Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanehoana Famindram-po?

Ahoana no Hanehoana Famindram-po?

Ahoana no Hanehoana Famindram-po?

“Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.”—GALATIANINA 6:10.

1, 2. Inona no ianarantsika momba ny famindram-po, avy amin’ilay fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy?

NANONTANY an’i Jesosy ny lehilahy iray nahay Lalàna hoe: “Fa iza marina moa ny namako?” Nilaza fanoharana iray i Jesosy mba hamaliana azy. Hoy izy: “Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jeriko. Ary azon’ny jiolahy izy io, ka nendahiny sady nokapohiny, ary nilaozany teo rehefa saika maty. Ary sendra nidina tamin’iny lalana iny ny mpisorona anankiray, kanefa niampita rehefa nahita azy ary nandalo fotsiny. Ary nidina tamin’iny toerana iny koa ny Levita anankiray ka nahita azy, ary niampita sy nandalo fotsiny koa. Fa nandeha tamin’ilay lalana kosa ny Samaritanina anankiray ka tonga teo aminy, ary nangoraka rehefa nahita azy. Koa nanatona izy, ary nofeheziny ny ratrany sady nasiany menaka sy divay. Avy eo, dia nataony teo ambonin’ny bibiny izy, ka nentiny tany amin’ny tranombahiny ary nokarakarainy. Ary namoaka denaria roa izy ny ampitson’iny, ka nomeny an’ilay tompon’ny tranom-bahiny, dia hoy izy: ‘Karakarao izy, fa haloako izay laninao ankoatra an’ireto, rehefa miverina aho.’ ” Hoy i Jesosy avy eo: “Iza amin’izy telo ireo no heverinao fa lasa naman’ilay azon’ny jiolahy?” Namaly ilay lehilahy hoe: “Ilay niantra azy.”—Lioka 10:25, 29-37a.

2 Mampiseho mazava tsara ny tena atao hoe famindram-po io fanoharana io. Nangoraka an’ilay lehilahy naratra mantsy ilay Samaritanina, ka nikarakara azy. Ankoatra izany, dia tsy Samaritanina toa azy izy io. Tsy misakana ny olona tsy hamindra fo àry ny tsy fitovian’ny firenena, na fivavahana na kolontsaina. Rehefa avy nilaza an’ilay fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy i Jesosy, dia nampirisika an’ilay lehilahy nanontany azy hoe: “Mandehana àry, ka mba manaova toy izany koa.” (Lioka 10:37b) Afaka manaraka an’izany teniny izany koa isika, ka hiezaka hamindra fo. Amin’ny fomba ahoana anefa? Ahoana no hanehoantsika an’io toetra io eo amin’ny fiainana andavanandro?

“Raha misy rahalahy ... tsy manana fitafiana”

3, 4. Nahoana isika no tena tokony haneho famindram-po eo anivon’ny fiangonana kristianina?

3 Hoy ny apostoly Paoly: “Dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Galatianina 6:10) Tena tokony hazoto hamindra fo amin’ny mpiray finoana amintsika àry isika. Andeha hodinihintsika ny fomba azo anaovana an’izany.

4 Nampirisika ny tena Kristianina hifaneho famindram-po i Jakoba mpianatra, ka nilaza hoe: “Hotsaraina tsy misy indrafo izay olona tsy mpamindra fo.” (Jakoba 2:13) Milaza fomba sasany azo amindrana fo ny andinin-teny manodidina. Milaza, ohatra, ny Jakoba 1:27 hoe: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.” Hoy koa ny Jakoba 2:15, 16: “Raha misy rahalahy na anabavy tsy manana fitafiana sady tsy ampy sakafo isan’andro, nefa misy aminareo milaza aminy hoe: ‘Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!’, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany?”

5, 6. Ahoana no ampisehoantsika fa mazoto mamindra fo isika eo anivon’ny fiangonantsika?

5 Lafiny iray amin’ny fivavahana marina ny fiahiana sy fikarakarana ny olona mila fanampiana. Tsy an-tendro-molotra fotsiny àry izany, ka ho vitan’ny hoe mirary soa azy ireo. Mangoraka ny olona tena mila fanampiana kosa isika, ary manao zavatra ho azy. (1 Jaona 3:17, 18) Betsaka ny azo atao mba hanehoana famindram-po. Anisan’izany ny mikarakara sakafo ho an’ny marary, manampy ny zokiolona amin’ny raharahany, mitondra olona hivory rehefa ilaina izany, ary tsy mahihitra fa manome fanampiana ho an’ireo mendrika an’izany.—Deoteronomia 15:7-10.

