Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Lavitra Antsika Tsirairay Izy”

“Tsy Lavitra Antsika Tsirairay Izy”

Manatòna An’Andriamanitra

“Tsy Lavitra Antsika Tsirairay Izy”

Asan’ny Apostoly 17:24-27

TENA faran’izay kely ny olombelona, raha oharina amin’izao rehetra izao. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Azon’ny olona atao ve ny mifandray akaiky amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, atao hoe Jehovah?’ Tsy ho afaka hifandray aminy mihitsy isika, raha tsy tiany hanatona azy. Tiany hanatona azy àry ve isika? Eny tokoa, araka ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’ireo olona nahita fianarana tany Atena, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:24-27. Misy hevitra efatra nolazainy momba an’i Jehovah.

Voalohany, nilaza i Paoly fa Andriamanitra no “nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy.” (Andininy 24) Isan-karazany ary tsara tarehy ireo zavaboary nataony, ka mahatonga ny fiainana hahafinaritra. Midika izany fa tia sy miahy antsika ny Mpamorona. (Romanina 1:20) Tia sy miahy antsika ve izy, dia tsy havelany hanatona azy isika? Tsy mitombina izany.

Faharoa, i Jehovah no “manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” (Andininy 25) Izy tokoa no Mpamelona ny aintsika. (Salamo 36:9) Avy aminy avokoa ny rivotra sy ny rano ary ny sakafo mahavelona antsika. (Jakoba 1:17) Andriamanitra malala-tanana toy izany ve dia hanalavitra antsika, ka tsy hamela antsika hahafantatra azy sy hanatona azy?

Fahatelo, Andriamanitra no ‘nanao ny olona any amin’ny firenena rehetra, avy tamin’ny olona anankiray.’ (Andininy 26) Tsy miangatra na manavakavaka mihitsy i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 10:34) Tsy misy isalasalana izany, satria avy amin’ny “olona anankiray” ihany, dia i Adama, no nanaovany ny firenena rehetra. “Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra.” (1 Timoty 2:4) Afaka manatona azy àry isika, na inona na inona volon-koditsika, na firenentsika, na foko niaviantsika.

Farany, nilaza fahamarinana tena mampahery i Paoly, hoe: “Tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah. (Andininy 27) Marina fa tena ambony i Jehovah, nefa afaka manatona azy foana ny olona tso-po. Manome toky antsika ny Teniny hoe tsy lavitra izy fa “eo akaikin’izay rehetra miantso Azy.”—Salamo 145:18.

Hita tokoa fa tian’Andriamanitra hanatona azy isika. Izay “mitsapatsapa mitady azy” ihany anefa, hoy i Paoly, no hahita azy. (Andininy 27) Araka ny boky iray ho an’ny mpandika teny, dia ‘mitady zavatra azo karohina’ no hevitr’ilay hoe “mitsapatsapa mitady” eto. Aoka hatao hoe maizina ny ao an-tranonao. Mitsapatsapa mitady ny varavarana na ny fandrehetana jiro ianao. Fantatrao fa ho hitanao ilay izy. Azo antoka koa àry fa raha mitsapatsapa mitady an’Andriamanitra isika, dia “tena hahita azy tokoa.”—Andininy 27.

Tena maniry hanatona an’Andriamanitra ve ianao? Tsy ho diso fanantenana ianao, raha tena “mitady azy” sady mino fa hahita azy. Tsy sarotra ny mitady an’i Jehovah, satria “tsy lavitra antsika tsirairay izy.”