Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joela sy Amosa

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joela sy Amosa

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joela sy Amosa

“JOELA, zanak’i Petoela.” (Joela 1:1) Izay fotsiny no lazain’i Joela momba ny tenany. Tsy miresaka zavatra firy afa-tsy ny hafatra notoriny izy ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, hany ka tsy fantatra na dia ny fotoana nanoratany azy aza. Mety ho tamin’ny 820 T.K. tany ho any izany, sivy taona taorian’ny nanendrena an’i Ozia ho mpanjakan’i Joda. Nahoana no tsy miresaka firy momba ny tenany i Joela? Ilay hafatra angamba no tiany hasongadina fa tsy ilay mpitondra hafatra.

Tamin’ny andron’i Ozia koa i Amosa no voatendry ho mpaminany. Avy any Joda izy, ary “mpiandry ondry sy mpioty aviavy.” (Amosa 7:14) Naminany tany Joda i Joela, fa i Amosa kosa nirahina ho any avaratra, tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Vita tamin’ny 804 T.K. tany ho any ny bokin’i Amosa, taorian’ny niverenany tany Joda. Tsotra ny faminaniany, nefa manaitra ny saina.

“INDRISY NY ANDRO”—NAHOANA?

(Joela 1:1–4:21)

Nahita kijeja sy valala ary sompanga nanafika i Joela, tao amin’ny fahitana iray. Hazavainy fa “firenena lehibe sy matanjaka” ireo mpanafika ireo, ary “lehilahy mahery.” (Joela 1:4; 2:2-7) Nisento i Joela niteny hoe: “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” (Joela 1:15) Nampirisika an’ireo mponin’i Ziona i Jehovah hoe: “Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra.” Raha manao izany izy ireo, dia ‘hiantra’ azy i Jehovah, ka hampanalavitra “ilay avy any avaratra”, izany hoe ireo bibikely mpanafika. Alohan’ny hahatongavan’ny andro lehiben’i Jehovah anefa, dia ‘handatsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra’ izy, ary “hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany.”—Joela 2:12, 18-20; 3:1-4.

Nasaina hiady ireo firenena, ka nilazana hoe: “Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka” ka miomàna hiady. Nomena baiko izy ireo “hiakatra ho ao amin’ny Lohasahan’i Josafata”, mba hotsaraina sy horinganina. “Fa Joda [kosa] honenana mandrakizay.”—Joela 4:10, 12, 20.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:15; 2:1, 11; 3:4; 4:14—Inona no atao hoe “andron’i Jehovah”? Fotoana ampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ny fahavalony izy io, ka andringanany azy ireo, fa amonjeny ny mpanompony kosa. Tonga tamin’i Babylona fahiny, ohatra, ny andron’i Jehovah, rehefa resin’ny Medianina sy Persanina izy ireo tamin’ny 539 T.K. (Isaia 13:1, 6) Misy “andron’i Jehovah” efa antomotra koa ankehitriny, dia ny fotoana hampiharany ny didim-pitsarany amin’ny “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra.—Apokalypsy 18:1-4, 21.

2:1-10; 3:1—Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana momba ny fanafihan’ny bibikely? Tsy mitantara ny Baiboly hoe nisy bibikely maro be tokoa nanafika ny tany Kanana. Fanafihana an’ohatra àry ilay resahin’i Joela. Nitranga tamin’ny taona 33 izy io. Nandatsahan’i Jehovah ny fanahiny ny mpanara-dia an’i Kristy voalohany, ka nanomboka nitory hafatra nanafintohina an’ireo mpitondra fivavahana. (Asan’ny Apostoly 2:1, 14-21; 5:27-33) Manao izany asa izany koa isika ankehitriny.

3:5—Inona no dikan’ny hoe ‘miantso ny anaran’i Jehovah’? Midika izany hoe mahafantatra ilay anarana, manaja lalina azy io, ary miantehitra sy mitoky amin’ilay tompon’io anarana io.—Romanina 10:13, 14.

4:14—Inona ilay “lohasaha fitsarana”? Toerana an’ohatra ampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany izy io. Tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka, dia nampifanaritaka ny tafik’ireo firenena fahavalo Andriamanitra, mba hanavotana an’i Joda. Antsoina hoe “Lohasahan’i Josafata” koa ilay toerana, satria ny hoe “Josafata” dia midika hoe “Jehovah no mitsara.” (Joela 4:2, 12) Toerana an’ohatra hanorotoroan’Andriamanitra ireo firenena izy io ankehitriny. Hotorotoroina toy ny voaloboka ao amin’ny famiazam-boaloboka izy ireo.—Apokalypsy 19:15.

Lesona ho antsika:

1:13, 14. Raha te ho voavonjy isika, dia mila mibebaka amin’ny fo manontolo sy miaiky fa i Jehovah no tena Andriamanitra.

2:12, 13. Avy amin’ny fo ny tena fibebahana. ‘Ny fo no [tokony] hotriarina’, fa tsy ny ‘fitafiana.’

