Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Lioka

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Lioka

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Lioka

HITA fa nosoratana voalohany indrindra ho an’ny Jiosy ny Filazantsaran’i Matio, ary ho an’ny tsy Jiosy ny Filazantsaran’i Marka. Natao ho an’ny firenena rehetra kosa ny Filazantsaran’i Lioka. Tamin’ny taona 56-58 tany ho any no nanoratana azy io, ary tantaraina amin’ny an-tsipiriany ao ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany.

Dokotera i Lioka, ary nangoraka sy nitandrina tsara izy. Notantarainy ‘tsy misy diso ny zava-drehetra, hatrany am-piandohana.’ Zava-nitranga nandritra ny 35 taona no resahiny, izany hoe nanomboka tamin’ny 3 T.K. ka hatramin’ny 33 A.K. (Lioka 1:3) Tsy hita any amin’ny Filazantsara hafa ny antsasany mahery amin’ny zavatra tantarain’i Lioka.

TAPANY VOALOHANY TAMIN’NY FANOMPOAN’I JESOSY

(Lioka 1:1–9:62)

Noresahin’i Lioka tamin’ny an-tsipiriany ny nahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy. Nolazainy, avy eo, fa tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara no nanomboka ny fanompoany i Jaona, izany hoe tamin’ny voalohandohan’ny taona 29. (Lioka 3:1, 2) Tamin’ny faramparan’io taona io no nataon’i Jaona batisa i Jesosy. (Lioka 3:21, 22) ‘Niverina tany Galilia i Jesosy ary nampianatra tao amin’ny synagoga’, tamin’ny taona 30 tany ho any.—Lioka 4:14, 15.

Tany Galilia i Jesosy no nitory voalohany. Hoy izy tamin’ny vahoaka, rehefa hiala tao: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho.” (Lioka 4:43) Nentiny i Simona mpanarato sy ny hafa. Hoy izy: “Manomboka izao dia olona velona no ho azo[nareo].” (Lioka 5:1-11; Matio 4:18, 19) Niaraka tamin’i Jesosy ny apostoly 12, rehefa niverina fanindroany tany Galilia izy. (Lioka 8:1) Tamin’izy niverina fanintelony tany, dia nirahiny “hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana izy ireo.”—Lioka 9:1, 2.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:35—Nilaina tamin’ny fiforonan’i Jesosy ve ny tsirivavin’i Maria? Tokony ho taranak’i Abrahama, Joda, ary Davida ilay taranaka nampanantenain’Andriamanitra. Nilaina àry ny tsirivavin’i Maria, mba ho taranak’ireo olona ireo tokoa ilay zaza aterany. (Gen. 22:15, 18; 49:10; 2 Sam. 7:8, 16) Nampiasa ny fanahy masina anefa i Jehovah mba hamindrana ny aina lavorarin’ny Zanany ho ao an-kibon’i Maria, ka hahabevohoka azy. (Matio 1:18) Azo inoana àry fa ny fanahy masina no nanala ny tsiny rehetra tao amin’ny tsirivavin’i Maria, sy niaro an’ilay tsaika tamin’izay rehetra nety ho nanimba azy.

1:62—Lasa moana marenina ve i Zakaria? Tsia. Moana fotsiny izy. Ny olona no “nanao baiko moana” taminy rehefa nanontany izay hatao anaran-janany, fa tsy hoe narenina izy. Tena azo inoana fa nandre ny vadiny niresaka momba izay hatao anaran’ilay zaza izy. Te hahalala izay hevitr’i Zakaria momba izany ny olona ka nanao baiko moana taminy. Tsy narenina i Zakaria matoa ny tsy fahafahany miteny ihany no nilaina nositranina.—Lioka 1:13, 18-20, 60-64.

