Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hanana ny Toetra Hanampy Anao Hanao Mpianatra

Miezaha Hanana ny Toetra Hanampy Anao Hanao Mpianatra

Miezaha Hanana ny Toetra Hanampy Anao Hanao Mpianatra

“Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—MATIO 28:19.

1. Inona no fahaizana sy toetra nilain’ny mpanompon’Andriamanitra sasany fahiny?

TSY maintsy miezaka ny mpanompon’i Jehovah sasany, mba hanana ny fahaizana sy ny toetra ilaina hanaovana ny sitrapony. Nandao ilay tanàna nanan-karena atao hoe Ora, ohatra, i Abrahama sy Saraha rehefa nasain’Andriamanitra nanao izany. Niezaka hanana ny toetra sy ny fahaizana nilaina mba hitoerana an-tranolay izy ireo taorian’izany. (Hebreo 11:8, 9, 15) I Josoa indray nila nanana herim-po sy natoky an’i Jehovah ary nahafantatra ny Lalàny, rehefa nitarika ny Israelita hankany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Josoa 1:7-9) Nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tranolay masina i Bezalila sy Oholiaba. Nanara-maso ilay tetikasa koa izy ireo. Azo antoka fa nampitombo ny fahaizana mety ho efa nananany ny fanahin’Andriamanitra, ka nahavita tsara ny asany izy ireo.—Eksodosy 31:1-11.

2. Inona no fanontaniana hodinihintsika momba ny fanaovana mpianatra?

2 Nandidy ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy Kristy, taonjato maro tatỳ aoriana: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Mbola tsy nisy olona nomena tombontsoa miavaka toy izany talohan’io. Inona no toetra ilaina mba hanaovana mpianatra? Inona no hanampy antsika hanana ireo toetra ireo?

Manàna fitiavana lalina an’Andriamanitra

3. Inona no porofointsika, rehefa mankatò an’ilay didy mba hanao mpianatra isika?

3 Mila manana fitiavana lalina an’i Jehovah isika, mba hahafahantsika hitory sy handresy lahatra ny olona hanompo azy. Afaka nanaporofo ny fitiavany an’Andriamanitra ny Israelita, rehefa nankatò ny didiny tamin’ny fony manontolo, nanao fanatitra ankasitrahany, ary nanao hira fiderana ho azy. (Deoteronomia 10:12, 13; 30:19, 20; Salamo 21:13; 96:1, 2; 138:5) Mitandrina ny lalàn’i Jehovah koa isika ankehitriny. Miresaka amin’ny olona momba azy sy ny fikasany koa anefa isika, mba hanehoana ny fitiavantsika azy. Rehefa manao mpianatra isika, dia tokony ho hita amin’ny fomba fitenintsika fa matoky izay lazaintsika isika. Hifidy teny mety tsara àry isika, mba hanehoana fa tena mino an’ilay fanantenana omen’Andriamanitra isika.—1 Tesalonianina 1:5; 1 Petera 3:15.

4. Nahoana no nahafinaritra an’i Jesosy ny nampianatra ny olona momba an’i Jehovah?

4 Nanana fitiavana lalina an’i Jehovah i Jesosy, ka tena nahafinaritra azy ny niresaka momba ny fikasany sy ilay Fanjakana ary ny fivavahana marina. (Lioka 8:1; Jaona 4:23, 24, 31) Nilaza mihitsy izy hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) I Jesosy koa no tiana horesahina ao amin’ity salamo ity: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko. Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ny fahamarinana teo amin’ny fiangonana lehibe Aho; indro, ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.”—Salamo 40:8, 9; Hebreo 10:7-10.

5, 6. Inona no toetra tena ilaina mba hanaovana mpianatra?

5 Noho ny fitiavany an’Andriamanitra, dia tena maharesy lahatra ny hafa mba handinika ny Soratra Masina ny sasany amin’ireo vao manomboka mianatra ny fahamarinana. Hita mantsy fa tena matoky ny zavatra lazainy izy ireny, rehefa miresaka momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany. (Jaona 1:41) Ny fitiavana an’Andriamanitra no tena mandrisika antsika hanao mpianatra. Aoka àry isika hamaky sy hisaintsaina tsy tapaka ny Teniny, mba tsy hihena mihitsy io fitiavana io.—1 Timoty 4:6, 15; Apokalypsy 2:4.

6 Tsy isalasalana fa ny fitiavany an’i Jehovah no nahatonga an’i Jesosy Kristy hazoto hampianatra. Tsy izay ihany anefa no nanampy azy hahita vokatra tsara teo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Inona àry no toetra hafa nahatonga azy hahomby tamin’ny fanaovana mpianatra?

Aoka ianao ho tia sy hiahy ny olona

7, 8. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny olona?

