Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah, Ilay “Mpanafaka” Tamin’ny Andro Fahiny

Jehovah, Ilay “Mpanafaka” Tamin’ny Andro Fahiny

Jehovah, Ilay “Mpanafaka” Tamin’ny Andro Fahiny

“Vonjeo haingana aho, Andriamanitra ô! Ianao no Mpanampy sy Mpanafaka ahy.”—SAL. 70:5.

1, 2. a) Rahoviana ny mpanompon’Andriamanitra no mitady fanampiana aminy? b) Inona no fanontaniana mipetraka, ary aiza no ahitantsika ny valiny?

TANY am-pialan-tsasatra izy mivady no nahare fa tsy hita ny zanany vavy 23 taona, efa manambady. Nahiahina ho nisy namono io zanany io. Nangorona entana avy hatrany izy ireo, dia niverina nody sady nitalaho ny fanampian’i Jehovah. Fantatry ny Vavolombelona iray 20 taona fa voan’ny aretina izay hahatonga azy halemy tanteraka izy. Tonga izy dia nivavaka tamin’i Jehovah. Sahirana mafy mitady asa ny reny tokan-tena manan-janaka vavy 12 taona, ary tsy manam-bola hividianana sakafo ho azy mianaka. Koa namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah izy. Mazàna tokoa no mitady fanampiana amin’Andriamanitra ny mpanompony, rehefa tojo fitsapana mafy na zava-tsarotra. Efa nisy fotoana ve niantsonao vonjy tamin’i Jehovah satria tena nila fanampiana ianao?

2 Tena afaka matoky anefa ve isika fa hamaly antsika i Jehovah, rehefa mangataka fanampiana aminy isika? Mamaly izany fanontaniana lehibe izany ny Salamo faha-70, ary tena manatanjaka finoana ny valiny. I Davida no nanoratra an’io salamo mampihetsi-po io. Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika izy, ary niatrika fitsapana lehibe sy zava-tsarotra maro. Voatosika hilaza toy izao momba an’i Jehovah io mpanao salamo io: “Andriamanitra ô! Ianao no Mpanampy sy Mpanafaka ahy.” (Sal. 70:5) Handinika ny Salamo faha-70 isika, mba hahitana hoe nahoana isika no afaka miantehitra amin’i Jehovah, rehefa mila fanampiana. Hanampy antsika koa izy io hahita ny antony atokisantsika tanteraka fa izy no “Mpanafaka” antsika.

‘Ianao no Mpanafaka’

3. a) Inona no fitalahoana hita ao amin’ny Salamo faha-70? b) Inona no toky ananan’i Davida?

3 Miantomboka sy mifarana amin’ny fitalahoana fanampiana amin’Andriamanitra ny Salamo faha-70. (Vakio ny Salamo 70:1-5.) Miangavy an’i Jehovah i Davida mba hanafaka azy “haingana.” Indimy izy no miangavy eo amin’ny andininy faha-2 ka hatramin’ny faha-4. Samy manomboka amin’ilay teny hoe “aoka” ireo andinin-teny ireo, ary samy manambara faniriana. Miresaka momba an’ireo mitady hamono an’i Davida ny fiangaviana telo voalohany. Mitalaho amin’i Jehovah izy mba ho resy ireo fahavalony ireo, ka ho menatra noho ny ratsy ataony. Momba ny vahoakan’Andriamanitra kosa ny fiangaviana roa farany. Mivavaka i Davida mba hifaly sy hankalaza an’i Jehovah ireo mitady Azy. Izao no lazainy amin’i Jehovah eo am-pamaranana: “Ianao no Mpanampy sy Mpanafaka ahy.” Mariho fa tsy miteny i Davida eo hoe “Aoka ianao ho”, toy ny milaza faniriana iray fanampiny. Tsy misalasala kosa izy milaza hoe “Ianao no.” Tena natoky àry izy fa hanampy azy Andriamanitra.

4, 5. Inona no ianarantsika momba an’i Davida, rehefa dinihina ny Salamo faha-70? Ary inona no toky ananantsika?

4 Inona no ianarantsika momba an’i Davida, rehefa dinihina ny Salamo faha-70? Tapa-kevitra ny hamono azy ny fahavalony, nefa tsy nisafidy ny hiady irery izy. Natoky kosa izy fa hamely an’ireo mpanohitra ireo i Jehovah, amin’ny fotoana sy amin’ny fomba mety aminy. (1 Sam. 26:10) Mbola resy lahatra foana i Davida fa manampy sy manafaka an’ireo mitady Azy i Jehovah. (Heb. 11:6) Nino izy fa tokony hifaly sy hankalaza an’i Jehovah ny tena mpanompony, ka hanambara ny fahalehibeazany.—Sal. 5:11; 35:27.

