Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Misy Maty

Rehefa Misy Maty

Rehefa Misy Maty

Nisy loza nitranga tao amin’ny seranam-piaramanidin’i São Paulo, tamin’ny talata 17 Jolay 2007, tamin’ny fito ora hariva teo ho eo. Nifatratra tamin’ny trano fanatobiana entana ny fiaramanidina iray, ary olona 200 teo ho eo no maty.

VOALAZA fa iny no lozam-piaramanidina nahatsiravina indrindra tany Brezila hatramin’izay. Tsy ho voakosoka ao an-tsain’ireo namoy havan-tiana mihitsy izy iny. Teo am-pijerena tele, ohatra, i Claudete, no nandre an’ilay vaovao ratsy. Anisan’ireo mpandeha i Renato zanany lahy, izay 26 taona, ary nikasa hampaka-bady ny volana Oktobra. Hany heriny niantso an’i Renato tamin’ny telefaonina, kanjo tsy nisy namaly intsony. Safotra izy ary nianjera tamin’ny gorodona. Nigogogogo tsy laitra nampanginina izy avy eo.

Maty tamin’ny lozam-piarakodia ny fofombadin’i Antje, tamin’ny Janoary 1986. Taitra be izy rehefa nandre izany. Hoy izy: “Tsy nino mihitsy aho tamin’ny voalohany. Nihevitra aho fa nanonofy ratsy, ka rehefa hifoha aho dia ho hitako fa tsy marina ilay izy. Nangovitra aho, ary narary be ny ambavafoko toy ny hoe nisy nanisy totohondry.” Ketraka foana i Antje nandritra ny telo taona. Mbola mangovitra foana izy isaky ny mahatsiaro an’iny loza iny, na dia 20 taona mahery atỳ aoriana aza.

Tsy misy teny mahalaza ny fihetseham-pon’ny olona iray, rehefa mandre loza toy izany. Mety ho taitra be izy, tsy hino, ankona, ary ketraka. Na dia efa ampoizina izao aza hoe ho faty ny havan-tianao, dia mbola malahelo be ihany ianao rehefa maty izy. Tsy misy mihitsy olona vonona hiatrika ny fahafatesan’ny havan-tiana. Efa narary ela be, ohatra, ny renin’i Nanci, ary maty tamin’ny 2002. Toy ny nilatsaham-baratra anefa izy rehefa nandre izany, ary nitorovoka teo amin’ny gorodon’ny hopitaly. Hoatran’ny tsy nisy dikany taminy intsony ny fiainana. Efa enin-taona izay no lasa, kanefa mbola mitomany foana izy isaky ny mahatsiaro an-dreniny.

Hoy ny Profesora Holly Prigerson: “Tsy manadino ny havany maty mihitsy ny olona, fa lasa zatra miaina tsy misy azy fotsiny.” Mety hanontany tena toy izao ianao, raha namoy havan-tiana: ‘Mety àry ve ny malahelo sa tsy mety? Ahoana no ahafahako miatrika ny fahoriako? Mbola hifankahita aminy ve aho indray andro any?’ Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

EVERTON DE FREITAS/AFP/Getty Images