Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona ho Amin’ny Andron’i Jehovah ve Ianao?

Vonona ho Amin’ny Andron’i Jehovah ve Ianao?

Vonona ho Amin’ny Andron’i Jehovah ve Ianao?

“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.”—ZEFANIA 1:14.

1-3. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny andron’i Jehovah? b) Inona ilay “andron’i Jehovah” andrasantsika?

TSY 24 ora ny andro lehiben’i Jehovah, fa fotoana lavalava hampiharany didim-pitsarana amin’ny ratsy fanahy. Tokony hatahotra ireo tsy tia an’Andriamanitra, satria ho feno haizina, fahavinirana, firehetan’ny fahatezerana, fahoriana, ary fanafoanana io andro io. (Isaia 13:9; Amosa 5:18-20; Zefania 1:15) Hoy i Joela mpaminany: “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” (Joela 1:15) Hamonjy ny “mahitsy fo” anefa Andriamanitra.—Salamo 7:10.

2 Ireo fotoana ampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany no atao hoe “andron’i Jehovah.” Nisy “andron’i Jehovah”, ohatra, tamin’ny 607 T.K., rehefa naringan’ny Babylonianina ny mponin’i Jerosalema. (Zefania 1:4-7) Toy izany koa tamin’ny taona 70, rehefa nampiasain’Andriamanitra ny Romanina mba hanafika ny Jiosy, izay nanda ny Zanany. (Daniela 9:24-27; Jaona 19:15) Milaza ny Baiboly fa mbola hisy “andron’i Jehovah” amin’ny hoavy, ka “hiady” amin’ny firenena “rehetra” izy. (Zakaria 14:1-3) Nampifandraisin’ny apostoly Paoly tamin’ny fanatrehan’i Kristy io andro io. (2 Tesalonianina 2:1, 2) Tamin’ny 1914 anefa no nanomboka ny fanatrehan’i Jesosy, rehefa lasa Mpanjaka tany an-danitra izy. Efa mananontanona àry ny andron’i Jehovah. Noho izany, dia nety tsara ny andinin-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny taona 2007. Nalaina tao amin’ny Zefania 1:14 izy io, manao hoe: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah.”

3 Tena mila miomana àry ianao izao. Inona no tokony hataonao? Mila manao fanitsiana ve ianao mba ho vonona ho amin’ny andron’i Jehovah?

Miomàna

4. Inona ilay fitsapana lehibe niomanan’i Jesosy?

4 Naminany momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy Kristy, ary hoy izy tamin’ny mpianany: ‘Miomàna ianareo.’ (Matio 24:44) Efa vonona hiatrika fitsapana lehibe koa izy tamin’izay, satria hamoy ny ainy ho sorom-panavotana. (Matio 20:28) Andeha isika hijery ny fomba niomanan’i Jesosy, ary handray lesona avy amin’izany.

5, 6. a) Nahoana no manampy antsika ho vonona ho amin’ny andron’i Jehovah, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona? b) Inona no modely navelan’i Jesosy momba ny fitiavana ny olona?

5 Tena tia an’i Jehovah sy nankatò ny fitsipiny marina i Jesosy. Hoy ny Hebreo 1:9 momba azy: “Tianao ny fahamarinana, ary halanao ny fandikan-dalàna. Izany no nahatonga an’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, hanosotra anao menaka fifaliana mihoatra noho ireo namanao.” Tsy nivadika tamin’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy, satria tia azy. Raha tia sy mankatò an’Andriamanitra koa isika, dia hiaro antsika izy. (Salamo 31:23) Hanampy antsika ho vonona ho amin’ny andro lehiben’i Jehovah izany.

6 Nampiavaka an’i Jesosy koa ny fitiavany ny olona. “Nangoraka izy” rehefa nahita an’ireo “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36) Izany no nahatonga azy hitory ny vaovao tsara tamin’ny olona. Ny fitiavana koa no mahatonga antsika hitory momba ilay Fanjakana, amin’ny mpiara-belona amintsika. Rehefa tia an’Andriamanitra sy ny olona mantsy isika, dia mazoto manompo. Manomana antsika ho amin’ny andro lehiben’i Jehovah koa izany.—Matio 22:37-39.

