Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”

“Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

“Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”

TAITRA i Maria nahita an’ilay vahiny tonga tao an-tranony. Azo antoka fa tsy avy ao Nazareta izy io. Kely mantsy io tanàna io, ka tonga dia fantatra izay vahiny. Sady tena niavaka ity vahiny iray ity! I Maria no notadiaviny fa tsy hoe ny rainy na ny reniny! Hafakely koa ny fomba niarahabany azy. Hoy izy: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.”—Lioka 1:28.

Eo ny Baiboly no miresaka voalohany momba an’i Maria, zanak’i Hely, avy ao Nazareta any Galilia. Efa nanana fofombady izy, dia i Josefa mpandrafitra izay lehilahy tsy nanan-karena nefa nanam-pinoana. Toa efa voalamina mialoha àry ny hoavin’i Maria. Ho tsotra ny fiainany, ary hanohana ny vadiny izy amin’ny fikarakarana ny ankohonany. Hiova anefa ny fiainany. Tonga tampoka mantsy ity vahiny ity, ka nanome azy andraikitra avy amin’Andriamanitra.

Gaga angamba ianao fa tsy miresaka firy momba an’i Maria ny Baiboly. Kely fotsiny no lazainy momba ny fanabeazana azony sy ny toetrany, ary tsy resahiny mihitsy ny bika aman’endriny. Ahalalantsika zavatra maro momba azy anefa izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra.

Betsaka ny zavatra ampianarin’ny fivavahana momba an’i Maria. Maro ny “sariny” natao hoso-doko, na vita tamin’ny marbra na platra. Misy koa mampianatra fa “Renin’Andriamanitra” na “Mpanjakavavin’ny Lanitra” io vehivavy tso-piaina io. Tsy hiresaka an’ireny anefa isika, fa hifantoka kosa amin’izay lazain’ny Baiboly. Ampahafantarin’izy io antsika ny finoan’i Maria sy ny fomba hanahafantsika izany.

Notsidihin’ny anjely

Fantatrao angamba fa tsy olombelona no nitsidika an’i Maria, fa ny anjely Gabriela. “Taitra mafy” i Maria rehefa nantsoiny hoe “ilay ankasitrahana indrindra”, ka nieritreritra ny dikan’io fiarahabana tsy mahazatra io. (Lioka 1:29) Iza no nankasitraka azy? Azo inoana aloha fa tsy nitady sitraka tamin’olona izy. Ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra kosa no nolazain’ilay anjely. Tena zava-dehibe tamin’i Maria izany. Tsy nirehareha anefa izy, ka hoe natoky tena fa efa ankasitrahan’Andriamanitra. Rehefa miezaka mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra koa isika, dia tsy tokony hirehareha mihitsy hoe efa ankasitrahany. Hanahaka an’i Maria isika amin’izay, ka hitadidy hoe manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa tia sy manampy ny manetry tena.—Jakoba 4:6.

Nila nanetry tena i Maria, satria nomena tombontsoa miavaka. Nanazava ilay anjely fa hitoe-jaza izy, ary io zanany io no ho ambony indrindra amin’ny olona rehetra. Hoy i Gabriela: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Fantatr’i Maria tsara fa nampanantena an’i Davida Andriamanitra, arivo taona mahery talohan’io, hoe hanjaka mandrakizay ny iray amin’ny taranany. (2 Samoela 7:12, 13) Io zanak’i Maria io àry ilay Mesia nandrasan’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny taonjato maro!

Nilaza koa ilay anjely fa “hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra” ilay zaza. Olombelona ve anefa dia hiteraka Zanak’Andriamanitra? Sady ahoana koa moa no hahabevohoka an’i Maria nefa izy sy Josefa aza vao mpifamofo? Nanontany àry i Maria hoe: “Ahoana no hetezan’izany, nefa izaho tsy nanao firaisana tamin-dehilahy?” (Lioka 1:34) Mariho fa tsy menatra i Maria nilaza hoe mbola virjiny. Sarobidy taminy kosa izany. Tanora maro anefa ankehitriny no maika erỳ hanary ny fahadiovany, ary maneso an’ireo mbola virjiny. Miova tokoa ity tontolo ity, fa i Jehovah kosa tsy mba miova. (Malakia 3:6) Ankasitrahany foana ireo manaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena, toy ny tamin’ny andron’i Maria ihany.—Hebreo 13:4.

Tsy lavorary i Maria, na dia mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika aza. Ahoana àry no hahafahany hiteraka an’ilay Zanak’Andriamanitra, izay lavorary? Hoy i Gabriela: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 1:35) Ny hoe masina dia midika hoe “madio tanteraka”, “tsy misy loto.” Tsy lavorary ny olona, ka tsy afaka miteraka zanaka lavorary. Hanao fahagagana miavaka anefa i Jehovah, ka hafindrany ao an-kibon’i Maria ny ain’ilay zanany any an-danitra. Hampiasa ny fanahy masina izy avy eo, mba “hanaloka” an’i Maria, ka hiaro an’ilay zaza tsy handova ota. Nino ny fampanantenan’ilay anjely ve i Maria? Inona no nataony?

