Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hanana Tanjona Mahafa-po

Miezaha Hanana Tanjona Mahafa-po

Miezaha Hanana Tanjona Mahafa-po

“Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah.”—SALAMO 150:6.

HOY i Seung Jin, * avy any Korea: “Nianatra ho dokotera aho, satria te hanampy olona. Nino koa aho fa ho sambatra, satria ho lasa olona ambony ary ho be vola. Diso fanantenana anefa aho, rehefa tsapako fa kely ihany ny fanampiana azon’ny dokotera omena ny olona. Nianatra nanao sary hoso-doko àry aho. Tsy nitondra soa firy ho an’ny olona koa anefa ny asa tanako, ary hoatran’ny hoe tia tena fotsiny aho. Nampianatra indray aho taorian’izay. Tsy ela anefa dia tsapako fa fahalalana fotsiny no azoko nampitaina, fa tsy tari-dalana tena hahasambatra ny olona.” Niezaka hanana tanjona mahafa-po toy ny olona maro i Seung Jin.

2 Ny olona tena manana tanjona, dia manana zava-kendrena voafaritra tsara, ary io no zava-dehibe indrindra aminy sy tena imasoany. Afaka ny hanana tanjona toy izany ve isika? Izany mihitsy! Nomen’ny Mpamorona fahaiza-misaina sy feon’ny fieritreretana mantsy isika. Midika izany fa nisy antony tsara matoa izy namorona antsika, izany hoe manana fikasana tsara izy. Rehefa mampifanaraka ny fiainantsika amin’io fikasany io ihany àry isika, vao hanana tanjona mahafa-po sy ho afaka hanatratra izany.

3 Asehon’ny Baiboly fa misy lafiny maromaro ny fikasan’Andriamanitra momba antsika. Rehefa jerena ny fomba mahatalanjona namoronany antsika, dia hita tokoa fa tia antsika izy ary tsy mitady valiny. (Salamo 40:5; 139:14) Ny hoe miaina mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra àry, dia midika hoe maneho fitiavana tsy mitady valiny toa azy. (1 Jaona 4:7-11) Midika koa izany hoe mankatò ny didiny. Manampy antsika hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fikasany feno fitiavana izany.—Mpitoriteny 12:13; 1 Jaona 5:3.

4 Tian’Andriamanitra ho sambatra sy hifandray tsara ary hihavana amin’ny zavaboary hafa koa ny olona noforoniny. (Genesisy 1:26; 2:15) Inona anefa no tokony hataontsika, mba ho sambatra sy tsy hanana ahiahy? Sambatra sy tsy manahy ny ankizy, rehefa tsapany fa eo anilany ny ray aman-dreniny. Toy izany koa isika. Mila mifandray tsara amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, mba hananantsika tanjona mahafa-po sy hahatonga ny fiainantsika hisy dikany. (Hebreo 12:9) Afaka manana fifandraisana toy izany amin’Andriamanitra isika, satria avelany hanatona azy, sady mihaino ny vavaka ataontsika izy. (Jakoba 4:8; 1 Jaona 5:14, 15) Afaka mampifaly sy midera an’ilay Raintsika any an-danitra isika, raha ‘miara-mandeha aminy’ amim-pinoana ary lasa namany. (Genesisy 6:9; Ohabolana 23:15, 16; Jakoba 2:23) Izany no tanjona tsara indrindra azontsika tratrarina. Hoy ny mpanao salamo: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah.”—Salamo 150:6.

Inona no tanjonao?

