Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Vakin-tanimanga Fahiny sy ny Baiboly

Ny Vakin-tanimanga Fahiny sy ny Baiboly

Ny Vakin-tanimanga Fahiny sy ny Baiboly

TENIN’ANDRIAMANITRA ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Tsy misy diso izay voalazan’izy io momba ny olona, toerana, fivavahana, ary toe-draharaha politika fahiny. Marina fa tsy avy amin’ny fandinihana ny sisan-javatra fahiny no ahalalana izany. Ilaina ihany anefa ireny, satria manamafy fa rariny raha mino ny voalazan’ny Baiboly isika.

Anisan’ny zavatra betsaka indrindra hitan’ny mpikaroka ny vakin-tanimanga, rehefa mihady tany eo amin’ny toerana nisy ny tanàna fahiny izy ireo. Mety ho avy amin’ny vazy na vilany izy ireny. Tsy nandaniam-bola ny vakin-tanimanga, ka natao solon-taratasy, tany amin’ny toerana maro, toa an’i Israely, Ejipta ary Mezopotamia. Natao mba hiraketana fifanarahana, tantara, na zavatra hafa, izy ireny, ary ranomainty no nampiasaina. Teny iray no teo amin’ny vakin-tanimanga sasany. Ny hafa kosa nisy fehezanteny na fehintsoratra maromaro.

Nahita vakin-tanimanga maro efa nisy tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly ny manam-pahaizana, rehefa nikaroka tany Israely. Ny vakin-tanimanga avy any Samaria sy Arada ary Lakisy no tena mahaliana azy ireo, satria manamafy ny voalazan’ny Baiboly. Efa nisy tamin’ny taonjato fahafito sy fahavalo T.K. ireo vakin-tanimanga ireo. Andeha hodinihintsika tsirairay izy ireo.

Ireo vakin-tanimanga avy any Samaria

I Samaria foana no renivohitry ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra, talohan’ny nandravan’ny Asyrianina azy io, tamin’ny 740 T.K. Hoy ny 1 Mpanjaka 16:23, 24 momba ny nampisy an’i Samaria: ‘Tamin’ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda [947 T.K.], no vao nanjakan’i Omry tamin’ny Israely. Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’i Samera ny havoan’i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria ny anaran’ilay tanàna.’ Mbola nisy io tanàna io tamin’ny andron’ny Romanina, saingy novana hoe Sébaste ny anarany. Tsy nisy intsony izy io tamin’ny taonjato fahenina A.K.

Nikaroka tao ambanin’ny toerana nisy an’i Samaria ny manam-pahaizana, tamin’ny 1910, ka nahita vakin-tanimanga efa tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Niresaka momba ny menaka sy divay tonga tao Samaria avy any amin’ireo faritra manodidina izy ireo. Hoy ny boky Soratra Fahiny—Porofo avy any Amin’ny Toerana Nanoratana ny Baiboly (anglisy), momba izany: ‘Ireo vakin-tanimanga 63 hita tamin’ny 1910 [no] azo lazaina hoe asa soratra israelita sarobidy indrindra tavela hatramin’izao. Tsy izay voalaza ao loatra no mahasarobidy azy ireo. Ahitana anaran’olona sy anarana fianakaviambe, ary anaran-toerana be dia be kosa ao anatiny.’ Nahoana izany no manamafy ny voalazan’ny Baiboly?

Tao amin’ny faritra azon’ny fokon’i Manase i Samaria, rehefa lasan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina, ka nifampizaran’izy ireo. Voalazan’ny Josoa 17:1-6, fa nomena tany ny taranaka folo avy tamin’i Gileada, zafikelin’i Manase. Ireto ny dimy amin’izy ireo: Abiezera, Heleka, Asriela, Sekema, ary Semida. Tsy nanana zafikely lahy kosa i Hefera, ilay fahenina, fa zafikely vavy dimy, dia i Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. Nomena tany koa àry izy dimy vavy.—Nomery 27:1-7.

