Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Niaro ny Fivavahana Madio

Lehilahy Niaro ny Fivavahana Madio

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Lehilahy Niaro ny Fivavahana Madio

TEO an-tampon’ny Tendrombohitra Karmela i Elia. Tazany niresaresa niakatra an’ilay tendrombohitra ny vahoaka. Vao nazava ratsy ny andro, nefa hita teo amin’ilay vahoaka ny vokatry ny fahantrana sy ny hanoanana, noho ny mosary telo taona sy tapany.

Niaraka tamin’ilay vahoaka ny mpaminanin’i Bala 450. Nianjonanjona erỳ izy ireo, ary feno fankahalana an’i Elia mpaminanin’i Jehovah. Maro ny mpanompon’i Jehovah efa novonoin’i Jezebela vadin’ny mpanjaka, nefa mbola nanohitra mafy ny fivavahana tamin’i Bala ihany i Elia. Nihevitra àry ireo mpaminanin’i Bala fa ho afaka hampivadika azy, satria maro izy ireo. (1 Mpanjaka 18:3, 19, 20) Tonga teo koa i Ahaba Mpanjaka, izay tsy tia an’i Elia.

Andro manokana ho an’i Elia io andro io. Izy irery no mpanompon’i Jehovah teo. Hitany fa hisy zavatra mbola tsy nitranga mihitsy hiseho: Hifanandrina ny tsara sy ny ratsy. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Elia? Azo inoana fa natahotra izy, satria “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany.” (Jakoba 5:17) Nahatsiaro ho irery izy, satria olona tsy nanam-pinoana, sy mpanjaka nivadi-pinoana, ary mpisorona mpamono olona no nanodidina azy.—1 Mpanjaka 18:22.

Fa inona no nahatonga ilay olana teo amin’ny Israely? Ary inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Mampirisika antsika ny Baiboly mba handinika ireo mpanompon’Andriamanitra nahafoy tena, ka ‘hanahaka ny finoan’izy ireo.’ (Hebreo 13:7) Diniho àry ny ohatr’i Elia.

Nihamafy ilay fifandrafiana

Natao tsinontsinona ny zava-tsarobidy indrindra tao an-tanindrazan’i Elia, dia ny fivavahana tamin’i Jehovah. Saika nandritra ny androm-piainany izy no niaritra an’izany. Nisy fifandrafiana foana teo amin’ny fivavahana marina sy diso teo amin’ny Israely, izany hoe teo amin’ny fivavahana tamin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fanompoan-tsampin’ireo firenena nanodidina. Vao mainka nihamafy izany tamin’ny andron’i Elia.

Nanambady an’i Jezebela, zanakavavin’ny mpanjakan’i Sidona, i Ahaba Mpanjaka. Tapa-kevitra ny hamongotra ny fivavahana tamin’i Jehovah sy hampiely ny fivavahana tamin’i Bala nanerana an’i Israely i Jezebela. Tsy ela dia voatariny i Ahaba. Nanangana tempoly sy alitara ho an’i Bala izy, ary nitaona ny olona hiankohoka tamin’io sampy io. Nampahatezitra mafy an’i Jehovah izy.—1 Mpanjaka 16:30-33. *

Inona no tena naha ratsy ny fivavahana tamin’i Bala? Nampiala ny Israely tamin’ilay tena Andriamanitra izy io, sady feno herisetra sy fanao maharikoriko. Nisy lehilahy sy vehivavy mpivaro-tena, ohatra, tao amin’ny tempoliny. Teo koa ny fanaranam-po tamin’ny firaisana sy ny fanaovana sorona ankizy. Naniraka an’i Elia tany amin’i Ahaba àry i Jehovah mba hilaza fa hihantona ny orana, ary tsy hilatsaka raha tsy noho ny tenin’ilay mpaminanin’Andriamanitra ihany. (1 Mpanjaka 17:1) Taona maro tatỳ aoriana vao tonga teo anatrehan’i Ahaba indray i Elia, ary nilaza taminy mba hanangona ny vahoaka sy ny mpaminanin’i Bala eny an-tendrombohitr’i Karmela.

