Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jaona sy Joda

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jaona sy Joda

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasin’i Jaona sy Joda

ANISAN’NY boky farany ao amin’ny Baiboly ireo taratasy telo nosoratan’ny apostoly Jaona. Mety ho tamin’ny taona 98 no nanoratany azy ireo tany Efesosy. Nampirisika ny Kristianina handeha ao amin’ny mazava sy hanohitra ny mpivadi-pinoana izy, ao amin’ny taratasiny roa voalohany. Nampirisika azy ireo handeha ao amin’ny fahamarinana sy hiara-miasa kosa izy, ao amin’ilay fahatelo.

Tany Palestina i Joda, rahalahin’i Jesosy, no nanoratra ny taratasiny, tamin’ny taona 65 tany ho any. Nampitandrina ny Kristianina izy fa nisy olona ratsy fanahy nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana. Nolazainy koa izay tokony hatao mba tsy ho voataonan’izy ireo. Hatanjaka foana ny finoantsika, na eo aza ny zava-tsarotra, raha arahintsika izay lazain’i Jaona sy Joda.—Heb. 4:12.

MANDEHANA HATRANY AO AMIN’NY MAZAVA SY AMIN’NY FITIAVANA ARY NY FINOANA

(1 Jaona 1:1–5:21)

Ho an’ny fiangonana rehetra tafaray amin’i Kristy ilay taratasy voalohany nosoratan’i Jaona. Misy torohevitra tsara ao mba hanampiana ny Kristianina hanohitra ny mpivadi-pinoana, ka tsy hiala amin’ny fahamarinana. Asongadina ao koa fa ilaina ny mandeha hatrany ao amin’ny mazava sy amin’ny fitiavana ary ny finoana.

Hoy i Jaona: ‘Raha mandeha ao amin’ny mazava isika, tahaka [an’Andriamanitra] izay ao amin’ny mazava, dia tena manan-javatra iombonana isika rehetra.’ Hoy koa izy: “Aoka isika hifankatia foana.” Avy amin’Andriamanitra mantsy ny fitiavana. ‘Hitandrina ny didin’Andriamanitra’ isika raha ‘tia’ azy. Afaka mandresy an’izao tontolo izao koa isika, raha ‘mino’ an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teniny ary ny Zanany.—1 Jaona 1:7; 4:7; 5:3, 4.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:2; 4:10—Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “sorona fampihavanana”? Nanome ny ainy ho sorona izy, satria izany no rariny amin’Andriamanitra. Afaka mamindra fo sy mamela ny helok’ireo maneho finoana an’i Jesosy i Jehovah, noho io sorona io. Afaka mihavana indray aminy àry izy ireo.—Jaona 3:16; Rom. 6:23.

2:7, 8—Inona ilay didy lazain’i Jaona hoe “efa ela” nefa koa “vaovao”? Tsy inona izy io fa ilay hoe tokony ho tia ny rahalahy isika, ary hahafoy tena ho azy ireo. (Jaona 13:34) Toy ny hoe “efa ela” izy io, satria 60 taona mahery talohan’ny nanoratan’i Jaona ny taratasiny voalohany, no nanomezan’i Jesosy azy. Efa “hatrany am-piandohana” ireo rahalahy no nahazo azy io, izany hoe nanomboka tamin’izy ireo niova ho Kristianina. “Vaovao” koa anefa izy io, satria mbola lehibe noho ilay hoe “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Mila mahafoy tena ho an’ny rahalahy mantsy isika.—Lev. 19:18; Jaona 15:12, 13.

3:2—Inona no “mbola tsy naseho” an’ireo Kristianina voahosotra, ary iza no ho hitany? Tsy naseho azy ireo hoe hanao ahoana izy rehefa lasa fanahy any an-danitra. (Fil. 3:20, 21) Fantany kosa anefa fa ‘ho tahaka [an’Andriamanitra] izy ireo rehefa haseho [Andriamanitra], satria ho hitan’izy ireo hoe manao ahoana izy.’ Ho hitan’izy ireo hoe “Fanahy” izy.—2 Kor. 3:17, 18.

