsipika hentitra. Tena fanehoana hatsaram-panahy tokoa àry ny fananarana ny zanaka.

9. Inona no ampianarin’ny Kristianina ny zanany? Ahoana no tokony hiheverana an’ireo zavatra ireo?

9 Ahoana no hatao mba hananarana ny zanaka amin-katsaram-panahy sy fitiavana? Mila hazavaina tsara aminy hoe inona no takina aminy. Mbola kely, ohatra, ny zanaky ny Kristianina, dia efa ampianariny hanaraka an’ireo toro lalana lehibe ao amin’ny Baiboly. Ampianariny azy koa fa ilaina ny mandray anjara amin’ireo lafiny samihafa amin’ny fivavahana marina. (Eksodosy 20:12-17; Matio 22:37-40; 28:19; Hebreo 10:24, 25) Tokony hampahafantarina ny ankizy fa tsy maintsy atao ireo, fa tsy azo iadiana varotra.

10, 11. Nahoana no tsara raha mihevitra izay tian’ny zanany ny ray aman-dreny, rehefa hanao fitsipika mahakasika azy?

10 Tsara anefa indraindray raha mifanakalo hevitra amin’ny zanany ny ray aman-dreny, rehefa hanao fitsipika hafa mahakasika azy. Mety ho vonona kokoa hankatò an’ireny fitsipika ireny izy ireo, raha avela hilaza ny heviny momba ilay izy. Aoka hatao hoe hoferanao ny ora fodiany. Azonao atao ny mametra avy hatrany ny ora tsy maintsy hodian’ny zanakao. Mety ho azo atao koa anefa ny manontany azy aloha hoe amin’ny firy no tiany, ary nahoana. Avy eo ianao vao milaza ny ora tianao hodiany, sy manazava hoe nahoana izany no hitanao fa mety. Ahoana raha misy tsy fitovian-kevitra? Efa ampoizina ihany izany. Mety hanaiky hanao izay tian’ny zanany ihany angamba ny ray aman-dreny amin’ny toe-javatra sasany, raha tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ilay izy. Midika anefa ve izany hoe mampandefitra ny fahefany izy ireo?

11 Diniho ny nataon’i Jehovah. Nampihatra ny fahefany tamim-pitiavana izy, rehefa nifampiraharaha tamin’i Lota sy ny fianakaviany. Nitondra an’i Lota sy ny vady aman-janany tany ivelan’i Sodoma ny anjely, ary nilaza taminy hoe: “Mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao.” Namaly anefa i Lota hoe: “Aza an’izany, Tompo ô!” Nanome an’izao soso-kevitra izao izy avy eo: “Indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna hianao, aoka handositra ao aho.” Ahoana no navalin’i Jehovah? Hoy izy: “Indro, efa nekeko koa hianao tamin’izany zavatra izany.” (Genesisy 19:17-22) Midika ve izany fa nampandefitra ny fahefany i Jehovah? Tsy izany mihitsy! Nihevitra ny fangatahan’i Lota kosa izy, ka naneho hatsaram-panahy lehibe taminy. Raha manan-janaka àry ianao, moa ve afaka mihevitra izay tiany ianao indraindray, rehefa hanao fitsipika mahakasika azy?

12. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, mba tsy ho sahiran-tsaina ny amin’izay tokony hataony ny zanany?

12 Tsy ny fitsipika ihany no mila ampahafantarinao ny zanakao, fa ny sazy hihatra aminy koa raha mandika izany izy. Rehefa noresahina taminy ny sazy, ary azony tsara, dia tokony hampiharina ny fitsipika. Tsy maneho hatsaram-panahy ny ray aman-dreny, raha mampitandrina foana ny zanany hoe hahazo ny sazy mendrika azy izy, nefa tsy manasazy azy akory. Hoy ny Baiboly: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” (Mpitoriteny 8:11) Marina fa mety tsy hanasazy ny zanany eo imason’olona na eo imason’ny namany ny ray aman-dreny, mba tsy hahamenatra azy. Tokony ho tsapany anefa fa rehefa “Eny” ny teninao dia eny, ary rehefa “Tsia” dia tsia, na dia mety hahavoasazy azy aza izany. Tsy ho sahiran-tsaina ny amin’izay tokony hataony izy amin’izay, ary hanjary hanaja sy ho tia kokoa anao.—Matio 5:37.

13, 14. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hanahafana an’i Jehovah rehefa mitaiza ny zanany?

13 Raha te hanafay ny zanakao amin-katsaram-panahy ianao, dia tokony hataonao mifanentana aminy ilay sazy sy ny fomba hampiharanao azy. Hoy ny vehivavy atao hoe Pam: “Tsy nitovy ny sazy nety tamin’ny zanakay roa vavy. Tsy nandaitra tamin’ny zandriny izay nandaitra tamin’ny zokiny.” Hoy i Larry vadiny: “Mafy loha ilay zokiny, ary toa tsy nampihontsina azy raha tsy famaizana hentitra. Ilay zandriny indray, vao tenenina mafy dia efa manaiky. Na asehonao aminy amin’ny fijerinao fotsiny koa aza hoe tsy faly aminy ianao, dia efa ampy azy izay.” Miezaka mamantatra ny karazana famaizana tena mety amin’ny zanany tsirairay ny ray aman-dreny tsara fanahy.

