Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Inona no nampiova ny tovolahy iray, izay anisan’ny andian-jiolahy meksikanina nantsoina hoe Zanak’i Satana, ho lasa olom-pirenena manao ny marina sy miasa mafy? Nahoana no tsy nikatsaka vola aman-karena intsony ny vehivavy japoney iray nahomby teo amin’ny raharaham-barotra? Inona no tsapany momba ny fiovana nataony? Nahoana ny Rosianina iray mpivarotra fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, no tsy nanao izany asa izany intsony na dia nahazoam-bola be aza? Diniho izay nolazain’izy ireo.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: ADRIAN PEREZ

TAONA: 30

FIRENENA: MEKSIKA

FIAINANY TALOHA: JIOLAHY

NY FIAINAKO TALOHA: Nifindra tany Ecatepec de Morelos, Fanjakan’i Mexico, ny fianakaviako, tamin’izaho 13 taona. Fahita tao amin’ilay tanàna ny tanora maditra, mpanimba zavatr’olona, ary mpidoroka zava-mahadomelina. Tsy ela aho dia niboboka toaka, nanimbanimba zavatr’olona, ary nijangajanga.

Niverina tany San Vicente, tanàna nahaterahako, izahay, tatỳ aoriana. Olana lehibe tany koa ny fidorohana zava-mahadomelina. Fahita ny tanora maty nitsitra teny amin’ny arabe. Niaraka tamin’ny andian-jiolahy atao hoe Zanak’i Satana aho. Nangalatra izahay ary nidoroka zava-mahadomelina. Lakaoly na ireny ranoka fanampohana loko ireny no nofohinay. Mazàna no tsy tadidiko ny fomba nahatongavako tao an-trano, ary indraindray aza aho nitsirara tsy nahatsiaro tena teny amin’ny arabe. Naiditra am-ponja ny namako sasany noho ny halatra na vonoan’olona.

Nino an’Andriamanitra aho, na izany aza. Namonjy fety ara-pivavahana aho, mba hampandry ny saiko. Nanaraka ilay atao hoe Lalan’ny Hazo Fijaliana, ohatra, izahay, nandritra ny Herinandro Masina. Rehefa vita anefa izany, dia nisotro toaka mandra-pahamamo izahay ho fankalazana ny nandraisanay anjara tamin’ilay fety. Mamo koa na ilay nanao ny anjaran’i Kristy aza.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’izaho 20 taona teo ho eo. Tsapako fa tsy tena nisy tanjona ny fiainako, ary ho ratsy fiafara aho raha tsy miova. Nahatonga saina ahy ny teny voalazan’ny Galatianina 6:8 hoe: “Izay mamafy ho an’ny nofony ... dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony. Fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.” Hitako àry fa mila mitsinjo ny hoaviko aho, raha tsy te ho ratsy fiafara.

Nanjary fantatro, rehefa nianatra Baiboly aho, fa Andriamanitra velona i Jehovah ary miahy ahy sy vonona hamela ny fahotako taloha. Hitako tamin’ny zavatra niainako fa mamaly vavaka izy.

Tsy mora ny niova. Sarotra ny nandao ilay andian-jiolahy. Tsy nahazo nandalo tany amin’ny faritra sasany aho, na dia efa tsy anisan’izy ireo intsony aza. Tsy maintsy niafina ny namako taloha koa aho indraindray, satria nitady hitaona ahy hiverina tamin’ny fahazaran-dratsiko ry zareo.

Hafa mihitsy anefa ny fivoriana niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Efitrano Fanjakana, satria sariaka sy be fitiavana izy ireo. Nahavariana ahy fa tena nanam-pinoana sy niaina nifanaraka tamin’izay nampianariny izy ireo, ary hafa tanteraka noho ny olona nifaneraserako taloha.

