Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ray Tsara Indrindra

Ray Tsara Indrindra

Manatòna An’Andriamanitra

Ray Tsara Indrindra

Matio 3:16, 17

“DADA.” Anisan’ny teny mampihetsi-po indrindra io. Manome izay ilain’ny zanany ny ray be fitiavana, mba hitomboany ara-dalàna. Antsoin’ny Baiboly hoe ‘Ray’ i Jehovah Andriamanitra. (Matio 6:9) Ray manao ahoana moa izy? Mba hamaliana izany, dia andeha isika handinika ireo teny nolazain’i Jehovah tamin’i Jesosy, tamin’izy natao batisa. Ahafantarana ny tena toetran’ny raim-pianakaviana mantsy ny fomba firesahany amin-janany.

Natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, tokotokony ho tamin’ny Oktobra taona 29. Hoy ny Baiboly: “Niakatra avy teo amin’ny rano i Jesosy, raha vantany vao vita batisa. Ary indro, nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako, izay sitrako.’ ” * (Matio 3:16, 17) Ahafantarantsika ny tena toetran’i Jehovah ireo teny mamy nolazainy ireo. Misy zavatra telo mendri-komarihina amin’ireo teniny ireo.

Rehefa nilaza i Jehovah hoe: “Ity no Zanako”, dia te hilaza izy hoe: ‘Reharehako mihitsy ny hoe izaho no Rainao.’ Miezaka mankasitraka sy miahy ny zanany ny raim-pianakaviana mahay mandinika, satria fantany fa mila an’izany izy ireo. Mila omena toky ny ankizy hoe tena sarobidy eo anivon’ny fianakaviany izy. Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pon’i Jesosy, tamin’izy nahazo teny fankasitrahana avy tamin-dRainy, eny fa na dia efa olon-dehibe aza izy tamin’io.

Nilaza tamin-janany koa i Jehovah hoe: “Malalako.” Toy ny nilaza tamin’i Jesosy izy hoe: ‘Tiako ianao.’ Nambaran’i Jehovah teo imason’ny olona fa tiany ny Zanany. Miteny amin-janany koa ny ray tsara toetra hoe tena tiany ny zanany. Mitombo ara-dalàna ny ankizy rehefa ilazana fa tiana sady anehoana fitiavana. Azo antoka fa nanohina ny fon’i Jesosy ny nandre an-dRainy nilaza teny feno fitiavana taminy.

Nilaza koa i Jehovah hoe “sitrako.” Naneho fankasitrahana an-janany izy tamin’izany, ary toy ny nilaza taminy hoe: ‘Mahafaly ahy ny nataonao, anaka.’ Mitady fomba hanehoana fankasitrahana ny zanany ny ray be fitiavana, mba hilazana fa mahafaly azy ny zavatra nataon’izy ireo na nolazainy. Mampahery ny ankizy ny mandre ny ray aman-dreniny mankasitraka azy. Tsy isalasalana fa nampahery an’i Jesosy ny nandre an-dRainy nankasitraka azy!

I Jehovah tokoa no Ray tsara indrindra. Te hanana ray toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia faly izahay milaza aminao fa afaka mifandray akaiky aminy ianao. Raha matoky an’izany ianao, ka mianatra momba azy sady miezaka manao ny sitrapony, dia hifandray akaiky aminao izy. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Tsy misy fomba tsara kokoa hampilamin-tsaina anao noho ny hoe mifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Ray tsara indrindra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Araka ny fitantaran’i Lioka dia nampiasa teny hoe “ianao” i Jehovah, tamin’io fotoana io. Hoy ny Lioka 3:22: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”