14 Modely amin’izany i Jehovah, satria fantany ny toetra tsara sy ny kileman’ny mpanompony tsirairay. (Hebreo 4:13) Tsy hentitra loatra izy nefa tsy milefitra loatra koa, rehefa manasazy. Anariny “araka ny antonony” foana ny vahoakany. (Jeremia 30:11) Ry ray aman-dreny, fantatrareo ve ny toetra tsara sy ny kileman’ny zanakareo? Hainareo ve ny mampiasa an’izany fahalalana izany, mba hitaizana azy ireo amin’ny fomba tsara sy feno hatsaram-panahy? Manaporofo ny fitiavanao ny zanakao ianao, raha manao izany.

Ampirisiho izy hilaza izay ao am-pony

15, 16. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hampirisihana ny zanany hilaza izay ao am-pony? Inona no hitan’ny Kristianina sasany fa nisy vokany tsara tamin’io lafiny io?

15 “Tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana” koa ny fitiavana, “fa mifaly noho ny fahamarinana kosa.” (1 Korintianina 13:6) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany, mba ho tia ny marina sy izay tsara? Tena ilaina ny mampirisika azy ireo hilaza izay ao am-pony, na dia mety ho sarotra aminao aza ny hiombon-kevitra aminy. Ara-dalàna aloha raha faly ianao, rehefa mifanaraka amin’ny fitsipika marin’Andriamanitra ny hevitra sy ny fihetseham-po resahiny aminao. Mety ho hita taratra amin’ny teny vokatry ny fony anefa indraindray, fa mitady tsy hanaraka ireny fitsipika ireny izy. (Genesisy 8:21) Ahoana no tokony hatao amin’izay? Mety ho te hanasazy azy avy hatrany angamba ianao. Raha manao izany anefa ianao, dia mety ho izay heveriny fa hahafinaritra anao sisa no holazainy aminao amin’ny manaraka. Ekena fa mila manitsy ny zanakao avy hatrany ianao, raha manao teny tsy manaja izy. Tsy mitovy anefa ny hoe mampianatra azy ny fomba firesahana amim-panajana, sy ny hoe manery azy hilaza izay mahafinaritra anao.

16 Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hampirisihana ny zanany hilaza izay ao am-pony? Hoy i Aleah, ilay voaresaka etsy aloha: “Miezaka ny tsy hisafoaka izahay, rehefa milaza zavatra mahasosotra anay ny zanakay. Tsy misalasala milaza ny heviny izy ireo amin’izay.” Hoy koa ny lehilahy atao hoe Tom: “Nampirisihinay hilaza ny heviny ny zanakay vavy, na dia rehefa tsy nekeny aza ny fomba fihevitray. Fantatray fa ho kivy izy ka tsy hilaza izay ao am-pony, raha manapaka ny teniny foana izahay, ary manery azy hanaraka izay tianay. Lasa nihaino anay koa izy, rehefa nihaino azy izahay.” Marina fa tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy. (Ohabolana 6:20) Azo ampiana hahay hieritreritra tsara anefa izy ireo, rehefa avela hilaza ny heviny. Hoy i Vincent, manan-janaka efatra: “Matetika izahay no niara-nandinika ny lafy tsara sy lafy ratsin’ny toe-javatra iray, hany ka ny zanakay ihany no nahita hoe iza tamin’ireo no tena tsara. Nanampy azy ireo hahay hisaina tsara izany.”—Ohabolana 1:1-4.

17. Inona no toky ananan’ny ray aman-dreny?

17 Mazava ho azy fa tsy ho tonga lafatra ny fanarahan’ny ray aman-dreny ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitaizana. Mitaky ezaka ny mitaiza amin-katsaram-panahy sy fitiavana ary fahari-po. Matokia anefa fa hankasitraka izany ny zanakao. Azo antoka koa fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao. (Ohabolana 3:33) Ny hahatonga ny zanany ho tia an’i Jehovah toa azy no irin’ny Kristianina rehetra. Ahoana àry no hanatratrarana izany tanjona tena tsara izany? Misy soso-kevitra maromaro ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Tadidinao Ve?

• Inona no hanampy ny ray aman-dreny hahari-po?

• Inona no ifandraisan’ny hatsaram-panahy sy ny fananarana?

• Nahoana no tena mila ampirisihin’ny ray aman-dreny mba hilaza izay ao am-pony ny zanany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Ry ray aman-dreny, tsaroanareo ve ny nataonareo tamin’ny mbola kely?

[Sary, pejy 24]

Mampirisika ny zanakao hilaza izay ao am-pony ve ianao?