3:1-5. Izay ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ ihany no ho “afa-mandositra” amin’ilay “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.” Tena mankasitraka an’i Jehovah isika satria mandatsaka ny fanahiny amin’ny nofo rehetra izy na amin’ny antitra na amin’ny tanora, na lahy na vavy. Samy maminany àry izy ireo, izany hoe mitory “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra”! (Asan’ny Apostoly 2:11) Antomotra ny andron’i Jehovah, ka tokony hasehontsika amin’izay rehetra ataontsika fa manana “fitondran-tena masina” sy ‘mahafoy tena’ ho azy isika.—2 Petera 3:10-12.

4:4-8, 19. Naminany i Joela fa hosazin’i Jehovah ireo firenena nanodidina an’i Joda, satria nampijaly ny vahoaka voafidiny. Tanteraka izany rehefa noravan’i Nebokadnezara Mpanjakan’i Babylona ny tanànan’i Tyro teny an-tanety. I Aleksandra Lehibe kosa tatỳ aoriana, no nandresy ny tanànan’i Tyro teny an-dranomasina. Miaramila sy olona ambony an’arivony no maty, ary mponina 30 000 no namidy ho andevo. Toy izany koa no nataon’i Aleksandra sy ny mpandimby azy tamin’ireo Filistinina. Rava i Edoma, tamin’ny taonjato fahefatra T.K. (Malakia 1:3) Rehefa mahita ireny faminaniana tanteraka ireny isika, dia manjary mino kokoa fa manatanteraka ny fampanantenany foana i Jehovah. Hitantsika avy amin’ireny zava-nitranga ireny koa izay hataony amin’ireo firenena manenjika ny mpivavaka aminy ankehitriny.

4:16-21. “Hihorohoro ny tany aman-danitra”, ary hiharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah ireo firenena. ‘Ho fialofan’ny olony [kosa] i Jehovah’, ka hanome paradisa ho azy. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny ho akaiky azy hatrany, satria efa antomotra ny andro hampiharany ny didim-pitsarany amin’ity tontolo ratsy ity.

“MIOMÀNA HIHAONA AMIN’ANDRIAMANITRAO”

(Amosa 1:1–9:15)

Manana hafatra ho an’i Joda sy Israely ary ireo firenena manodidina i Amosa. Horinganina i Syria, Filistia, Tyro, Edoma, ary Moaba. Nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra mantsy izy ireo. Horinganina koa ny mponin’i Joda ‘satria nanao tsinontsinona ny lalàn’i Jehovah.’ (Amosa 2:4) Hanao ahoana kosa ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely? Nanota izy ireo satria nampijaly ny mahantra, nijangajanga, ary nanao tsinontsinona ny mpaminanin’Andriamanitra. Nampitandrina i Amosa fa ‘hamaly ny alitara ao Betela’ i Jehovah, ary “hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra.”—Amosa 3:14, 15.

Mbola tsy niova ireo Israelita mpanompo sampy, na dia efa nampiharana sazy isan-karazany aza. Hoy àry i Amosa: “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao.” (Amosa 4:12) Ho ‘entina ho babo any ankoatr’i Damaskosy’, izany hoe any Asyria izy ireo, rehefa ho tonga ny andron’i Jehovah. (Amosa 5:27) Nanohitra an’i Amosa ny mpisorona iray tao Betela, nefa tsy natahotra izy. Hoy i Jehovah taminy: “Tonga amin’ny Isiraely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho.” (Amosa 8:2) Tsy ho afa-mandositra ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo na dia ho any amin’ny fiainan-tsi-hita sy ho any an-tampon-tendrombohitra aza. (Amosa 9:2, 3) Mampanantena anefa i Jehovah fa hisy ho tafaverina any amin’ny taniny izy ireo. Hoy izy: “Hampodiko ny Isiraely avy amin’ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.”—Amosa 9:14.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

4:1—Iza no tiana holazaina amin’ny hoe “vantotr’ombivavin’i Basana”? Any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia no misy ny havoanan’i Basana. Be vilona any, ka tsara ny biby fiompy any, anisan’izany ny ombivavy. Noharin’i Amosa tamin’ny ombivavin’i Basana ireo vehivavy tia rendrarendra tany Samaria. Nanery ‘ny vadiny’ hanambaka ny mahantra izy ireo, mba hahazoany harena.

4:6—Inona no dikan’ny hoe ‘mavovava’? Madio nify no hevitr’izy io, tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany. Miresaka momba ny “tsi-fahampian-kanina” koa ilay andininy, ka mety hidika hoe mosarena ny hoe madio nify. Madio mantsy ny nifin’ny olona tsy mihinan-kanina.

5:5—Nahoana ny Israely no nomena baiko mba ‘tsy hitady an’i Betela’? Nanorina fivavahana tamin’ny ombilahikely tao Betela i Jeroboama. Nanjary foiben’ny fivavahan-diso io tanàna io nanomboka teo. Azo inoana fa nisy mpanompo sampy koa tany Gilgala sy Beri-sheba. Tsy tokony handeha hivavaka any amin’ireo toerana ireo intsony ny Israelita, raha tsy te hosazin’i Jehovah. Tokony hitady azy kosa izy ireo.