Inona no ianarantsika avy amin’io zava-nitranga io? Mety hisy hilaza fa tsy misy ifandraisany amin’ny androntsika ny fivavahana tamin’i Bala, satria tsy misy tempoly sy alitara ho azy intsony izao. Andraisantsika lesona anefa ilay tantara. (Romanina 15:4) Midika hoe “tompo” ilay teny hoe “Bala.” Nilaza tamin’ny vahoakany i Jehovah mba hifidy azy ho “bala” na vady tompon’izy ireo. (Isaia 54:5) Tsy ekenao ve fa mbola manompo tompo maro ankoatra an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny olona ankehitriny? Misy mampiasa ny fiainany mba hikatsahana vola, fisondrotana eo amin’ny asa, fialam-boly, fahafinaretana eo amin’ny firaisana. Ireny zavatra ireny sy ny maro hafa no lasa tompoiny fa tsy i Jehovah. (Matio 6:24; Romanina 6:16) Azo lazaina àry fa mbola mahazo vahana ankehitriny ireo lafiny mampiavaka ny fivavahana tamin’i Bala. Manampy antsika hahay hifidy izay hotompointsika, ilay tantara fahiny mahakasika an’i Jehovah sy Bala.

‘Miroa saina’

Mandrivotra eny an-tampon’i Karmela. Tazana avy eny ny tanin’ny Israely. Erỳ ambany ny Lohasaha Falehan-driakan’i Kisona sy ny Ranomasina Mediterane. Terỳ amin’ny farany avaratra ny Tendrombohitra Libanona. * Tany ngazana anefa no hita, rehefa niposaka ny masoandro tamin’io andro lehibe io. Izany no niafaran’ilay tany lonaka nomen’i Jehovah ny taranak’i Abrahama. Lasa karakaina noho ny hainandro ilay izy, ary simba noho ny hadalan’ny vahoakan’Andriamanitra! Rehefa tafavory ilay vahoaka, dia nanatona azy ireo i Elia ka niteny hoe: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.”—1 Mpanjaka 18:21.

Inona no tian’i Elia holazaina tamin’ny hoe ‘miroa saina’? Tsy azon’ilay vahoaka fa mila mifidy izy ireo hoe hanompo an’i Jehovah sa hanompo an’i Bala. Nihevitra izy ireo fa afaka manompo azy roa, izany hoe sady hampitony an’i Bala amin’ny alalan’ireo fanaony maharikoriko, no hangataka fanampiana amin’i Jehovah Andriamanitra. Nieritreritra angamba izy ireo fa i Bala no hitahy ny famboleny sy ny fiompiany, ary i “Jehovah, Tompon’ny maro” no hiaro azy amin’ny ady. (1 Samoela 17:45) Nisy fahamarinana lehibe hadinon’izy ireo anefa, ary tsy azon’ny olona ankehitriny koa, dia ny hoe: Tsy tian’i Jehovah raha sady manompo azy ny olona no manompo andriamani-kafa. Mitaky ny hanompoana azy irery ihany izy, sady mendrika izany. Tsy ekeny ny fanompoana andriamani-kafa, ary mahatezitra azy mihitsy aza.—Eksodosy 20:5.

‘Niroa saina’ toy ny olona te handeha eo amin’ny lalana roa àry ny Israelita. Manao fahadisoana toy izany koa ny olona maro ankehitriny. Avelan’izy ireo haka toerana tsikelikely eo amin’ny fiainany ny karazana tompo maro, ka manjary an-kilabao ny fanompoana an’Andriamanitra! Tokony handinika indray ny fivavahantsika sy izay loha laharana eo amin’ny fiainantsika àry isika, ho fanarahana ny fampirisihan’i Elia mba tsy hiroa saina.

Fitsapana niavaka

Nisy fanamby tsotra napetrak’i Elia avy eo. Samy hanorina alitara sy hametraka fanatitra eo amboniny i Elia sy ny mpisoron’i Bala, ary hiantso ny andriamaniny avy mba handatsaka afo. Hoy i Elia: ‘Izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo no ho Andriamanitra.’ Fantatr’i Elia tsara hoe iza no tena Andriamanitra. Tena nino izany izy, ka tsy nisalasala namela an’ireo mpaminanin’i Bala hanorina alitara voalohany. Nomeny tombony ireo fahavalony, ka navelany hifidy izay omby hataony sorona sy hiantso an’i Bala mialoha. *1 Mpanjaka 18:24, 25.

