Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpandinika Mihevitra Antsika ho Sarobidy

Mpandinika Mihevitra Antsika ho Sarobidy

Manatòna An’Andriamanitra

Mpandinika Mihevitra Antsika ho Sarobidy

Lioka 12:6, 7

‘METY hanameloka antsika ny fontsika’, hoy ny Baiboly. Midika izany fa mety hahatonga antsika hanakiana mafy ny tenantsika izy io indraindray. Mety hahatonga antsika hieritreritra foana mihitsy aza izy io hoe tsy mendrika ny ho tian’Andriamanitra sy hokarakarainy isika. Manome toky anefa ny Baiboly fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ (1 Jaona 3:19, 20) Mahafantatra tsara antsika mihoatra noho ny tenantsika i Jehovah. Mety ho samy hafa be amin’ny fahitantsika ny tenantsika ny fahitany antsika. Ny fomba fiheviny anefa no tena zava-dehibe. Koa ahoana àry no fiheverany antsika? Hita ao amin’ny fanoharana iray mampihetsi-po nolazain’i Jesosy ny valin’izany. Naveriny indroa izy io.

Nilaza izy indray mandeha fa ‘vola madinika kely vidy no ivarotana fody roa.’ (Matio 10:29, 31) Hoy koa izy ao amin’ny Lioka 12:6, 7: “Tsy vola madinika roa kely vidy ve no ivarotana fody dimy? Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ireny, na iray akory aza. ... Koa aza matahotra fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” Hita amin’io fanoharana tsotra sy manohina ny fo io ny fiheveran’i Jehovah ny mpanompony tsirairay.

Anisan’ny vorona fihinana mora indrindra ny fody taloha. Tsy maintsy ho efa nahita vehivavy nahantra nividy an’ireny vorona kely ireny teny an-tsena, mba hohanin’ny fianakaviany, i Jesosy. Mety ho ny reniny mihitsy aza izany. Vola madinika iray antsoina hoe asariona no vidin’ny fody roa, izany hoe ariary zato eo ho eo. Mora be ilay izy, ka asariona roa dia nahazoana fody dimy fa tsy efatra fotsiny, izany hoe kadò ny iray.

Nohazavain’i Jesosy fa na fody iray aza “tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra”, ary tsy misy latsaka ‘amin’ny tany ireny na iray aza, ka tsy fantatry ny Ray.’ (Matio 10:29) Isaky ny misy fody latsaka amin’ny tany, satria angamba maratra, na midina mba hitady hanina, dia hitan’i Jehovah izany. Toa tsy misy dikany ireny vorona ireny, satria kely loatra. Namorona azy ireny anefa i Jehovah, ary tsy kely loatra izy ireny ka hoe tsy hotsaroany. Tena tiany mihitsy aza izy ireny, satria zavamananaina sarobidy. Azonao àry ve ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay fanoharana?

Nanao fampitahana izy matetika rehefa nampianatra, ka nampita fahalalana momba ny zavatra kely iray, ary avy eo nampihatra izany tamin’ny zavatra lehibe kokoa. Nilaza izy, ohatra, hoe: “Tsy mamafy na mijinja [ny goaika], sady tsy manana sompitra na trano fitahirizam-bokatra, kanefa Andriamanitra mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo?” (Lioka 12:24) Mazava àry ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay fanoharana momba ny fody: Raha vorona kely toy ireny aza karakarain’i Jehovah, mainka fa ny olona tia azy sy manompo azy!

Nasehon’i Jesosy àry fa tsy tokony hieritreritra isika hoe tena tsy mendrika ny hojeren’Andriamanitra sy hokarakarainy. Tadidio fa ‘lehibe noho ny fontsika’ izy. Tsy mampahery ve ny mahalala fa afaka mahita ny tsara mety tsy ho hitantsika ao amintsika ny Mpamorona?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Fody: © ARCO/D. Usher/age fotostock