Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohero “ny Fanahin’izao Tontolo Izao”

Tohero “ny Fanahin’izao Tontolo Izao”

Tohero “ny Fanahin’izao Tontolo Izao”

“Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra.”—1 KOR. 2:12.

1, 2. a) Inona no nilana an’ireo vorona tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany? b) Nahoana no mety hampidi-doza ny Kristianina ity tontolo ity?

MISY vorona mahay mamantatra aloha be ny gazy iray mahafaty, izay tsy misy loko sady tsy misy fofona. Mety hiely ao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany io gazy io, rehefa misy afo mirehitra tampoka. Mba hiarovana ny mpitrandraka arintany, dia namoaka lalàna ny manam-pahefana anglisy tamin’ny 1911, fa tsy maintsy miompy roa amin’io vorona io ny toeram-pitrandrahana rehetra. Entina any ambanin’ny tany ilay vorona, rehefa misy afo mirehitra. Tsy mahazo aina izy, na mianjera ho azy, raha vao misy an’ilay gazy. Tena mila an’io famantarana mialoha io ireo mpitrandraka. Raha tsy izany dia ho voapoizin’ilay gazy izy ireo, ka ho safotra, na ho faty mihitsy aza.

2 Mitovitovy amin’ireo mpitrandraka ireo ny Kristianina. Nahoana? Rehefa naniraka ny mpianany hitory ny vaovao tsara eran-tany i Jesosy, dia fantany fa mety hampidi-doza ilay tontolo anirahany azy ireo. Fehezin’i Satana mantsy izy io, ary manjaka eo aminy ny fanahin’izao tontolo izao. (Matio 10:16; 1 Jaona 5:19) Nanahy mafy ny amin’ny mpianany i Jesosy, ka nivavaka toy izao tamin-dRainy, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy.”—Jaona 17:15.

3, 4. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy ny mpianany, ary nahoana izany no tokony hahaliana antsika?

3 Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy, fa mety ho faty izy ireo raha tsy mailo. Tena mila izany fampitandremany izany isika izay miaina amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Hoy i Jesosy: ‘Miambena hatrany mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.’ (Lioka 21:34-36) Soa ihany fa nampanantena koa i Jesosy hoe homen’ny Rainy fanahy masina izy ireo, mba hampahatsiahy azy izay nianarany sy hanampy azy ho mailo sy ho be herim-po.—Jaona 14:26.

4 Afaka mahazo ny fanampian’ny fanahy masina koa ve isika ankehitriny? Inona no tsy maintsy atao mba hahazoana azy io? Inona ilay hoe fanahin’izao tontolo izao? Manao ahoana ny herin’izy io eo amin’ny olona? Ary ahoana no hanoherana azy io?—Vakio ny 1 Korintianina 2:12.

Ny fanahy masina sa ny fanahin’izao tontolo izao?

5, 6. Manampy antsika hanao inona ny fanahy masina, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana azy io?

5 Azo atao koa ankehitriny ny mahazo ny fanahy masina, fa tsy hoe tamin’ny taonjato voalohany ihany. Manome hery hanaovana ny tsara izy io, ary mandrisika antsika hafana fo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Rom. 12:11; Fil. 4:13) Manampy antsika koa izy io mba haneho toetra mahafinaritra, toy ny fitiavana sy hatsaram-panahy ary hatsaran-toetra, izay “vokatry ny fanahy.” (Gal. 5:22, 23) Tsy teren’i Jehovah handray ny fanahiny masina anefa ny olona tsy maniry izany.

6 Eritrereto àry hoe: ‘Inona no azoko atao mba hahazoako ny fanahy masina?’ Milaza zavatra maromaro azo atao ny Baiboly. Anisan’izany ny hoe mangataka amin’Andriamanitra ny fanahiny. Tena ilaina izany, ary mora atao. (Vakio ny Lioka 11:13.) Ilaina koa ny mandinika sy mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, izay nomena tamin’ny alalan’ny fanahiny. (2 Tim. 3:16) Tsy izay rehetra mamaky fotsiny ny Baiboly dia mahazo ny fanahy masina. Tokony hodinihina tsara izy io, toy ny ataon’ny Kristianina tso-po, mba hahatakarana ny fihetseham-po sy ny fomba fihevitra ampitaina ao anatiny. Zava-dehibe koa ny fanekena fa nanendry an’i Jesosy ho solontenany i Jehovah, ary amin’ny alalany no anomezany ny fanahy masina. (Kol. 2:6) Noho izany, dia tokony hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny modely navelan’i Jesosy sy ny fampianarany isika. (1 Pet. 2:21) Arakaraka ny hiezahantsika hanahaka an’i Kristy, no hahazoantsika fanahy masina.