6 Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny manampy ny hafa hanana finoana matanjaka. Mihamaro rahateo ny olona eo anivon’ny fiangonana kristianina. Ampirisihina, ohatra, isika mba “hanao teny mampahery ny kivy” sy “hanohana ny malemy.” (1 Tesalonianina 5:14) Asaina ‘mampianatra zavatra tsara’ koa ny “vehivavy zokiolona.” (Titosy 2:3) Lazain’ny Baiboly fa tokony ho “lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra”, ny mpiandraikitra kristianina.—Isaia 32:2.

7. Inona no ohatra navelan’ny mpianatra tany Antiokia any Syria, mahakasika ny famindram-po?

7 Nikarakara ny vehivavy mpitondratena sy ny kamboty ary ireo nila fanampiana sy fampaherezana teo anivon’ny fiangonany, ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nandefa fanampiana tany amin’ny mpiray finoana taminy tany an-toeran-kafa koa anefa izy ireo indraindray. Naminany, ohatra, i Agabo fa “hisy mosary lehibe hanerana ny tany onenana.” ‘Nanapa-kevitra’ ny mpianatra tany Antiokia any Syria tamin’izay, “fa handefa fanampiana, araka izay vitany avy ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia.” I “Barnabasy sy Saoly” no nitondra an’ilay fanampiana tany amin’ny anti-panahy tany Jodia. (Asan’ny Apostoly 11:28-30) Ahoana kosa no atao ankehitriny? Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hikarakara an’ireo rahalahy sendra iharan’ny loza toy ny rivo-doza, horohoron-tany, ary tsunami. (Matio 24:45) Tena maneho famindram-po isika raha mahafoy ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika, mba hanohanana an’ireny fandaharana ireny.

‘Raha mbola mizaha tavan’olona foana ianareo’

8. Nahoana no azo lazaina fa misakana antsika tsy hamindra fo ny fizahan-tavan’olona?

8 Nampitandrina i Jakoba fa misy toetra iray misakana antsika tsy hamindra fo sy tsy haneho fitiavana, izay “mpanjakan’ny lalàna.” Hoy izy: “Raha mbola mizaha tavan’olona foana ... ianareo dia manota, satria melohin’ny lalàna ho mpandika lalàna.” (Jakoba 2:8, 9) Mety hanjary tsy hihontsina amin’ny “fitarainan’ny malahelo” isika, raha miangatra amin’ny mpanankarena sy ny olona ambony. (Ohabolana 21:13) Misakana antsika tsy hamindra fo ny fizahan-tavan’olona. Mamindra fo kosa àry isika rehefa tsy miangatra.

9. Nahoana no tsy azo lazaina hoe tsy mety ny maneho fiheverana manokana amin’ny olona mendrika izany?

9 Ny hoe tsy mizaha tavan’olona ve midika hoe tsy misy olona tokony hanehoana fiheverana manokana mihitsy? Tsy izany velively. Niresaka momba an’i Epafrodito mpiara-miasa taminy ny apostoly Paoly indray mandeha, rehefa nampirisika ny Kristianina tany Filipy hoe: “Hajao hatrany ny olona tahaka azy.” Nahoana? Hoy i Paoly: “Satria ny asan’ny Tompo no saika nahafaty azy, ka nanaovany vivery ny ainy, mba hanonitra ny tsy maha eto anareo mba hikarakara ahy.” (Filipianina 2:25, 29, 30) Mendrika ny hankasitrahana i Epafrodito noho izy namita tsara ny andraikiny. Izao koa no lazain’ny 1 Timoty 5:17: “Aoka ny anti-panahy samy hahay hitondra, ka hatao mendrika hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana.” Mendrika ny hanehoana fankasitrahana koa ireo mamita tsara ny andraikiny sy maneho toetra kristianina. Tsy fizahan-tavan’olona izany fanehoana fiheverana izany.

‘Be famindram-po ny fahendrena avy any ambony’

10. Nahoana isika no tokony hifehy ny lelantsika?

10 Hoy i Jakoba raha niresaka momba ny lela: “Manimba sy tsy hay fehezina izy io sady feno poizina mahafaty. Izy io no iderantsika an’i Jehovah Raintsika, ary izy io koa anefa no anozonantsika ny olona izay noforonina ‘hanan-toetra toy ny an’Andriamanitra.’ Avy amin’ny vava iray ihany no ivoahan’ny fiderana sy ny fanozonana.” Hoy koa izy: “Raha be fialonana sy tia mifanditra ... ianareo ao am-ponareo, dia aza mirehareha na mandainga hanohitra ny fahamarinana. Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa fahendrena avy eto an-tany sy araka ny nofo ary araka ny demonia kosa. Fa eo amin’izay mialona sy tia mifanditra, dia misy korontana mbamin’ny zava-dratsy rehetra koa. Ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mandefitra, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy.”—Jakoba 3:8-10a, 14-17.