5:5-8—Nahoana ny rano sy ny ra ary ny fanahy no vavolombelona manambara fa i “Jesosy no Zanak’Andriamanitra”? Vavolombelona manambara izany ny rano, satria rehefa natao batisa tao amin’izy io i Jesosy, dia i Jehovah mihitsy no nilaza fa Zanany izy. (Matio 3:17) Vavolombelona koa ny ra, izany hoe ny ran’i Jesosy. Izy ihany mantsy no afaka nanome ny ainy ho “vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra.” (1 Tim. 2:5, 6) Vavolombelona manambara koa ny fanahy masina fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, satria nidina teo aminy izy io, tamin’izy natao batisa. Afaka nandeha “hatraiza hatraiza” àry izy noho io fanahy io, ka “nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly.”—Jaona 1:29-34; Asa. 10:38.

Lesona ho antsika:

2:9-11; 3:15. Tokony ho tia ny rahalahy foana ny Kristianina na inona na inona mitranga. Mandeha ao amin’ny haizina izy raha tsy manao izany, ary tsy fantany izay alehany.

‘MANDEHANA HATRANY AO AMIN’NY FAHAMARINANA’

(2 Jaona 1-13)

Izao no teny nanombohan’i Jaona ny taratasiny faharoa: “Izaho, anti-panahy, manoratra amin’ilay vehivavy voafidy sy ny zanany.” Faly i Jaona nahita fa ‘nandeha tao amin’ny fahamarinana ny sasany tamin’ny [zanak’ilay vehivavy].’—2 Jaona 1, 4.

Nampirisika ny Kristianina hifankatia i Jaona. Hoy izy avy eo: “Izao no fitiavana, dia ny handehanantsika hatrany araka ny didiny.” Nampitandrina koa izy fa misy “mpamitaka sy antikristy.”—2 Jaona 5-7.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1, 13—Iza ilay “vehivavy voafidy”? Mety ho vehivavy iray antsoina hoe Kyria izy io. Kyria rahateo no dikan’ny hoe “vehivavy” amin’ny teny grika. Mety ho teny nampiasain’i Jaona hiantsoana fiangonana iray koa anefa izy io. Tsy tiany ho fantatry ny mpanenjika mantsy ilay fiangonana. Mety ho ny Kristianina ao amin’io fiangonana io àry ny zanak’ilay vehivavy. Kristianina any amin’ny fiangonana iray hafa kosa no ‘zanak’ilay rahavaviny.’

Lesona ho antsika:

2, 4. Tena mila mahalala ny “fahamarinana” sy manaraka azy io isika, raha te ho voavonjy. Ny fampianarana rehetra ao amin’ny Baiboly no atao hoe fahamarinana.—3 Jaona 3, 4.

8-11. Mila ‘mitandrina’ isika mba tsy hiala amin’ny fampianaran’i Kristy, ary tsy hiaraka amin’ireo “tsy mitoetra” amin’izy io. Raha tsy izany, dia tsy hahazo ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny famindram-po ary ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy” isika. Tsy ho afaka hifanerasera intsony amin’ireo mpiara-manompo be fitiavana koa isika.—2 Jaona 3.

AOKA ISIKA HO “MPIARA-MIASA AO AMIN’NY FAHAMARINANA”

(3 Jaona 1-14)

Nosoratan’i Jaona ho an’i Gaio namany, ny taratasiny fahatelo. Hoy izy: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha foana ao amin’ny fahamarinana ny zanako.”—3 Jaona 4.

Noderain’i Jaona i Gaio satria “mendri-pitokisana.” Tia nanampy an’ireo rahalahy tonga nitsidika mantsy izy. Hoy ilay apostoly: “Tsy maintsy mandray tsara an’ireny olona ireny isika, mba ho mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana.”—3 Jaona 5-8.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

11—Nahoana no misy manao ratsy? Tsy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, ka toy ny hoe tsy mahita azy. Asehon’izy ireo amin’ny ataony koa fa mihevitra izy hoe tsy mahita azy Andriamanitra.—Ezek. 9:9.