7 Tena niahy ny olona i Jesosy, ary hita tamin’izay nataony izany. Naharavoravo azy izay rehetra momba ny olombelona, na dia tamin’izy mpiasa tena nahay niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra aza. (Ohabolana 8:30, 31) Rehefa tetỳ an-tany indray izy, dia nangoraka ny olona, ka namelombelona an’izay nanatona azy. (Matio 11:28-30) Naneho fitiavana sy nangoraka toa an’i Jehovah izy, ka voasarika hanompo an’ilay tena Andriamanitra ny olona. Nihaino an’i Jesosy ny olona isan-karazany, satria tia sy niahy azy ireo izy sady nihevitra ny toe-javatra nisy azy.—Lioka 7:36-50; 18:15-17; 19:1-10.

8 Rehefa nanontany an’i Jesosy izay tokony hataony mba hahazoana fiainana mandrakizay ny lehilahy iray, dia “nijery azy i Jesosy ary tia azy.” (Marka 10:17-21) ‘Tian’i Jesosy [koa] i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy’, izay nampianariny tao Betania. (Jaona 11:1, 5) Tena niahy ny olona i Jesosy, ka nahafoy ny fotoana tokony hialany sasatra, mba hampianarana azy ireo. (Marka 6:30-34) Noho izany fitiavana lalina sy fiahiana ny hafa izany, dia tsy nisy nahay nisarika olona ho amin’ny fivavahana marina mihoatra noho i Jesosy.

9. Inona no toetra nananan’i Paoly tamin’izy nanao mpianatra?

9 Tena niahy ny olona nitoriany koa ny apostoly Paoly. Nilaza toy izao tamin’ny Kristianina tao Tesalonika izy, ohatra: “Koa satria tena maminay ianareo, dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.” Noho ny fitiavana sy ny ezaka mafy nataon’i Paoly, dia ‘niala tamin’ny sampy’ ny olona sasany tao Tesalonika, mba ‘hanompo an’ilay Andriamanitra velona.’ (1 Tesalonianina 1:9; 2:8) Raha tena miahy ny olona toy ny nataon’i Jesosy sy Paoly isika, dia mety hahita fifaliana toa azy ireo koa. Mety hanohina ny fon’ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ mantsy ny vaovao tsara.—Asan’ny Apostoly 13:48.

Aoka ianao hahafoy tena

10, 11. Nahoana isika no mila mahafoy tena, rehefa miezaka manao mpianatra?

10 Mahafoy tena ny Kristianina mahita vokatra tsara eo amin’ny fanaovana mpianatra. Tsy izay hahazoana harena mihitsy no zava-dehibe indrindra aminy. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy, raha ny marina, fa “ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” Gaga ny mpianany rehefa nandre izany. Hoy ihany anefa izy: “Tena sarotra, anaka, ny hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 10:23-25) Nampirisihin’i Jesosy hanana fiainana tsotra ny mpanara-dia azy, mba hahafahan’izy ireo hifantoka amin’ny fanaovana mpianatra. (Matio 6:22-24, 33) Nahoana no manampy antsika hanao mpianatra ny fahafoizan-tena?

11 Mitaky ezaka be ny hoe mampianatra ny olona izay rehetra nandidian’i Jesosy. Mazàna ny mpitory te hanao mpianatra no miezaka mampianatra Baiboly ny olona liana, indray mandeha isan-kerinandro. Miala amin’ny asa manontolo andro ny sasany, ary manao asa tapa-potoana, mba hahafahany hahita olona tso-po maro kokoa. Misy Kristianina an’arivony koa mianatra teny hafa, mba hahafahany hitory amin’ny vahiny ao amin’ny faritaniny. Misy indray mandao ny faritra misy azy, ka mifindra tanàna na mankany an-tany hafa, mba handraisana anjara bebe kokoa amin’ny fijinjana. (Matio 9:37, 38) Ilana fahafoizan-tena izany rehetra izany. Mbola misy zavatra hafa ilaina anefa, mba hahitana vokatra tsara eo amin’ny fanaovana mpianatra.

Manàna faharetana nefa aza mandany fotoana

12, 13. Nahoana no tena ilaina ny faharetana rehefa manao mpianatra?