2:1, 2—Nahoana ny filazan’i Lioka hoe “fanoratana voalohany” no manampy hamantatra ny fotoana nahaterahan’i Jesosy? Tsy indray mandeha monja i Aogosto Kaisara no namoaka didy hanoratana ny anaran’ny mponina. Tamin’ny taona 2 T.K. izy no namoaka ny didy voalohany, izay nahatanteraka ny Daniela 11:20, ary tamin’ny taona 6 na 7 A.K. ny didy faharoa. (Asa. 5:37) I Kyrenio no governora tany Syria tamin’ireo fanoratana roa ireo. Indroa angamba izy no nitana an’io toerana io. Ny filazan’i Lioka hoe “fanoratana voalohany” àry no ahalalana fa teraka tamin’ny taona 2 T.K. i Jesosy.

2:35—Inona no dikan’ny hoe ho voatrobaky ny “sabatra” ny ain’i Maria? Hampahory an’i Maria ny hahita fa tsy hino an’i Jesosy ho Mesia ny ankamaroan’ny olona. Hampalahelo mafy azy koa ny hahita ny fanaintainan’i Jesosy alohan’ny hahafatesany.—Jaona 19:25.

9:27, 28—Nampanantena ny mpianany i Jesosy, fa “tsy ho faty mihitsy” ny sasany aminy mandra-pahitan’izy ireo azy tonga ao amin’ny Fanjakany. Nahoana i Lioka no nilaza hoe “valo andro” taorian’io fampanantenana io no niova tarehy i Jesosy, nefa i Matio sy Marka nilaza fa “enina andro”? (Matio 17:1; Marka 9:2) Toa nanisa andro roa hafa i Lioka, dia ny andro nilazan’i Jesosy ilay fampanantenana sy ny andro nahatanterahan’ilay izy.

9:49, 50—Nahoana i Jesosy no tsy nisakana ny lehilahy iray tsy hamoaka demonia na dia tsy niaraka taminy aza izy io? Satria mbola tsy nitsangana ny fiangonana kristianina, tamin’izany. Tsy voatery ho niaraka tamin’i Jesosy àry ny olona iray vao ho azo lazaina hoe nino azy ka ho afaka hamoaka demonia.—Marka 9:38-40.

Lesona ho antsika:

1:32, 33; 2:19, 51. Nandatsaka am-po ny zava-nitranga sy ny teny nahatanteraka faminaniana i Maria. Moa ve isika mandatsaka am-po ny faminanian’i Jesosy momba “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, ka mampifandray izany amin’ny zava-mitranga ankehitriny?—Matio 24:3.

2:37. Ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Ana fa tokony haharitra amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika, ‘haharitra amin’ny vavaka’, ary tsy hahafoy “ny fiarahantsika mivory.”—Rom. 12:12; Heb. 10:24, 25.

2:41-50. Nataon’i Josefa loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah. Namelona ny fianakaviany koa izy, sady nihevitra izay hahatsara ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra. Modely ho an’ny loham-pianakaviana izy.

4:4. Tokony hisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isan’andro isika.

6:40. Tokony hanome modely ho an’ny olona ampianariny ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra, ka hampihatra izay ampianariny.

8:15. Tsy maintsy mahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, ary mankasitraka sy mandatsaka am-po izany isika, raha te ‘hitana ny teny sy hamoa amin’ny fiaretana.’ Tena ilaina ny misaintsaina amim-bavaka, rehefa mamaky Baiboly sy boky aman-gazety ara-baiboly.

TAPANY FARANY TAMIN’NY FANOMPOAN’I JESOSY

(Lioka 10:1–24:53)

Naniraka mpianatra 70 hafa hialoha azy tany amin’ireo tanàna sy toerana tany Jodia i Jesosy. (Lioka 10:1) Nitety “tanàna sy vohitra izy, ka nampianatra.”—Lioka 13:22.