5 Toa an’i Davida, dia matoky tanteraka koa isika fa Mpanampy sy “Mpanafaka” antsika i Jehovah. Rariny àry raha mivavaka aminy isika mba hanampiany haingana antsika, rehefa tojo fitsapana lehibe na mila fanampiana mafy. (Sal. 71:12) Ahoana anefa no hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika? Alohan’ny hiresahantsika izany, dia hodinihintsika aloha ireo lafin-javatra telo nanafahan’i Jehovah an’i Davida, ka nanampiany azy tamin’ny fotoana nilany izany.

Novonjena tsy ho azon’ny mpanohitra

6. Ahoana no nahafantaran’i Davida fa manafaka ny olo-marina i Jehovah?

6 Efa nisy ampahany tamin’ny Baiboly tamin’ny andron’i Davida. Koa fantany fa afaka miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah ny olo-marina. Nitsimbina ny ain’i Noa sy ny fianakaviany natahotra an’Andriamanitra, ohatra, i Jehovah rehefa nahatonga Safodrano teo amin’ny tontolo ratsy fahiny. (Gen. 7:23) Nanampy an’i Lota olo-marina, sy ny zanany roa vavy koa izy, rehefa nandatsaka afo sy solifara teo amin’ireo mponina ratsy fanahy tao Sodoma sy Gomora. Afa-nandositra àry izy ireo, ka voaro ny ainy. (Gen. 19:12-26) Narovan’i Jehovah ny vahoakany ka novonjeny mba tsy ho ripaka, rehefa naringany tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao mpieboebo sy ny tafiny. (Eks. 14:19-28) Tsy mahagaga àry raha niantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitra mpamonjy” i Davida, ao amin’ny salamo iray hafa.—Sal. 68:20.

7-9. a) Nahoana i Davida no natoky fa mahavonjy Andriamanitra? b) Iza no nolazain’i Davida fa nanafaka azy?

7 Nisy antony hafa koa nahatonga an’i Davida hatoky tanteraka fa mahavonjy i Jehovah. Izy mihitsy no nahatsapa fa mahavonjy an’izay manompo an’i Jehovah ny “sandriny mandrakizay.” (Deot. 33:27, Fandikan-teny Katolika) Tsy indray mandeha mantsy i Jehovah no efa namonjy an’i Davida tsy ho azon’ny “fahavalo tezitra.” (Sal. 18:17-19, 48) Intỳ misy ohatra.

8 Nidera an’i Davida ny vehivavy teo amin’ny Israely, noho izy mpiady mahay. Koa nanjary nialona azy i Saoly Mpanjaka, ka indroa izy no nitoraka lefona azy. (1 Sam. 18:6-9) Afa-niala foana anefa i Davida. Afa-niala ve izy satria fotsiny hoe efa zatra ady, ka kinga sy mailaka? Tsia. Hazavain’ny Baiboly fa “nomba azy i Jehovah.” (Vakio ny 1 Samoela 18:11-14.) Tatỳ aoriana, dia nanao tetika i Saoly mba hamonoan’ny Filistinina an’i Davida. Tsy nahomby anefa izany, ka “hitan’i Saoly fa nomba an’i Davida i Jehovah.”—1 Sam. 18:17-28.

9 Iza no nolazain’i Davida fa nanafaka azy? Izao no teny mampiditra ny Salamo faha-18: “Nataon[’i Davida] ho an’i Jehovah izao tononkira izao, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy ... teo am-pelatanan’i Saoly.” Nilaza ny fihetseham-pony i Davida ka nihira hoe: “I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy. Andriamanitro no vatolampiko. Hialoka aminy aho.” (Sal. 18:2) Tsy manatanjaka ny finoantsika ve ny mahafantatra fa mahavita manafaka ny vahoakany i Jehovah?—Sal. 35:10.

Rehefa narary teo am-pandriana

10, 11. Mety ho oviana i Davida no narary mafy, araka ny Salamo faha-41?

10 Narary mafy i Davida Mpanjaka, indray mandeha, araka ny Salamo faha-41. Nandamaka tao am-pandriana izy, ka noheverin’ny fahavalony fa “tsy ho tafarina intsony.” (Andininy 7, 8) Oviana i Davida no narary mafy toy izany? Raha jerena ny zavatra resahin’io salamo io, dia mety ho tamin’izy nitebiteby mafy, rehefa nitady handrombaka ny fanjakany i Absaloma zanany.—2 Sam. 15:6, 13, 14.