5 Ankoatra izany, dia tian’Andriamanitra hikarakara tsara ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika. Tafiditra amin’izany ny fikarakarana izay ilaina andavanandro sy ny fiezahana hifandray tsara amin’Andriamanitra. Mila mandanjalanja anefa isika, mba tsy ho variana amin’ny asa aman-draharaha, ka ho lasa ambanin-javatra ny fanompoana an’Andriamanitra, izay zava-dehibe kokoa. (Matio 4:4; 6:33) Mampalahelo fa saika ny fiainany manontolo no lanin’ny olona maro hampitomboana ny fananany. Tsy hendry anefa isika raha ny harena no antenaintsika hahazoana izay rehetra ilaintsika. Hita tamin’ny fanadihadiana natao vao haingana tany Azia, fa mpanapitrisa maro no “be fanahiana sy mitaintaina, na dia manana toerana ambony sy mahatsiaro ho nahavita zavatra aza izy, noho ny harenany.”—Mpitoriteny 5:10.

6 Niresaka momba “ny famitahan’ny harena” i Jesosy. (Marka 4:19) Nahoana no hoe mamitaka ny harena? Satria hoatran’ny hoe mahasambatra izy io, nefa tsy izany no izy. “Izay tia vola tsy hety ho voky vola”, hoy i Solomona mpanjaka hendry. (Mpitoriteny 5:9) Azo atao anefa ve ny sady hikatsaka harena no hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo? Tsia. Nanazava i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” Tsy nampirisika ny mpianany hanangona fananana eto an-tany i Jesosy. Nampirisihiny kosa izy ireo mba hanangona ‘harena any an-danitra’, izany hoe hiezaka ho tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra, ilay ‘mahafantatra izay ilainy, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza izy.’—Matio 6:8, 19-25.

7 Nanome torohevitra hentitra momba izany ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’i Timoty, mpiara-miasa taminy. Hoy izy: ‘Anaro ny manankarena mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika. Anaro koa izy ireny mba ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hihazona mafy ny tena fiainana.’—1 Timoty 6:17-19.

Inona no atao hoe “tena fiainana”?

8 Fiainana mirenty sy fahafinaretana no ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona amin’ny hoe “tena fiainana.” Hoy ny gazety iray any Azia: “Rehefa mijery filma na tele ny olona, dia manjary te hanana ny zavatra hitany ao, ary lasa manonofinofy ny zavatra tiany hananana.” Ny hanan-karena sy ny ho lasa olona ambony no ataon’ny olona maro ho tanjona. Variana mikatsaka an’ireo izy, hany ka lany amin’izany ny fahatanorany. Simba ny fahasalamany, ary tsy manam-potoana hiarahana amin’ny fianakaviany sy hanompoana an’Andriamanitra izy. Vitsy anefa no miezaka hahafantatra hoe avy aiza ireny sary amin’ny tele sy filma ireny. Mampiseho taratry “ny fanahin’izao tontolo izao” izy ireny, raha ny marina. Tsy inona izany fa ilay toe-tsaina manjaka eo amin’ny ankamaroan’ireo olona an’arivony tapitrisa eran-tany. Mitarika azy ireo hanao zavatra mifanohitra amin’ilay fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona izy io. (1 Korintianina 2:12; Efesianina 2:2) Tsy mahagaga àry raha maro be no tsy sambatra ankehitriny!—Ohabolana 18:11; 23:4, 5.

9 Ahoana indray ny amin’ireo tsy mitsitsy aina mba hanasoavana ny hafa, ka miezaka hanafoana ny mosary sy ny aretina ary ny tsy rariny? Maro tokoa matetika no mandray soa avy amin’ny ezaka mendri-piderana ataon’izy ireo sy ny fandavan-tenany. Na hiezaka mafy toy inona aza anefa izy ireo, dia tsy ho afaka hanova an’ity tontolo ity, ka hanatsara azy sy hampanjaka ny rariny. Nahoana? Satria ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy [Satana] izao tontolo izao manontolo’, ary tsy tiany hiova.—1 Jaona 5:19.

10 Mampalahelo tokoa ny olona tsy misy antenaina afa-tsy izao fiainana izao! Hoy i Paoly: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra isika.” Misy mihevitra fa tsy misy afa-tsy izao fiainana izao, ka milaza hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintianina 15:19, 32) Soa ihany anefa fa manana hoavy tsara isika. Hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenan[’Andriamanitra].” (2 Petera 3:13) Hahazo “ny tena fiainana” ny Kristianina amin’izay fotoana izay, izany hoe ‘hiaina mandrakizay’ sady ho lavorary. Ny sasany ho any an-danitra. Ny hafa kosa ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hitondra azy ireo amim-pitiavana!—1 Timoty 6:12.

