Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety ve ny nilazan’i Jakoba fa i Esao izy, araka ny Genesisy 27:18, 19?

Mety ho fantatrao tsara io tantara io. Naniraka an’i Esao mba hihaza ho azy i Isaka, izay efa antitra. Hoy izy: ‘Anaovy hanim-py aho hohaniko, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.’ Rehefa nahare izany i Rebeka, dia nanomana sakafo matsiro ary nandidy an’i Jakoba hoe: ‘Ento any amin’ny rainao [ny sakafo] hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.’ Izao àry no nataon’i Jakoba: Nanaovany ny akanjon’i Esao, nofonosiny hodi-janak’osy ny vozony sy ny tanany, ary nankao amin-drainy izy nitondra ilay sakafo matsiro. Rehefa nanontany azy i Isaka hoe: ‘Iza moa ianao, anaka?’, dia hoy izy: “Izaho no Esao zanakao lahimatoa.” Nino azy i Isaka, ary nitso-drano azy.—Gen. 27:1-29.

Tsy lazaina ao amin’ny Baiboly ny antony nahatonga an’i Rebeka sy Jakoba hanao izany. Zava-nitranga tampoka fotsiny ilay izy. Misy mihevitra àry fa azo atao ny mandainga, rehefa jerena io tantara io. Mariho anefa fa sady tsy manamarina ny zavatra nataon’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra no tsy manameloka izany. Manazava tsara an’ilay toe-javatra kosa izy io.

Voalohany, lazain’ny Baiboly mazava tsara fa i Jakoba no nanana ny zo ara-dalàna hahazo ilay tsodrano, fa tsy i Esao. Taloha kokoa mantsy, dia novidin’i Jakoba tamin’i Esao kambana aminy ny zon’ny lahimatoa. Tsy nahay nankasitraka i Esao ka nivarotra izany, mba hahazoany sakafo hampitonena ny hanoanany. Toy izany no nanaovany tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa. (Genesisy 25:29-34) Naka ilay tsodrano efa tokony ho azy ihany àry i Jakoba, rehefa nanatona an-drainy.

Faharoa, rehefa fantatr’i Isaka fa i Jakoba no nomeny tsodrano, dia tsy nanandrana nanitsy izany izy. Tadidiny angamba ny zavatra nolazain’i Jehovah tamin-dRebeka, talohan’ny nahaterahan’izy roa lahy. Hoy i Jehovah tamin’izay: “Ny zokiny hanompo ny zandriny.” (Genesisy 25:23) Tsara homarihina koa fa naverin’i Isaka indray ilay tsodrano nataony teo aloha, rehefa handeha ho any Harana i Jakoba.—Genesisy 28:1-4.

Farany, dia tokony hotadidina fa fantatr’i Jehovah sady mahaliana azy ny zava-drehetra nitranga tamin’izay. Misy ifandraisany amin’ny fampanantenana nomeny an’i Abrahama ilay tsodrano nomen’i Isaka. (Genesisy 12:2, 3) Tsy maintsy ho nisalovana izy raha tsy tiany ho azon’i Jakoba ilay izy. Vao mainka anefa nanamafy izany i Jehovah, rehefa nilaza tamin’i Jakoba hoe: “Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”—Genesisy 28:10-15.