Tsy misy fahagagana intsony ankehitriny. Tsy miova anefa i Jehovah. Afaka mitoky aminy, toa an’i Elia, isika. Tsy tokony hatahotra, ohatra, isika rehefa misy olona manohitra ny fampianaran’ny Baiboly. Avelantsika izy ireo hilaza ny heviny alohantsika. Toy ny nataon’i Elia, dia ankinintsika amin’ilay tena Andriamanitra ilay raharaha, ka miantehitra amin’ny Baiboly isika fa tsy amin’ny hevitsika. Natao “hanitsiana izay diso” izy io.—2 Timoty 3:16.

Nanomana ny fanatiny àry ireo mpaminanin’i Bala, ary niantso ny andriamaniny. Tsy nitsahatra niantso izy ireo hoe: “Ry Bala ô, henoy izahay!” Nanao izany nandritra ny ora maro izy ireo. Hoy anefa ny Baiboly: “Tsy nisy nanoina na namaly akory.” Nanomboka naneso azy ireo i Elia tamin’ny mitataovovonana, ka nilaza fa nety ho mbola sahirana i Bala ka tsy afaka mamaly, na mbola mivoaka, na matory ka mila fohazina. “Miantsoa mafy ihany”, hoy i Elia tamin’ireo mpisandoka. Mazava ho azy fa fantatr’i Elia hoe fitaka sy hadalana ny fivavahana tamin’i Bala. Tiany ho hitan’ireo vahoakan’Andriamanitra anefa izany.—1 Mpanjaka 18:26, 27.

Vao mainka nihinjakinjaka ireo mpisoron’i Bala, ka ‘niantso mafy sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ny sabatra sy ny lefona, mandra-pahaloa-dra tamin’ny tenany.’ Very maina anefa izany! “Tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.” (1 Mpanjaka 18:28, 29) Tsy nisy i Bala, fa noforonin’i Satana fotsiny mba hamitahana ny olona hiala amin’i Jehovah. Ho diso fanantenana koa izay mifidy tompo hafa ankoatra an’i Jehovah, ary ho afa-baraka mihitsy aza.—Salamo 25:3; 115:4-8.

Valin’ilay fitsapana

Tonga ny anjaran’i Elia, rehefa nadiva ho hariva ny andro. Nanamboatra alitara iray efa rava izy. Alitaran’i Jehovah izy io, saingy efa noravan’ireo fahavalon’ny fivavahana madio. Nampiasa vato 12 izy, angamba mba hampahatsiahivana ny foko folon’ny Israely fa mbola tokony hankatò ny Lalàna nomena ny foko 12 izy ireo. Napetrany teo ambony alitara ny fanatiny ary novontosany rano, angamba rano avy tao amin’ny Ranomasina Mediterane teo akaiky teo. Nasiany tatatra nanodidina an’ilay alitara, ary nofenoiny rano koa. Sarotra noho ilay fitsapana natao tamin’i Bala ilay natao tamin’i Jehovah. Natoky tanteraka ny Andriamaniny anefa i Elia.—1 Mpanjaka 18:30-35.

Nivavaka i Elia avy eo. Tena tsotra ilay vavaka, sady nampiharihary izay zava-dehibe indrindra taminy. Voalohany, tiany ho fantatry ny olona fa i Jehovah no “Andriamanitra [eo] amin’ny Isiraely”, fa tsy i Bala. Faharoa, tiany ho fantatry ny rehetra fa mpanompon’i Jehovah izy, ary Andriamanitra no tokony homena ny voninahitra sy ny fiderana rehetra. Farany, nasehony fa mbola mikarakara ny vahoakan’i Jehovah izy, ary maniry mafy ny ‘hiverenan’ny fon’izy ireo’ amin’i Jehovah. (1 Mpanjaka 18:36, 37) Mbola tia azy ireo i Elia, na dia teo aza ny fahoriana nateraky ny tsy fahatokian’izy ireo. Asehontsika amin’ny vavaka ataontsika ve fa mihevitra ny anaran’Andriamanitra toa an’i Elia isika, ary manetry tena sy mangoraka an’ireo mila fanampiana?

Nety ho nisalasala ilay vahoaka talohan’ny nivavahan’i Elia, ka nihevitra fa handiso fanantenana toa an’i Bala koa i Jehovah. Tsy nisy nampisalasala intsony anefa taorian’ilay vavaka. Hoy ny Baiboly: “Dia latsaka ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra odorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady kely.” (1 Mpanjaka 18:38) Nampitolagaga ilay valim-bavaka! Ary nanao ahoana ilay vahoaka?

