Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Niresaka momba ny “fametrahan-tanana” ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Hebreo. Fanendrena anti-panahy ve no tiany holazaina, sa zavatra hafa?—Heb. 6:2.

Azo inoana fa ny fametrahan-tanana mba hampitana fahaizana omen’ny fanahy masina no tian’i Paoly holazaina. Tsy manizingizina ny amin’izany anefa isika.

Miresaka momba ny fametrahan-tanana tokoa ny Baiboly rehefa nisy olona notendren’Andriamanitra. “Nametra-tanana” tamin’i Josoa, ohatra, i Mosesy rehefa nanendry azy handimby azy. (Deot. 34:9) Nametrahan-tanana koa ny lehilahy nahafeno fepetra teo anivon’ny fiangonana kristianina, rehefa notendrena. (Asa. 6:6; 1 Tim. 4:14) Nampitandrina i Paoly mba tsy halaky hametra-tanana amin’ny olona iray.—1 Tim. 5:22.

Nampirisihin’i Paoly anefa ny Kristianina hebreo mba “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana”, satria efa nialan’izy ireo “ny fampianarana fototra.” Notanisainy avy eo ny ‘fibebahana amin’ny asa maty, ny finoana an’Andriamanitra, ny fampianarana ny amin’ny batisa samihafa ary ny fametrahan-tanana.’ (Heb. 6:1, 2) Moa àry ve ny fanendrena anti-panahy fampianarana fototra fotsiny, izay tokony hialana raha te handroso? Tsia, fa tanjona mendrika hotratrarin’ny rahalahy matotra rehetra izy io, ary hankasitrahany rehefa tratrany.— 1 Tim. 3:1.

Nisy antony hafa koa anefa nametrahan-tanana: Nolavin’i Jehovah ny firenen’Israely tamin’ny taonjato voalohany, ka nosoloany ny Israely ara-panahy, na ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (Matio 21:43; Asa. 15:14; Gal. 6:16) Nanaporofo izany ny nahazoan’izy ireo fahaizana mahagaga avy tamin’ny fanahy, toy ny fahaizana miteny amin’ny fiteny samihafa. (1 Kor. 12:4-11) Nahazo fanahy masina, ohatra, ry Kornelio mianakavy rehefa lasa mpino, ka “niteny tamin’ny fiteny samihafa.”—Asa. 10:44-46.

Tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana no nampitana fahaizana mahagaga, indraindray. Maro no natao batisa tany Samaria, rehefa nitory ny vaovao tsara tany i Filipo. Koa naniraka an’i Petera sy Jaona tany ny filan-kevi-pitantanana. Nahoana? Izao no vakintsika: “Koa nametra-tanana tamin’ireo [vao vita batisa], izy roa lahy, ka nandray ny fanahy masina ireo.” Mety hidika izany hoe nahazo fahaizana avy tamin’ny fanahy izy ireo, ary nibaribary izany. Nahita izany i Simona, izay nampiasa herin’ny maizina teo aloha, ka te hanome vola mba hahaizany hametra-tanana amin’olona mba hahazoan’ilay olona fanahy masina koa. (Asa. 8:5-20) Olona 12 no natao batisa taorian’izay, tany Efesosy. Izao no vakintsika: “Rehefa nametra-tanana tamin’ireo i Paoly dia nilatsaka tamin’ireo ny fanahy masina, ka niteny tamin’ny fiteny samihafa ireo sady naminany.”—Asa. 19:1-7; ampitahao amin’ny 2 Timoty 1:6.

Koa ny fametrahan-tanana mba hampitana fahaizana nomen’ny fanahy masina tamin’ireo vao tonga mpino àry no tian’i Paoly holazaina ao amin’ny Hebreo 6:2.