12 Manampy antsika hanao mpianatra koa ny faharetana. Marina fa mitaky ny hanaovan-javatra haingana ny hafatra torintsika. Matetika anefa no maka fotoana sy ilana faharetana ny fanampiana olona ho tonga mpianatra. (1 Korintianina 7:29) Nanam-paharetana tamin’i Jakoba rahalahiny i Jesosy. Toa efa fantatr’i Jakoba tsara ny fitoriana nataon’i Jesosy, nefa mbola nisalasala ny hanara-dia azy izy. (Jaona 7:5) Toa lasa mpianany ihany anefa izy, tao anatin’ilay fotoana fohy teo anelanelan’ny nahafatesan’i Kristy sy ny Pentekosta taona 33. Raha jerena mantsy ny Soratra Masina, dia toa niara-nivory sy nivavaka tamin’ny reniny sy ny rahalahiny ary ny apostoly izy. (Asan’ny Apostoly 1:13, 14) Nandroso tsara i Jakoba, ka nahazo andraikitra mavesatra teo anivon’ny fiangonana kristianina tatỳ aoriana.—Asan’ny Apostoly 15:13; 1 Korintianina 15:7.

13 Matetika no mitombo miadana ny zavatra ambolen’ny mpamboly. Toy izany koa no hitan’ny Kristianina rehefa manampy olona hahatakatra ny Baiboly sy ho tia an’i Jehovah ary hanana toe-tsaina toy ny an’i Kristy. Mila faharetana àry izy ireo. Hoy i Jakoba: “Mahareta ... ry rahalahy, mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny Tompo. Jereo ange ny mpamboly e! Maharitra miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany izy, mandra-pahatongan’ny orana, dia ny orana aloha sy ny orana aoriana. Mahareta koa ianareo, ary hatanjaho ny fonareo, satria efa manakaiky ny fanatrehan’ny Tompo.” (Jakoba 5:7, 8) Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Jakoba, mba ‘hanam-paharetana mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny Tompo.’ Rehefa nisy zavatra tsy azon’ny mpianany, dia nanam-paharetana i Jesosy ka nanazava izany na nilaza fanoharana. (Matio 13:10-23; Lioka 19:11; 21:7; Asan’ny Apostoly 1:6-8) Efa miaina amin’ny andro fanatrehan’ny Tompo isika izao, ka mila faharetana toy izany koa rehefa miezaka manao mpianatra. Na ireo efa lasa mpanara-dia an’i Jesosy aza, dia mila anehoana faharetana ka mbola ampianarina foana.—Jaona 14:9.

14. Na dia maneho faharetana aza isika, inona no tokony hatao mba tsy handaniana fotoana?

14 Tsy mamoa ao amin’ny ankamaroan’ny olona ampianarintsika Baiboly anefa ny teny, na dia maneho faharetana aza isika. (Matio 13:18-23) Rehefa niezaka araka izay azo atao àry isika mba hanampy azy ireny, dia tsara raha ajanona ilay fianarana. Aleo kosa mitady olona mety hankasitraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Mpitoriteny 3:1, 6) Na ireo mankasitraka ny fahamarinana aza anefa, dia mety hila fanampiana maharitra, mba hahafahany hanova ny fomba fiheviny sy ny toe-tsainy ary izay ataony loha laharana. Maneho faharetana àry isika, toa an’i Jesosy izay nanam-paharetana rehefa tsy mora tamin’ny mpianany ny niezaka hanana toe-tsaina tsara.—Marka 9:33-37; 10:35-45.

Miezaha hahay hampianatra

15, 16. Nahoana no ilaina ny milaza zavatra amin’ny fomba tsotra sy manomana tsara, rehefa manao mpianatra?

15 Tena ilaina mba hahombiazana eo amin’ny fanaovana mpianatra ny fitiavana an’Andriamanitra, ny fiahiana ny olona, ny fahafoizan-tena, ary ny faharetana. Ilaina koa anefa ny fahaiza-mampianatra, satria hanampy antsika hampita hevitra amin’ny fomba tsotra sy mazava izany. Nisy heriny lehibe ny zavatra maro nolazain’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe, satria tsotra ny fomba nilazany azy. Tadidinao angamba ireto: ‘Manangòna harena ho anareo any an-danitra.’ “Aza omena ny alika ny zava-masina.” ‘Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.’ ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Matio 6:20; 7:6; 11:19; 22:21) Tsy vitan’ny hoe nilaza fehezanteny fohy i Jesosy, fa nampianatra tamin’ny fomba mazava tsara koa, ary nanome fanazavana fanampiny rehefa nilaina izany. Ahoana no hanahafanao ny fomba fampianarany?

16 Ny fiomanana tsara no tena ahafahana milaza zavatra amin’ny fomba tsotra sy mazava. Be resaka ny mpitory matetika rehefa tsy niomana. Mety holazainy daholo ny tsipiriany rehetra fantany momba an’ilay foto-kevitra, ka tsy hisongadina intsony ny hevi-dehibe. Ny mpitory miomana tsara kosa anefa mieritreritra momba ilay olona ampianariny, misaintsaina ny foto-kevitra horesahiny, ary izay hevitra ilaina ihany no hazavainy tsara. (Ohabolana 15:28; 1 Korintianina 2:1, 2) Eritreretiny koa izay efa fantatr’ilay mpianatra sy ny hevitra mila antitranterina mandritra ilay fianarana. Mety ho betsaka ny tsipiriany mahaliana fantany momba ilay foto-kevitra, nefa tsy miresaka hevitra tsy ilaina izy, mba hampahazava an’ilay fampianarana.