14—Iza no tiana holazaina amin’ny hoe “namana” eto? Tsy ireo olona nifandray akaiky tamin’i Jaona ihany, fa ireo mpiara-manompo rehetra koa.

Lesona ho antsika:

4. Faly erỳ ny rahalahy sy anabavy matotra eo anivon’ny fiangonana, rehefa mahita tanora “mandeha foana ao amin’ny fahamarinana”! Tena faly koa ny ray aman-dreny rehefa nahavita nanampy ny zanany ho lasa mpanompon’Andriamanitra!

5-8. Anisan’ny miasa mafy ho an’ny rahalahy ireo mpiandraikitra mpitety faritany, misionera, Betelita, ary ny mpisava lalana. Manao izany izy ireo, satria tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo aminy. Mendrika hotahafina ny finoan’izy ireo. Mila anehoana fitiavana sy ampiana koa izy.

9-12. Tokony hanahaka ny rahalahy mendri-pitokisana toa an’i Demetrio isika, fa tsy hanaratsy olona toa an’i Diotrefa.

“MITOERA AO AMIN’NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA”

(Joda 1-25)

Hoy i Joda momba ireo olona nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana: “Olona mpimenomenona ireny, be taraina ny amin’ny toe-piainana misy azy, mandeha araka ny faniriany. Ny vavany mamoaka teny fireharehana, rehefa mandoka olona.”—Joda 4, 16.

Inona no hanampy antsika tsy ho voataona hanao ratsy? Hoy i Joda: “Ry malala, tsarovy ny teny efa voalazan’ny apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Hoy koa izy: “Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.”—Joda 17-21.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3, 4—Nahoana i Joda no nampirisika ny Kristianina “hiady mafy hiaro ny finoana”? Satria nisy ‘olona tsy matahotra an’Andriamanitra nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana. Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra no avadiny ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena baranahiny.’

20, 21—Inona no hanampy antsika ‘hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’? Ireto misy fomba telo: 1) Miorina tsara ao amin’ny ‘finoana masina indrindra’, ka mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mitory, 2) mivavaka “eo ambany fitarihan’ny fanahy masina”, ary 3) maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, satria io no ahazoana fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16, 36.

Lesona ho antsika:

5-7. Ho afa-mandositra ny didim-pitsaran’i Jehovah ve ny ratsy fanahy? Tsia, rehefa jerena ireo ohatra fampitandremana telo noresahin’i Joda.

8-10. Tokony hanahaka an’i Mikaela arkanjely isika, ka hanaja an’ireo nomen’i Jehovah fahefana.

12. Mampidi-doza ho an’ny sambo na ny mpilomano ny harambato voasaron-drano. Mampidi-doza ho an’ny finoantsika koa ny mpivadi-pinoana, satria mihatsaravelatsihy. Mody malala-tanana ireny mpampianatra sandoka ireny, nefa toy ny rahona tsy mitondra orana, satria mahantra ara-panahy. Toy ny hazo tsy mamoa izy ireo, nefa efa hifarana ny fararano. Hongotana izy ireo, izany hoe horinganina. Hendry àry isika raha tsy mifandray mihitsy amin’ny mpivadi-pinoana.

22, 23. Mankahala ny ratsy ny tena Kristianina. “Misalasala” anefa ny sasany aminy. Miezaka manampy azy ireny àry ny Kristianina matotra, indrindra fa ny anti-panahy, satria te hisarika azy avy ao amin’ny afon’ny fandringanana mandrakizay.

[Sary, pejy 28]

Ny rano sy ny ra ary ny fanahy no vavolombelona manambara fa i “Jesosy no Zanak’Andriamanitra”