Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo Ilay Modely Amin’ny Fanaovana Mpianatra

Tahafo Ilay Modely Amin’ny Fanaovana Mpianatra

Tahafo Ilay Modely Amin’ny Fanaovana Mpianatra

“Tandremo ny fomba fihainoanareo.”—LIOKA 8:18.

1, 2. Nahoana ianao no tokony handinika tsara ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona nandritra ny fanompoany?

MPAMPIANATRA LEHIBE i Jesosy Kristy sady Modely amin’ny fanaovana mpianatra. Nanao ireo asany ireo izy, rehefa nilaza tamin’ny mpanara-dia azy hoe: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:16-18) Mila mampihatra an’izany koa ianao eo amin’ny fanompoana. Raha ‘mitandrina’ ianao, izany hoe mandinika tsara ny toromarika ao amin’ny Baiboly, dia hampihatra izany ary hahomby amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Tsy afaka mandre ny feon’i Jesosy ianao ankehitriny, nefa afaka mamaky momba izay nolazainy sy nataony ao amin’ny Baiboly. Inona no hita ao momba ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona nandritra ny fanompoany?

2 Tena nahay nitory ny vaovao tsara sy nampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina i Jesosy. (Lioka 8:1; Jaona 8:28) Tsy ny fitoriana ihany no tafiditra amin’ny hoe manao mpianatra, fa ny fampianarana koa. Sarotra amin’ny Kristianina sasany anefa ny mahita vokatra amin’ny fampianarana, na dia mahay mitory aza izy. Mampita hafatra no atao hoe mitory. Mazàna anefa ianao no mila miezaka mifandray amin’ny olona, rehefa mampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy ny fikasany. (Matio 28:19, 20) Hahavita izany ianao raha manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe sady Modely amin’ny fanaovana mpianatra.—Jaona 13:13.

3. Inona no ho vokany raha manahaka an’i Jesosy ianao rehefa manao mpianatra?

3 Manaraka ny fampirisihan’ny apostoly Paoly ianao, raha manahaka ny fomba fampianatr’i Jesosy. Hoy i Paoly: “Mitondrà tena amim-pahendrena foana amin’ny olona eny ivelany, ka mahaiza manararaotra fotoana. Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kolosianina 4:5, 6) Mitaky ezaka ny fanahafana an’i Jesosy eo amin’ny asa fanaovana mpianatra. Hahomby anefa ny fampianaranao, raha manao izany ianao. Hanampy anao mantsy izany, mba ‘hamaly ny olona tsirairay’ araka izay ilainy.

Nampirisika ny olona hiresaka i Jesosy

4. Nahoana no lazaina fa nahay nihaino i Jesosy?

4 Fanaon’i Jesosy hatramin’izy mbola kely ny mihaino ny olona sy mampirisika azy hilaza ny heviny. Hitan’ny ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly, ohatra, izy tamin’izy 12 taona. Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra izy, ary “nihaino sady nanontany.” (Lioka 2:46) Tsy tonga tao amin’ny tempoly mba hampidera fahalalana i Jesosy, ka hahatonga an’ireo mpampianatra hihevi-tena ho ambany. Tonga tao kosa izy mba hihaino, na dia nametraka fanontaniana koa aza. Ny fahaizany mihaino angamba no anisan’ny nahazoany sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.—Lioka 2:52.

5, 6. Ahoana no ahalalantsika fa nihaino izay nolazain’ireo nampianariny i Jesosy?

5 Vonona hihaino ny olona foana i Jesosy, na dia rehefa avy natao batisa sy voahosotra ho Mesia aza. Tsy hoe variana be tamin’ny zavatra nampianariny izy, ka nanadino ny olona nihaino azy. Matetika kosa izy no niato sy nanontany azy ireo ny heviny, ary nihaino ny valin-teniny. (Matio 16:13-15) Nilaza toy izao tamin’i Marta, ohatra, i Jesosy taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy anadahiny: “Izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.” Nanontany izy avy eo hoe: “Mino izany ve ianao?” Azo antoka fa nihaino izy, rehefa namaly i Marta hoe: “Eny, Tompo ô. Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 11:26, 27) Azo antoka fa faly izy nandre an’i Marta naneho finoana toy izany!

6 Te hahafantatra ny fomba fihevitry ny apostoliny koa i Jesosy, rehefa nisy mpianatra maro nandao azy. Nanontany àry izy hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?” Hoy i Simona Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:66-69) Azo antoka fa nahafaly an’i Jesosy ireo teny ireo! Tena ho faly koa ianao, raha maneho finoana toy izany ny olona iray ampianarinao Baiboly.