7. Inona no porofo fa misy heriny eo amin’ny olona ny fanahin’izao tontolo izao?

7 Mitarika ny olona hanahaka an’i Satana kosa ny fanahin’izao tontolo izao, na ny toe-tsainy. (Vakio ny Efesianina 2:1-3.) Misy heriny eo amin’ny olona izy io, ary miseho amin’ny endriny maromaro izany. Mitaona ny olona handika ny fitsipik’Andriamanitra izy io, araka ny hita hatraiza hatraiza. Mampirisika ny olona izy io mba hanome fahafaham-po “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso” ary ‘hampideradera fananana.’ (1 Jaona 2:16) Mahatonga azy ireo hanao ny asan’ny nofo koa izy io. Anisan’izany ny fijangajangana, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, ary fimamoana. (Gal. 5:19-21) Mitarika ny olona izy io mba hanao resaka manazimbazimba zava-masina, toy ny fanaon’ny mpivadi-pinoana. (2 Tim. 2:14-18) Azo antoka fa arakaraka ny aneken’ny olona ho voatariky ny fanahin’izao tontolo izao, no mahatonga azy hitovy kokoa amin’i Satana.

8. Inona no safidy tsy maintsy ataontsika rehetra?

8 Rehefa tsy ny fanahy masina no mitarika ny olona iray, dia ny fanahin’izao tontolo izao. Tsy maintsy misafidy àry ny tsirairay hoe iza amin’ireo no avelany hibaiko azy. Afaka miova anefa ny olona, ka tsy hanaiky hobaikoin’ny fanahin’izao tontolo izao intsony, fa hanaiky hotarihin’ny fanahy masina. Marina koa ny mifanohitra amin’izany. Misy olona efa nanaraka ny fitarihan’ny fanahy masina, nefa mety ho voataonan’ny fanahin’izao tontolo izao. (Fil. 3:18, 19) Hojerentsika izao ny fomba hanoherana ny fanahin’izao tontolo izao.

Hitanao ve ireo famantarana?

9-11. Inona no famantarana sasany hoe mety ho efa voatariky ny fanahin’izao tontolo izao isika?

9 Nampiasa vorona ireo mpitrandraka arintany voaresaka tetsy aloha, mba hampitandrina azy ny amin’ny fisian’ny gazy mahafaty. Raha hitany nianjera ho azy ilay vorona, dia fantany fa mila manao zavatra haingana izy mba tsy ho faty. Misy koa ny famantarana mialoha, izay milaza amintsika fa efa voataonan’ny fanahin’izao tontolo izao isika. Inona avy izany?

10 Azo inoana fa nazoto namaky Baiboly erỳ isika, raha vao nianatra ny fahamarinana sy nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nivavaka matetika sy tamin-kafanam-po koa isika. Tena tiantsika ny namonjy fivoriana. Nihevitra azy ireny ho fomba ahazoana fampaherezana isika, toy ny toerana misy rano mangatsiatsiaka ho an’ny olona main’ny hetaheta. Nanafaka antsika tamin’ny fangejan’ny fanahin’izao tontolo izao izany.

11 Mbola miezaka mamaky Baiboly isan’andro ve isika ankehitriny? (Sal. 1:2) Mivavaka matetika sy amin’ny fo ve isika? Tiantsika ve ny mivory, ka mamonjy ny fivoriana rehetra isika isan-kerinandro? (Sal. 84:10) Sa efa najanontsika ny sasany amin’ireo fahazarana tsara ireo? Marina fa mety ho be andraikitra isika, ary maka fotoana sy mandany hery izany. Noho izany, dia mety ho sarotra ny hanana an’ireny fahazarana ireny foana. Ahoana anefa raha lasa an-tsirambina ny fahazarana sasany nananantsika? Mety hidika ve izany fa efa voatariky ny fanahin’izao tontolo izao isika? Hiezaka mafy ve isika izao mba hiverina amin’ireny fahazarana tsara ireny?

Tandremo ny fonareo

12. Inona no nasain’i Jesosy notandreman’ny mpianany, ary nahoana?

12 Inona koa no azo atao hanoherana ny fanahin’izao tontolo izao? Vao avy nampitandrina ny mpianany momba ny zavatra sasany mety hampidi-doza i Jesosy, rehefa nampirisika azy ireo ‘hiambina hatrany.’ Hoy izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.”—Lioka 21:34, 35.

13, 14. Inona avy no fanontaniana tsara hoeritreretintsika mahakasika ny fihinanana sy ny fisotroana?

