Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitsara Manao ny Marina Hatrany

Mpitsara Manao ny Marina Hatrany

Manatòna An’Andriamanitra

Mpitsara Manao ny Marina Hatrany

Genesisy 18:22-32

MANINTONA anao ny olona manao ny marina sy tia rariny ary tsy manavakavaka, sa tsy izany? Tiantsika olombelona ny hoentina ara-drariny, ary efa voajanahary amintsika izany. Manjaka anefa ny tsy rariny ankehitriny. Mpitsara mendri-pitokisana kosa i Jehovah Andriamanitra, ary manao ny marina hatrany. Manasongadina izany ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, araka ny Genesisy 18:22-32. *

Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa hanadihady ny zava-misy tao Sodoma sy Gomora. Nampanahy an’i Abrahama anefa ny amin’ny olo-marina nipetraka tao amin’ireo tanàna ireo, anisan’izany i Lota zana-drahalahiny. Niangavy an’i Jehovah i Abrahama hoe: “Dia haripakao miaraka amin’ny ratsy fanahy tokoa ve ny olo-marina? Aoka hatao hoe misy olo-marina dimampolo ao an-tanàna. Dia ... tsy havelanao [ve] ny helok’ilay tanàna, nefa misy an’ireo olo-marina dimampolo ireo ao?” (Andininy 23, 24) Nilaza Andriamanitra fa tsy horinganiny ireo tanàna ireo, raha nisy olo-marina 50 monja tao. Niangavy an’i Jehovah indimy i Abrahama avy eo, ka niteny tamin’ny farany fa mety hisy olo-marina folo tao. Nilaza Andriamanitra fa tsy handringana, raha nisy olo-marina toy izany tao.

Nifamaly tamin’Andriamanitra ve i Abrahama teo? Tsy izany mihitsy! Nasehon’ny fomba fiteniny fa nanaja lalina an’Andriamanitra izy sady nanetry tena. Nolazainy fa “vovoka sy lavenona” ihany ny tenany. Feno fanajana koa ny teny nampiasainy, toy ny hoe: “Azafady re e!” (Andininy 27) Hita tamin’ny tenin’i Abrahama koa fa natoky izy hoe manao ny rariny hatrany i Jehovah. Indroa mihitsy izy no nilaza fa “sanatria” an’Andriamanitra ny hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy. Natoky tanteraka io loham-pianakaviana io fa ‘hanao ny rariny ny Mpitsara ny tany manontolo.’—Andininy 25.

Marina daholo ve izay nolazain’i Abrahama? Diso izy rehefa nilaza fa nisy olo-marina folo, fara fahakeliny, tao Sodoma sy Gomora. Tena marina kosa ilay teniny hoe tsy ‘handripaka ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy’ mihitsy Andriamanitra. Nandringana an’ireo tanàna ireo tokoa Andriamanitra, tatỳ aoriana. Nampian’ny anjely anefa i Lota olo-marina sy ny zanany roa vavy, ka avotra.—2 Petera 2:7-9.

Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany? Nanasa an’i Abrahama haneho ny heviny i Jehovah, raha ny marina, rehefa nilaza taminy izay nokasainy hatao tamin’ireo tanàna ireo. Naharitra nihaino koa izy, rehefa nilaza ny zavatra nampanahy azy i Abrahama. (Isaia 41:8) Asehon’io tantara io tsara fa Andriamanitra manetry tena tokoa i Jehovah sady manaja sy manome voninahitra ny mpanompony etỳ an-tany! Mazava àry fa mendri-pitokisana tanteraka i Jehovah, ilay Mpitsara manao ny marina hatrany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Anjely no nisolo tena an’i Jehovah tamin’io fotoana io, ka niresaka tamin’i Abrahama. Misy ohatra hafa koa ao amin’ny Genesisy 16:7-11, 13.

[Sary, pejy 24]

Niangavy an’i Jehovah i Abrahama mba tsy handringana an’i Sodoma sy Gomora