Nihaino tamim-panajana i Jesosy

7. Nahoana no lasa nino an’i Jesosy ny Samaritanina maro?

7 Nahomby tamin’ny fanaovana mpianatra koa i Jesosy, satria niahy ny olona sy nihaino azy ireny tamim-panajana. Nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray izy, ohatra, teo akaikin’ny fantsakan’i Jakoba tany Sykara. Tsy nibodo resaka i Jesosy, fa nihaino an’ilay vehivavy koa. Hitany tamin’izany fa tia fivavahana izy. Nilaza taminy àry i Jesosy fa mitady an’izay mivavaka aminy araka ny fanahy sy ny fahamarinana Andriamanitra. Nanaja sy niahy an’io vehivavy io i Jesosy, ka nanjary niresaka momba azy tamin’ny olon-kafa ilay vehivavy. “Maro ny Samaritanina avy tao amin’io tanàna io no nino an’i Jesosy noho ny tenin’ilay vehivavy.”—Jaona 4:5-29, 39-42.

8. Tia milaza ny heviny ny olona. Nahoana izany no manampy anao hanombo-dresaka rehefa eny amin’ny fanompoana?

8 Tia milaza ny heviny ny olona mazàna. Tian’ny mponina tao Atena fahiny, ohatra, ny nilaza ny heviny sy nihaino zava-baovao. Izany no nahafahan’ny apostoly Paoly nanao lahateny teo amin’ny Areopago, ary nisy vokany tsara izany. (Asan’ny Apostoly 17:18-34) Afaka milaza toy izao àry ianao, rehefa manombo-dresaka amin’ny olona eny amin’ny fanompoana: “Mitsidika anao aho, satria tiako ho fantatra ny hevitrao momba ny [foto-kevitra iray].” Henoy ny fomba fiheviny, ary manaova fanamarihana tsara mifandray amin’izany, na mametraha fanontaniana momba izay nolazainy. Asehoy azy avy eo izay lazain’ny Baiboly momba ilay foto-kevitra, ary aoka ianao ho tsara fanahy rehefa manao izany.

Nahafantatra izay tokony holazaina i Jesosy

9. Inona no nataon’i Jesosy, talohan’ny ‘nanazavany tsara ny Soratra Masina’ tamin’i Kleopasy sy ilay namany?

9 Hain’i Jesosy foana izay tokony hoteneniny. Nahay nihaino izy, ary fantany mazàna izay noeritreretin’ny olona sy izay tokony holazaina. (Matio 9:4; 12:22-30; Lioka 9:46, 47) Tsy ela taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ohatra, dia nisy mpianany roa nandeha an-tongotra avy tany Jerosalema ho any Emaosy. Hoy ny Filazantsara: “Raha mbola niresaka sy nifanakalo hevitra izy ireo, dia nanatona i Jesosy ka niara-dalana taminy. Voatampina tsy hahalala azy anefa ny mason’izy roa lahy. Ary hoy izy tamin’izy ireo: ‘Inona izany iadianareo hevitra etỳ an-dalana izany?’ Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. Fa hoy ny navalin’ilay atao hoe Kleopasy: ‘Vahiny mipetraka irery any Jerosalema angaha ianao no tsy mahalala ny zava-nitranga tany tato ho ato?’ Dia hoy izy: ‘Zavatra inona?’ ” Nihaino avy eo ilay Mpampianatra Lehibe rehefa nanazava izy ireo fa nampianatra ny olona sy nanao fahagagana i Jesosy avy any Nazareta, ary novonoina ho faty. Nisy nilaza koa anefa fa natsangana tamin’ny maty izy. Navelan’i Jesosy haneho ny heviny i Kleopasy sy ilay namany. Taorian’izay izy vao “nanazava tsara ny Soratra Masina”, mba hahalalan’izy ireo izay tokony ho fantany.—Lioka 24:13-27, 32.

10. Ahoana no hahalalanao ny fomba fihevitry ny olona momba ny zavatra sasany mifandray amin’ny fivavahana?

10 Tsy fantatrao mihitsy angamba ny fomba fihevitry ny olona momba ny zavatra sasany mifandray amin’ny fivavahana. Mba hahalalana an’izany, dia afaka milaza ianao fa tianao ny mihaino ny fomba fihevitry ny olona momba ny vavaka. Azonao anontaniana izy avy eo hoe: “Misy mihaino tokoa ve ny vavaka, araka ny hevitrao?” Mety hianaran-javatra betsaka momba ny fomba fiheviny sy ny fivavahany ny valin-teniny. Raha hitanao fa tia fivavahana izy, dia mbola azonao ampirisihina hilaza bebe kokoa ny heviny. Anontanio izy hoe: “Ahoana no hevitrao? Mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra, sa misy vavaka tsy ankasitrahany?” Mety ho afaka hifampiresaka tsara ianareo amin’izay. Asehoy azy izay lazain’ny Baiboly, raha mety. Mahaiza mandanjalanja anefa, fa aza kianina ny zavatra inoany. Mety ho tiany ny hiverenanao raha nahafinaritra azy ny nihaino anao. Ahoana anefa raha mametraka fanontaniana tsy voavalinao izy? Afaka manao fikarohana ianao, ary miverina any aminy rehefa vonona hilaza ny ‘anton’ny fanantenana ao anatinao. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.’—1 Petera 3:15.

