Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Ireo Tafasaraka Amin’ny Andian’ondry

Ampio Ireo Tafasaraka Amin’ny Andian’ondry

Ampio Ireo Tafasaraka Amin’ny Andian’ondry

“Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay ondriko very.”—LIOKA 15:6.

1. Nahoana i Jesosy no lazaina fa mpiandry be fitiavana?

“ILAY mpiandry ondry lehibe” no iantsoana an’i Jesosy Kristy, Zanaka lahitokan’i Jehovah. (Heb. 13:20) Nilaza mialoha ny fahatongavany ny Soratra Masina, ary nampiseho fa Mpiandry tsy manan-tsahala izy. Nitady ny “ondry very” teo amin’ny Israely izy. (Matio 2:1-6; 15:24) Mety hanao vivery ny ainy ny mpiandry ondry, mba hiarovana ny ondry. Nanome ny ainy koa i Jesosy, mba hanavotana ny olona toy ny ondry, izay manaiky ny sorona nataony.—Jaona 10:11, 15; 1 Jaona 2:1, 2.

2. Inona no mety ho nahatonga ny Kristianina sasany tsy hitory na tsy hivory intsony?

2 Mampalahelo fa misy olona toa nankasitraka ny soron’i Jesosy ary nanolo-tena ho an’Andriamanitra, nefa tsy miara-manompo amin’ny fiangonana intsony. Mety ho nampihena ny zotom-pony ka nahatonga azy tsy hitory na tsy hivory intsony ny hakiviana, ny aretina, na olana hafa. Izay miaraka amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ihany anefa no hiadana sy ho sambatra, araka ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo faha-23. Nihira toy izao izy: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.” (Sal. 23:1) Tsy ory na inona na inona ireo ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra, fa manana izay rehetra ilaina mba hifandraisana aminy. Tsy toy izany kosa ny ondry very. Iza àry no afaka manampy azy ireo? Ahoana no hanampiana azy? Inona no azo atao, mba hiverenany indray ao amin’ny andian’ondry?

Iza no afaka manampy?

3. Inona no nolazain’i Jesosy fa ilaina mba hamerenana ny ondry very ho ao an-kijanan’Andriamanitra?

3 Ilana ezaka ny famerenana ny ondry very ho ao an-kijanan’Andriamanitra. (Sal. 100:3) Mampiseho izany ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha misy olona manana ondry zato ka nania ny iray, tsy hamela ny sivy amby sivifolo eo an-tendrombohitra ve izy ka handeha hikaroka ilay nania? Ary raha hitany ilay izy, dia lazaiko aminareo tokoa fa iny no hahafaly azy kokoa noho ireo sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa fa tsy tian’ny Raiko any an-danitra hisy ho very ny iray amin’ireny madinika ireny.” (Matio 18:12-14) Iza àry no afaka manampy ny olona tafasaraka amin’ny andian’ondry?

4, 5. Ahoana no tokony hiheveran’ny anti-panahy ny andian’ondrin’Andriamanitra?

4 Raha te hanampy an’ireo ondry very ny anti-panahy, dia tsy maintsy mitadidy fa olona vita fanoloran-tena amin’i Jehovah izy ireny, ary ‘ondry ao amin’ny kijanan’Andriamanitra’, ka sarobidy aminy. (Sal. 79:13) Mila fiahiana sy fitiavana ireny ondry sarobidy ireny, ka tsy maintsy miahy azy ireo ny mpiandry be fitiavana. Tena misy vokany tsara ny fitsidihana azy ireny, raha atao amin-katsaram-panahy. Mety hanatanjaka ny finoany ny fampaherezan’ny mpiandry be fitiavana. Handrisika azy hiverina ao amin’ny andian’ondry koa izany.—1 Kor. 8:1.

5 Adidin’ny mpiandry ny mitady ny ondry very, sy ny miezaka manampy azy ireo. Nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly an’ireo anti-panahy tany Efesosy izany andraikiny izany. Hoy izy: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.” (Asa. 20:28) Nampirisika an’ireo anti-panahy voahosotra koa ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, ary tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa, tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.”—1 Pet. 5:1-3.