7. Inona no mahafaly antsika, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah?

7 Nahafaly an’i Jesosy ny nanao ny sitrapon’i Jehovah. (Salamo 40:8) Hahafaly antsika koa ny manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra, raha manahaka ny toe-tsain’i Jesosy isika. Ho zatra manome isika amin’izay, ka ho tena sambatra. (Asan’ny Apostoly 20:35) “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah [tokoa] no fiarovana mafy” ho antsika. Ho vonona kokoa ho amin’ny andro lehiben’Andriamanitra isika, raha manana an’io fifaliana io.—Nehemia 8:10.

8. Nahoana isika no tokony hanatona akaiky an’i Jehovah amin’ny vavaka?

8 Nanampy an’i Jesosy hiatrika fitsapam-pinoana ny vavaka tamin-kafanam-po. Nivavaka izy rehefa nataon’i Jaona batisa. Nivavaka nandritra ny alina manontolo izy rehefa hifidy ny apostoly. (Lioka 6:12-16) Tena mampihetsi-po koa ny vavaka nataony, ny alina talohan’ny nahafatesany! (Marka 14:32-42; Jaona 17:1-26) Mazoto mivavaka toa an’i Jesosy ve ianao? Mivavaha imbetsaka sady ataovy lavalava. Angataho ny tari-dalan’ny fanahy masina, ka tonga dia araho izany rehefa hitanao miharihary. Mihamanakaiky hatrany ny andro lehiben’Andriamanitra, ka tena ilaina ny manamafy ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra. Ataovy àry izay hanatonana akaiky an’i Jehovah amin’ny vavaka, amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Jakoba 4:8.

9. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah?

9 Zava-dehibe tamin’i Jesosy ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, ary nanomana azy hiatrika fitsapana izany. Nampianariny mihitsy ny mpianany hivavaka hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Raha tena irintsika hohamasinina àry ny anaran’i Jehovah, dia hitandrina mafy isika mba tsy hanala baraka azy io. Ho vonona kokoa ho amin’ny andro lehiben’i Jehovah isika amin’izay.

Misy zavatra tokony hahitsinao ve?

10. Nahoana isika no tokony handinika ny fiainantsika?

10 Vonona ve ianao raha ho tonga rahampitso ny andron’i Jehovah? Tokony handini-tena ny tsirairay, sao mila ahitsy ny fomba fiainany na ny toe-tsainy. Mila mailo ara-panahy isan’andro isika rehetra, satria fohy ny fiainantsika sady tsy fantatra izay havoaky ny ampitso. (Mpitoriteny 9:11, 12; Jakoba 4:13-15) Andeha àry isika handinika lafin-javatra vitsivitsy.

11. Mikasa ny hamita toko firy isan’andro ianao, amin’ny famakiana Baiboly?

11 Tena zava-dehibe, ohatra, ilay fampirisihan’ny “mpanompo mahatoky”, mba hamaky sy hisaintsaina ny Baiboly isan’andro. (Matio 24:45) Maninona raha atao tanjona ny hamita ny Baiboly manontolo isan-taona? Ho vitanao ao anatin’ny herintaona ireo toko 1 189 ao amin’izy io, raha mamaky toko 4 eo ho eo isan’andro ianao. Nasaina namaky ny Lalàn’i Jehovah ny mpanjakan’ny Israely, ‘tamin’ny andro rehetra niainany.’ Nanao izany koa i Josoa. (Deoteronomia 17:14-20; Josoa 1:7, 8) Tena mila mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro koa ny anti-panahy, satria izany no hanampy azy ireo hanome “fampianarana mahasoa”!—Titosy 2:1.

12. Hiezaka hanao inona ianao raha mitadidy fa akaiky ny andron’i Jehovah?

12 Hiezaka hivory tsy tapaka sy hazoto handray anjara ianao, raha mitadidy fa akaiky ny andron’i Jehovah. (Hebreo 10:24, 25) Hanatsara ny fahaizanao mitory izany, ka hanampy anao hitady an’ireo manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay. (Asan’ny Apostoly 13:48) Azonao atao koa ny mikarakara ny zokiolona na mampahery ny tanora eo anivon’ny fiangonana. Tena hahafaly anao izany!

