Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Hizakana Alahelo

Fomba Hizakana Alahelo

Fomba Hizakana Alahelo

‘Dia avy ny [zanak’i Jakoba] rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.’—GENESISY 37:35.

NALAHELO be i Jakoba rehefa maty ny zanany iray, ary nikasa hisaona azy mandra-pahafatiny izy. Mety ho namoy havan-tiana koa ianao, ka hihevitra fa tsy hisinda mihitsy ny alahelonao. Midika ve izany fa tsy ampy finoana ianao? Tsy izany velively!

Milaza ny Baiboly fa lehilahy nanam-pinoana i Jakoba. Noderaina izy noho izy nanana finoana niavaka toa an’i Abrahama raibeny sy Isaka rainy. (Hebreo 11:8, 9, 13) Nitolona tamin’ny anjely nandritra ny alina manontolo mihitsy aza izy, indray mandeha, mba hahazoana fitahiana tamin’Andriamanitra. (Genesisy 32:25-31) Tena nanam-pinoana tokoa i Jakoba. Rehefa maty anefa ny zanany araka ny hitantsika teo, dia nalahelo be izy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy hoe malemy finoana akory isika, raha malahelo mafy rehefa misy olon-tiantsika maty. Zavatra ara-dalàna izany!

Fomba isehoan’ny alahelo

Miseho amin’ny endriny maro ny alahelo. Tena mijaly anaty anefa ny olona maro rehefa idonam-pahoriana. Diniho ny nanjo an’i Leonardo. Maty tampoka noho ny aretim-po ny rainy, tamin’izy 14 taona. Tsaroany foana ilay andro nilazan’ny nenitoany taminy an’ilay vaovao ratsy. Tsy nety nino izy tamin’ny voalohany. Mbola tsy nino ihany izy na dia efa nahita ny rainy halevina aza. Tsy nahatomany izy nandritra ny enim-bolana teo ho eo. Matetika izy no nanantena hahita an-drainy miverina avy miasa. Efa afaka herintaona vao tena tsapany hoe maty tokoa ny rainy. Tena nahatsiaro ho nanirery izy tamin’izay. Nahatsiarovany an-drainy avokoa na dia ny zavatra madinika aza, anisan’izany ny hoe tsy nahita olona rehefa tonga tao an-trano. Nigogogogo nitomany izy matetika, rehefa nahatsiaro toy izany. Nalahelo be an-drainy izy!

Mety halahelo be toa an’i Leonardo koa ianao. Soa ihany fa afaka misinda izany, na dia mety ho elaela aza. Elaela vao sitrana ny ratra lehibe, ary toy izany koa ny alahelo. Mety ho volana maromaro izany, na taona vitsivitsy, na mety ho ela kokoa aza. Hihalefy anefa ilay fangirifiriana rehefa mandeha ny fotoana, ka hanana fanantenana indray ianao, ary hisy dikany aminao indray ny fiainana.

Tsara koa ny mamoaka ny alahelo, satria manamaivana ny fahorianao izany sady manampy anao hizatra an’ilay fiainana vaovao. Lasa misy banga eo amin’ny fiainanao rehefa tsy eo intsony ilay olona tianao. Mila mianatra miaina tsy misy an’ilay olona ianao. Manampy anao hamoaka izay manavesatra ny fonao ny alahelo. Tsy mitovy ny fomba amoahan’ny olona ny alahelony, kanefa izao no zavatra tsara ho fantatsika: Raha kobonina ny alahelo, dia misy vokany ratsy eo amin’ny saina sy ny fo ary ny fahasalamana. Ahoana àry no azonao atao mba hamoahanao ny alahelonao, nefa tsy hisy vokany ratsy eo aminao? Misy torohevitra tsara ao amin’ny Baiboly. *

Fomba hizakana alahelo

Hitan’ny olona maro nidonam-pahoriana fa nanampy azy hanamaivana ny alahelony ny firesahana amin’ny hafa. Diniho, ohatra, i Joba, izay voatantara ao amin’ny Baiboly. Maro ny loza nanjo azy, ary maty koa ny zanany folo mianadahy. Hoy izy: “Maharikoriko ahy ny aiko; hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.” (Joba 1:2, 18, 19; 10:1) Mariho fa nila ‘namoaka ny fitarainany’ i Joba. Tamin’ny fomba ahoana? ‘Hiteny aho’, hoy izy, izany hoe hiresaka.

