Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nahoma sy Habakoka ary Zefania

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nahoma sy Habakoka ary Zefania

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nahoma sy Habakoka ary Zefania

I ASYRIA no firenena natanjaka indrindra eran-tany tamin’izay. Efa noravany i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. Efa ela koa izy no nandrahona an’i Joda. Mpaminany tao Joda i Nahoma, ary nanana hafatra ho an’i Ninive, renivohitr’i Asyria. Mirakitra izany hafatra izany ny bokin’i Nahoma, izay nosoratana talohan’ny 632 T.K.

I Babylona no firenena natanjaka indrindra nandimby an’i Asyria. Kaldeanina no mpanjaka tao indraindray. Ahoana no hampiasan’i Jehovah an’io firenena io mba hampiharana ny didim-pitsarany? Milaza mialoha momba izany ny bokin’i Habakoka, izay vita tamin’ny 628 T.K. angamba. Resahina ao koa ny hiafaran’i Babylona.

Naminany talohan’i Nahoma sy Habakoka i Zefania. Mpaminany tao Joda izy. Efapolo taona mahery talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., dia nilaza izy fa horavana i Joda. Nitory hafatra feno fanantenana ho an’ny mponina tao koa anefa izy. Misy hafatra momba ny loza hanjo ny firenena hafa koa ao amin’ny bokin’i Zefania.

“LOZAN’NY TANÀNA MPANDATSA-DRA”

(Nahoma 1:1–3:19)

Avy amin’i Jehovah Andriamanitra, izay “mahari-po sady be hery”, ny “faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive.” Horavana i Ninive. “Fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana” anefa i Jehovah, ho an’ireo mialoka aminy.—Nahoma 1:1, 3, 7.

Nampihorohoro ny vahoakan’Andriamanitra i Asyria, toy ny “liona namotipotika.” ‘Hampody ny voninahitr’i Jakoba’ anefa i Jehovah. ‘Holevoniny ho setroka ny kalesin[’i Ninive], ary hovonoina [amin’ny] sabatra ny liona tanorany.’ (Nahoma 2:3, 13, 14) “Lozan[’i Ninive] tanàna mpandatsa-dra.” “Izay rehetra ilazana ny nanjo [azy] dia hiteha-tànana” sy ho faly.—Nahoma 3:1, 19.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:9—Hanao ahoana i Joda, rehefa ho ‘fongana’ i Ninive? Tsy hampijaly an’i Joda intsony i Asyria, ka ‘tsy hiverina fanindroany ny fahoriany.’ Toy ny efa tsy nisy intsony ny fiheveran’i Nahoma an’i Ninive, ka hoy izy: “Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda.”—Nahoma 2:1.

2:7—Inona ilay “vavahadin-drenirano” novohana? Lasan’ny reniranon’i Tigra ny ampahany tamin’ny mandan’i Ninive, ka nisy banga. Io ilay vavahady resahina eto. Tsy dia natahotra loatra i Ninive, rehefa nanafika azy ny tafika Babylonianina sy Medianina, tamin’ny 632 T.K. Nihevitra mantsy izy fa tsy ho tafiditry ny fahavalo, tao anatin’ilay manda avo be. Tsy nanana ahiahy àry izy ireo. Avy be anefa ny orana, ka tondraka ny reniranon’i Tigra. Hoy i Diodore, mpahay tantara: “Safotry ny rano ny faritra sasany tamin’ilay tanàna [vokatr’izany], ary vaky ny ampahany tamin’ny manda.” Nivoha àry ilay vavahadin-drenirano, ary vetivety toy ny fandevonan’ny afo ny vodivary maina, no naharavan’i Ninive.—Nahoma 1:8-10.

