Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Angatahin’ny Olona Eran-tany

Zavatra Angatahin’ny Olona Eran-tany

Zavatra Angatahin’ny Olona Eran-tany

ERITRERETO hoe olona an-jatony na an’arivony tapitrisa mihitsy aza no mangataka zavatra mitovy. Ny fahefana fara tampony eo amin’izao rehetra izao no angatahan’izy ireo izany. Vitsy anefa izy ireo no mahalala ilay zavatra angatahiny. Tena misy ve izany? Mitranga isan’andro mihitsy izany. Inona àry no angatahin’izy rehetra ireo? Ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra!

Tombanana ho 37 000 ny fivavahana mitonona ho Kristianina, sy mino fa i Jesosy Kristy no Mpitarika azy. Roa arivo tapitrisa mahery ny mpivavaka ao amin’izy ireny. Maro no manao an’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy. Fantatrao ve izy io? Toy izao no fiandohany: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:9, 10.

Efa hatramin’ny taonjato maro ny olona no mamerina amim-panajana an’io vavaka io any am-piangonana. Miara-manao azy io koa ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona, na amin’ny fifaliana na amin’ny fotoan-tsarotra. Tena vokatry ny fony izany, ary ataony amin-kafanam-po mihitsy. Maro no nianatra tsianjery azy io, ary zara raha mieritreritra ny dikany, na tsy mieritreritra an’izany akory aza rehefa manao azy. Tsy ireo mitonona ho Kristianina ireo ihany anefa no manantena ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy mivavaka momba izany.

Tsy ny Kristianina ihany no mangataka azy io

Manana vavaka antsoina hoe Kaddish ny Jiosy. Manao azy io izy ireo matetika rehefa misy fahoriana, na dia tsy miresaka mivantana momba ny fahafatesana na ny alahelo aza ilay izy. Izao no angatahina ao: “Enga anie izy [Andriamanitra] ka hanorina ny Fanjakany amin’ny andronao ... ary hanao izany haingana.” * Voaresaka ao amin’ny vavaka fanao fahiny tao amin’ny synagoga koa ny fanantenana momba ny Fanjakan’ny Mesia taranak’i Davida.

Mahasarika olona avy amin’ny fivavahana hafa tsy kristianina koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Te hampiray ny finoana hindoa sy silamo ary kristianina ny mpitondra fivavahana karàna iray nalaza, tamin’ny taonjato faha-19. Hoy izy tao amin’ny Gazetin’i Inde (anglisy): “Tsy hisy ny tena fanjakan’Andriamanitra, raha tsy tafaray ny mponin’i Azia sy Eoropa ary Amerika.” Vao haingana koa ny talen’ny oniversite silamo iray any Strathfield, any Aostralia, no nilaza toy izao tao amin’ny gazety: “Mino toy ny Silamo rehetra aho fa hiverina i Jesosy ary hanorina ny tena Fanjakan’Andriamanitra.”

Hita àry fa an’arivony tapitrisa no manantena ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mivavaka momba izany. Diniho anefa izao.

Fantatrao angamba fa mitory isan-trano ao amin’ny faritra misy anao izahay Vavolombelon’i Jehovah, mpamoaka an’ity gazety ity. Miresaka foto-kevitra ara-baiboly izahay amin’izany. Atao any amin’ny firenena 236, amin’ny fiteny 400 mahery, io fitoriana io. Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena foto-kevitra resahinay. Mariho fa Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah no lohatenin’ity gazety ity. Matetika izahay no manontany ny olona raha mivavaka mba hahatongavan’io Fanjakana io izy ireo. Maro no mamaly hoe: “Eny.” Rehefa anontaniana anefa izy hoe inona io Fanjakana io, dia mamaly ny ankamaroany hoe: “Tsy fantatro.” Tsy mazava tsara kosa ny valin-tenin’ny hafa, na tsy azony antoka.

Fa nahoana no maro be no mangataka zavatra tsy fantany? Ny hoe Fanjakan’Andriamanitra ve no tsy mazava na saro-takarina? Tsia. Manazava tsara azy io ny Baiboly, ary rehefa fantatrao izany, dia hanana fanantenana azo antoka ianao amin’izao fiainana manjombona izao. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay lazain’ny Baiboly momba io fanantenana io. Hojerentsika koa hoe rahoviana no ho tonga ilay Fanjakana nangatahin’i Jesosy tamin’ny vavaka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy fangatahana ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra koa ao amin’ny Kaddish, toy ny ao amin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy. Mbola iadian-kevitra hoe tamin’ny andron’i Kristy ve vao nisy ny Kaddish, sa efa talohan’izay. Tsy mahagaga anefa raha misy itovizany izy io sy ilay Vavaka Modely. Tsy vaovao mantsy ny zavatra voalaza ao amin’ilay Vavaka Modely. Ny zavatra tsirairay angatahina ao dia miorina tanteraka amin’ny Soratra Masina, izay efa nananan’ny Jiosy rehetra tamin’izany. Zavatra tokony ho efa nangatahin’izy ireo hatramin’ny ela àry, no nasain’i Jesosy nataon’izy ireo antom-bavaka.