11 Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hamaha tanteraka ny olana mahazo ny olombelona. Noho izany, dia ny fiezahana hanohana an’io Fanjakana io no asa mahafa-po indrindra azontsika atao. (Jaona 4:34) Mifandray tsara amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, rehefa manao an’io asa io. Faly koa isika miara-manompo amin’ireo rahalahy sy anabavy an-tapitrisany, izay manana tanjona mitovy amin’ny antsika.

Fidio tsara izay tena tokony hafoy

12 Milaza ny Baiboly fa “mandalo” ity tontolo ity “sy ny faniriany.” Tsy hisy hiangana ny tontolon’i Satana, na ny lazany, na ny harenany. “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra [kosa anefa] no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17) Tsy azo antoka ny harena eto amin’ity tontolo ity, ary mihelina ihany ny voninahitra sy ny fahafinaretana azo eo aminy. Mifanohitra amin’izany kosa anefa “ny tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Maharitra izy io ary faran’izay tsara, ka rariny raha mahafoy tena isika mba hahazoana azy io. Mila ataontsika azo antoka anefa fa izay tena tokony hafoy no afointsika.

13 Diniho ny nataon’i Henry sy Suzanne. Matoky tanteraka izy ireo fa hanampy an’izay rehetra manao ny Fanjakany ho loha laharana Andriamanitra, araka ny efa nampanantenainy. (Matio 6:33) Naleon’izy ireo àry nipetraka tamin’ny trano tsotsotra. Ny iray aminy ihany no mila miasa amin’izay, ka hanam-potoana betsaka kokoa izy mivady, mba hanompoana an’i Jehovah miaraka amin’ny zanany roa vavy. (Hebreo 13:15, 16) Nisy namany anankiray tsy nahazo ny antony nahatonga azy ireo hanao izany safidy izany, ka niteny tamim-pahatsorana tamin’i Suzanne hoe: “Fa maninona akia ianareo raha mipetraka amin’ny trano tsara kokoa? Misy zavatra sasany tsy maintsy afoinareo fotsiny ange dia mahazo an’izany ianareo e!” Fantatr’i Henry sy Suzanne anefa fa ho tanteraka aminy ny fampanantenan’i Jehovah momba ny “fiainana ankehitriny sy ilay ho avy”, raha ataon’izy ireo loha laharana ny fanompoana azy. (1 Timoty 4:8; Titosy 2:12) Lasa mpitory ny vaovao tsara manontolo andro ny zanany roa vavy rehefa lehibe, ary tena be zotom-po. Tsy nahatsiaro ho matiantoka mihitsy izy mianakavy. Nandray soa be dia be kosa aza izy, satria izay hahazoana “ny tena fiainana” no nataony tanjona.—Filipianina 3:8; 1 Timoty 6:6-8.

Aza ‘revo tanteraka amin’ity tontolo ity’

14 Tena mety hahita loza anefa isika, raha manadino ny tena tanjontsika, ka tsy mihazona tsara intsony “ny tena fiainana.” Mety ho “voavilin’ny fanahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ity fiainana ity” isika. (Lioka 8:14) Mety ho lasa variana be amin’ny fanaon’ity tontolo ity isika, raha tafahoatra ny faniriantsika hanan-karena na ‘manahy’ be loatra momba ny fivelomana isika. (Lioka 21:34) Seriny dia seriny ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, manao izay hampanan-karena azy. Mampalahelo fa misy voatarika hanao izany koa, ka “voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” Nafoiny mihitsy aza ny fifandraisany tamin’i Jehovah, izay tena sarobidy. Iharam-pahavoazana lehibe tokoa izay tsy ‘mihazona mafy [hatrany] ny fiainana mandrakizay’!—1 Timoty 6:9, 10, 12; Ohabolana 28:20.

