Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Misy Vavaka Tsy Valian’Andriamanitra?

Nahoana no Misy Vavaka Tsy Valian’Andriamanitra?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana no Misy Vavaka Tsy Valian’Andriamanitra?

Tena mora ny miresaka amin’Andriamanitra. Toy ny ray be fitiavana izy. Faly erỳ ny raim-pianakaviana rehefa tsy misalasala miresaka aminy ny zanany. Faly koa i Jehovah Andriamanitra rehefa mivavaka aminy isika. Tsy voatery hanome izay rehetra angatahin’ny zanany anefa ny ray. Tsy mamaly ny vavaka sasany koa Andriamanitra, ary misy antony tsara anaovany izany. Tsy afeniny ilay izy fa lazainy ao amin’ny Baiboly.

Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Tsy maintsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra àry izay angatahintsika. Zavatra tena tsy mifanaraka amin’ny sitrapony anefa no angatahin’ny olona sasany. Misy, ohatra, mivavaka mba hahazo vola amin’ny loteria na loka. Ny hafa indray mivavaka noho ny antony ratsy. Mananatra an’ireo manao izany i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany, satria ratsy ny anton’ny fangatahanareo, dia ny handanianareo izany ho amin’ny fanirianareo fatratra fahafinaretan’ny nofo.”—Jakoba 4:3.

Aoka hatao hoe samy mivavaka mba handresy ny ekipa roa mifanandrina amin’ny lalao baolina kitra. Azo inoana ve hoe samy hovalian’Andriamanitra ny vavak’izy ireo? Tsia! Toy izany koa rehefa misy ady. Samy mivavaka mba handresy ny andaniny sy ankilany. Tsy hovalian’Andriamanitra mihitsy ny vavaka toy izany.

Very maina ny vavak’ireo tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Hoy i Jehovah tamin’ireo mpivavaka nihatsaravelatsihy: “Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo.” (Isaia 1:15) Hoy koa izy: “Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko.”—Ohabolana 28:9.

Hohenoin’i Jehovah foana kosa ny vavaky ny mpanompony, raha miezaka mafy manao ny sitrapony izy ireo. Midika ve izany fa omeny daholo izay angatahin’izy ireo? Tsia! Ireto misy ohatra.

Tena nifandray akaiky tamin’Andriamanitra i Mosesy. Nisy zavatra nangatahiny anefa, fa tsy neken’Andriamanitra satria tsy ‘nifanaraka tamin’ny sitrapony.’ Niangavy izy mba havela hiditra tany Kanana. Hoy izy: “Mba avelao re aho hiampita e, mba hahita an’ilay tany soa eny ampitan’i Jordana.” Efa nilazan’i Jehovah anefa izy fa tsy ho tafiditra any, satria nanao fahadisoana lehibe. Tsy neken’i Jehovah àry ny fangatahany. Hoy izy: “Aoka izay! Aza miresaka amiko momba izany intsony.”—Deoteronomia 3:25, 26; 32:51.

Nivavaka koa ny apostoly Paoly mba hialan’ny ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ (2 Korintianina 12:7) Voan’ny areti-maso tsy nety sitrana izy, ary nanenjika azy foana ny mpanohitra sy ny “rahalahy sandoka.” Mety ho iray amin’ireo ilay “tsilo” tiany horesahina. (2 Korintianina 11:26; Galatianina 4:14, 15) Hoy izy: ‘Intelo aho no niangavy ny Tompo, mba hialan’izany amiko.’ Tian’Andriamanitra ho hitan’ny olona anefa fa izy no nanome hery an’i Paoly, mba hahafahany hitory foana na teo aza ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Tiany hiharihary koa fa niantehitra tanteraka taminy i Paoly. Tsy nekeny àry ny fangatahany, fa hoy kosa izy: “Lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.”—2 Korintianina 12:8, 9.

Andriamanitra àry no mahalala kokoa noho isika, raha tena ilaintsika ny zavatra angatahintsika aminy na tsia. Izay zavatra mahasoa antsika ihany no omeny, raha mifanaraka amin’ny sitrapony hita ao amin’ny Baiboly izany.