11 Resahin’i Davida ao, ohatra, fa namadika azy ny namany iray nitokisany, izay mpiara-misakafo taminy. (Andininy 9) Mampahatsiahy antsika zava-nitranga iray teo amin’ny fiainan’i Davida izany. Rehefa nikomy tamin’i Davida Mpanjaka i Absaloma, dia namadika an’i Davida i Ahitofela mpanolo-tsaina nitokisany, ka niandany tamin’i Absaloma. (2 Sam. 15:31; 16:15) Alao sary an-tsaina ange ny nanjo an’ilay mpanjaka narary teo am-pandrianany e! Tsy nanana hery hitsanganana intsony izy, nefa fantany fa naniry ny hahafatesany ny olona nanodidina azy, mba hanatanterahan’izy ireo ny teti-dratsiny.—Andininy 5.

12, 13. a) Inona no toky nananan’i Davida? b) Inona no mety ho nataon’Andriamanitra hampaherezana an’i Davida?

12 Natoky an’ilay “Mpanafaka” foana i Davida. Izao no nolazainy momba ny olo-marina marary, izay manompo an’i Jehovah: “I Jehovah hamonjy azy amin’ny andro mahory. I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany. Hikarakara azy eo amin’ny farafarany ianao, mandritra ny fotoana aharariany.” (Sal. 41:1, 3) Mariho indray ny fatokisan’i Davida rehefa nilaza izy hoe: “I Jehovah no.” Azony antoka fa hanafaka azy i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana?

13 Tsy nanantena i Davida hoe hanao fahagagana i Jehovah mba hanasitranana azy. Azony antoka anefa fa “hanohana azy” i Jehovah, izany hoe hanampy sy hanome hery azy raha mbola mandamaka ao am-pandriana izy. Nila izany tokoa i Davida! Tsy vitan’ny hoe reraky ny aretina fotsiny mantsy izy, fa voahodidin’ny fahavalo izay nilaza zava-dratsy momba azy koa. (Andininy 5, 6) Mba hampaherezana azy anefa, dia nataon’i Jehovah angamba izay hahatonga azy hahatadidy hevitra mampahery. Mariho fa nilaza i Davida hoe: “Manohana ahy ianao satria tsy mivadika aminao aho.” (Andininy 12) Mety ho nampahery an’i Davida koa ny nieritreritra fa amin’i Jehovah dia olona tsy mivadika izy, na dia kely aza ny heriny ary nilaza zava-dratsy momba azy ny fahavalony. Sitrana ihany i Davida tamin’ny farany! Tsy mampahery ve ny mahalala fa manohana ny marary i Jehovah?—2 Kor. 1:3.

Nomena izay nilainy izy ireo

14, 15. Oviana i Davida sy ny olony no nila fanampiana? Ahoana no nahazoan’izy ireo izany?

14 Afaka nankafy sakafo sy zava-pisotro faran’izay tsara i Davida, tamin’izy lasa mpanjakan’ny Israely. Afaka nanasa olona maro hiara-misakafo aminy mihitsy aza izy. (2 Sam. 9:10) Nisy fotoana koa anefa izy tsy nanan-kohanina. Rehefa nikomy sy nitady handrombaka ny fanjakany mantsy i Absaloma zanany, dia niala tao Jerosalema izy sy ireo mpomba azy. Nandositra izy ireo ka nankany Gileada, tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. (2 Sam. 17:22, 24) Voatery nandositra foana i Davida sy ny olony, ka tena nila sakafo sy zavatra hosotroina ary fialan-tsasatra. Aiza anefa izy ireo no hahita sakafo any amin’io toerana somary mitokana io?

15 Tonga tany amin’ny tanànan’i Mahanaima i Davida sy ny olony tamin’ny farany. Nihaona tamin’i Soby sy Makira ary Barzilay, lehilahy be herim-po, izy ireo. Vonona hanao vivery ny ainy ireo lehilahy ireo, mba hanampiana ilay mpanjaka notendren’Andriamanitra. Azo antoka mantsy fa hanasazy mafy an’izay nanohana an’i Davida i Absaloma, raha lasany ny fanjakana. Tsy nivadika tamin’ny mpanjakany anefa izy telo lahy. Nahatsapa ny fahorian’i Davida sy ny olony izy ireo, ka nanome izay nilainy: fandriana, varimbazaha, vary orza, voam-bary natono, tsaramaso be, lantihy, tantely, dibera, ary ondry. (Vakio ny 2 Samoela 17:27-29.) Tsy maintsy ho nanohina ny fon’i Davida ny nahita fa niavaka ny tsy fivadihan’izy telo lahy sy ny fitiavany nandray vahiny. Tsy hohadinoiny mihitsy ny soa nataon’ireo.