13 Eritrereto io fampitandremana io. Nilaza ve i Jesosy hoe ratsy ny mihinana sy misotro? Tsy izany mihitsy! Nahalala an’izao tenin’i Solomona izao izy: “Fantatro ankehitriny fa tsy misy mahasoa [ny olombelona] mihoatra noho ny mifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany. Ary fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpito. 3:12, 13) Fantatr’i Jesosy koa anefa fa mampirisika ny olona hanaram-po amin’ireo ny fanahin’izao tontolo izao.

14 Inona àry no azo atao mba tsy ho voapoizin’io fanahy io isika, ka hanadino fa mampidi-doza ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka? Tsara ny manontany tena hoe: ‘Rehefa mamaky Baiboly na ireo boky aman-gazety aho, ka mahita torohevitra momba ny hatendan-kanina, ahoana no fandraisako an’ilay izy? Ataoko hoe tsy mahakasika ahy na hentitra loatra ve ilay izy, ka angamba aho mitady fialan-tsiny amin’ny zavatra ataoko? * Ary ahoana no fiheverako ny torohevitra momba ny fisotroana? Toroana hevitra isika mba tsy ‘hiboboka toaka’ mihitsy, ka hahalala onony rehefa misotro, na tsy hisotro mihitsy. Hamaivaniko ve ireny torohevitra ireny, satria misy antony iheverako fa tsy mihatra amiko ilay izy? Miaro tena ve aho, na tezitra, rehefa misy milaza amiko fa misy mampanahy azy amin’ny fisotroako? Mampirisika ny hafa tsy hiraharaha ireny torohevitra ara-baiboly ireny ve aho?’ Hita amin’ny toe-tsain’ny olona àry raha efa voatariky ny fanahin’izao tontolo izao izy.—Ampitahao amin’ny Romanina 13:11-14.

Aza manaiky ho voagejan’ny fanahiana

15. Inona no fantatr’i Jesosy momba antsika ka nampitandremany antsika?

15 Tena ilaina koa ny miezaka tsy hanahy be loatra, mba hanoherana ny fanahin’ity tontolo ity. Fantatr’i Jesosy fa mora manahy momba izay ilaina eo amin’ny fiainana isika, satria tsy lavorary. Noho ny fitiavany ny mpianany, dia nanoro hevitra azy ireo izy hoe: “Aza manahy intsony.” (Matio 6:25) Ara-dalàna anefa ny manahy momba ny zava-dehibe sasany. Anisan’izany ny hoe mampifaly an’Andriamanitra, manao ny andraikitra kristianina, ary mamelona fianakaviana. (1 Kor. 7:32-34) Inona àry no ianarantsika avy amin’ilay fampitandremana nomen’i Jesosy?

16. Inona no vokatry ny fanahin’izao tontolo izao eo amin’ny olona maro?

16 Mampirisika mafy ny olona mba hampideradera fananana ny fanahin’izao tontolo izao. Maro no voafandrik’izany, ka mandraiky marary noho ny fanahiana. Tian’ity tontolo ity hieritreritra isika hoe ny vola no mahatonga anao tsy hanana ahiahy. Lazainy koa fa tsy ny toetra kristianina no tena maha olona ny olona fa ny hatsaran’ny fananany sy ny habetsahan’izany. Manjary milofo mangoron-karena ny olona voafitak’izany. Lasa mibahana ao an-tsainy ny fomba no hahazoany ny entana nivoaka farany sy miavaka indrindra. (Ohab. 18:11) Miteraka fanahiana izany hevi-diso momba ny fananana izany, ary ny fanahiana kosa mangeja ny Kristianina ka misakana azy tsy hanao fandrosoana.—Vakio ny Matio 13:18, 22.

17. Inona avy no azontsika atao mba tsy ho voagejan’ny fanahiana isika?

17 Afaka miaro tena tsy ho voagejan’ny fanahiana isika, raha mankatò ilay didin’i Jesosy hoe: “Katsaho foana àry aloha ny [fanjakan’Andriamanitra] sy ny fahamarinany.” Manome toky i Jesosy fa hahazo izay tena ilaintsika isika, raha manao izany. (Matio 6:33) Ahoana no ampisehoantsika fa mino an’izany isika? Ataontsika loha laharana ny fikatsahana ny fahamarinan’Andriamanitra, ka manaraka ny fiheverany ny atao hoe marina eo amin’ny resaka ara-bola isika. Tsy manao hosoka, ohatra, isika rehefa mameno taratasy momba ny hetra. Tsy ataontsika koa na dia ireo heverina ho lainga kely eo amin’ny raharaham-barotra aza. Manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanajana ny fifanekena ara-bola, ka rehefa “Eny dia Eny” ny tenintsika, amin’ny resaka trosa. (Matio 5:37; Sal. 37:21) Marina fa tsy mampanan-karena ny fanaovana ny marina toy izany. Kanefa ahazoana sitraka amin’Andriamanitra izany, ananana feon’ny fieritreretana madio, ary tena mampihena ny fanahiana.

