Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Ihany ny Mangoraka na Maro aza no Tsy Miantra

Misy Ihany ny Mangoraka na Maro aza no Tsy Miantra

Misy Ihany ny Mangoraka na Maro aza no Tsy Miantra

NARARY mafin’ny tazo ny lehilahy iray tany Burundi. Nila nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy, nefa tsy nisy fiara hitondra azy. Ahoana no natao? Nisy namany roa lahy nanampy azy. Nataon’izy ireo teo ambony bisikileta izy, ary natosiny nandritra ny adiny dimy hatreny amin’ny fakana bisy. Nandreraka be izany satria be tendrombohitra ilay toerana. Nitondra azy tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra teo ny bisy, ary tena nihatsara ny fahasalamany rehefa afaka andro vitsivitsy.

Tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Etazonia indray, dia nandravarava ny Rivo-doza Katrina, tamin’ny Aogositra 2005. Nisy mpiasa an-tsitrapo nahita trano tototry ny hazo. Iray andro tontolo izy ireo nanatsofa ireo hazo sy nanala izany niaraka tamin’ny potipoti-javatra. Tsy nifankahalala akory anefa izy ireo sy ilay tompon-trano. ‘Tsy hitako intsony izay teny entina hisaorana an’ireo olona ireo’, hoy ilay tompon-trano.

Natao hahataitra ny olona ny vaovao sasany, ka habibiana sy zavatra mahatsiravina no asongadiny. Toy ny hoe takon’ireny àry matetika ny fangoraham-po sy hatsaram-panahy hita isan’andro. Mangetaheta fitiavana sy fangoraham-po anefa ny olona hatraiza hatraiza, ary isika rehetra mihitsy! Vao mainka maro aza angamba no maniry izany rehefa Krismasy. Malaza be amin’izay ilay hoe ‘fiadanana ho an’ny olona tsara sitrapo’, na amin’ny hira izany na amin-javatra hafa.—Lioka 2:14, Fandikan-teny Katolika.

Mety tsy ho mora ny mangoraka, satria miavonavona sy tsy tia mifandray amin’ny hafa ny ankamaroan’ny olona. Maro no mihevitra fa izay masiaka sy manana fo vato no hahomby sy ho tsara kokoa noho ny hafa. Toa maro koa no mino fa aleo masiaka toy izay mangoraka. Tia tena sy matimatin-karena ny olona, ka vao mainka sarotra aminy ny mangoraka.

Maro àry no tsy mahita afa-tsy ny tenany, ka tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa, na izay hahasoa azy. Hindrahindraina hoe “tena lehilahy” matetika ny olo-malaza tsy mampiseho hatsaram-panahy, toy ny mpanao spaoro, na mpilalao filma. Toy izany koa ny toetran’ny mpitondra sasany.

Mila mieritreritra àry isika hoe: Nahoana isika no tokony hangoraka? Mitondra soa tokoa ve io toetra io? Inona no hanampy antsika hangoraka? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Efajoro, pejy 3]

•Tsy manana hazondamosina ve ny olona maneho fangoraham-po?

•Misy vokany tsara ve ny fangoraham-po?

•Ahoana no anehoana fangoraham-po?