Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Manaraka ny Zanak’ondry Foana’ Izy Ireo

‘Manaraka ny Zanak’ondry Foana’ Izy Ireo

‘Manaraka ny Zanak’ondry Foana’ Izy Ireo

‘Izy ireo no manaraka foana ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany.’ —APOK. 14:4.

1. Inona no tsy nampitovy ny tena mpianatr’i Jesosy sy ny olon-kafa?

“NAMPIANATRA vahoaka tafavory tany Kapernaomy” i Jesosy, rehefa avy nanompo roa taona sy tapany teo ho eo. ‘Maro ny mpianany nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony’, satria tafintohina tamin’ny teniny. Nanontanian’i Jesosy ny apostoliny 12 raha te hiala koa. Hoy i Simona Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:48, 59, 60, 66-69) Tsy nety nandao an’i Jesosy ny tena mpianany, ary mbola nankatò azy foana, na dia rehefa voahosotry ny fanahy masina aza.—Asa. 16:7-10.

2. a) Iza ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”? b) Inona no porofo fa ‘manaraka ny Zanak’ondry’ foana ilay mpanompo?

2 Ary ahoana ireo Kristianina voahosotra ankehitriny? Nilaza i Jesosy ao amin’ilay faminaniany momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’, fa ny rahalahiny voahosotra rehetra eto an-tany no “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:3, 45; Lioka 12:42) Tena hita fa ‘manaraka ny Zanak’ondry’ io mpanompo io ‘na aiza na aiza alehany.’ (Vakio ny Apokalypsy 14:4, 5.) Tsy mandoto tena mihitsy mantsy izy io, fa miezaka ho “virjiny” foana, izany hoe tsy manaraka ny fampianarana sy fanaon’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:5) Tsy misy fampianaran-diso ‘hita eo am-bavany’, ary ‘tsy misy tsiny’ izy, na dia mbola eto amin’ny tontolon’i Satana aza. (Jaona 15:19) “Hanaraka” ny Zanak’ondry any an-danitra ny voahosotra mbola eto an-tany.—Jaona 13:36.

3. Nahoana isika no tokony hatoky an’ilay mpanompo?

3 Notendren’i Jesosy hikarakara an’ireo “mpanompo ao an-tranony”, na ny voahosotra tsirairay, ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ka “hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety.” Notendreny hiandraikitra ny “fananany rehetra” koa io mpanompo io. (Mat. 24:45-47) “Fananany”, ohatra, ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, izay mitombo foana. (Apok. 7:9; Jaona 10:16) Tokony hatoky an’ilay mpanompo voatendry hikarakara azy àry ny voahosotra tsirairay sy ny “ondry hafa.” Maro ny antony tokony hatokisantsika azy io, fa ireto no lehibe indrindra: 1) Matoky an’io mpanompo io i Jehovah. 2) Matoky azy io i Jesosy. Andeha isika hijery porofo fa tena atokisan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina.

Matoky an’ilay mpanompo i Jehovah

4. Nahoana isika no afaka matoky fa mahavita manome ny sakafo ara-panahy ilaintsika ilay mpanompo?

4 Nahoana ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina no afaka manome antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety? Hoy i Jehovah: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” (Sal. 32:8) I Jehovah no manoro hevitra an’ilay mpanompo. Afaka matoky tanteraka àry isika fa mahavita mitarika antsika izy io, ary marina ny fanazavana ara-baiboly omeny.

5. Inona no porofo fa mahazo hery avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ilay mpanompo?

5 Omen’i Jehovah ny fanahiny koa ilay mpanompo. Tsy hita maso io fanahy io nefa hita ny vokany. Eritrereto fotsiny ny habetsahan’ny fitoriana vita, momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ary ilay Fanjakana. Mazoto mitory any amin’ny tany 230 mahery ny vahoakan’i Jehovah. Tsy efa porofo tsy azo lavina ve izany fa mahazo hery avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ilay mpanompo? (Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8.) Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra lehibe ny mpanompo mendri-pitokisana, isaky ny hanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Miezaka maneho ny vokatry ny fanahy, toy ny fitiavana sy fahalemem-panahy, izy rehefa manao izany.—Gal. 5:22, 23.

6, 7. Inona no porofo fa tena atokisan’i Jehovah ilay mpanompo?