Nampianatra an’ireo mendrika i Jesosy

11. Inona no hanampy anao hahita an’ireo mendrika hampianarina?

11 Lavorary i Jesosy ary nahay nanavaka, ka fantany hoe iza no mendrika hampianarina. Sarotra amintsika kosa anefa ny mamantatra ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asan’ny Apostoly 13:48) Toy izany koa ny apostoly izay nilazan’i Jesosy hoe: “Izay tanàna idiranareo, na kely na lehibe, dia tadiavo izay mendrika ao.” (Matio 10:11) Tsy maintsy mikaroka an’ireo vonona hihaino sy hianatra ny fahamarinana ara-baiboly ianao, toy ny apostolin’i Jesosy ihany. Hahita an’ireo mendrika ianao, raha mihaino tsara ny olona tsirairay iresahanao, ka mamantatra ny fomba fiheviny.

12. Inona no tokony hataonao mba hahafahanao hanampy hatrany ny olona liana?

12 Mbola tokony hieritreritra ny fahamarinana ilain’ny olona ho fantatra ianao, rehefa avy nitory taminy, ka hitanao fa liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izy. Tsara koa raha soratanao ny zavatra fantatrao momba ny olona iray, rehefa avy niresaka taminy momba ny vaovao tsara ianao. Ho afaka hanampy azy hatrany ianao amin’izay. Mila mihaino tsara ianao rehefa miverina mitsidika, mba hahalalanao bebe kokoa ny fomba fihevitr’ilay olona sy ny zavatra inoany, na ny toe-javatra misy azy.

13. Inona no hanampy anao hahalala ny fomba fihevitry ny olona momba ny Baiboly?

13 Inona no azo atao mba hampirisihana ny olona hilaza ny heviny momba ny Tenin’Andriamanitra? Mandaitra any amin’ny faritra sasany ny manontany hoe: “Hitanao hoe sarotra ve ny mahatakatra izay voalazan’ny Baiboly?” Ny valin’io fanontaniana io matetika no ahitana raha tia fivavahana ilay olona. Azo atao koa ny mamaky andinin-teny, ary manontany hoe: “Tsy hitanao hoe marina ve izany?” Afaka ny hahomby toa an’i Jesosy ianao eo amin’ny fanompoana, raha mametraka fanontaniana mety tsara. Misy zavatra mila tandremana anefa.

Nahay nametraka fanontaniana i Jesosy

14. Tsy tokony hanadihady be an’ilay olona ianao, nefa ahoana no hampisehoanao fa mahaliana anao ny fomba fiheviny?

14 Asehoy fa mahaliana anao ny fomba fihevitry ny olona, nefa aza manao izay hahasadaikatra azy. Manahafa an’i Jesosy. Tsy nanadihady be izy na nanao izay hanafintohina, fa nametraka fanontaniana nampisaintsaina kosa. Nahay nihaino koa izy ary tsara fanahy, ka velombelona sy tsy natahotra ny olona tso-po rehefa niaraka taminy. (Matio 11:28) Tsy nisalasala niresaka ny olana nahazo azy tamin’i Jesosy, ny karazan’olona rehetra. (Marka 1:40; 5:35, 36; 10:13, 17, 46, 47) Tsy tokony hohadihadianao be àry ny olona, raha tianao tsy hisalasala hilaza aminao izay eritreretiny momba ny Baiboly sy ny fampianaran’izy io.

15, 16. Ahoana no hampirisihana ny olona hiresaka momba ny zavatra mifandray amin’ny fivavahana?

15 Ilaina àry ny mahay mametraka fanontaniana, mba hampirisihana ny olona hiresaka. Azo atao koa anefa ny milaza zavatra mahaliana ary mihaino izay lazain’ilay olona. Nilaza tamin’i Nikodemosy, ohatra, i Jesosy hoe: “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Nanitikitika ny sain’i Nikodemosy tokoa ireo teny ireo, ka namaly sy nihaino an’i Jesosy izy. (Jaona 3:4-20) Afaka manao toa an’i Jesosy ianao, mba hampirisihana ny olona hiresaka.