15 Nanoro hevitra i Paoly hoe: ‘[Aoka] izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ireo tsy revo tanteraka aminy.’ (1 Korintianina 7:31) Nampihatra izany i Keith sy Bonnie. Hoy i Keith: “Teo am-pamitana ny fianarako mba ho mpitsabo nify aho no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy nisafidy aho avy eo. Afaka nanaiky handray marary be dia be mantsy aho, ka hahazo vola be, nefa ho voahelingelina ny fanompoanay an’i Jehovah. Koa naleoko nandray marary vitsivitsy monja, mba hananana fotoana bebe kokoa hikarakarana ny fianakaviako sy hanampiana azy ireo hanompo an’i Jehovah. Niteraka dimy vavy moa izahay tatỳ aoriana. Tsy nanana afa-tsy izay vola tena nilainay izahay matetika, nefa nianatra nitsitsy, ka nanana izay nilainay foana. Nifankatia sy nifandray be izahay mianakavy, ary falifaly foana. Lasa mpanompo manontolo andro daholo izahay tatỳ aoriana. Manambady izy dimy vavy izao, ary efa niteraka ny telo aminy. Sambatra am-panambadiana izy ireo. Sambatra koa ny fianakaviany, satria ataony loha laharana foana ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah.”

Ataovy loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra

16 Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra tamin’ny olona sasany resahina ao amin’ny Baiboly. Nisy kosa tsy niraharaha izany. Afaka miana-javatra avy amin’izany ny rehetra, na antitra na tanora, na inona na inona kolontsainy, na toe-javatra misy azy. (Romanina 15:4; 1 Korintianina 10:6, 11) Nahavita nanorina tanàna lehibe maromaro, ohatra, i Nimroda, nefa nataony mba hanoherana an’i Jehovah izany. (Genesisy 10:8, 9) Maro kosa anefa no namela ohatra tsara. Anisan’izany i Mosesy. Olona ambony teo amin’ny firenena ejipsianina izy, nefa tsy ny hihazona izany toerany izany no nataony tanjona. Taminy, dia “harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta” ny asa nampanaovin’i Jehovah azy. (Hebreo 11:26) Azo inoana fa nitsabo an’i Paoly sy olon-kafa ilay dokotera atao hoe Lioka. Ny asa vitany tamin’ny fitoriana sy ny fanoratana Baiboly anefa no tena nitondra soa ho an’ny olona. Ahoana kosa ny amin’i Paoly? Misionera sy “apostoly ho an’ny hafa firenena” no ahafantarana azy, fa tsy mpahay lalàna.—Romanina 11:13.

17 Ankoatra izany, dia tsy noho i Davida mpitari-tafika sy mpitendry zavamaneno ary mpamoron-kira no tena ahatsiarovana azy, fa noho izy ‘lehilahy araka ny fon[’Andriamanitra].’ (1 Samoela 13:14) Tsy ny asa nataon’i Daniela tamin’izy manam-pahefana teo amin’ny fitondrana babylonianina koa no ahafantarana azy, fa ny fanompoana nataony tamin’izy mpaminany mahatokin’i Jehovah. Ary i Estera? Ny herim-pony sy ny finoany no tena ahatsiarovana azy, fa tsy noho izy vadin’ny mpanjakan’i Persa. Toy izany koa i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Mpanarato mahay izy ireo, nefa apostolin’i Jesosy no tena ahalalana azy. Ny modely tsara indrindra anefa dia i Jesosy. Tsy “mpandrafitra” no ahalalantsika azy, fa “Kristy.” (Marka 6:3; Matio 16:16) Fantatr’ireo olona rehetra ireo tsara fa na inona na inona fahaizana na fananana na toerana ambony nananany, dia ny fanompoany an’Andriamanitra no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy, fa tsy ny asany. Fantany fa ny hahatongavana ho olona matahotra an’Andriamanitra no tanjona tsara indrindra sy mahafa-po indrindra.