6. Nahoana no lazaina fa izao indrindra ny ondry no mila ny fiahian’ny mpiandry?

6 Tokony hanahaka an’i Jesosy, ilay “mpiandry tena tsara”, ny mpiandry kristianina. (Jaona 10:11) Tena niahy ny ondrin’Andriamanitra izy. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny hikarakarana azy ireny, satria nilaza tamin’i Simona Petera izy mba ‘hiandry ny ondrikeliny.’ (Vakio ny Jaona 21:15-17.) Izao indrindra ny ondry no mila izany fiahian’ny mpiandry izany. Vao mainka miezaka mafy mantsy ny Devoly mba hampivadika ny olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Hararaotiny ny fahalemen’ny nofo ary ampiasainy ny tontolony, mba hisarihana ny ondry hanao ratsy. (1 Jaona 2:15-17; 5:19) Ireo lasa mangatsiaka, izany hoe, ireo tsy mitory na tsy mivory intsony no tena mora hararaotina. Mila ampiana àry izy ireny, mba ‘handeha araka ny fanahy.’ (Gal. 5:16-21, 25) Mila miantehitra amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ny mpiandry, raha te hanao izany. Ilain’izy ireo koa ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra sy ny fahaizana mampiasa ny Teniny.—Ohab. 3:5, 6; Lioka 11:13; Heb. 4:12.

7. Nahoana no tena zava-dehibe ny hiandrasan’ny anti-panahy ny ondry eo ambany fiandraiketany?

7 Nampiasa tehina lava mifaingoka ny mpiandry ondry teo amin’ny Israely, mba hitarihany ny ondriny. Rehefa niditra tao am-bala izy ireo na nivoaka avy tao, dia tsy maintsy ‘nandalo teo ambany tehin’ny mpiandry’ mba ho azony isaina. (Lev. 27:32; Mika 2:12; 7:14) Toy izany koa fa mila mahafantatra ny ondry tsirairay eo ambany fiandraiketany ny mpiandry kristianina, sady mahalala izay mitranga amin’izy ireny. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 27:23.) Anisan’ireo raharaha lehibe tsy maintsy dinihin’ny anti-panahy mandritra ny fivoriany àry ny asa fiandrasana. Tokony hanao fandaharana, ohatra, izy ireo, mba hanampiana ny ondry very. Nilaza i Jehovah fa izy mihitsy no hitady ny ondriny sy hikarakara azy ireny. (Ezek. 34:11) Faly izy rehefa manao toy izany koa ny anti-panahy ka miezaka manampy ny ondry hiverina ao am-bala.

8. Inona avy no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny ondry?

8 Tena hahafaly sy hampahery ny mpiray finoana marary ny fitsidihan’ny mpiandry. Ho faly koa ny ondry marary ara-panahy rehefa hampiana. Mandritra ilay fitsidihana, dia azon’ny anti-panahy atao ny mamaky andinin-teny, miresaka lahatsoratra iray, midinika hevi-dehibe noresahina tany am-pivoriana, miara-mivavaka amin’ilay olona, na ny toy izany. Azon’izy ireo lazaina koa fa ho faly ny fiangonana raha mahita azy mivory indray. (2 Kor. 1:3-7; Jak. 5:13-15) Tena tsara ny mitsidika, mitelefaonina, na manoratra ho azy! Vao mainka ho faly koa ny mpiandry kristianina mangoraka, rehefa manampy olona tafasaraka amin’ny andian’ondry.

Samy afaka manampy ny rehetra

9, 10. Nahoana no tsy ny anti-panahy ihany no tokony hihevitra izay hahasoa ny ondry very?

9 Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika sady be atao. Mety tsy ho voamaritsika akory hoe misy mpiray finoana efa miala tsikelikely amin’ny fiangonana. (Heb. 2:1) Sarobidy amin’i Jehovah anefa ny ondriny. Ilaina avokoa ny tsirairay aminy, toy ny ilana ny rantsambatana tsirairay. Mila mihevitra izay hahasoa ny rahalahintsika àry isika rehetra, ka tena hifampiahy. (1 Kor. 12:25) Manao izany ve ianao?