16 Be dia be izao ny fivavahana vaovao ary atao anton-dresaka izany, na atỳ Afrika na any Eoropa Atsinanana sy Amerika Latinina. Afaka milaza toy izao àry ianao mba hanombohan-dresaka: “Mampanahy ahy ny fisian’ny fivavahana be dia be ankehitriny. Manantena anefa aho fa tsy ho ela dia ho tafaray ao amin’ny fivavahana marina ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Tianao ve raha izany no mitranga?” Mety ho afaka hampirisika ny olona hilaza ny heviny ianao, raha milaza zavatra mety hanitikitika ny sainy momba ny fanantenanao. Ankoatra izany, dia mora kokoa ny mamaly fanontaniana rehefa misy valiny roa azo isafidianana. (Matio 17:25) Rehefa avy namaly ny fanontanianao ilay olona, dia mamakia andinin-teny iray na roa. (Isaia 11:9; Zefania 3:9) Mety hahazo an-tsaina izay horesahina amin’ny manaraka ianao, raha mihaino tsara izay lazainy.

Nihaino ny ankizy i Jesosy

17. Inona no mampiseho fa nahaliana an’i Jesosy ny ankizy?

17 Tsy ny olon-dehibe ihany no nahaliana an’i Jesosy, fa ny ankizy koa. Fantany, ohatra, ny kilalao nataon’izy ireny sy ny zavatra nolazainy. Niantso ankizy hankeo aminy izy indraindray. (Lioka 7:31, 32; 18:15-17) Nisy ankizy maro be niaraka tamin’ireo vahoaka nihaino azy. Rehefa nisy ankizilahy niantsoantso sy nidera ny Mesia, dia nandinika tsara i Jesosy, ary nanazava fa efa nilaza izany mialoha ny Soratra Masina. (Matio 14:21; 15:38; 21:15, 16) Maro ankehitriny ny ankizy lasa mpianatr’i Jesosy. Ahoana àry no azonao anampiana ny zanakao?

18, 19. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao ho lasa mpianatr’i Jesosy?

18 Tsy maintsy mihaino ny zanakao ianao, raha te hanampy azy ho lasa mpianatr’i Jesosy. Tokony ho azonao tsara izay fomba fiheviny mifanipaka amin’ny an’i Jehovah. Na inona na inona lazainy, dia hendry ianao raha manao teny fiderana aloha. Afaka mamaky andinin-teny mifandray amin’izay lazainy ianao avy eo, mba hahatakarany ny fomba fihevitr’i Jehovah.

19 Tena ilaina ny mametraka fanontaniana. Toy ny olon-dehibe ihany anefa ny ankizy, ka tsy tiany ny hadihadina be. Nahoana àry raha milaza zavatra kely momba ny tenanao, toy izay hametraka fanontaniana maromaro saro-baliana? Arakaraka ny zavatra resahinareo, dia azonao atao ny milaza ny fomba fihevitrao sy hoe nahoana ianao no mihevitra toy izany. Afaka manontany ianao avy eo hoe: “Hoatr’izany koa ve ianao?” Tena mety hahafahanao hanao dinidinika ara-baiboly amin’ny zanakao ny valin-teniny, ka hampahery sy hanampy azy izany.

Tahafo foana ilay Modelintsika

20, 21. Nahoana ianao no tokony hahay hihaino, rehefa manampy olona ho lasa mpianatr’i Jesosy?

20 Tena mila mahay mihaino ianao, rehefa miresaka amin’ny zanakao na amin’ny olon-kafa. Fanehoam-pitiavana tokoa izany. Manetry tena ianao sady manaja sy miahy an’ilay olona, raha mihaino azy. Mazava ho azy fa tsy maintsy mandinika izay lazainy ianao, raha te hihaino azy tsara.

21 Aoka àry ianao hihaino tsara foana ny olona, rehefa eny amin’ny fanompoana. Azo inoana fa ho fantatrao hoe lafiny inona amin’ny fahamarinana ara-baiboly no tena hanintona azy, raha mandinika tsara izay lazainy ianao. Avy eo dia araho ny fomba fampianatra samihafa nampiasain’i Jesosy, mba hanampiana azy. Ho faly sy ho afa-po ianao raha manao izany, satria manahaka an’ilay Modely amin’ny fanaovana mpianatra.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampirisihan’i Jesosy ny olona hilaza ny heviny?

• Nahoana i Jesosy no nihaino ny olona nampianariny?

• Ahoana avy no azontsika ampiasana fanontaniana, rehefa eny amin’ny fanompoana?

• Ahoana no hanampiana ny ankizy ho lasa mpianatr’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Aoka ianao hihaino tsara rehefa mitory

[Sary, pejy 30]

Mila manahaka an’i Jesosy isika rehefa manampy ny ankizy ho lasa mpianany