Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tezitra Tamin’ny Zandriny Izy

Tezitra Tamin’ny Zandriny Izy

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Tezitra Tamin’ny Zandriny Izy

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY GENESISY 4:1-12.

Hoatran’ny ahoana, araka ny hevitrao, ny paozipaozin’i Kaina sy ny toetrany? Ary ny an’i Abela?

․․․․․

Inona no “asan’ny nofo” nasehon’i Kaina, ary ahoana no ahalalantsika izany? (Galatianina 5:19-21)

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.—VAKIO INDRAY NY ANDININY 4-7.

Ny fanatitr’izy roa lahy ihany ve no nojeren’i Jehovah, sa nisy zavatra hafa koa? (Ohabolana 21:2)

․․․․․

Rahoviana no mety ny tezitra? Nahoana anefa no tsy rariny mihitsy raha “tezitra indrindra” i Kaina?

․․․․․

Inona avy no azon’i Kaina natao, mba tsy hahatonga azy ho tezitra loatra?

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Hatezerana.

․․․․․

Tokony hatao mba tsy ho tezitra loatra.

․․․․․

INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․