7:1—Inona ilay ‘kolokolon’ahitra nojinjana ho an’ny mpanjaka’? Mety ho ny hetra notakin’ny mpanjaka mba hamelomany ny mpitaingin-tsoavaliny sy ny bibiny izany. Amin’ny fotoana ‘voalohany itsimohan’ny kolokolon’ahitra’ izy io no tokony haloa. Taorian’izay ny olona vao nahazo nijinja vokatra. Mbola tsy afaka nanao izany akory anefa izy ireo, dia efa nisy andiam-balala nandripaka ny voliny sy ny zavamaniry hafa.

8:1, 2—Inona no dikan’ilay “harona feno voankazo masaka fahavaratra”? Nidika izany fa antomotra ny andron’i Jehovah. Tamin’ny faramparan’ny fotoam-pijinjana, izany hoe tamin’ny faramparan’ny taom-pambolena, no notazana ny voankazo masaka fahavaratra. Rehefa nampiseho “harona feno voankazo masaka fahavaratra” tamin’i Amosa àry i Jehovah, dia nidika izany fa efa hosazina tsy ho ela ny Israely. Hoy Andriamanitra tamin’i Amosa: “Tonga amin’ny Isiraely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho.”

Lesona ho antsika:

1: 3, 6, 9, 11, 13; 2:1, 4, 6. Tezitra tamin’ny Israely sy Joda ary ireo firenena enina nanodidina azy i Jehovah, ka niteny hoe: “Tsy havelako izy.” Tsy azo ialana ny didim-pitsaran’i Jehovah.—Amosa 9:2-5.

2:12. Tsy tokony hanakivy an’ireo mpisava lalana, mpiandraikitra mpitety faritany, misionera, ary Betelita isika. Tsy hampirisika azy hiala amin’ny fanompoana manontolo andro isika, mba hananany fiainana heverina fa mitovy amin’ny an’ny olon-drehetra. Tokony hampirisika azy hanohy ny asa tsara ataony kosa isika.

3:8. Matahotra ny olona rehefa mandre liona mierona. Voatosika hitory koa i Amosa rehefa nandre an’i Jehovah niteny hoe: ‘Mandehana, ka maminania amin’ny oloko.’ (Amosa 7:15) Tokony handrisika antsika hazoto hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny tahotra an’Andriamanitra.

3:13-15; 5:11. Nampian’i Jehovah i Amosa, mpiandry ondry nahantra, ka nahavita nitory tamin’ny mpanankarena, na dia tsy niraika tamin’ny hafatra nentiny aza izy ireny. Afaka manampy antsika hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana koa i Jehovah, na dia tsy mora aza ny mitory ao amin’ny faritanintsika. 

4:6-11; 5:4, 6, 14. Tsy nety “niverina” tamin’i Jehovah mihitsy ny Israelita. Na izany aza, dia mbola nampirisika azy ireo ihany i Jehovah hoe: “Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo.” Tokony hampirisika ny olona hiverina amin’i Jehovah koa isika, raha mbola manam-paharetana izy ka mamela an’ity tontolo ratsy ity hisy.

5:18, 19. Adala ny olona “maniry ny andron’i Jehovah” nefa tsy tena vonona ho amin’izany. Toy ny olona mandositra liona izy, nefa tsenain’ny bera. Rehefa mandositra ilay bera indray anefa izy, dia kaikerin’ny menarana. Hendry àry isika raha mivonona foana sy ‘miambina hatrany.’—Lioka 21:36.

7:12-17. Tokony ho sahy sy tsy hatahotra isika, rehefa mitory ny hafatr’Andriamanitra.

9:7-10. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra toy ny Kosita ny Israelita nivadika taminy, na dia taranak’i Abrahama sy taranaky ny vahoaka nafahany avy tany Ejipta aza. Tsy miankina amin’ny fianakaviana niaviantsika no ahazoantsika ny fankasitrahan’ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Mila “matahotra azy” sy “manao ny marina” kosa isika.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Inona no tokony hataontsika?

Antomotra ny andro hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ny tontolon’i Satana. Mandatsaka ny fanahiny amin’ny mpanompony Andriamanitra, ka sahy mampitandrina ny olona izy ireo fa efa antomotra ny andron’i Jehovah. Aoka àry isika hazoto hanampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah sy ‘hiantso ny anarany.’—Joela 3:4, 5.

Nampirisika i Amosa hoe: “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny.” (Amosa 5:15) Antomotra tokoa ny andron’i Jehovah, ka hendry izay manatona azy, sy misaraka hatrany amin’ity tontolo ratsy ity, ary tsy mifanerasera amin’ny naman-dratsy. Manampy antsika hahavita izany ireo lesona tena ilaina ao amin’ny bokin’i Joela sy Amosa!—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 12]

Naminany i Joela hoe: “Efa antomotra ny andron’i Jehovah!”

[Sary, pejy 15]

Tokony ho sahy sy tsy hatahotra toa an’i Amosa isika, rehefa mitory ny hafatr’Andriamanitra