NY SOA NORAISIKO: Folo taona izao no naha Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ahy. Miezaka mafy mampihatra ny fampianaran’ny Baiboly eo amin’ny fiainako aho, ka manjary hajain’ny fianakaviako. Hitan’izy ireo izao fa olona mazoto miasa aho, ary afaka manampy azy ireo ara-bola mihitsy aza. Nianatra Baiboly ny reniko ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa miova koa izao ny raiko. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny havako. Rehefa nahita ny fiovana nataoko anefa izy ireo, dia niaiky fa afaka manampy ny olona hanatsara ny fiainany ny Baiboly.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: YAYOI NAGATANI

TAONA: 50

FIRENENA: JAPON

FIAINANY TALOHA: MPANDRAHARAHA MPANEFOHEFO

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tao amin’ny tanàna kely iray be olona sariaka aho. Nanana fivarotana lehibe tao ny raiko, ary folo ny mpiasany. Teo akaikin’ilay fivarotana ny tranonay, ka tsy nangingina mihitsy aho, na dia be atao aza i Dada sy Neny.

Telo mirahavavy izahay ary izaho no vavimatoa. Mbola kely aho dia efa nampianarina hitantana ilay fivarotanay. Kely nanambady aho. Niala tao amin’ny banky ny vadiko, ary lasa niasa tao amin’ilay fivarotana. Niteraka telo mianadahy nifanesisesy izahay. Ny reniko no nitaiza azy ireo sady nanao ny raharaha tao an-trano. Izaho kosa niasa tao amin’ilay fivarotana, maraina mandra-pahalin’ny andro. Mbola nanam-potoana kely niarahana ihany ny fianakaviako, na izany aza.

Lasa tsy nandeha anefa ny tsena teo amin’ny faritra nisy anay, satria tsy nanam-bola firy ny olona. Nanapa-kevitra àry izahay fa hanangana fivarotana fitaovana fanamboaran-trano, teo amoron’ny lalambe iray. Safotra anefa i Dada, iray andro talohan’ny nanorenana ilay trano fivarotana, satria voan’ny aretin’ny atidoha tampoka. Lasa tsy nahay niteny tsara intsony izy, ka izaho no nitantana ilay fivarotana vaovao. Mbola nijanona tao amin’ilay fivarotanay taloha kosa ny vadiko. Nanjary be atao be izahay.

Nandeha be ilay tsenanay vaovao. Nahafaly ahy ny zava-bitako ka niari-tory be aho mba hiasana. Tiako ny zanako, nefa ny asa foana no masaka tao an-tsaiko. Tsy nanam-potoana firy hiresahana tamin’ny vadiko aho, ary rehefa mba niresaka izahay dia nifamaly be. Niady saina aho ka zara raha nijanona tao an-trano ny hariva. Naleoko nisotro toaka niaraka tamin’ny namako sy ny mpiara-miasa amiko. Tsy nanao afa-tsy ny niasa, nisotro, ary natory aho. Nanam-bola be aho nefa tsy sambatra, ka tena tsy azoko ny antony.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Andinin-teny telo ao amin’ny Baiboly no nisy vokany lalina tamiko, rehefa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nitomany aho rehefa azoko ny dikan’ny Matio 5:3 hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Azoko hoe nahoana aho no tsy sambatra na dia nanam-bola be sy nohajain’ny mpiara-miasa aza. Takatro fa izay mahatsapa ho mila an’Andriamanitra sy miezaka mifandray tsara aminy ihany no tena sambatra.

Niharatsy ny toe-karen’i Japon, ka hitako tamin’ny fiainan’ireo namako, fa marina ny voalazan’ny 1 Timoty 6:9 hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.” Tsapako koa fa nahakasika ahy ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:24 hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” Tapa-kevitra ny hiova àry aho.

Hitako fa tsy niraharaha ny ray aman-dreniko sy ny vady aman-janako aho. Lasa nanana toetra ratsy koa aho. Nanjary nanambony tena sy tsy nanam-paharetana, ary mora tezitra aho. Nieritreritra aho tamin’ny voalohany, fa tsy ho vitako mihitsy izany hiova ho Kristianina izany. Tena tiako anefa ny zanako, ary voamariko fa nisy vokany tsara teo amin’izy ireo ny fampiharako ny torohevitry ny Baiboly teo amin’ny fifandraisako tamin’ny fianakaviako. Nanokana fotoana betsaka kokoa niarahana tamin’izy ireo aho, sady nitondra azy tany amin’ny fivoriana kristianina.