Mbola hita ao amin’ny vakin-tanimanga tany Samaria ny anaran’i Hogla sy Noa zafikelin’i Hefera, ary ny an’ny zanak’i Gileada dimy. Hoy ny boky iray momba ny fikarohana ambanin’ny tany: “Tsy ny Baiboly irery no milaza fa nonina tao amin’io faritra io ny taranak’i Manase. Miresaka izany koa ny Vakin-tanimangan’i Samaria.” Hita araka izany, fa manamafy ny voalazan’ny Baiboly momba ny tantaran’ny fokon’ny Israely, ireo vakin-tanimanga ireo.

Hita avy amin’izy ireo koa fa tena nivavaka tamin’i Bala, araka ny voalazan’ny Baiboly, ny Israelita. Tamin’ny fotoana nanoratana an’ireo vakin-tanimanga tany Samaria, dia sady nivavaka tamin’i Jehovah ny Israelita no nivavaka tamin’i Bala, andriamanitra kananita. Nilaza i Hosea, mpaminany tamin’izany, fa hibebaka ny Israely, ka tsy hiantso an’i Jehovah intsony hoe “Balako” na “Tompoko”, fa hoe “Vadiko.” (Hosea 2:18, 19; fanamarihana ambany pejy) Nisy anarana midika hoe “Bala no raiko”, “Mihira i Bala”, “Matanjaka i Bala”, ary “Mahatsiaro i Bala” tao amin’ireo vakin-tanimanga tany Samaria. Isaky ny anarana 18 hita tao, dia ny 11 no misy hoe Jehovah, fa ny 7 kosa misy hoe “Bala.”

Ireo vakin-tanimanga avy any Arada

Tanàna tany Negeba, faritra tsy dia misy orana, i Arada. Tany atsimon’i Jerosalema no nisy azy io. Hitan’ny mpikaroka, fa nisy tanàna mimanda enina tao Arada, nanomboka tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona (1037-998 T.K.), ka hatramin’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema (607 T.K.). Tao no nahitana vakin-tanimanga be indrindra, efa nisy tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Maherin’ny 200 izy ireo, ary teny hebreo na aramianina na teny hafa no eo aminy.

Manamafy ny voalazan’ny Baiboly momba ny fianakaviamben’ny mpisorona koa ny vakin-tanimanga sasany tany Arada. Resahina ao, ohatra, ny “zanakalahin’i Kora” ao amin’ny Eksodosy 6:24 sy Nomery 26:11. Ny “zanakalahin’i Kora” no nanoratra ny Salamo faha-42, Sl 44-49, 84, 85, 87, 88, araka ny teny fampidirana azy ireo. Anisan’ny fianakaviamben’ny mpisorona hita ao amin’ireo vakin-tanimanga ireo koa ny fianakavian’i Pasora sy Meremota.—1 Tantara 9:12; Ezra 8:33.

Nisy vakin-tanimanga koa nosoratana ho an’ny manam-pahefana tao amin’ilay tanàna mimanda farany, tao Arada. Izao no voalaza tao, araka ny boky hafa iray momba ny Soratra Masina: “Ho an’i Elyashib tompoko. Hitahy anao anie i Iaveh [Jehovah]. ... Raha ny momba ilay zavatra nandidianao ahy, dia matokia fa mety tsara izao ny zava-drehetra: mijanona ao amin’ny tempolin’i Iaveh izy.” Mino ny manam-pahaizana maro fa ilay tempolin’i Jerosalema naorin’i Solomona no tiana holazaina eo.

Ireo vakin-tanimanga avy any Lakisy

Tany amin’ny 43 kilaometatra atsimoandrefan’i Jerosalema no toerana nisy ny tanàna mimandan’i Lakisy. Nahitana vakin-tanimanga maromaro tao, tamin’ny 1930. Voalaza fa “tena sarobidy” ny 12 tamin’ireo, “satria nanazava ny toe-draharaha politika sy ny korontana tany Joda, rehefa niomana hiatrika ny fanafihan’i Nebokadnezara [mpanjaka babylonianina] ny mponina tao.”