16. Iza no tena nanome izay nilain’i Davida sy ny olony?

16 Iza anefa no tena nanome izay nilain’i Davida sy ny olony? Niaiky i Davida fa mikarakara ny olony i Jehovah. Azon’i Jehovah atao tokoa ny manentana ny mpanompony hanampy an’izay mpiara-manompo sahirana. Rehefa nisaintsaina ny zava-nitranga tany Gileada i Davida, ka nahita ny hatsaram-panahy nasehon’izy telo lahy, dia azo antoka fa tsapany hoe tia sy mikarakara azy i Jehovah. Nanoratra toy izao izy tamin’izy efa antitra: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina [anisan’izany ny tenany] nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Sal. 37:25) Tsy mampahery ve ny mahafantatra fa tsy fohy mihitsy ny tanan’i Jehovah?—Ohab. 10:3.

‘Hain’i Jehovah afahana ny olony’

17. Inona no efa noporofoin’i Jehovah imbetsaka?

17 Iray monja amin’ireo mpanompony maro fahiny nafahan’i Jehovah i Davida. Taorian’i Davida, dia efa imbetsaka Andriamanitra no nanaporofo fa marina ireto tenin’ny apostoly Petera ireto: “Hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra.” (2 Pet. 2:9) Diniho ireto ohatra roa ireto.

18. Inona no nataon’i Jehovah hamonjena an’ireo mpanompony tamin’ny andron’i Hezekia?

18 Nanafika an’i Joda sy nandrahona ny hamely an’i Jerosalema ny tafika maherin’ny Asyrianina, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Koa nivavaka i Hezekia Mpanjaka hoe: “Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo ... izahay, mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!” (Isaia 37:20) Ny lazan’Andriamanitra sy ny anarany no tena nampanahy an’i Hezekia. Novalian’i Jehovah àry izany vavaka avy amin’ny fo izany. Koa nandripaka Asyrianina 185 000 ny anjely iray, tao anatin’ny indray alina monja, ka namonjy an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika.—Isaia 37:32, 36.

19. Inona no fampitandremana nohenoin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ka tsy niharan-doza izy ireo?

19 Nilaza faminaniana i Jesosy ho fampitandremana an’ireo mpianany tany Jodia, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. (Vakio ny Lioka 21:20-22.) Nandeha ny fotoana, ary efa am-polony taona no lasa. Tamin’ny taona 66 anefa, dia tonga nanafika an’i Jerosalema ny tafika romanina satria nikomy ny Jiosy. Efa nahavita nandrava ampahany tamin’ny mandan’ny tempoly ny tafik’i Cestius Gallus, no niala tampoka. Nanararaotra izany ny Kristianina tsy nivadika, ka nandositra tany an-tendrombohitra. Tsy niharan’ilay fandringanana efa nambaran’i Jesosy mialoha àry izy ireo. Niverina ny tafika romanina tamin’ny taona 70, ary tsy niala intsony. Rava tanteraka i Jerosalema. Afa-nandositra an’io loza nahatsiravina io ireo Kristianina nihaino ny fampitandreman’i Jesosy.—Lioka 19:41-44.

20. Nahoana isika no afaka matoky fa “Mpanafaka” antsika i Jehovah?

20 Tena manatanjaka finoana ny misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah ny olony. Matoky azy isika rehefa mandinika ny zavatra nataony fahiny. Afaka matoky tanteraka isika fa “Mpanafaka” antsika i Jehovah, na inona na inona zava-tsarotra efa atrehintsika na mbola hatrehintsika amin’ny hoavy. Ahoana anefa no anafahan’i Jehovah antsika? Ary inona no niafaran’ireo olona noresahintsika tetsy am-piandohana? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Tadidinao Ve?

• Inona no toky ananantsika rehefa avy nandinika ny Salamo faha-70 isika?

• Ahoana no nampaherezana an’i Davida tamin’izy narary?

• Inona avy no ohatra mampiseho fa vitan’i Jehovah ny manafaka ny olony tsy ho azon’ny mpanohitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 6]

Namaly ny vavak’i Hezekia i Jehovah