Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanorenana Trano Fiderana An’i Jehovah

Fanorenana Trano Fiderana An’i Jehovah

Fanorenana Trano Fiderana An’i Jehovah

‘Saika tsy nino aho rehefa nahita ilay Efitrano Fanjakana vaovao. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hahazo trano tsara tarehy toy izao izahay, mba hivoriana sy hiderana an’i Jehovah. Tsy omby tratra ny hafaliako!’—MARIA, MEKSIKA.

TIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny mivory mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 27:4; Hebreo 10:23-25) Vao mainka ankafizin’izy ireo izany, rehefa atao amin’ny toerana mendrika. Nanorina toeram-pivavahana vaovao an’arivony, tany amin’ny firenena maro izy ireo, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Antsoina hoe Efitrano Fanjakana ireny toerana ireny.

Nahoana no ilaina ny manorina toeram-pivavahana maro be toy izany? Iza no miasa amin’ireny fanorenana ireny, ary inona no vokany eo amin’izy ireo? Mba hamaliana izany, dia diniho ny zava-nitranga tany Meksika sy Belize.

Efitrano Fanjakana vaovao an’arivony no nilaina!

Nivory tany amin’izay toerana azo nivoriana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Meksika, taloha. Nisy ny nivory teny an-tokotany, tany an-tranon’olona, tany amin’ny trano fanatobiana entana, garazy, na trano nohofana. Matetika ireny Vavolombelona tsy mivadika ireny no nieritreritra hoe: ‘Raha izao moa isika no mba afaka manorina Efitrano Fanjakana!’

Nisy 388 000 ny Vavolombelona tany Meksika, tamin’ny 1994. Hita fa nila Efitrano Fanjakana vaovao 3 300 izy ireo, rehefa natao ny kajy. Tena asa be izany!

Nanangana ny Efitrano Fanjakanany manokana ny fiangonana sasany afaka nanao izany. Hita anefa tao anatin’ny dimy taona nanaraka, fa nilaina maika ny hanorenana Efitrano Fanjakana maro kokoa sy haingana kokoa, satria tsy ampy ireo efa nisy. Ahoana no nahavitana izany?

Mpiasa an-tsitrapo mitety faritra

Nisy fandaharana vaovao momba ny fanorenana Efitrano Fanjakana, tamin’ny 1999. Natsangana nanerana an’i Meksika ny Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana. Maro tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany no nirotsaka an-tsitrapo nanohana an’io fandaharana mahafaly io. Manana fahaizana momba ny fanaovan-trano ny ankamaroan’izy ireo. Misy ekipa 35 izao any Meksika, ary iray any Belize.

Mpiasa an-tsitrapo valo eo ho eo mazàna no ao amin’ny ekipa iray, ary ahitana lehilahy sy vehivavy. Miasa manontolo andro izy ireo ary tsy karamaina. Mitety an’ilay firenena izy ireo mba hitarika ny asa fanorenana. Miasa adiny valo isan’andro ny mpiasa tsirairay, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Miasa asabotsy koa izy ireo indraindray. Miara-mandinika andinin-teny iray avy ao amin’ny Baiboly izy ireo, raha vao miditra amin’ny 7.00 maraina. Misakafo izy ireo, aorian’izay. Mazoto manao izay asa ampanaovina azy ny tsirairay. Na ny lehilahy na ny vehivavy, dia samy mandalotra, mametaka karô na taila, ary mandoko.

Manampy an’ireo mpiasa an-tsitrapo ny fiangonana eo an-toerana, ka manome trano hatoriana, manasa lamba, ary mahandro sakafo ho azy ireo. Tsy eny amin’ny toeram-panorenana ihany ireo mpiasa an-tsitrapo no miaraka amin’ireo Vavolombelona eo an-toerana, fa any amin’ny fivoriana kristianina sy rehefa mitory isan-trano koa.

Soa raisin’ireo mpiasa an-tsitrapo

Ahoana no fiheveran’ireo mpiasa an-tsitrapo ny asany? Hoy i Daniel, mpiasa an-tsitrapo nandritra ny telo taona mahery: “Marina aloha fa tsy maintsy miasa izahay na mafana ny andro na mangatsiaka. Mihinana sakafo tsy mahazatra koa izahay, mifindra trano foana, lavitra ny fianakaviana, ary matetika no tsy dia manan-javatra mampiadana. Tsinontsinona anefa ireny zava-tsarotra ireny raha ampitahaina amin’ny fitahiana azonay.”