Ny valin-tenin’i Maria

Nilaza ilay anjely fa hiteraka i Maria virjiny. Misy anefa tsy mino an’izany, toa an’ireo teolojianina sasany ao amin’ny Kristianisma Anarana. Nahita fianarana be izy ireo, nefa fahamarinana tsotra toy izany dia tsy azony. Hoy mantsy i Gabriela: ‘Tsy hisy tsy ho tanteraka izay lazain’Andriamanitra.’ (Lioka 1:37) Natoky i Maria fa ho tanteraka ny tenin’i Gabriela, satria tovovavy nanam-pinoana izy. Tsy finoana an-jambany anefa ny azy. Nila porofo kosa izy, toy ny olona misaina rehetra. Nanome porofo àry i Gabriela, ka niresaka momba an’i Elizabeta, havan’i Maria. Momba izy io sady efa be taona, nefa bevohoka noho ny fahagagana nataon’Andriamanitra!

Inona àry no hataon’i Maria? Nanankinana andraikitra izy, ary fantany fa hanatanteraka izay rehetra nolazain’i Gabriela Andriamanitra. Tsy tokony hieritreritra isika hoe mora tamin’i Maria izany, ka tsy nisy nampahatahotra azy mihitsy. Fofombadin’i Josefa mantsy izy, ka tsy maintsy ho nieritreritra hoe mbola hanambady azy ihany ve i Josefa rehefa fantany fa bevohoka izy. Toa tena nampahatahotra koa ilay fanendrena. Ilay zanaka malalan’Andriamanitra mantsy no ho ao an-kibony, dia ilay sarobidy indrindra amin’ny zavaboary! Tsy maintsy hikarakara an’ilay zaza izy, ary hiaro azy amin’ny tontolo ratsy. Andraikitra mavesatra tokoa izany!

Asehon’ny Baiboly fa lehilahy natanjaka sy nanam-pinoana aza niahotra, rehefa nahazo fanendrena sarotra avy amin’Andriamanitra. Nanda, ohatra, i Mosesy rehefa nasaina nisolo tena an’Andriamanitra, ka nilaza fa tsy nahay nandaha-teny izy. (Eksodosy 4:10) I Jeremia koa nilaza fa “mbola zaza”, ka tsy ho afaka hanao ny asa nanirahana azy. (Jeremia 1:6) I Jona indray nandositra mihitsy rehefa nirahina! (Jona 1:3) Ahoana kosa ny amin’i Maria?

Nanetry tena sy nankatò izy. Nalaza nandritra ny taonjato maro ny valin-teny tsotra nomeny an’i Gabriela hoe: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao.” (Lioka 1:38) Ny mpanompovavy no olona ambany indrindra, ary niankina tanteraka tamin’ny tompony ny fiainany. Toy izany no niheveran’i Maria ny tenany, teo anatrehan’i Jehovah Tompony. Fantany fa afaka nanankina tanteraka ny fiainany taminy izy, satria tsy mivadika amin’izay tsy mivadika aminy i Jehovah. (Salamo 18:25) Fantany koa fa hahazo fitahiana izy, raha miezaka mafy manatanteraka an’ilay fanendrena sarotra.

Mety hihevitra isika indraindray hoe mangataka zavatra sarotra sy tsy ho vitantsika mihitsy Andriamanitra. Manome antsika porofo maro anefa izy ao amin’ny Teniny, fa afaka matoky azy isika. (Ohabolana 3:5, 6) Hanahaka an’i Maria àry ve isika, ka hanankina tanteraka ny fiainantsika amin’i Jehovah? Hamaly soa antsika izy amin’izay, ka vao mainka isika hino azy.

Nitsidika an’i Elizabeta

Zava-dehibe tamin’i Maria ny tenin’i Gabriela momba an’i Elizabeta. Iza tokoa moa, amin’ny vehivavy rehetra, no hahatakatra tsara ny toe-javatra misy azy, afa-tsy i Elizabeta? Lasa haingana àry i Maria nankany Joda, faritra be tendrombohitra. Lalana telo na efatra andro eo ilay izy. Nanome porofo hafa hanatanjahana ny finoan’i Maria i Jehovah, rehefa niditra tao an-tranon’i Elizabeta sy Zakaria mpisorona izy. Tsapan’i Elizabeta fa nibitaka noho ny hafaliana ny zaza tao an-kibony, raha vao nandre ny fiarahaban’i Maria izy. Feno fanahy masina izy, ka niantso an’i Maria hoe “renin’ny Tompoko.” Nambaran’Andriamanitra tamin’i Elizabeta fa ilay zanak’i Maria no ho Tompo na Mesia. Nidera an’i Maria mihitsy izy noho ny finoany sy ny fankatoavany. Hoy izy: “Sambatra koa ianao fa nino.” (Lioka 1:39-45) Tsy maintsy tanteraka tokoa izay rehetra nolazain’i Jehovah tamin’i Maria!

