Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jakoba sy Petera

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jakoba sy Petera

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jakoba sy Petera

NANORATRA ny taratasiny ho an’ny ‘foko roa ambin’ny folon’ny’ Israely ara-panahy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy sady rahalahiny, 30 taona latsaka kely taorian’ny Pentekosta taona 33. (Jak. 1:1) Nampirisihiny hanana finoana matanjaka izy ireo, sy hiaritra rehefa iharam-pitsapana. Natorony koa ny fomba hanitsiana ny zavatra tsy nety teo anivon’ny fiangonana.

Taloha kelin’ny nanenjehan’i Néron mpanjaka romanina ny Kristianina, tamin’ny taona 64, no nanoratan’ny apostoly Petera ny taratasiny voalohany. Nampirisihiny hiorina tsara amin’ny finoana ny Kristianina. Tsy ela taorian’izay izy no nanoratra ny taratasiny faharoa. Nampirisika an’ireo mpiray finoana taminy izy mba handinika tsara ny tenin’Andriamanitra, sady nampitandrina ny amin’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Handray soa tokoa isika raha mandinika ny taratasin’i Jakoba sy Petera.—Heb. 4:12.

OMEN’ANDRIAMANITRA FAHENDRENA IZAY ‘MANGATAKA AMIM-PINOANA’

(Jak. 1:1–5:20)

Hoy i Jakoba: “Sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana.” Omen’i Jehovah ny fahendrena ilaina mba hiaretana fitsapana, ireo ‘mangataka amim-pinoana.’—Jak. 1:5-8, 12.

Mila manana finoana sy fahendrena koa ireo “tonga mpampianatra” eo anivon’ny fiangonana. Nilaza i Jakoba fa “kely” ny lela, nefa ‘mampisy pentimpentina ny vatana manontolo.’ Nampitandrina izy avy eo, fa mety ho simba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra raha manahaka an’izao tontolo izao isika. Natorony koa ny tokony hatao raha te ho salama indray ireo marary ara-panahy.—Jak. 3:1, 5, 6; 5:14, 15.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:13—Nahoana no lazaina hoe ‘mandresy ny fitsarana ny famindram-po’? Hotadidin’Andriamanitra ny famindram-po nasehontsika tamin’ny hafa rehefa hanao ampamoaka antsika izy, ary hamela ny helotsika izy noho ny sorom-panavotan’ny Zanany. (Rom. 14:12) Tena ilaina àry ny mamindra fo.

4:5—Andinin-teny avy aiza io nolazain’i Jakoba io? Tsy avy amin’ny andinin-teny iray izy io. Ny hevi-dehibe raketin’ny Genesisy 6:5; 8:21 sy ny Ohabolana 21:10 ary ny Galatianina 5:17 angamba anefa, no nofintininy tamin’io andininy io.

5:20—Iza no ho voavonjy raha “mampiverina mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany” ny olona iray? Izay Kristianina manampy mpanota iray hiala amin’ny fahadisoany, dia hamonjy an’ilay olona mibebaka mba tsy ho faty eo amin’ny lafiny ara-panahy, sady mety hanavotra an’ilay olona tsy ho ringana mandrakizay. “Hanarona [ny] fahotana maro be” nataon’izy io koa ilay olona nanampy azy.

Lesona ho antsika:

1:14, 15. Tokony hesorintsika ao an-tsaina sy ao am-po ny fanirian-dratsy, satria hitarika antsika hanota. Zavatra tsara foana kosa no tokony ‘hoheverintsika’, ka hamenoantsika ny saina sy ny fo.—Fil. 4:8.

2:8, 9. Ny fitiavana no “mpanjakan’ny lalàna”, ka mandika azy io izay “mizaha tavan’olona.” Tsy mizaha tavan’olona àry ny tena Kristianina.

2:14-26. Ny famonjena dia avy amin’ny ‘finoana’ fa “tsy avy amin’izay atao”, izany hoe tsy avy amin’ny fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy na ny asa kristianina. Tsy ampy fotsiny ny milaza hoe manam-pinoana isika. (Efes. 2:8, 9; Jaona 3:16) Tokony hanosika antsika hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy io.