6 Tena atokisan’i Jehovah ny mpanompo mendri-pitokisana. Jereo fotsiny ny zavatra nampanantenainy azy io. Hoy ny apostoly Paoly: “Haneno ny trompetra, dia hatsangana ny maty ka hanjary tsy mety lo, ary hovana isika. Fa tsy maintsy hitafy ny tsy mety lo ity mety lo ity, ary tsy maintsy hitafy ny tsy mety maty ity mety maty ity.” (1 Kor. 15:52, 53) Mbola mety lo ny vatan’ny voahosotra eto an-tany. Raha tsy mivadika amin’Andriamanitra mihitsy anefa izy dia hatsangany amin’ny maty, ka ho lasa zavaboary ambony noho ny anjely. Samy afaka ny hiaina mandrakizay ny voahosotra sy ny anjely, saingy ho lasa tsy mety maty ny voahosotra. Tsy hety ho lo koa ny vatany, ary tsy mila hery na zavatra hafa izy mba hahavelona azy. Milaza ny Apokalypsy 4:4 fa mipetraka eo ambony seza fiandrianana ny voahosotra natsangana tamin’ny maty, ary misatroka satroboninahitra volamena. Ho lasa mpanjaka koa àry izy ireo.

7 Hoy koa ny Apokalypsy 19:7, 8: “Tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny. Eny, navela hanao akanjo vita amin’ny lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ravehivavy. Tsy inona ilay lamba rongony tena tsara fa ny asa marina nataon’ny olona masina.” Nofidin’i Jehovah ho vadin’ny Zanany ny voahosotra. Maro àry ny fitahiana miavaka ho azon’izy ireo. Tsy hety ho lo ny vatany, tsy ho faty intsony izy, ho lasa mpanjaka, ary ho ‘vadin’ny Zanak’ondry.’ Porofo izany fa atokisan’Andriamanitra ny voahosotra, noho izy ireo ‘manaraka foana ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany.’

Matoky an’ilay mpanompo i Jesosy

8. Inona no porofo fa matoky ny voahosotra i Jesosy?

8 Inona no porofo fa tena matoky ny rahalahiny voahosotra i Jesosy? Hoy izy tamin’ireo apostoliny 11, tamin’ilay alina talohan’ny hahafatesany: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny fanjakako ianareo, ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Lioka 22:28-30) Tafiditra ao amin’io fifanekena io daholo ny voahosotra 144 000. (Lioka 12:32; Apok. 5:9, 10; 14:1) Ho nifanaiky hiara-manjaka amin’izy ireo ve i Jesosy raha tsy natoky azy?

9. Milazà ‘fananan’i Kristy’ sasany.

9 Notendren’i Jesosy Kristy hiandraikitra ny “fananany rehetra” koa ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Mat. 24:47) Anisan’izany ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, biraon’ny sampana eran-tany, Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana, ary ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. Ho notendren’i Jesosy hikarakara sy hampiasa ny fananany ve ny voahosotra, raha tsy natokisany?

10. Inona no porofo fa manampy ny voahosotra i Jesosy Kristy?

10 Niseho tamin’ny mpianany i Jesosy taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra, ary nampanantena hoe: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:20) Notanterahiny ve izany? Eny. Lasa 100 000 mahery izao ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, nefa 70 000 teo ho eo, 15 taona lasa izay. Fitomboana 40 isan-jato mahery izany! Ary firy ny natao batisa? Efa ho efatra tapitrisa sy sasany tato anatin’ny 15 taona, izany hoe 800 mahery isan’andro. Hita tsara amin’ireo fitomboana miavaka ireo fa manampy ny voahosotra i Kristy eo amin’ny fitarihana ny fivorian’ny fiangonana sy ny fanaovana mpianatra.

Mendri-pitokisana sy malina ilay mpanompo

11, 12. Inona no porofo fa mendri-pitokisana sy malina ilay mpanompo?

11 Raha i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy aza tena matoky ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, tsy tokony hatoky azy io koa ve isika? Mendri-pitokisana tokoa izy io satria ataony tsara ny asa nanendrena azy. Efa 130 taona, ohatra, no namoahany Ny Tilikambo Fiambenana. Misy foana koa ny fivoriana sy fivoriambe, ary mbola manatanjaka ny finoantsika izy ireny.