11. Ahoana no tokony hampiasantsika ny lelantsika, raha mamindra fo isika?

11 Hita amin’ny fomba ampiasantsika ny lelantsika àry raha manana ilay fahendrena “be famindram-po” isika. Inona no mety ho vokany raha mirehareha na mandainga, na mifosa olona isika, satria mialona azy na nifanditra taminy? “Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra”, hoy ny Salamo 94:4. Vetivety koa dia simba ny laza tsaran’ny olona tsy manan-tsiny, rehefa misy manaratsy azy! (Salamo 64:2-4) Eritrereto koa ny voka-dratsiny, rehefa “mamoaka lainga ... ny vavolombelona tsy mahatoky.” (Ohabolana 14:5; 1 Mpanjaka 21:7-13) Rehefa avy niresaka momba ny fampiasana ny lela amin’ny fomba ratsy i Jakoba, dia hoy izy: “Tsy mety, ry rahalahiko, raha mbola mitohy foana izany.” (Jakoba 3:10b) Tokony hanao resaka madio isika raha tena mamindra fo. Tokony ho hita amin’ny resaka ataontsika koa hoe tia fihavanana sy mandefitra isika. Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa izay teny tsy mahasoa rehetra lazain’ny olona, dia hampamoahana azy amin’ny Andro Fitsarana.” (Matio 12:36) Tena tokony ho hita amin’ny fomba ampiasantsika ny lelantsika àry fa mamindra fo isika!

‘Mamelà ny heloky ny olona’

12, 13. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny mpanompo iray nananan’ny tompony trosa be? b) Inona no dikan’ny hoe mamela heloka “hatramin’ny impito amby fitopolo”?

12 Ahafantarantsika fomba hafa hanehoana famindram-po ny fanoharana hafa iray nolazain’i Jesosy. Momba ny mpanompo iray nitrosa 60 tapitrisa denaria tamin’ny mpanjaka ilay izy. Tsy nanam-bola handoavana ny trosany ilay mpanompo, ka nitalaho tamin’ilay mpanjaka mba hiantra azy. “Nangoraka” azy ilay mpanjaka ka nahafoy ny trosany. Nifanena tamin’ny mpanompo iray hafa nananany denaria zato monja io mpanompo io, rehefa niala teo. Tsy mba niantra azy io anefa izy fa nampiditra azy am-ponja. Ren’ilay mpanjaka izany, ka nampiantso azy izy, ary nilaza hoe: “Ry mpanompo ratsy fanahy, nafoiko ny trosa rehetra tany aminao, noho ny fiangavianao. Tsy mba tokony hiantra ny mpanompo namanao koa ve ianao, toy ny niantrako anao?” Natolotr’ilay mpanjaka tamin’ny mpiambina ny fonja izy taorian’izay. Hoy i Jesosy rehefa namarana an’ilay fanoharana: “Toy izany koa no hitondran’ny Raiko any an-danitra anareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”—Matio 18:23-35.

13 Mandresy lahatra antsika tokoa io fanoharana io hoe tia mamela heloka ny olona iray, raha mamindra fo! Azo lazaina hoe ananan’i Jehovah trosa be isika noho ny fahotantsika. Mamela azy ireny anefa izy. Tsy tokony ‘hamela ny heloky ny olona’ koa àry ve isika? (Matio 6:14, 15) Nanontany an’i Jesosy toy izao i Petera, talohan’ny nilazan’i Jesosy an’ilay fanoharana momba an’ilay mpanompo tsy nanana indrafo: “Tompoko, raha manota amiko impiry ny rahalahiko no havelako ny helony? Hatramin’ny impito ve?” Hoy i Jesosy: “Tsy hilaza aminao aho hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.” (Matio 18:21, 22) Tena vonona hamela heloka “hatramin’ny impito amby fitopolo”, izany hoe tsy misy fetrany, ny olona mamindra fo.

14. Ahoana no azontsika anehoana famindram-po eo amin’ny fiainana andavanandro, araka ny Matio 7:1-4?

14 Mbola misy fomba hafa azo anehoana famindram-po natoron’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina, fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo ... Nahoana àry ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao’, nefa jereo fa misy vatan-kazo eo amin’ny masonao?” (Matio 7:1-4) Mamindra fo àry isika eo amin’ny fiainana andavanandro, rehefa mandefitra ny fahadisoan’ny hafa, fa tsy tia mitsaratsara na be fanakianana.

“Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra”

15. Tsy ny mpiray finoana ihany no tokony hanehoantsika famindram-po. Nahoana?

15 Hitantsika teo fa antitranterin’ny bokin’i Jakoba hoe ilaina ny mamindra fo amin’ny mpiray finoana. Tsy midika anefa izany hoe eo anivon’ny fiangonana kristianina ihany isika no tokony haneho an’io toetra io. Hoy mantsy ny Salamo 145:9: “Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.” Ampirisihina “hanahaka an’Andriamanitra” sy “hanao soa amin’ny rehetra” koa isika. (Efesianina 5:1; Galatianina 6:10) Marina fa tsy tia “an’izao tontolo izao” isika, ‘na ny zavatra eo aminy.’ Tsy midika anefa izany hoe tsy miraharaha ny zavatra ilain’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika.—1 Jaona 2:15.

16. Inona avy no tokony hodinihintsika rehefa hamindra fo?

16 Tsy misalasala manampy ny hafa araka izay azontsika atao isika Kristianina, raha sendra azon-tsampona izy na miatrika olana lehibe. (Mpitoriteny 9:11) Miankina amin’izay ananantsika ny fahafahantsika manome fanampiana. (Ohabolana 3:27) Mila mitandrina koa isika sao hampirisika ny olona ho kamo, ny zavatra tsara eritreretintsika hatao ho azy. (Ohabolana 20:1, 4; 2 Tesalonianina 3:10-12) Tsy entanin’ny fo feno fangorahana fotsiny àry ny olona tena mamindra fo, fa mandinika tsara koa.

17. Inona no fomba tsara indrindra azo anehoana famindram-po amin’ny olona tsy anisan’ny fiangonana?

17 Ny firesahana amin’ny olona momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no fomba tsara indrindra anehoana famindram-po aminy. Nahoana? Satria mitsapatsapa ao anatin’ny haizina ara-panahy ny ankamaroany. ‘Ory sy miparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry’ izy ireo, satria tsy hainy hoe ahoana no hiatrehana ny olana mahazo azy, sady tsy manana fanantenana azo antoka izy. (Matio 9:36) Mety ho ‘fanilon’ny tongony’ anefa ny hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hanampy azy hiatrika olana. Mety ho ‘fanazavana ny lalany’ koa izany, satria milaza ny fikasan’Andriamanitra momba ny hoavy ny Baiboly, ka manampy azy hanana fanantenana tena tsara. (Salamo 119:105) Voninahitra ho antsika tokoa ny miresaka an’ilay hafatra tena mahafinaritra momba ny fahamarinana, amin’ireo tena mila izany! Efa kely sisa dia ho tonga ny “fahoriana lehibe”, ka izao àry no fotoana tokony hananana zotom-po amin’ny fitoriana an’ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. (Matio 24:3-8, 21, 22, 36-41; 28:19, 20) Izany no fomba lehibe indrindra azontsika anehoana famindram-po.

“Ny ao anatiny” no omeo

18, 19. Nahoana isika no tokony hiezaka hamindra fo bebe kokoa?

18 Hoy i Jesosy: “Ny ao anatiny no omeo ho fiantrana ny mahantra.” (Lioka 11:41) Raha tiantsika ho tena fanehoana famindram-po ny fanampiana omentsika, dia tokony ho avy any anatintsika mihitsy ilay izy, izany hoe vokatry ny fo feno fitiavana. (2 Korintianina 9:7) Tena mahafinaritra ny mahita olona mamindra fo toy izany eto amin’ity tontolo ity, izay feno olona mafy fo sy tia tena ary tsy mihontsina amin’ny fahoriana sy ny olana manjo ny hafa!

19 Aoka àry isika hiezaka hamindra fo bebe kokoa. Arakaraka ny hanaovantsika an’izany no hitoviantsika bebe kokoa amin’Andriamanitra. Tena hisy dikany koa ny fiainantsika amin’izay sady hahafa-po.—Matio 5:7.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana no tena ilaina ny mamindra fo amin’ny mpiray finoana?

• Ahoana no azontsika anehoana famindram-po eo anivon’ny fiangonana kristianina?

• Inona no azontsika atao mba hanaovana soa amin’ny olona tsy anisan’ny fiangonana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Namindra fo ilay Samaritanina

[Sary, pejy 27]

Mazoto mamindra fo ny Kristianina

[Sary, pejy 30]

Ny firesahana amin’ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no fomba tsara indrindra hanehoana famindram-po