10 Marina fa ny anti-panahy no tena tokony hitady sy hanampy ny ondry very. Tsy izy ireo ihany anefa no tokony hiahy azy ireny, fa afaka mandray anjara ny olon-kafa. Tokony hampahery sy hanampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, mba hiverenany indray ao amin’ny andian’ondry. Ahoana no anaovana izany?

11, 12. Inona no mety hasaina hataonao, mba hanampiana ny mpiray finoana lasa nangatsiaka?

11 Mety hisy mpitory za-draharaha hasain’ny anti-panahy hampianatra Baiboly ny olona nangatsiaka, izay milaza fa mila ampiana. Ny tanjona dia ny hamelona indray ao amin’izany olona izany, ‘ilay fitiavany voalohany.’ (Apok. 2:1, 4) Hahazo fampaherezana izy sady hatanjaka ny finoany, raha dinihina miaraka aminy ireo fanazavana tsy henony nandritra ny fotoana tsy naha teo azy.

12 Raha hasain’ny anti-panahy mampianatra mpiray finoana lasa nangatsiaka ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanoro anao izay tokony hatao sy hitahy ny ezaka ataonao. “Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia hahomby izay kasainao.” (Ohab. 16:3) Saintsaino ireo andinin-teny sy hevitra manatanjaka finoana, izay ho azonao ampiasaina rehefa miara-mianatra aminy ianao. Eritrereto ny ohatra tsara nomen’ny apostoly Paoly. (Vakio ny Romanina 1:11, 12.) Te hahita mafy an’ireo Kristianina tany Roma mantsy izy, mba hampita fanomezana ara-panahy tamin’izy ireo, ka hahamafy orina azy ireo. Nanantena fifampaherezana koa anefa izy. Tsy tokony hanana izany toe-tsaina izany koa ve isika, rehefa manampy an’ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry?

13. Inona no azonao resahina amin’ny olona nangatsiaka?

13 Anontanio toy izao izy, mandritra ny fianaranareo: “Ahoana no nahalalanao ny fahamarinana?” Ampahatsiahivo azy ny zavatra nahafaly azy tamin’ny lasa. Ampirisiho izy hiresaka momba ireo zavatra nahafinaritra azy taloha, tany am-pivoriana, sy teny am-pitoriana, ary tany amin’ny fivoriambe. Resaho ny fotoana mamy niarahanareo teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, raha nisy izany. Tantarao ny fifaliana tsapanao noho ianao manatona an’i Jehovah. (Jak. 4:8) Lazao fa ankasitrahanao ny fomba anomezan’i Jehovah an’izay ilaintsika, indrindra fa ny fanantenana sy ny fampiononana antsika amin’ny fahoriantsika.—Rom. 15:4; 2 Kor. 1:3, 4.

14, 15. Inona avy ireo fitahiana tokony hampahatsiahivina an’ireo lasa nangatsiaka?

14 Tsara ny hampahatsiahivana an’ilay olona ny fitahiana sasany azony, tamin’izy narisika tsara teo anivon’ny fiangonana. Nahazo fitahiana izy, ohatra, satria nahalala bebe kokoa momba ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra. (Ohab. 4:18) Mora kokoa taminy ny nanohitra fakam-panahy, tamin’izy ‘nanaraka ny fitarihan’ny fanahy.’ (Gal. 5:22-26) Nanana feon’ny fieritreretana madio izy vokatr’izany, ary afaka nivavaka tamin’i Jehovah sy nahazo “ny fiadanan’Andriamanitra.” “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” io fiadanana io, ka afaka ‘miambina ny fontsika sy ny saintsika.’ (Fil. 4:6, 7) Tadidio foana ireo hevitra ireo, ary aoka ianao tena hiahy ny rahalahinao na anabavinao ara-panahy. Ampaherezo amim-pitiavana izy mba hiverenany indray ao amin’ny andian’ondry.—Vakio ny Filipianina 2:4.