3:13-17. Tsara lavitra noho ny ‘fahendrena avy eto an-tany sy araka ny nofo ary araka ny demonia, ny fahendrena avy any ambony.’ Tokony ‘tsy hitsahatra hikaroka ny fahendren’Andriamanitra’ isika, “toy ny fikaroka harena miafina.”—Ohab. 2:1-5.

3:18. ‘Afafin’ny mpampihavana ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana’ ny voan’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tokony ho tia fihavanana isika fa tsy hanambony tena, na ho tia mifanditra, na hanakorontana.

“MANÀNA FINOANA MATANJAKA”

(1 Pet. 1:1–5:14)

Nampahatsiahivin’i Petera fa “fanantenana velona” ilay lova any an-danitra antenain’ireo mpiray finoana aminy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ianareo ... dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina.’ ” Nanome torohevitra momba ny fanekena fahefana koa i Petera, ary nampirisika ny rehetra mba ‘hiray saina, hiaraka ory, hifankatia tahaka ny mpirahalahy, hanana fangorahana, [ary] hanetry tena.’—1 Pet. 1:3, 4; 2:9; 3:8.

‘Efa nanakaiky ny faran’ny’ tontolo jiosy, ka nampirisihin’i Petera “hisaina tsara” sy “ho mailo” ireo rahalahy ary “tsy hanao tsirambina ny vavaka.” Hoy izy: ‘Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina. Tohero [i Satana] ka manàna finoana matanjaka.’—1 Pet. 4:7; 5:8, 9.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:20-22—Nahoana no lazaina fa mamonjy ny batisa? Ilaina ny batisa raha te ho voavonjy. Tsy ampy anefa izy io. Ny ‘fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty’ mantsy no ahazoantsika famonjena. Izao no tsy maintsy inoan’ireo maniry hatao batisa: Tsy misy ny famonjena raha tsy nanolotra ny ainy sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary “eo ankavanan’Andriamanitra” ankehitriny, ka manana fahefana amin’ny velona sy ny maty. Mitovy amin’ireo ‘olona valo tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano’ ny olona atao batisa, raha mino an’ireo rehetra ireo.

4:6—Iza moa ireo ‘maty nitoriana ny vaovao tsara’? Tsy iza fa ireo ‘maty tao amin’ny heloka sy fahotana’, izany hoe ireo mbola tsy nifandray tamin’i Jehovah mihitsy talohan’ny nandrenesany ny vaovao tsara. (Efes. 2:1) Nanjary “velona” anefa izy ireo rehefa nino ny vaovao tsara, satria lasa nifandray tamin’i Jehovah.

Lesona ho antsika:

1:7. Sarobidy tokoa ny finoana vita sedra. ‘Hitsimbina ny aintsika’ ny finoana matanjaka toy izany. (Heb. 10:39) Tsy tokony hihemotra isika rehefa iharam-pitsapana ny finoantsika.

1:10-12. Nanoratra fahamarinana lalina momba ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ny mpaminany fahiny. Tian’ny anjely hodinihina sy ho takatra tsara izany. Tsy nazava anefa izany raha tsy efa nanao zavatra ho an’io fiangonana io i Jehovah. (Efes. 3:10) Tokony hiezaka hikaroka ny “zava-dalin’Andriamanitra” koa isika, toy ireo anjely.—1 Kor. 2:10.

2:21. Tokony ho vonona hijaly sy ho faty isika, toa an’i Jesosy Kristy modelintsika, mba hanohanana ny zon’i Jehovah hitondra.

5:6, 7. Manampy antsika i Jehovah rehefa apetratsika aminy izay mampanahy antsika. Ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika foana amin’izay ny fivavahana marina, ary tsy hanahy tafahoatra ny amin’ny ampitso isika.—Matio 6:33, 34.

‘HO AVY NY ANDRON’I JEHOVAH’

(2 Pet. 1:1–3:18)

Hoy i Petera: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” Ho voaro amin’ny “mpampianatra sandoka” isika sady tsy ho voatarika hanao ratsy, raha dinihintsika tsara ny faminaniana.—2 Pet. 1:21; 2:1-3.