Niditra tao Jerosalema nitaingina zanak’ampondra i Jesosy, dimy andro talohan’ny Paska taona 33. Tonga ilay fotoana nolazainy tamin’ny mpianany hoe: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona ka holavin’ny anti-panahy sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina ho faty, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”—Lioka 9:22, 44.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

10:18—Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny tamin’ny mpianany 70 izy hoe: “Hitako fa efa nazera sahady toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana”? Tsy nilaza i Jesosy hoe efa noroahina avy tany an-danitra i Satana. Tsy nitranga mantsy izany raha tsy taoriana kelin’ny nandraisan’i Kristy ny fahefan’ny Mpanjaka tany an-danitra, tamin’ny 1914. (Apok. 12:1-10) Toy ny efa nitranga no nilazan’i Jesosy ilay zavatra ho avy, angamba mba hanamafisana fa tsy maintsy ho tanteraka ilay izy.

14:26—Inona no tiana hambara amin’ny hoe “mankahala” ny havany ny mpanara-dia an’i Kristy? Ao amin’ny Baiboly, ny hoe “mankahala” dia mety hidika hoe fitiavana latsa-danja, izany hoe latsa-danja kokoa ny fitiavana olona iray na zavatra iray raha oharina amin’ny iray hafa. (Gen. 29:30, 31) “Mankahala” ny havany àry ny Kristianina, izany hoe i Jesosy no tiany kokoa noho ny havany.—Matio 10:37.

17:34-37—Iza ireo “voromahery”, ary inona no “faty” hiangonan’izy ireo? Ireo “horaisina” na ho voavonjy no oharina amin’ny voromahery mahita lavitra. Ilay tena Kristy, izay manatrika amin’ny fomba tsy hita maso, sy ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah, no oharina amin’ny “faty” iangonan’izy ireo.—Matio 24:28.

22:44—Nahoana i Jesosy no nijaly mafy? Maro ny antony. Ho faty toy ny mpanao heloka bevava izy. Nampanahy azy ny ho fiantraikan’izany eo amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny anaran’io Rainy io. Fantatr’i Jesosy tsara koa fa miankina amin’ny tsy fivadihany ny hoaviny mandrakizay sy ny an’ny olombelona.

23:44—Fanakona-masoandro ve no nampisy ilay haizina adiny telo? Tsia. Rehefa tsinam-bolana ihany no misy fanakona-masoandro. Fenomanana anefa tamin’ny Paska. Fahagagana nataon’Andriamanitra àry ilay haizina tamin’ny nahafatesan’i Jesosy.

Lesona ho antsika:

11:1-4. Herintaona sy tapany taorian’ny nampianaran’i Jesosy ilay vavaka modely tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra no nanomezany an’io toromarika momba ny vavaka io. Samy hafa kely tamin’ilay vavaka modely izy io. Hita amin’izany fa tsy tokony hanao vavaka tsianjery isika.—Matio 6:9-13.

11:5, 13. Marina fa vonona hamaly vavaka i Jehovah, nefa tokony tsy hitsahatra ny hangataka isika.—1 Jaona 5:14.

11:27, 28. Ny fanaovana hatrany ny sitrapon’Andriamanitra no tena mahasambatra, fa tsy ny fatoram-pihavanana na ny fananan-karena.

11:41. Tokony hatao an-tsitrapo sy amim-pitiavana ny fiantrana ny mahantra.

12:47, 48. Ny olona iray nomena andraikitra lehibe nefa tsy miraharaha izany, dia meloka kokoa noho ny olona iray tsy mahalala na tsy mahatakatra tsara ny andraikiny.

14:28, 29. Hendry isika raha tsy mandany vola mihoatra noho izay ananantsika.

22:36-38. Tsy nasain’i Jesosy hoentina hiarovan-tena ireo fitaovam-piadiana ireo, fa mba hanomezana lesona lehibe ho an’ny mpianany, tamin’ilay alina namadihana azy. Hoy i Jesosy: “Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.”—Matio 26:52.

[Sary, pejy 31]

Modely ho an’ny loham-pianakaviana i Josefa

[Sary, pejy 32]

I Lioka no mitantara amin’ny an-tsipiriany indrindra ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany