Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Irery no Afaka Mamonjy ny Tany

Andriamanitra Irery no Afaka Mamonjy ny Tany

Andriamanitra Irery no Afaka Mamonjy ny Tany

“ILAY VATOSOA MILOKO MANGA SY FOTSY MAMIRAPIRATRA.” Izany no nilazan’ilay mpanamory sambon-danitra atao hoe Edgar Mitchell ny tany, rehefa nitazana azy io avy teny ambony tsy taka-maso izy.

Nanao zavatra maro Andriamanitra mba hahatonga ny tany ho azo onenana. “Nihoby” mafy ny anjely rehefa noforonina izy io. (Joba 38:7) Te hidera an’Andriamanitra koa isika rehefa mandinika an’ireo zava-mahatalanjona eto an-tany. Maro ny zavatra mifampiankina sy miara-miasa, ka mahatonga ny fiainana hisy. Gazy karbonika eny amin’ny rivotra sy rano ary hazavan’ny masoandro, ohatra, no anamboaran’ny zava-maitso sakafo. Vokatr’izany dia avoakan’ny zava-maitso ho eny amin’ny rivotra ny oksizenina, izay tena ilaintsika mba hahavelomana.

Lazain’ny Baiboly fa nasain’Andriamanitra nikarakara ny tany ny olombelona. (Genesisy 1:28; 2:15) Nila nanana toe-tsaina tsara anefa izy ireo, raha tsy tiany ho simba ny tontolo iainana. Tokony ho tia ny tany fonenany izy, ary haniry hikojakoja azy io. Manan-tsafidy anefa izy, ka afaka manapa-kevitra ny hanimba ny tany sy tsy hikarakara azy io. Izany indrindra no nataon’ny olona. Nanao an-tsirambina izy ireo sady tia tena, ka tena ratsy ny vokany.

Ireto ny sasany amin’izany: 1) Ripaka ny ala, ka tsy vitan’ny tany intsony ny mifoka rivotra maloto. Lasa miova be àry ny toetrandro. 2) Tafahoatra ny fampiasana fanafody famonoana bibikely, ka mitady ho ripaka ny bibikely maro, izay manao asa lehibe toy ny famindrana vovobony. 3) Mihena be ny isan’ny trondro, noho ny fanjonoana tafahoatra sy ny fandotoana ny renirano sy ny ranomasina. 4) Notrandrahina be loatra ny harena voajanahary, ka zara raha misy tavela ho an’ny taranaka fara mandimby. Manafaingana ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany koa izany. Milaza ny sasany amin’ireo mpiaro ny tontolo iainana, fa miakatra ny mari-pana matoa miempo ny vongan-dranomandry any amin’ny Tendrontany Avaratra sy Tendrontany Atsimo.

Mitombo ny loza voajanahary ka misy milaza fa mamaly faty ny tany, ary mampitondra fahoriana ho an’ny olombelona. Toy ny mpanofa trano isika, saingy navelan’Andriamanitra hipetraka maimaim-poana eto an-tany. (Genesisy 1:26-29) Asehon’ny zava-misy eran-tany anefa fa maro no tsy te hikojakoja azy io. Variana manao izay tiany fotsiny ny olombelona. Mpanofa trano ratsy toetra izy ireo ka “manimba ny tany”, araka ny efa voalazan’ny Apokalypsy 11:18.

Asehon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa horoahina ireo ‘mpanofa trano’ ratsy toetra, araka ny didin’i Jehovah ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, Mpamorona ny tontolo iainana. (Zefania 1:14; Apokalypsy 19:11-15) Dieny mbola tsy simba tanteraka ny tany, dia hanao zavatra Andriamanitra. Mety ho tonga haingana kokoa noho izay antenaintsika aza izany. * (Matio 24:44) Andriamanitra irery tokoa no afaka mamonjy ny tany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Raha mila fanazavana fanampiny ianao momba ny hoe akaiky ny farany, dia jereo ny bokikely Miambena Hatrany!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.