18. Inona no modely navelan’i Jesosy ho antsika, ary inona no soa ho azontsika raha manahaka azy isika?

18 Ny hoe ‘mikatsaka aloha ny Fanjakana’ dia midika koa hoe mahalala izay tokony ho zava-dehibe indrindra. Diniho ny modely navelan’i Jesosy. Nanao akanjo tsara izy indraindray. (Jaona 19:23) Niara-nisakafo sy nisotro divay tamin’ny namany koa izy. (Matio 11:18, 19) Raha atao hoe sakafo ny fiainana, dia zavatra mampahatsiro azy fotsiny ny fananana sy ny fialam-boly tamin’i Jesosy, fa tsy tena foto-tsakafo. Ny haniny dia ny manao ny sitrapon’i Jehovah. (Jaona 4:34-36) Tena hahafa-po antsika ny fiainantsika, raha manahaka an’i Jesosy isika! Faly isika mitondra fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ny olona voahosihosy. Anehoan’ny fiangonana fitiavana isika, ary ampiany. Mampifaly ny fon’i Jehovah koa isika. Rehefa mahalala izay tokony ho zava-dehibe indrindra isika, dia tsy ny fananana sy ny fialam-boly no tompontsika. Mpanompontsika kosa izy ireo, izany hoe fitaovana manampy antsika hanompo an’i Jehovah. Ankoatra izany, rehefa mazoto kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana isika, dia azo inoana kokoa hoe tsy ho voataonan’ny fanahin’izao tontolo izao.

Aoka ‘hifantoka amin’ny fanahy’ foana ny sainao

19-21. Inona no azontsika atao mba ‘hifantoka amin’ny fanahy’ foana ny saintsika, ary nahoana isika no tokony hanao izany?

19 Ny hevitra no mahatonga ny olona hanao zavatra. Vokatry ny hevitra na fisainana araka ny nofo àry matetika ilay antsoin’ny olona hoe fanaovan-javatra tsy voahevitra. Noho izany, dia mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa mila mitandrina ny fomba fisainantsika isika. Hoy izy: “Ny olona araka ny nofo dia mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny nofo, fa ny olona araka ny fanahy kosa mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny fanahy.”—Rom. 8:5.

20 Inona no azo atao, mba tsy hobaikoin’ny fanahin’izao tontolo izao ny fisainantsika, ka hisy vokany eo amin’ny ataontsika izany? Tsy maintsy mifidy izay ampidirintsika ao an-tsaintsika isika. Toy ny hoe sivanintsika izay miditra ao amin’izy io, ka sakanantsika tsy hiditra ao ny hevitr’ity tontolo ity. Mifidy fialam-boly tsy mampirisika fitondran-tena maloto na herisetra, ohatra, isika mba tsy ho voaloto ny saintsika. Ekentsika fa masina ny fanahin’Andriamanitra, izany hoe madio izy io, ka tsy hitoetra ao amin’ny saina maloto. (Sal. 11:5; 2 Kor. 6:15-18) Afaka mitoetra ao amin’ny saintsika kosa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa ataontsika tsy tapaka ireto: mamaky Baiboly, mivavaka, misaintsaina, ary mivory. Manaiky ny tari-dalan’izy io koa isika, rehefa mitory tsy tapaka.

21 Marina fa tena tsy maintsy manohitra ny fanahin’izao tontolo izao sy ny fanirian’ny nofo aterany isika. Handray soa anefa isika raha miezaka mafy manao izany, satria hoy i Paoly: “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana, ary ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy kosa midika ho fiainana sy fiadanana.”—Rom. 8:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Toe-tsaina ny hatendan-kanina, ary ny fihinanana na fisotroana tafahoatra no ahitana azy. Tsy noho ny haben’ny olona àry no ilazana azy hoe tendan-kanina, fa ny fihetsiny manoloana ny sakafo. Mety ho tendan-kanina na dia ny olona antonontonony, na mahia aza. Mety ho vokatry ny aretina koa anefa ny hatavezana be loatra, na efa manaranaka. Ny tokony hojerena àry dia hoe maniry mafy hihinana tafahoatra ve ny olona iray, na mahia izy na matavy.—Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2004.

Tadidinao Ve?

• Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fanahy masina?

• Ahoana no ahitana fa misy heriny eo amintsika ny fanahin’izao tontolo izao?

• Inona no azontsika atao mba hanoherana ny fanahin’izao tontolo izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Mivavaha mba hahazo ny fanahy masina, alohan’ny handehanana hiasa na hianatra

[Sary, pejy 23]

Tsy maintsy miezaka isika hanana saina madio, hanao ny marina eo amin’ny raharaham-barotra, ary hahalala onony