Inona no sasany amin’izany fitahiana izany? Maro amin’ireo mpiasa an-tsitrapo no lasa nahay asa vaovao momba ny fanorenana. Niresaka momba ny fitahiana heveriny ho lehibe kokoa anefa i Carlos, mpiandraikitra ekipa lehibe iray. Hoy izy: “Misy 20 izahay, ary toy ny fianakaviana iray. Miara-misakafo izahay, miara-miasa, miara-mianatra Baiboly, ary miara-mivavaka. Lasa mpinamana akaiky izahay.”

Manjary mpinamana be amin’ny Kristianina eo an-toerana koa ireo mpanao fanorenana. Hoy i José, izay efa nandray anjara tamin’ny tetikasa 100 mahery: “Latsa-dranomasom-pifaliana sy feno tsiky ireo Vavolombelona eo an-toerana rehefa vita ny Efitrano Fanjakanany vaovao, satria tanteraka ny nofinofiny. Tena mahafinaritra ny mahita izany!” Hoy koa izy: ‘Manatanjaka ny finoan’ny hafa ny mahita trano fivavahana amin’i Jehovah voaorina soa aman-tsara. Mahafaly anay izany, na dia kely ihany aza ny anjara biriky nentinay tamin’ilay fanorenana.’

Zava-bita mampitolagaga!

Tsy be renty ireny toeram-pivavahana ireny fa tsotra. Izany no mahatonga azy ho vita haingana sady tsy mandany vola be. Fomba fanorenana eo an-toerana sy izay fitaovana misy eo ihany no ampiasaina, raha mbola azo atao. Voaorina ao anatin’ny iray volana sy tapany monja àry ny Efitrano Fanjakana vaovao iray!

Tamin’ny 2007, dia nahazo Efitrano Fanjakana vaovao ny fiangonana rehetra tany Belize. Efitrano 17 no voaorina tany. Efitrano vaovao 1 400 mahery kosa no voaorina tany Meksika, nanomboka tamin’ny 1999!

Mbola be dia be ny asa miandry, na dia betsaka aza no efa vita. (Matio 9:37) Nitombo ho 600 000 mahery izao ny Vavolombelona any Meksika. Mivory intelo isan-kerinandro izy ireo mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mbola mila Efitrano Fanjakana vaovao 2 000 any ho any àry izy ireo. Tsy ho vita izany raha amin’ny herin’olombelona fotsiny. Porofoin’ireo Efitrano Fanjakana maro efa vitan’ireo mpiasa an-tsitrapo anefa, fa manampy i Jehovah Andriamanitra. ‘Mahay ny zava-drehetra’ izy.—Matio 19:26.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

‘Mitana ny Teny Nataony Izy Ireo’

Misy vokany eo amin’ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Iray amin’izany ny lehilahy iray manambady Pentekotista, any Belize. Tamin’ny fotoana nanorenana Efitrano Fanjakana iray, dia niteny tamin’ny vadiny izy fa hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ao, rehefa vita izy io. Inona no antony? Hoy ilay lehilahy: “Hitako fa manohana azy ireo Andriamanitra. Tsy miady izy ireo rehefa miara-miasa. Mitana ny teny nataony koa izy ireo.”

[Sary]

Efitrano Fanjakana any Orange Walk, Belize

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Ezaka Eran-tany

Firenena 120 izao no misy Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana. Faly mandray anjara amin’ny asa fanorenana ireo mpiasa an-tsitrapo anisan’ireny ekipa ireny. Ireto ny firenena sasany misy azy ireo:

Angola, Bolivia, Etiopia, Fidji, Ghana, Hong-Kong, Inde, Jamaika, Kazakhstan, Kroasia, Liberia, Moldavia, Nizeria, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Repoblika Dominikanina, Rwanda, Tuvalu, Ukraine, Venezoelà, Zambia.

[Sary]

Efitrano Fanjakana any Acapulco, Meksika

Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana any Meksika

[Sary, pejy 23]

Efitrano Fanjakana any Tlaxcala, Meksika