Mihavàna tsara amin’ny hafa

13. Inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainintsika momba ny toetra vaovao?

13 Koa satria efa antomotra ny andron’i Jehovah, tsapanao ve fa mila miezaka kokoa ianao mba “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana”? (Efesianina 4:20-24) Ho hitan’ny olona fa ‘mandeha araka ny fanahin’Andriamanitra’ sy maneho ny vokatr’izy io ianao, raha miezaka hanana toetra tsara. (Galatianina 5:16, 22-25) Inona avy izao no zavatra nataonao sy ny fianakavianao, ka manaporofo fa mitafy ny toetra vaovao ianareo? (Kolosianina 3:9, 10) Hitan’ny olona ve, ohatra, fa tsara fanahy ianareo ka mazoto manao soa amin’ny mpiray finoana sy ny hafa? (Galatianina 6:10) Ho tsara toetra ianao raha mianatra tsy tapaka ny Soratra Masina, ary hanomana anao ho amin’ny andron’i Jehovah izany.

14. Nahoana no mila mangataka ny fanahy masina ny olona maniry hifehy tena?

14 Mora tezitra ve ianao ka mila mifehy tena kokoa? Anisan’ny vokatry ny fanahy ny fifehezan-tena. Mivavaha àry mba hahazoanao ny fanahy masina. Hoy mantsy i Jesosy: “Mangataha hatrany dia homena ianareo, mitadiava hatrany dia hahita ianareo, dondòny hatrany dia hovohana ianareo. ... Raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy!”—Lioka 11:9-13.

15. Inona no tokony hataonao raha tsy mifankahazo ianao sy ny Kristianina iray?

15 Ahoana raha tsy mifankahazo ianao sy ny Kristianina iray? Ataovy izay handaminana izany, mba hihavana sy hiray saina ny fiangonana. (Salamo 133:1-3) Ampiharo ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:23, 24 na Matio 18:15-17. Alamino haingana ilay izy, raha tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Mila mifamela fotsiny angamba ianareo. Hoy i Paoly: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’—Efesianina 4:25, 26, 32.

16. Nahoana no mila mangoraka ny vadiny ny lehilahy sy vehivavy?

16 Mila mahay mangoraka ny mpivady mba ho tsara ny fifandraisan’izy ireo, ary indraindray aza mila mamela heloka. Tokony hangoraka sy haneho fitiavana kokoa amin’ny vadinao ve ianao? Ataovy àry izay azonao atao ka ampiharo ny torohevitry ny Baiboly, fa hanampy anao Andriamanitra. Misy ezaka tokony hataonao ve mba hampiharana ny 1 Korintianina 7:1-5? Mila ‘mangoraka’ ny vadiny koa ny lehilahy sy ny vehivavy, amin’io lafiny io. Hampihena ny olana eo aminareo izany, ary tsy hahatonga ny iray hanitsakitsa-bady.

17. Inona avy no tokony hataon’izay nanao fahotana lehibe?

17 Ahoana kosa raha nanao fahotana lehibe ianao? Manaova zavatra haingana. Mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy. Hanampy anao hihavana amin’Andriamanitra indray ny vavaka ataon’izy ireo sy ny toroheviny. (Jakoba 5:13-16) Aoka ianao hibebaka sy hivavaka amin’i Jehovah. Raha tsy izany mantsy dia hahatsiaro tena ho meloka foana ianao, ary hanenjika anao ny eritreritrao. Izany no nahazo an’i Davida. Maivamaivana erỳ anefa izy rehefa niaiky ny helony tamin’i Jehovah! Hoy izy: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.” (Salamo 32:1-5) Mamela ny helok’izay tena mibebaka i Jehovah.—Salamo 103:8-14; Ohabolana 28:13.

Tsy anisan’izao tontolo izao

18. Ahoana no tokony hiheveranao an’ity tontolo ity?

18 Azo inoana fa tsy andrinao ny hahatongavan’ny tontolo vaovao nampanantenain’ilay Raintsika any an-danitra. Ahoana àry no tokony hiheveranao an’ity tontolo tsy marina sy lavitra an’Andriamanitra ity? Tsy nanana fahefana tamin’i Jesosy Kristy i Satana, “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31; 14:30) Azo antoka fa tsy tianao hanana fahefana aminao koa ny Devoly sy ny tontolony. Araho àry ny tenin’ny apostoly Jaona hoe: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao.” Hendry izay manao izany satria “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:15-17.