Niantsoantso izy rehetra hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” (1 Mpanjaka 18:39) Hitan’izy ireo ny marina nony farany. Mbola tsy noporofoin’izy ireo anefa ny finoany. Marina fa niaiky izy ireo hoe i Jehovah no tena Andriamanitra, taorian’ny nahitany ilay afo nilatsaka avy tany an-danitra. Tsy ampy anefa izany. Nisy zavatra hafa nasain’i Elia nataon’izy ireo, ary efa ela no tokony ho nanaovany izany. Izany dia ny fankatoavana ny Lalàn’i Jehovah. Nilaza ny Lalàn’Andriamanitra fa tokony hovonoina ho faty ny mpaminany sandoka sy ny mpanompo sampy. (Deoteronomia 13:6-10) Fahavalon’i Jehovah Andriamanitra ireo mpisoron’i Bala, ary nanohitra an-kitsirano ny fikasany. Tokony hamindrana fo ve izy ireo? Tsy namindra fo tamin’ireo ankizy tsy manan-tsiny natao sorona ho an’i Bala izy ireo, ka tsy mendrika ny hamindrana fo koa. (Ohabolana 21:13; Jeremia 19:5) Nasain’i Elia novonoina àry izy ireo, ary izany tokoa no nitranga.—1 Mpanjaka 18:40.

Misy manakiana an’iny famonoana olona teo amin’ny Tendrombohitra Karmela iny. Manahy mantsy izy ireo sao hisy mpivavaka mafana fo tafahoatra hampiasa an’io fitantarana io mba hilazana fa mety ny mampiasa herisetra amin’ireo tsy mitovy fivavahana aminy. Mampalahelo fa tena betsaka ny mpivavaka mafana fo tafahoatra sy mahery setra ankehitriny. Tsy toy izany anefa i Elia. Niady ho an’i Jehovah izy, ary araka ny rariny ny zavatra nataony. Fantatry ny Kristianina koa fa tsy afaka manao toa an’i Elia izy ireo, ka hoe hampiasa sabatra hamonoana ny ratsy fanahy. Hita tamin’ity tenin’i Kristy tamin’i Petera ity ny fitsipika mifehy ny Kristianina: “Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.” (Matio 26:52) Ny Zanany no hampiasain’i Jehovah hampihatra ny rariny, amin’ny hoavy.

Andraikitry ny Kristianina ny mampiseho ny finoany eo amin’ny fiainany. (Jaona 3:16) Fomba anaovana izany ny fanahafana ireo olo-mahatoky toa an’i Elia. I Jehovah irery no nivavahany, ary nampirisika ny hafa hanao toy izany izy. Sahiny ny nampiharihary fa diso ny fivavahana iray, izay nampiasain’i Satana hampialana ny olona amin’i Jehovah. Tsy niantehitra tamin’ny fahaizany izy na nanao izay tiany, fa natoky hoe handamina ny zava-drehetra i Jehovah. Tena niaro ny fivavahana madio i Elia. Enga anie isika hanahaka ny finoany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny zava-nitranga teo amin’i Ahaba sy Elia, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Nanandratra Ilay Andriamanitra Marina i Elia”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1998.

^ feh. 13 Mazàna no rakotra zava-maitso i Karmela, noho ny rivotra mando avy any an-dranomasina, izay mahatonga orana sy ranon’ando be dia be. Hitan’ny mpanompon’i Bala fa nety tamin’ny fivavahany io toerana io, satria nihevitra izy ireo fa i Bala no mpandrotsaka orana. Karakaina anefa teo tamin’izay, ka nety tsara mba hampiharihariana fa diso ny fivavahana tamin’i Bala.

^ feh. 17 Nilaza tamin’izy ireo i Elia hoe: “Aza asiana afo” ilay fanatitra. Misy manam-pahaizana milaza fa asian’ireo mpanompo sampy lavaka miafina ny alitarany indraindray, ary asiany afo ao. Toy ny mirehitra amin’ny fomba mahagaga ilay fanatitra amin’izay.

[Teny notsongaina, pejy 20]

Ho diso fanantenana izay mifidy tompo hafa ankoatra an’i Jehovah

[Sary, pejy 21]

“Jehovah, Izy no Andriamanitra”