Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Tsy Nivadika i Marka

Tsy Nivadika i Marka

I MARKA no nanoratra ny iray amin’ireo Filazantsara efatra, izay mitantara ny fiainan’i Jesosy. Ny boky nosoratany no fohy sy mora vakina indrindra. Iza moa i Marka? Nahafantatra tsara an’i Jesosy ve izy, araka ny hevitrao?— a Andeha hojerentsika ny fitsapana mafy natrehiny, sy ny hoe nahoana izy no tsy niala tamin’ny finoana kristianina mihitsy.

Aorian’ny fitantarana momba ny nampidiran’i Heroda Agripa Mpanjaka ny apostoly Petera tany am-ponja, no iresahana voalohany ny anaran’i Marka ao amin’ny Baiboly. Nafahan’ny anjely avy tao am-ponja i Petera, indray alina, ary nandeha avy hatrany tany an-tranon’i Maria, renin’i Marka, izay nipetraka tany Jerosalema. Folo taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny Paska taona 33, no nitrangan’izany.—Asan’ny Apostoly 12:1-5, 11-17.

Fantatrao ve ny antony nankanesan’i Petera tany an-tranon’i Maria?— Nahafantatra ny fianakavian’i Maria angamba izy, ary fantany fa nivory tao ny mpianatr’i Jesosy. Nety ho tamin’ny Pentekosta taona 33 na talohan’izay, no efa mpianatr’i Jesosy i Barnabasy, zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Marka. Resahin’ny Baiboly fa nalala-tanana tamin’ireo mpianatra vaovao i Barnabasy. Nety ho fantatr’i Jesosy àry i Barnabasy sy Maria nenitoany ary Marka zanak’i Maria.—Asan’ny Apostoly 4:36, 37; Kolosianina 4:10.

Nitantara i Marka tao amin’ny Filazantsarany, fa nisy tovolahy iray nanatrika teo tamin’ny alina nisamborana an’i Jesosy. Akanjo iray no ‘teny an-koditr’izy io.’ Nilaza i Marka fa nandositra io tovolahy io, rehefa nosamborin’ny fahavalo i Jesosy. Mety ho iza izy io, raha fantatrao?— Azo inoana fa i Marka! Rehefa niainga i Jesosy sy ny apostoliny tamin’io alina io, dia mety ho niakanjo haingana i Marka ary nanaraka azy ireo.—Marka 14:51, 52.

Mety ho iza io tovolahy io? Maninona izy, ary nahoana?

Nifanerasera tamin’ny mpanompon’Andriamanitra, sy nanatri-maso zava-nitranga lehibe nifandray tamin’ny fikasan’Andriamanitra i Marka. Mety ho teo izy, rehefa nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Nifandray akaiky tamin’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky toa an-dry Petera koa izy. Ankoatra izany, dia niaraka tamin’i Barnabasy izy. I Barnabasy no nanampy an’i Saoly hifankahalala tamin’i Petera, telo taona teo ho eo taorian’ny nisehoan’i Jesosy tamin’i Saoly. Ary izy ihany no nirahina haka an’i Saoly tany Tarsosy indray, tatỳ aoriana.—Asan’ny Apostoly 9:1-15, 27; 11:22-26; 12:25; Galatianina 1:18, 19.

Voafidy ho misionera i Barnabasy sy Saoly, tamin’ny taona 47. Nentin’izy ireo niaraka taminy i Marka, nefa nandao azy ireo, ary nody tany Jerosalema. Tsy fantatra izay tena antony nodiany. Tezitra i Saoly, izay nanjary fantatra tamin’ny anarana romanina hoe Paoly. Nihevitra izy fa tena tsy nety ny nataon’i Marka, ka tsy navelany tamin’izao.—Asan’ny Apostoly 13:1-3, 9, 13.

Nitantara ny vokatra tsara hitany i Paoly sy Barnabasy, rehefa avy nanao dia misionera. (Asan’ny Apostoly 14:24-28) Nikasa ny hiverina hitsidika an’ireo Kristianina vaovao nitoriany izy ireo, volana maromaro tatỳ aoriana. Te hitondra an’i Marka i Barnabasy, nefa ahoana hoy i Paoly?— Nilaza izy fa “tsy tokony hoentina” i Marka, satria efa nandao azy ireo teo aloha. Tena nampalahelo an’i Marka ny zava-nitranga taorian’izay!

Nifamaly be i Paoly sy Barnabasy. “Nisafoaka mafy” izy ireo ary nisaraka. Nitondra an’i Marka mba hitory tany Sipra i Barnabasy, fa i Paoly kosa nitondra an’i Silasy nitsidika an’ireo Kristianina vaovao. Tsy maintsy ho nalahelo be i Marka, satria izy no nampifanditra an’i Paoly sy Barnabasy.—Asan’ny Apostoly 15:36-41.

Tsy fantatsika ny antony nandaozan’i Marka an’i Paoly sy Barnabasy. Mety ho nanana antony noheveriny ho marim-pototra izy. Hita anefa fa tena nino i Barnabasy hoe tsy handao azy intsony i Marka, ary tsy diso izy. Tsy nivadika i Marka! Nanao asa misionera niaraka tamin’i Petera izy, tatỳ aoriana. Tonga hatrany Babylona izy ireo. Avy tany i Petera no nampitondra fiarahabana, ary nampiany hoe: “Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Marka zanako.”1 Petera 5:13.

Tena mpinamana akaiky i Petera sy Marka! Hita izany rehefa mamaky ny Filazantsaran’i Marka isika. Hita taratra tamin’ny zavatra nosoratany fa i Petera, izay nahita mivantana ny fanompoan’i Jesosy, no nampita izany taminy. Ampitahao, ohatra, ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara momba ilay tafio-drivotra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Niresaka zavatra tamin’ny an-tsipiriany i Marka. Nolazainy hoe taiza tao amin’ilay sambo i Jesosy no natory, ary inona no natoriany. Mpanarato toa an’i Petera vao hahamarika zavatra toy izany. Andeha iarahantsika mamaky sy ampitahaintsika mihitsy izany fitantarana izany, ao amin’ny Matio 8:24 sy Marka 4:37, 38 ary Lioka 8:23.

Nidera an’i Marka i Paoly, tatỳ aoriana, rehefa nigadra tany Roma, satria nanampy azy foana i Marka. (Kolosianina 4:10, 11) Nangataka tamin’i Timoty i Paoly mba hitondra an’i Marka, tamin’izy nigadra fanindroany tany Roma. Nanazava izy hoe: “Mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.” (2 Timoty 4:11) Tena nahazo andraikitra lehibe teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra i Marka, noho izy tsy nivadika!

Inona no fitahiana azon’i Marka noho izy tsy nivadika?

a Raha mamaky ity lahatsoratra ity amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny rehefa misy tsipika toa an’io.