15 Aoka hatao hoe anti-panahy manao fitsidihan’ny mpiandry ianao. Azonao ampirisihina ny mpivady lasa nangatsiaka, mba hisaintsaina ny fotoana voalohany nianaran’izy ireo ny fahamarinana. Tsy hitan’izy ireo ve tamin’izay fa nahatalanjona, nitombina tsara, nahafa-po, ary nanafaka tamin’ny fanao ratsy sy ny fampianaran-diso ny fahamarinana? (Jaona 8:32) Tsy nankasitrahany ve tamin’izay ireo zavatra fantany momba an’i Jehovah sy ny fitiavany ary ny fikasany mahatalanjona? (Ampitahao amin’ny Lioka 24:32.) Ampahatsiahivo azy ireo fa afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah ny Kristianina efa nanolo-tena, ary manana tombontsoa hivavaka aminy. Ampirisiho mafy ireo lasa nangatsiaka, mba hanaiky indray “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly.”—1 Tim. 1:11.

Tiavo hatrany izy ireo

16. Milazà fitantarana mampiseho fa mandaitra ny fanampiana an’ireo lasa nangatsiaka.

16 Mandaitra ve ireo soso-kevitra ireo? Eny. Nanomboka nitory, ohatra, ny ankizy iray tamin’izy 12 taona. Lasa nangatsiaka anefa izy, teo amin’ny faha-15 taonany. Niverina nitory indray izy, tatỳ aoriana, ary efa nanompo manontolo andro nandritra ny 30 taona mahery izy izao. Anisan’ny nampiverina azy tamin’i Jehovah ny fanampian’ny anti-panahy iray. Tena nankasitrahany izany!

17, 18. Inona avy no toetra ilainao rehefa manampy olona tafasaraka amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ianao?

17 Ny fitiavana no mandrisika ny Kristianina hanampy an’ireo lasa nangatsiaka mba hiverina eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Jesosy momba ny mpanara-dia azy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Anisan’ny amantarana ny tena Kristianina tokoa ny fitiavana. Tsy tokony hanehoana izany fitiavana izany ve ny Kristianina vita batisa lasa nangatsiaka? Izany tokoa. Mila manana toetra tsara hafa anefa isika raha te hanome ny fanampiana ilaina.

18 Inona avy no toetra mila asehonao, raha te hanampy olona tafasaraka amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ianao? Ankoatra ny fitiavana, dia ilainao ny mangoraka, tsara fanahy, malemy fanahy, ary mahari-po. Mety hilaina koa ny mahay mamela heloka, arakaraka ny toe-javatra. Hoy i Paoly: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po. ... Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kol. 3:12-14.

19. Nahoana no tsy very maina ny ezaka hanampiana ny ondry mba hiverina eo anivon’ny fiangonana?

19 Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny antony mahatonga ny sasany ho tafasaraka amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra. Hazavaina ao koa fa afaka manantena horaisina tsara ireo miverina. Rehefa mianatra io lahatsoratra io sy misaintsaina an’ity ianarantsika ity ianao, dia matokia fa tsy very maina ny ezaka ataonao hanampiana ny ondry hiverina ao amin’ny vala, izany hoe ny fiangonana kristianina. Misy olona maro mandany saika ny androm-piainany manontolo, mba hanangonana harena. Sarobidy lavitra noho ny vola rehetra eran’izao tontolo izao anefa ny aina, na dia ain’olona iray monja aza. Nanantitrantitra an’izany i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny ondry very. (Matio 18:12-14) Tadidio foana izany, ary miezaha mafy hanampy an’ireo ondry tsy foin’i Jehovah, mba hiverina haingana ao amin’ny andian’ondry!

Ahoana no Havalinao?

• Inona no adidin’ny mpiandry kristianina amin’ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry?

• Ahoana no anampianao an’ireo tsy miara-manompo amin’ny fiangonana intsony?

• Inona avy no toetra ilainao mba hanampiana an’ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Miezaka hanampy amim-pitiavana an’ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry ny mpiandry kristianina