Hoy i Petera: “Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso.” “Ho avy tahaka ny mpangalatra anefa ny andron’i Jehovah.” Nanome torohevitra mafonja ho an’ireo “miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah” i Petera teo am-pamaranana ny taratasiny.—2 Pet. 3:3, 10-12.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:19—Iza ilay “kintana fitarikandro”? Oviana izy io no niposaka? Ary ahoana no ahafantarana hoe efa niposaka izy io? I Jesosy Kristy lasa Mpanjaka ilay “kintana fitarikandro.” (Apok. 22:16) Toy ny hoe kintana fitarikandro niposaka teo anoloan’ny zavaboary rehetra i Jesosy, tamin’ny 1914, rehefa lasa Mesia Mpanjaka. Nanomboka àry ny andro na vanim-potoana vaovao iray. Efa hita mialoha ny ho voninahiny sy ny fahefany ao amin’ny fanjakany, tamin’izy niova tarehy. Io fiovan-tarehy io no nanome toky fa tena ho tanteraka ny teny faminanian’Andriamanitra. Hanazava ny fontsika io teny faminaniana io rehefa dinihintsika tsara, ka ho fantatsika hoe efa miposaka ilay Kintana Fitarikandro.

2:4—Inona no atao hoe “Tartara”, ary oviana ireo anjely nikomy no natsipy tao? Ny anjely ihany fa tsy ny olona no alefa any amin’ny “Tartara.” Teny ilazana ny toe-piainana misy an’ireo anjely naetry izy io. Toy ny hoe migadra izy ireo. Maizin-tsaina tanteraka ireo anjely ao amin’ny Tartara, ka tsy mahalala ny fikasan’Andriamanitra sady tsy manana fanantenana. Tamin’ny andron’i Noa no natsipin’Andriamanitra tao amin’ny Tartara ireo anjely tsy nankatò, ary mbola hietry ao foana izy ireo mandra-pahatongan’ny fandringanana azy.

3:17—Inona no tian’i Petera holazaina amin’ny hoe zavatra ‘fantatra mialoha’? Tsy inona fa ny zavatra hitranga amin’ny hoavy, izay nampahafantarin’ny fanahy masina an’i Petera sy ireo olon-kafa nanoratra ny Baiboly. Voafetra anefa izany fahalalana izany, satria tsy nahatonga ny Kristianina voalohany hahalala ny tsipiriany rehetra momba ny hoavy. Ny ambangovangony fotsiny no fantatr’izy ireo.

Lesona ho antsika:

1:2, 5-7. Hitombo ny ‘fahalalantsika marina tsara an’Andriamanitra sy Jesosy’, ary tsy havelan’izany hipetra-potsiny na tsy hahavokatra isika, raha miezaka mafy hanana toetra tsara, toy ny finoana, fiaretana, ary fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.—2 Pet. 1:8.

1:12-15. Mila fampahatsiahivana tsy tapaka isika, mba hahatonga antsika ‘hiorina tsara amin’ny fahamarinana.’ Manampy antsika amin’izany ny fivorian’ny fiangonana, ny fianarana samirery, ary ny famakiana Baiboly.

2:2. Mila tandremantsika ny fitondran-tenantsika, mba tsy hanala baraka an’i Jehovah sy ny fandaminany.—Rom. 2:24.

2:4-9. Raha jerena izay nataon’i Jehovah fahiny, dia matoky isika fa ‘hainy afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana, mba horinganina.’

2:10-13. Tsy tokony hotevatevaintsika ireo “manana voninahitra”, izany hoe ny anti-panahy, na dia manana kileman-toetra sy mety hanao fahadisoana aza.—Heb. 13:7, 17.

3:2-4, 12. Ho tadidintsika foana hoe kely sisa dia ho tonga ny andron’i Jehovah, raha mandinika tsara “ny teny efa voalazan’ny mpaminany masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy” isika.

3:11-14. “Miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah” isika, ka tokony 1) hanana “fitondran-tena masina”, izany hoe hadio ara-batana, ara-tsaina, ara-pitondran-tena, ary ara-panahy; 2) hazoto hanao asa mampiseho “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra”, anisan’izany ny fitoriana sy fampianarana; 3) hitandrina ny fitondran-tenantsika sy ny toetrantsika mba ‘tsy hisy pentina’, na ho voaloton’izao tontolo izao; 4) hitandrina mba ‘tsy hisy tsiny’, ka hanao ny zavatra rehetra noho ny antony tsara; ary 5) ho tsara “fihavanana” amin’Andriamanitra sy ny rahalahintsika kristianina, ary ny mpiara-belona amintsika.