17. Ahoana no hanampiantsika ny olona hisaintsaina momba izay lazain’ny Baiboly?

17 Nanampy ny olona hisaintsaina koa i Jesosy, fa tsy nanome fanazavana fotsiny. Nanontany, ohatra, izy indray mandeha hoe: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza no ahazoan’ny mpanjaka etỳ an-tany ny haba na ny hetra isan-dahy? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-kafa?” (Matio 17:25) Tena tiantsika angamba ny manazava ny Baiboly, ka mila mifehy tena isika mba hamelana an’ilay mpianatra hilaza ny heviny, na hanazava zavatra sasany ao amin’ilay fianarana. Tsy tokony hototofantsika fanontaniana anefa izy. Mila mihevitra ny fihetseham-pony sy mampiasa fanoharana mety ary mametraka fanontaniana voahevitra tsara kosa isika, mba hanampiana azy hahatakatra ny hevitra ara-baiboly resahin’ny bokintsika.

18. Inona no ilaina hatao mba ‘hahaizana mampianatra’?

18 Miresaka momba ny ‘fahaiza-mampianatra’ ny Soratra Masina. (2 Timoty 4:2) Tsy hoe manampy olona hitadidy zavatra fotsiny ny hoe mahay mampianatra. Tokony hiezaka koa isika hanampy azy hahatakatra ny maha samy hafa ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy, ary ny fahendrena sy ny hadalana. Rehefa manao izany isika, sady manampy azy ho tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo, dia mety ho tsapany hoe nahoana izy no tokony hankatò Azy.

Mazotoa manao mpianatra

19. Nahoana no azo lazaina fa ny Kristianina rehetra no miara-miasa amin’ny fanaovana mpianatra?

19 Anisan’ny asa imasoan’ny fiangonana kristianina ny fanaovana mpianatra. Rehefa misy olona lasa mpianatr’i Jesosy, dia tsy ilay mpitory nihaona taminy voalohany sy nampianatra Baiboly azy ihany no faly. Toy ny fikarohana zaza very izany. Mety ho olona iray ihany no hahita azy. Samy faly daholo anefa izay niara-nikaroka, rehefa hita ilay zaza ka tafaraka amin’ny ray aman-dreniny indray. (Lioka 15:6, 7) Asa ifarimbonana koa ny fanaovana mpianatra. Ny Kristianina rehetra no miara-mitady ny olona mety ho lasa mpianatr’i Jesosy. Rehefa misy vaovao manomboka mivory, dia ny Kristianina rehetra manatrika eo no manampy azy hankasitraka bebe kokoa ny fivavahana marina. (1 Korintianina 14:24, 25) Afaka mifaly àry ny Kristianina rehetra, satria olona ana hetsiny isan-taona no lasa mpianatr’i Jesosy.

20. Inona no tokony hataonao, raha te hampianatra ny fahamarinana ara-baiboly ianao?

20 Kristianina mahatoky maro no tena ho faly hampianatra ny olona momba an’i Jehovah sy ny fivavahana marina. Mety ho mbola tsy manana mpianatra anefa izy, na dia efa niezaka mafy aza. Izany ve no mahazo anao? Ampitomboy hatrany àry ny fitiavanao an’i Jehovah, aoka ianao hiahy ny olona, miezaha hahafoy tena, manàna faharetana, hatsarao ny fahaizanao mampianatra, ary indrindra indrindra ataovy antom-bavaka ilay fanirianao hampianatra ny fahamarinana. (Mpitoriteny 11:1) Tadidio fa manampy amin’ny asa fanaovana mpianatra, izay manome voninahitra an’i Jehovah, ny zava-drehetra ataonao eo amin’ny fanompoana azy.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no azo lazaina fa porofon’ny fitiavantsika an’Andriamanitra ny fanaovana mpianatra?

• Inona avy no toetra ilaina mba hanaovana mpianatra?

• Inona no dikan’ny hoe ‘mahay mampianatra’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Manaporofo ny fitiavany lalina an’Andriamanitra ny Kristianina, rehefa manao mpianatra

[Sary, pejy 23]

Nahoana no ilaina ny miahy ny olona, rehefa manao mpianatra?

[Sary, pejy 24]

Inona no toetra sasany ilaina mba hanaovana mpianatra?

[Sary, pejy 25]

Ny Kristianina rehetra no faly noho ny vokatra tsara azo amin’ny fanaovana mpianatra