19. Tanjona manao ahoana no tokony hananan’ny tanora kristianina?

19 Ampianao ve ny zanakao mba ‘hiaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao’? (Jakoba 1:27) Manao tetika hahazoana azy ireo i Satana, toy ny olona mampiasa fintana mba hanjonoana trondro. Mampiasa fandaminana sy fikambanana maro izy, mba hanintonana ny tanora ho anisan’ny tontolony. Efa manana ny fandaminan’i Jehovah anefa isika. Izy io ihany no tsy ho rava, rehefa haringana ity tontolo ratsy ity. Tokony hampirisihina àry ny tanora kristianina, mba “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Korintianina 15:58) Mila manampy ny zanany ny ray aman-dreny, mba hananan’izy ireo tanjona manome voninahitra an’Andriamanitra. Hahafa-po azy ireo ny fiainany amin’izay. Hanomana azy ho amin’ny andron’i Jehovah koa izany.

Mieritrereta momba ny Paradisa!

20. Nahoana isika no tokony hieritreritra ny fiainana mandrakizay?

20 Tsy hatahotra ny andron’i Jehovah ianao, raha mitsinjo ny fiainana mandrakizay. (Joda 20, 21) Eritrereto ny fiainana ao amin’ny Paradisa, mba ho mafy orina ny fanantenanao. Ho tanora lalandava ianao amin’izay sady hanam-potoana hanaovan-javatra mahasoa. Afaka mianatra mandrakizay momba an’i Jehovah ianao, satria vao “ny sisintsisin’ny alehany ihany” no fantatsika ankehitriny. (Joba 26:14) Hahafinaritra tokoa izany!

21, 22. Inona no ho azonao ianarana avy amin’ireo hatsangana amin’ny maty, ary inona no ho azonao ampianarina azy ireo?

21 Hanazava izay nitranga taloha tsy fantatsika ireo hatsangana amin’ny maty, ao amin’ny Paradisa. I Enoka, ohatra, hanazava hoe ahoana no nananany herim-po hitoriana ny hafatr’i Jehovah, tamin’ny olona ratsy fanahy. (Joda 14, 15) I Noa indray hiresaka hoe nanao ahoana izany nanamboatra sambofiara izany. I Abrahama sy Saraha kosa hilaza izay tsapany rehefa niala tao Ora, tanàna nanankarena, ka nipetraka tamin’ny tranolay. Hotantarain’i Estera koa ny tsipiriany momba ny niarovany ny iray firenena taminy, sy ny nanoherany ny teti-dratsin’i Hamana. (Estera 7:1-6) Alao sary an-tsaina hoe io i Jona fa manazava izay nitranga, tamin’izy tao an-kibon’ilay trondro be nandritra ny telo andro. Eritrereto koa hoe io i Jaona fa milaza izay tsapany, tamin’izy nanao batisa an’i Jesosy. (Lioka 3:21, 22; 7:28) Be dia be tokoa ny zavatra mahaliana ho fantatsika!

22 Mety hahazo tombontsoa ianao amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, satria hanampy an’ireo hatsangana amin’ny maty hahazo “ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:1-6) Faly erỳ isika rehefa mahita olona mandray ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy mampihatra izany! Ho faly kokoa anefa ianao amin’ny hoavy. Hampianatra olona niaina taloha ela be mantsy ianao, ary hankasitraka izany amin’ny fony manontolo izy ireo! Hotahin’i Jehovah ny ezaka hataonao amin’izany.

23. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

23 Be dia be ny zava-tsoa azon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, ka tsy takatry ny sain’ny olona tsy lavorary. (Salamo 40:5) Ny tena ankasitrahantsika dia ireo zavatra ataony mba hanatanjahana ny finoantsika. (Isaia 48:17, 18) Na inona na inona àry toe-javatra misy antsika, dia aoka isika hanao fanompoana masina amin’ny fo manontolo, eo am-piandrasana ny andro lehiben’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no atao hoe “andron’i Jehovah”?

• Ahoana no hiomananao ho amin’ny andron’i Jehovah?

• Inona no fanitsiana mety hilaintsika hatao, satria efa tena akaiky ny andro lehiben’Andriamanitra?

• Inona no andrasanao mafy, aorian’ny andron’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Vonona hiatrika fitsapana i Jesosy

[Sary, pejy 15]

Tombontsoa ny hanampy an’ireo hatsangana amin’ny maty hahazo ny fahalalana an’i Jehovah!