Hoy i Paulo, izay namoy ny reniny: “Nanampy ahy hizaka ny alaheloko ny niresaka momba an’i Neny.” Mety hanamaivana ny fahorianao àry ny mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny namana iray atokisanao. (Ohabolana 17:17) Rehefa maty ny renin’i Yone, dia niangaviany ny mpiray finoana taminy mba hitsidika azy matetitetika. Hoy io anabavy kristianina io: “Nihamaivana ny fahoriako rehefa niresaka tamin’ny olona aho.” Mety ho mora kokoa aminao àry ny hizaka ny fahorianao, raha resahinao amin’ny olona mahay mangoraka ny fihetseham-ponao.

Mety hanampy anao koa ny manoratra taratasy. Mora kokoa amin’ny olona sasany ny mitantara ny fihetseham-pony ao anaty taratasy, noho ny miresaka izany amin’ny hafa. Rehefa maty i Saoly sy Jonatana, dia nanoratra hira fisaonana i Davida lehilahy nahatoky, mba hamborahany ny alahelony. Hita ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny 2 Samoela 1:17-27, io hira mampihetsi-po io.

Mety hanampy koa ny mitomany. Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary ... ao ny andro itomaniana.” (Mpitoriteny 3:1, 4) Tonga ny “andro itomaniana” rehefa maty ny olona iray tianao. Tsy mahamenatra mihitsy izany. Maro ny tantara ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny lehilahy sy vehivavy mahatoky nitomany teo imason’olona. (Genesisy 23:2; 2 Samoela 1:11, 12) Rehefa tonga teo akaikin’ny fasan’i Lazarosy namana tsy foiny, ohatra, i Jesosy Kristy, dia ‘nirotsaka ny ranomasony.’—Jaona 11:33, 35.

Ilaina ny manana faharetana, satria mety hiovaova be ny fihetseham-ponao. Tsy tokony hahamenatra anao anefa ny mitomany. Maro ny Kristianina mahatoky nahita fa mety ny mitomany rehefa malahelo, ary manamaivana ny fahoriana izany.

Manatòna an’Andriamanitra

Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Ny vavaka no fomba iray lehibe manampy antsika hanatona an’Andriamanitra. Tena sarobidy izy io ka tsy tokony hatao tsirambina. Misy teny mampahery toy izao ao amin’ny Baiboly: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Sal. 34:18) Manome toky koa izy io hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” (Sal. 55:22) Hitantsika teo aloha fa manampy antsika hanamaivana ny fahoriantsika ny famborahana ny fihetseham-pontsika amin’ny namana iray azo itokisana. Tsy hihoatra lavitra noho izany ve ny fanampiana ho azonao raha mamboraka ny fihetseham-ponao amin’Andriamanitra ianao, dia ilay mampanantena hampionona ny fonao?—2 Tesalonianina 2:16, 17.

Hoy i Paulo, ilay voaresaka teo aloha: “Rehefa tsy zakako intsony ny alaheloko, ary tsy vitako ny miatrika azy, dia mandohalika aho mivavaka amin’Andriamanitra. Miangavy azy aho mba hanampy ahy.” Tsapan’i Paulo fa tena nanampy azy ny vavaka. Ho hitanao koa fa rehefa maharitra mivavaka ianao, dia hanome anao hery sy tanjaka ahafahanao hizaka ny fahorianao ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintianina 1:3, 4; Romanina 12:12.

Fanantenana mampahery

Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25) Milaza ny Baiboly fa mbola ho velona ny maty. * Noporofoin’i Jesosy tamin’izy teto an-tany, fa afaka manangana ny maty izy. Nanangana zazavavy iray 12 taona, ohatra, izy. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ny ray aman-drenin’io zazavavy io? “Faly tsy nisy ohatra izany” izy ireo. (Marka 5:42) Rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’i Jesosy Kristy any an-danitra ary hanjaka maneran-tany ny fiadanana sy ny fahamarinana, dia olona tsy hita isa no hatsangana amin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 24:15; 2 Petera 3:13) Alao sary an-tsaina ny fifalian’ny olona, rehefa ho velona indray ny maty, ary hiaraka amin’ireo havan-tiany!

Apetak’i Claudete eo amin’ny varavaran’ny friziderany ny sarin’i Renato, ilay zanany maty tamin’ny lozam-piaramanidina. Mijery an’ilay sary izy matetika ary milaza hoe: ‘Hihaona indray isika rehefa hatsangana ny maty.’ I Leonardo kosa maka sary an-tsaina an-drainy ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Nampahery an’i Claudete sy Leonardo, ary ireo olona maro be namoy havan-tiana, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Afaka ny hampahery anao koa io fanantenana io!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Miresaka ny fomba anampiana ny ankizy hizaka ny alahelony noho ny fahafatesan’ny havany akaiky, ilay lahatsoratra hoe “Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony”, ao amin’ny pejy 18 ka hatramin’ny 20.