3:4—Nahoana i Ninive no toy ny mpivaro-tena? Namitaka firenena maro i Ninive. Niseho ho naman’izy ireny mantsy izy sady nampanantena ny hanampy, kanjo nampahory. Niseho ho nanampy an’i Ahaza mpanjakan’i Joda, ohatra, i Asyria, rehefa nanafika an’i Joda i Syria sy Israely. Tatỳ aoriana anefa, dia nanafika an’i Ahaza ny mpanjakan’i Asyria ka “nampahory azy.”—2 Tantara 28:20.

Lesona ho antsika:

1:2-6. Novalian’i Jehovah ny helok’ireo fahavalony, noho izy ireo tsy nety nanompo azy irery ihany. Hita avy amin’izany, fa tian’i Jehovah hivavaka aminy irery ihany ny mpanompony.—Eksodosy 20:5.

1:10. Goavana be ny mandan’i Ninive sady nisy tilikambo an-jatony. Tsy nahasakana ny loza nokasain’i Jehovah hamelezana azy anefa izany. Tsy ho afa-mandositra ny didim-pitsaran’i Jehovah koa, ireo fahavalon’ny vahoakany ankehitriny.—Ohabolana 2:22; Daniela 2:44.

‘NY MARINA HO VELONA’

(Habakoka 1:1–3:19)

Resaka nifanaovan’i Habakoka mpaminany tamin’i Jehovah Andriamanitra ny toko roa voalohany amin’ny bokin’i Habakoka. Sahiran-tsaina noho ny zava-nitranga tao Joda i Habakoka, ka nanontany an’Andriamanitra hoe: “Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao?” Namaly azy i Jehovah hoe: “Atsangako ny Kaldeana, dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra.” Gaga ilay mpaminany nandre fa hampiasa an’ireo ‘mpamitaka’ ireo Andriamanitra mba hanafaizana an’i Joda. (Habakoka 1:3, 6, 13) Nomena toky i Habakoka fa ho velona ny marina, fa ireo fahavalo kosa tsy maintsy hofaizina. Nilaza loza dimy hihatra amin’ireo Kaldeanina fahavalo koa i Habakoka.—Habakoka 2:4.

Nivavaka mba hahazo famindram-po i Habakoka. Nitanisa tamin’alahelo an’ireo asa nampiseho hery nataon’i Jehovah izy, toy ilay teo amin’ny Ranomasina Mena, tany an-tany efitra, ary tany Jeriko. Nilaza mialoha koa ilay mpaminany, fa hampihatra ny fahatezerany sy handringana i Jehovah ao Hara-magedona. Nifarana toy izao ilay vavaka: “Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.”—Habakoka 3:1, 19.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:5, 6—Nahoana no sarotra tamin’ny Jiosy ny nino fa hanafika an’i Jerosalema ny Kaldeanina? Teo ambany fifehezan’i Ejipta i Joda, rehefa nanomboka naminany i Habakoka. (2 Mpanjaka 23:29, 30, 34) Efa nihanahery ny Babylonianina, nefa mbola tsy naharesy an’i Farao Neko. (Jeremia 46:2) Tao Jerosalema koa ny tempolin’i Jehovah, ary mpanjaka taranak’i Davida foana no nitondra tao hatramin’izay. Sarotra tamin’ireo Jiosy àry ny nino fa hamela ny Kaldeanina handrava an’i Jerosalema Andriamanitra. Tanteraka tokoa anefa ilay fahitan’i Habakoka, tamin’ny 607 T.K., rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Babylonianina.—Habakoka 2:3.

2:5—Iza ilay “olona” voaresaka eto, ary nahoana izy no ‘tsy hahatoetra’ na tsy hahatratra ny tanjony? Midika hoe “lehilahy tomady” ilay teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe “olona” eto. Manondro an’ireo Babylonianina ilay hoe “lehilahy tomady.” Nampiasa fahaizana ara-tafika mantsy izy ireo mba handresena firenena. Nahatonga azy ireo ho toy ny olona mamon-divay ny nahazoany fandresena. Tsy hahavita hanangona ny firenena rehetra ho eo ambany fifehezany anefa izy, satria hampiasa ny Medianina sy Persanina i Jehovah mba handresena azy. Ireo fitondram-panjakana eto an-tany no mifanitsy amin’ilay “lehilahy tomady” ankehitriny. Diso matoky tena sy mihevi-tena ho zavatra loatra izy ireo, ary tsy mety afa-po fa maniry hanitatra ny faritaniny foana. Ny ‘hanangona ny firenena rehetra ho ao aminy’ no tanjon’izy ireo, nefa tsy ho vitany izany. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hampiray ny olombelona.—Matio 6:9, 10.

Lesona ho antsika:

1:1-4; 1:12–2:1. Nanontany tamim-pahatsorana i Habakoka, ary namaly azy i Jehovah. Mihaino ny vavaky ny mpanompony mahatoky ilay tena Andriamanitra.

2:1. Izao no voalazan’io andinin-teny io, araka ny Fandikan-teny Katolika: “Tiako ny mitana ny anjara toerako, sy mipetraka eo amin’ny tilikambo fiambenana, dia hitandrina aho hahitako izay holazain’Iaveh amiko, sy izay havaliko ny fananarana hatao amiko.” Toa an’i Habakoka, dia tokony ho mailo hatrany isika ary hazoto hanompo. Tokony ho vonona hanitsy ny fomba fisainantsika koa isika, rehefa mahazo “fananarana” na fanitsiana.

2:3; 3:16. Aoka isika hiandry ny andron’i Jehovah, sady hitadidy hatrany fa akaiky izy io.

2:4. Mila miaritra sy maneho finoana isika, raha te ho tafavoaka velona amin’ny fotoana hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany.—Hebreo 10:36-38.

2:6, 7, 9, 12, 15, 19. Hiharan-doza ireo tia tombony azo amin’ny tsy marina, ireo tia herisetra, maloto fitondran-tena, ary manompo sampy. Mila mitandrina isika, mba hanalavitra an’izany rehetra izany.

2:11. “Hitaraina ny vato ao amin’ny rindrina”, raha tsy mampahafantatra ny faharatsian’ity tontolo ity isika. Tokony ho be herim-po àry isika, ka hitory hatrany ny hafatra momba ilay Fanjakana!

3:6. Tsy hisy hahasakana an’i Jehovah rehefa hanatanteraka ny didim-pitsarany izy, eny fa na dia ireo fikambanana naorin’olombelona, izay toa tsy mety rava toy ny tendrombohitra sy havoana aza.

3:13. Matoky isika fa tsy ny olona rehetra no ho ringana ao Hara-magedona. Hamonjy ny mpanompony mahatoky i Jehovah.

3:17-19. Mety ho tojo fahasahiranana isika aloha sy mandritra ny Hara-magedona. Mahazo matoky anefa isika fa hanome “tanjaka” antsika i Jehovah, raha manohy manompo azy amim-pifaliana isika.

“EFA ANTOMOTRA NY ANDRON’I JEHOVAH”

(Zefania 1:1–3:20)

Nanerana ny tanin’i Joda ny fivavahana tamin’i Bala. Hoy àry i Jehovah tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny: “Hahinjitro ny tànako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema.” Nampitandrina i Zefania hoe: “Efa antomotra ny andron’i Jehovah.” (Zefania 1:4, 7, 14) Ny olona manao izay takin’Andriamanitra ihany no ho “voafina” amin’io andro io.—Zefania 2:3.

‘Lozan’ny tanàna mampahory’, dia i Jerosalema! “Miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena ... Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo.” Nampanantena anefa izy hoe: “Hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianareo, raha hampodiko avy amin’ny fahababoana hianareo, ka ho hitan’ny masonareo izany.”—Zefania 3:1, 8, 20.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:13, 14—Feon’iza ilay “feo mikiririoka” ho re ao Ninive, rehefa tsy hisy mponina intsony ao? Voalaza fa ho lasa fonenan’ny bibidia sy ny vorona i Ninive. Feom-borona àry ilay feo ho re mikiririoka ao. Mety ho feon’ny rivotra mitsoka amin’ny varavarankelin’ireo trano foana koa izany.