18 Nahatakatra an’izany koa i Seung Jin tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tsy te handany ny heriko rehetra amin’ny fitsaboana sy ny fanaovana sary hoso-doko ary ny fampianarana aho. Efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra aho, ka nanapa-kevitra fa hiaina mifanaraka amin’izany. Manompo atỳ amin’ny faritany tena mila mpampianatra Baiboly aho izao, ary manampy ny olona mba handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Nieritreritra aho taloha hoe tsy dia mahafinaritra ny fiainan’ny mpanompo manontolo andro. Mbola tsy nahafinaritra noho ny amin’izao fotoana izao anefa ny fiainako. Miezaka manatsara ny toetrako aho mantsy, ary miezaka hahay hifandray amin’ny olona samy hafa kolontsaina. Tsapako fa rehefa ny hanao ny sitrapon’i Jehovah no tanjontsika, izay vao hahafa-po antsika ny fiainantsika.”

19 Nomena fahalalana mamonjy aina sy fanantenana famonjena isika Kristianina. (Jaona 17:3) Tsy mety àry raha ‘manaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra isika nefa tsy mahatratra ny zava-kendren’izany.’ (2 Korintianina 6:1) Aoka kosa isika hampiasa ny andro sarobidy tsirairay, eny, ny androm-piainantsika rehetra, mba hiderana an’i Jehovah. Aoka isika hampiely an’ilay fahalalana, izay manampy ny olona ho tena sambatra dieny izao sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Ho tanteraka amintsika amin’izay ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Hanana tanjona mahafa-po koa isika, raha manao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no tanjona tsara indrindra azontsika tratrarina?

• Nahoana no tsy hendry isika, raha ny fananana no zava-dehibe indrindra amintsika?

• Inona ilay “tena fiainana” ampanantenain’Andriamanitra?

• Ahoana no azontsika ampiasana ny fiainantsika, mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

1. Inona no nataon’ny tovolahy iray mba hananana tanjona mahafa-po?

2. a) Inona no dikan’ny hoe manana tanjona? b) Nahoana isika no afaka milaza fa misy antony tsara namoronana antsika?

3. Inona avy no irin’Andriamanitra hataon’ny olombelona?

4. a) Inona no tokony hataontsika, mba hananantsika tanjona mahafa-po? b) Inona no tanjona tsara indrindra azontsika tratrarina?

5. Nahoana no tsy hendry isika, raha ny harena no ataontsika zava-dehibe indrindra?

6. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy momba ny fikatsahana harena?

7. Inona no azontsika atao mba ‘hihazonana mafy ny tena fiainana’?

8. a) Nahoana ny olona maro no miezaka mafy mba hanan-karena sy ho lasa olona ambony? b) Inona no tsy eritreretin’izy ireo?

9. Inona no tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy? Nahoana?

10. Rahoviana ny olona mahatoky no hahazo “ny tena fiainana”?

11. Nahoana no ho afa-po isika raha miezaka manohana ny Fanjakan’Andriamanitra?

12. Inona no maha samy hafa ny fiainana eto amin’ity tontolo ity sy “ny tena fiainana”?

13. Nahay nifidy izay tena tokony hafoy ny mpivady iray. Ahoana no nataony?

14. Inona avy no loza mety hitranga, raha manadino ny tena tanjontsika isika?

15. Inona no soa noraisin’ny fianakaviana iray, noho izy ireo ‘tsy revo tanteraka tamin’ity tontolo ity’?

16, 17. Manomeza anaran’olona manam-pahaizana resahin’ny Baiboly. Inona no tena ahatsiarovana azy?

18. Ahoana no nampiasan’ny tanora kristianina iray ny fiainany? Inona no tsapany?

19. Inona no azontsika atao mba hananana tanjona mahafa-po?

[Sary, pejy 18]

Mila mahay mifidy izay tena tokony hafoy ny Kristianina