^ feh. 19 Misy fanazavana bebe kokoa momba ny fitsanganana amin’ny maty, ny toko faha-7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

“Andriamanitry ny Fampiononana”

“Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra!”—2 Korintianina 1:3.

Hita avy amin’io andinin-teny io fa afaka manampy ny mpanompony mahatoky Andriamanitra, mba hahafahan’izy ireo hiatrika zava-tsarotra. Mety hampiasa an’ireo namana na havana mitovy finoana aminao izy, mba hampiononana anao.

Izany no tsapan’i Leonardo, izay namoy ny rainy. Tadidiny tampoka, indray andro, tamin’izy tonga tao an-trano fa tsy nisy olona tao. Nigogogogo nitomany izy. Nankeny amin’ny zaridainam-panjakana tsy lavitra teo izy, ary nipetraka nitomany teo ambony dabilio. Nigogogogo izy sady nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra. Tampoka teo anefa dia nisy fiara nijanona teo akaiky teo. Mpiray finoana aminy ny mpamily azy io ary saika hanatitra entana novidin’olona taminy, saingy diso lalana. Ny fahatongavan’io rahalahy io teo fotsiny dia efa nampahery an’i Leonardo.

Nahatsiaro ho nanirery sy ketraka mafy ny lehilahy iray maty vady, indray andro. Nitomany foana izy satria toa tsy nisy fanantenana ny fiainany. Nitalaho tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy. Mbola tsy vita akory ny vavaka nataony dia naneno ny telefaonina. Ny zafikeliny no niantso azy. Hoy ilay lehilahy: “Nampahery ahy ilay resaka fohy nifanaovanay mianaka. Tsapako mihitsy hoe valim-bavaka ilay izy.”

[Efajoro, pejy 9]

Ampionòny ny Hafa

“Mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra [Andriamanitra], mba hahaizanay hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.”—2 Korintianina 1:4.

Tsapan’ny Kristianina maro ny fahamarinan’izany. Nahazo fampiononana izy ireo tamin’izy namoy havan-tiana, ka nanjary nahay nampahery sy nampionona ny hafa.

Mitsidika tsy tapaka ny mpiara-belona aminy i Claudete mba hizara ny zavatra inoany ao amin’ny Baiboly. Matin’ny kanseran’ny ra ny zanaky ny vehivavy iray notsidihiny. Nitsidika azy io imbetsaka izy talohan’ny nahafatesan’i Renato zanany. Nahafaly an’ilay vehivavy ilay fitsidihana, saingy nihevitra izy fa tsy tena takatr’i Claudete ny fahoriany. Rehefa maty i Renato dia nitsidika an’i Claudete io vehivavy io, mba hahitany raha mbola nino an’Andriamanitra ihany izy taorian’ny nahafatesan-janany. Nampiaiky azy ny finoana matanjaka nananan’i Claudete, ka nianatra Baiboly tsy tapaka izy ary nahazo fampiononana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Nanapa-kevitra ny hianatra tenin’ny tanana i Leonardo taorian’ny nahafatesan-drainy mba hizarany ny hafatra mampionona avy ao amin’ny Baiboly amin’ireo marenina. Hitany fa tena nahasoa azy ny ezaka nataony. Hoy izy: “Nanampy ahy hizaka ny alaheloko ny faniriako hampianatra an’ireo marenina hahalala an’Andriamanitra. Niezaka mafy aho sady nanokana fotoana be dia be hanampiana azy ireo. Niova ho fifaliana ny alaheloko rehefa natao batisa ny lehilahy iray nampianariko Baiboly. Tamin’izay indray aho vao nahita fifaliana taorian’ny nahafatesan’i Dada!”—Asan’ny Apostoly 20:35.

[Sary, pejy 5]

Mety hanamaivana ny fahorianao ny famborahanao ny fihetseham-ponao

[Sary, pejy 6]

Tena hampahery anao ny mamaky an’ireo fitantarana momba ny fitsanganana amin’ny maty

[Sary, pejy 6]

Mety hanampy anao hamboraka ny alahelonao ny fanoratana taratasy

[Sary, pejy 8, 9]

Nampanantena i Jesosy fa hatsangany amin’ny maty ireo maneho finoana azy