Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Fitondrana naorin’Andriamanitra izy io, ary hitondra ny tany manontolo. Hoy i Jesosy: ‘Mivavaha toy izao ianareo: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” ’—Matio 6:9, 10; Daniela 2:44.

Iza avy no mpitondra ao amin’izy io?

Vao teraka i Jesosy dia efa voalaza fa ho Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny anjely iray tamin’i Maria: ‘Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka izy.’ (Lioka 1:30-33) Nofidin’i Jesosy hiara-manjaka aminy koa ny mpanara-dia azy sasany. Hoy izy tamin’ny apostoliny: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:28, 29; Daniela 7:27) Olona 144 000 no hiara-manjaka aminy.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1.

Aiza no hisy an’ilay Fanjakana?

Hanjaka avy any an-danitra izy io. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Handeha aho ka hanomana toerana [any an-danitra] ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo ho any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa. Hankany amin’ny Ray aho.’—Jaona 14:2, 3, 12; Daniela 7:13, 14.

Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ahoana ny olona ratsy?

Haringan’i Jesosy ny ratsy fanahy. Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona [Jesosy] amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy ... Ary ireo [ratsy fanahy] ho any amin’ny fandringanana mandrakizay, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”—Matio 25:31-34, 46.

Iza no hiaina eto an-tany rehefa hitondra ilay Fanjakana?

Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5; Salamo 37:29; 72:8) Dieny izao dia efa mifankatia ireo olona hiaina eto an-tany amin’izany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:34, 35.

Inona no hataon’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona?

Hanasitrana ny aretina rehetra i Jesosy. Nitory “momba ny fanjakan’Andriamanitra” izy tetỳ an-tany, “sady nanasitrana an’ireo nila fanasitranana.” (Lioka 9:11) Hoy ny apostoly Jaona rehefa avy nahazo fahitana momba an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty: ‘Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana aho, nanao hoe: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.” ’—Apokalypsy 21:1-4.

Hanova ny tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ilay jiolahy niara-novonoina tamin’i Jesosy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:42, 43; Isaia 11:4-9.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 8 *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.