Hafatra no tao anatin’ireo vakin-tanimanga tena sarobidy ireo, ary nifandefasan’ny miaramila iray sy Yaosh, mpitari-tafika tao Lakisy angamba. Mitovitovy ny teny nampiasain’i Jeremia mpaminany tao amin’ny bokiny, sy ny teny ao amin’izy ireo. Velona tamin’izany koa mantsy i Jeremia. Manamarina ny lazain’ny Baiboly fa nitranga tamin’io fotoan-tsarotra io, ny soratra teo amin’ny roa amin’ireo vakin-tanimanga ireo.

Hoy ny Jeremia 34:7 momba an’io fotoana io: “Ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babylona mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda.” Toa manamarina izany ny voalaza ao amin’ireo vakin-tanimanga avy any Lakisy. Izao no hita ao: ‘Mitazana ny afo famantarana [tsangan’afo] avy eny Lakisy izahay izao. Tsy misy intsony mantsy eny Azeka.’ Milaza ny manam-pahaizana maro fa midika izany hoe efa resin’ny Babylonianina i Azeka tamin’io, ary i Lakisy indray ny manaraka. Tsara homarihina ilay hoe “afo famantarana.” Miresaka an’io fomba fampitana hafatra io koa ny Jeremia 6:1.

Nilaza i Jeremia sy Ezekiela fa nikomy tamin’i Babylona ny mpanjakan’i Joda, ka nitady vonjy tany Ejipta. Voalaza fa misy vakin-tanimanga avy any Lakisy koa manamarina izany. (Jeremia 37:5-8; 46:25, 26; Ezekiela 17:15-17) Izao no hita ao: “Naharay an’ity vaovao ity ny mpanomponao: Nianatsimo nankany Ejipta ny Jeneraly Konyahu, zanak’i Elnatan.” Misy mpikaroka milaza fa hitady vonjy no nandehanan’io jeneraly io tany.

Misy anarana ao amin’ny bokin’i Jeremia koa hita ao amin’ny vakin-tanimanga tany Lakisy, dia i Neria, Jazania, Gemaria, Elnatana, ary Hosaia. (Jeremia 32:12; 35:3; 36:10, 12; 42:1) Ireo lehilahy tanisain’i Jeremia ihany ve ireo? Tsy tena azo antoka izany, nefa mety ho marina ihany, satria velona tamin’ny fotoana nanoratana an’ilay vakin-tanimanga i Jeremia.

Inona no mampitovy azy rehetra?

Manamafy ny voalazan’ny Baiboly ireo vakin-tanimanga tany Samaria sy Arada ary Lakisy. Anisan’izany ny anarana fianakaviambe sy anaran-toerana fahiny. Eo koa ny momba ny fivavahana sy ny toe-draharaha politika tamin’izany. Misy lafiny lehibe mampitovy an’ireo vakin-tanimanga ireo anefa.

Misy hoe “Hanome fiadanana anao anie i Jehovah”, ao amin’ireo vakin-tanimanga avy any Lakisy sy Arada. Voatonona in-11 ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny vakin-tanimanga fito avy any Lakisy. Samy ahitana ny anarana hoe Jehovah, amin’ny endriny nohafohezina, ny anarana hebreo maro ao amin’ireo vakin-tanimanga avy any Samaria sy Lakisy ary Arada. Hita àry fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra foana ny Israelita.

[Sary, pejy 13]

Vakin-tanimanga avy any Arada, ho an’ny lehilahy iray atao hoe Elyashib

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority

[Sary, pejy 14]

Vakin-tanimanga avy any Lakisy misy ny anaran’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph taken by courtesy of the British Museum