Voarakitra ao amin’ny Lioka 1:46-55 ny tenin’i Maria taorian’izay. Io no teniny lava indrindra ao amin’ny Baiboly, ary ahalalan-javatra betsaka momba azy. Nidera an’i Jehovah izy, satria notahiny ka lasa renin’ny Mesia. Hita àry fa olona nahay nankasitraka izy. Nilaza koa izy fa mampietry ny mpirehareha sy ny manana fahefana i Jehovah, ary manampy ny olona ambany sy mahantra izay maniry hanompo azy. Hita amin’izany hoe nanana finoana matanjaka i Maria. Voalaza fa naka teny in-20 mahery tao amin’ny Soratra Hebreo izy. Midika izany fa nahay ny Soratra Masina izy!

Hita tokoa fa nisaintsaina lalina ny Tenin’Andriamanitra i Maria. Nanetry tena anefa izy ka tsy nilaza ny heviny manokana, fa nampiasa ny Soratra Masina. Niteny toy izao koa ilay zanany rehefa lehibe: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Manaja lalina ny Tenin’Andriamanitra ve aho? Sa aleoko ihany ny hevitro manokana?’ Modely ho antsika tokoa i Maria.

Nijanona telo volana tany amin’i Elizabeta i Maria, ary azo antoka fa tena nifampahery izy ireo. (Lioka 1:56) Mampahatsiahy antsika izany fa sarobidy ny namana. Handroso ara-panahy sy ho akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra isika, raha olona tena tia azy no ataontsika namana. (Ohabolana 13:20) Nody i Maria rehefa afaka telo volana. Inona àry no holazain’i Josefa?

Maria sy Josefa

Azo inoana fa tsy niandry ny kibony ho hita i Maria vao niteny tamin’i Josefa, izay lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra. Mety ho nieritreritra anefa izy hoe hino izay holazainy ve i Josefa. Nanatona azy ihany i Maria, ary nitantara ny zava-drehetra. Azonao angamba fa tena sahiran-tsaina i Josefa. Te hino an’ilay olon-tiany izy, saingy tena tsy nampino ny zavatra nolazainy satria mbola tsy nisy hoatran’izany mihitsy taloha! Tsy lazain’ny Baiboly izay tao an-tsainy. Voalaza kosa fa nikasa hisaraka tamin’i Maria izy. Toy ny efa mpivady mantsy ny mpifamofo tamin’izany. Nikasa hisaraka taminy mangingina anefa izy, mba tsy hahatonga an’i Maria ho afa-baraka na ho voasazy. (Matio 1:18, 19) Tsy maintsy ho nalahelo i Maria rehefa nahita an’io lehilahy tsara fanahy io niady saina mafy. Tsy tezitra taminy anefa i Maria.

Tsy navelan’i Jehovah hisaraka tamin’i Maria i Josefa. Niteny taminy tamin’ny nofy ny anjelin’Andriamanitra hoe fahagagana no nahabevohoka an’i Maria. Maivamaivana erỳ i Josefa nandre izany! Nanaiky ny tari-dalan’i Jehovah koa izy, toy ny efa nataon’i Maria. Nanambady an’i Maria àry izy, ka niomana hitaiza an’ilay Zanak’i Jehovah. Andraikitra lehibe tokoa izany!—Matio 1:20-24.

Modely ho an’ny mpivady sy ireo mikasa hivady io mpivady tanora io, izay niaina 2 000 taona lasa izay. Hitan’i Josefa fa nahay nitaiza sy nanao tsara ny andraikiny ny vadiny. Niaiky àry izy hoe soa ihany fa nanoro hevitra azy ny anjelin’i Jehovah. Hitany koa fa tena ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. (Salamo 37:5; Ohabolana 18:13) Azo antoka fa raim-pianakaviana tsara fanahy izy, ary nitandrina tsara foana rehefa nanapa-kevitra.

Inona koa no ianarantsika avy amin’i Maria? Nanaiky hanambady an’i Josefa izy na dia tsy nino azy aza i Josefa tamin’ny voalohany. Nanam-paharetana izy, satria i Josefa no ho lohan’ny fianakaviana. Modely ho an’ny vehivavy kristianina àry izy. Farany, nandraisan’i Josefa sy Maria lesona iny zava-nitranga iny hoe ilaina ny mifampiresaka tsara sy tsy an-kifonofono.

Tsara fototra ny fanambadian’i Josefa sy Maria, noho izy ireo samy tia an’i Jehovah Andriamanitra, ambonin’ny zava-drehetra. Naniry hampifaly azy foana izy ireo, ka vonona hitaiza tsara ny zanany. Hahazo fitahiana be dia be izy ireo amin’izany, nefa hiatrika zava-tsarotra maro koa. Izy ireo mantsy no hitaiza an’i Jesosy, izay ho lasa lehilahy niavaka indrindra teto an-tany!

[Sary, pejy 17]

Ny fitiavana an’Andriamanitra no fototra tsara indrindra ho an’ny fanambadiana