NY SOA NORAISIKO: Tena faly sy afa-po aho nahafantatra ny antony iainantsika. Faly koa aho afaka manompo an’Andriamanitra sy mampifaly azy. Tsy nataoko ambony noho ny fianakaviako intsony ny asako, ka nanjary nanana ny hajako indray aho.

Niova aho rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Nahita izany ny reniko ka nianatra Baiboly koa, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Mahafinaritra fa tsy nanohitra ny fanapahan-kevitray i Dada sy ny vadiko. Manjary akaiky kokoa ny zanako aho izao, ary tena sambatra ny fianakaviako.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: MIKHAIL ZUYEV

TAONA: 51

FIRENENA: ROSIA

FIAINANY TALOHA: MPIVAROTRA FITAOVAM-PIADIANA TSY ARA-DALÀNA

NY FIAINAKO TALOHA: Mipetraka eto Krasnogorsk aho. Rakotra zava-maitso ny manodidina ny tanànanay. Mikoriana ao atsimon-tanàna ny Reniranon’i Moskova. Voahodidin’ny ala ny lafiny andrefana sy avaratr’ilay tanàna.

Tia nanao ady totohondry sy nilalao fitaovam-piadiana aho, tamin’ny mbola tanora. Nandany fotoana be hanazaran-tena aho. Nanamboatra basy sy bala ary antsy koa aho, na dia tsy nahazo alalana aza. Lasa fivelomako izany. Nahay nandamina tsara ny asako aho, ary nandeha be ny varotra fitaovam-piadiana nataoko tamin’ny mpanao heloka bevava.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, taoriana kelin’ny 1990. Tsy natoky azy ireo aho tamin’ny voalohany, satria be fanontaniana loatra izy ireo.

Namaky tamiko ny Romanina 14:12 ny iray tamin’izy ireo, indray andro. Izao no voalaza ao: “Samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.” Nieritreritra àry aho hoe inona no holazaiko amin’Andriamanitra. Nandrisika ahy hianatra ny zavatra notakin’Andriamanitra tamiko io andininy io.

Niezaka mafy aho mba hampihatra ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Kolosianina 3:5-10 hoe: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatanareo etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy. Ireo zavatra ireo no mampahatezitra an’Andriamanitra ... Esory aminareo mihitsy ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo. Ary esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao.”

Tena sarotra tamiko ny niova. Mbola nanome vola ividianana fitaovam-piadiana ireo mpanao heloka bevava. Sarotra tamiko koa ny nifehy tena rehefa nisy olona nahatezitra ahy. Nopotehiko daholo anefa ny tahirim-pitaovam-piadiana nananako, na dia lafo be aza. Nanjary tia an’Andriamanitra sy Kristy aho, rehefa nianatra momba ny fitiavan’izy ireo ahy. Nanohy ny fianarako samirery ny Baiboly aho, nanatrika ireo fivoriana niaraka tamin’ny fiangonana teo an-toerana, ary nivavaka mba hampian’Andriamanitra.

NY SOA NORAISIKO: Nihatsara tsikelikely ny toetrako, noho ny ezaka mafy nataoko sy ny fanampian’ny Kristianina namako. Faly be aho nahafantatra fa miahy ny olona tsirairay i Jehovah Andriamanitra, na dia ireo efa maty aza. (Asan’ny Apostoly 24:15) Tiako ny fahatsoran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mihatsaravelatsihy izy ireo. Ankasitrahako ny fiahian’izy ireo ahy sy ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra.

Nanohitra ny finoako vaovao ny fianakaviako sasany sy ny namako, tamin’ny voalohany. Naleon’izy ireo anefa nahita ahy nivavaka, toy izay niara-niasa tamin’ny mpanao heloka bevava. Faly aho satria tsy lany andro mivarotra fitaovam-piadiana intsony, fa manokan-tena hanampy ny hafa hianatra momba ilay Andriamanitry ny fiadanana.

[Sary, pejy 27]

Nandray anjara tamin’ny fety katolika aho, mba hampandry ny saiko

[Sary, pejy 28]

Nanam-bola be aho, nefa tsy sambatra mihitsy