3:9—Inona ilay ‘molotra madio’ na fiteny madio, ary ahoana no hitenenantsika azy io? Ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra hita ao amin’ny Teniny izy io. Anisan’izy io ny fampianarana rehetra ao amin’ny Baiboly. Azo lazaina hoe miteny an’io fiteny io isika, raha mino ny fahamarinana sy mampianatra izany amin’ny fomba marina tsara, ary miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Lesona ho antsika:

1:8. ‘Nitafy ny fitafin’ny firenena hafa’ ny olona sasany tamin’ny andron’i Zefania. Nanao izany angamba izy ireo mba ho tian’ny firenena nanodidina. Tsy hendry ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, raha manao izay hitoviana amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka manahaka ny fomba fitafiny.

1:12; 3:5, 16. Naniraka ny mpaminaniny foana i Jehovah mba hampitandrina ny vahoakany momba ny didim-pitsarany. Nanao izany izy, na dia Jiosy maro aza no toy ny faikan-divay tao amin’ny fanambanin’ny barìka, izany hoe tsy nety niova sy tsy niraharaha ilay hafatra. Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah, ka tsy tokony havelantsika ‘hampiraviravy tanana’ antsika ny olona tsy miraharaha ny hafatra entintsika. Tokony hazoto hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana foana kosa isika.

2:3. I Jehovah ihany no afaka mamonjy antsika, amin’ny andro fahatezerany. Mba hahazoana sitraka aminy, dia mila ‘mitady’ azy isika, izany hoe mianatra tsara ny Baiboly, mangataka ny tari-dalany amin’ny alalan’ny vavaka, ary manatona azy. Mila ‘mitady ny fahamarinana’ koa isika, ka hiezaka hadio fitondran-tena, ary ‘hitady ny fandeferana’, izany hoe hiezaka handefitra sy hankatò an’i Jehovah hatrany.

2:4-15; 3:1-5. Hitovy amin’izay nanjo an’i Jerosalema fahiny sy ny firenena nanodidina azy, ny hanjo ny Kristianisma Anarana sy ny firenena rehetra, amin’ny andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany. Mampijaly ny vahoakan’Andriamanitra mantsy izy ireo. (Apokalypsy 16:14, 16; 18:4-8) Tsy tokony hatahotra hanambara hatrany ny didim-pitsaran’Andriamanitra isika.

3:8, 9. Ho vonona amin’ny andron’i Jehovah isika ka ho tafavoaka velona amin’izany, raha mianatra mampiasa ny fiteny madio sy ‘miantso ny anarany.’ Fomba iray iantsoana ny anarany ny fanoloran-tena ho azy. ‘Miray hina’ koa isika vahoakan’i Jehovah rehefa miara-manompo azy, ary manolotra “sorona fiderana” ho azy, ho fanomezana.—Hebreo 13:15.

“Mihafaingana” ilay izy

Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” (Salamo 37:10) Azontsika antoka fa ho tanteraka ireo teny ireo, rehefa jerena ny faminanian’i Nahoma momba an’i Ninive, sy ny faminanian’i Habakoka momba an’i Babylona sy Joda nivadi-pinoana. Hafiriana anefa no mbola tsy maintsy hiandrasantsika?

Hoy ny Zefania 1:14: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.” Atoron’ny bokin’i Zefania antsika izay azontsika atao mba hahavoafina antsika amin’io andro io. Resahiny koa ny fiomanana tsy maintsy atao mba hahatafavoaka velona antsika. “Velona sy mahery” tokoa “ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 8]

Tanteraka ny faminanian’i Nahoma momba an’i Ninive, na dia goavana aza ny mandan’ilay tanàna

[Sary nahazoan-dalana]

Randy Olson/National Geographic Image Collection