12 Malina koa ilay mpanompo satria manetry tena, tsy tonga dia manapa-kevitra fa miandry ny toromarik’i Jehovah, ary mankatò avy hatrany rehefa mahazo tari-dalana mazava. Tsy toy ny mpitondra fivavahana eto amin’ity tontolo ity ilay mpanompo. Mangina fotsiny izy ireny, na dia efa mahita aza fa tia tena sy tsy matahotra an’Andriamanitra ny olona. Misy aza sahy milaza fa mety ny ataon’ny olona. Ilay mpanompo kosa mampitandrina antsika mba tsy ho voafandriky ny tontolon’i Satana. Tena mahasoa sy tonga amin’ny fotoana ilana azy ny fampitandremany, satria tahin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izy. Tena tokony hatoky an’io mpanompo io àry isika. Ahoana izany?

‘Mandehana miaraka’ amin’ny voahosotra

13. Ahoana no hampisehoantsika fa matoky an’ilay mpanompo isika, araka ny faminanian’i Zakaria?

13 Resahin’i Zakaria fa misy “olona folo” miteny amin’ny “Jiosy iray” hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay.” (Vakio ny Zakaria 8:23.) Mampiasa ny hoe “aminareo” i Zakaria eo. Antokon’olona àry ilay “Jiosy iray”, ary tsy iza fa ny sisa voahosotra, anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa kosa no “olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena.” Manaraka an’i Jesosy ny voahosotra na aiza na aiza alehany. ‘Mandeha miaraka’ amin’ny voahosotra koa àry ny vahoaka be. Tsy tokony hahamenatra azy ireo mihitsy ny milaza fa naman’ireo “nahazo fiantsoana ho any an-danitra” izy. (Heb. 3:1) Na i Jesosy aza tsy menatra miantso ny voahosotra hoe “rahalahy.”—Heb. 2:11.

14. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny rahalahin’i Kristy?

14 Nilaza i Jesosy Kristy fa toy ny hoe manampy azy isika, raha manampy ny rahalahiny. (Vakio ny Matio 25:40.) Inona àry no azontsika atao mba hanampiana ny rahalahin’i Kristy voahosotra? Azontsika atao ny manampy azy ireo mitory ilay Fanjakana. (Mat. 24:14; Jaona 14:12) Mihena tato ho ato ny isan’ny voahosotra, fa mitombo kosa ny ondry hafa. Manampy ny voahosotra izy ireo rehefa mitory sy mirotsaka ho mpisava lalana, raha afaka manao izany. (Mat. 28:19, 20) Tsy tokony hohadinoina koa ny manome vola hanohanana ny asa fitoriana.

15. Inona no tokony hataontsika tsirairay rehefa mahazo sakafo ara-panahy sy toromarika avy amin’ilay mpanompo?

15 Inona no ataontsika tsirairay isaky ny manome sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny boky sy gazety ary fivoriana kristianina ny mpanompo mendri-pitokisana? Mankasitraka izay ianarantsika ve isika, ary vonona hampihatra izany? Inona no ataontsika rehefa misy toromarika omeny? Asehontsika fa manaiky ny tari-dalan’i Jehovah isika, rehefa vonona hankatò azy ireny.—Jak. 3:17.

16. Nahoana isika rehetra no tsy maintsy mihaino ny rahalahin’i Kristy?

16 Hoy i Jesosy: ‘Ny ondriko mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.’ (Jaona 10:27) Manao izany ny voahosotra. Ary ahoana ireo ‘mandeha miaraka’ aminy? Tsy maintsy mihaino an’i Jesosy sy ny rahalahiny koa izy ireo. Ny rahalahin’i Jesosy mantsy no voatendry hikarakara ny vahoakan’Andriamanitra. Inona àry no dikan’ny hoe mihaino ny rahalahiny?

17. Inona no dikan’ny hoe mihaino an’ilay mpanompo?

17 Ny Filan-kevi-pitantanana no misolo tena ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Izy io no mitarika sy mandamina ny fitoriana eran-tany. Anti-panahy za-draharaha sy voahosotry ny fanahy no ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana. Izy ireo no tena azo lazaina hoe “mitarika” antsika. (Heb. 13:7) ‘Be atao amin’ny asan’ny Tompo’ izy ireo, satria mikarakara mpitory 7 000 000 eo ho eo any amin’ny fiangonana 100 000 mahery eran-tany. (1 Kor. 15:58) Mihaino an’ilay mpanompo isika rehefa mankatò tanteraka ny Filan-kevi-pitantanany.

Tahin’i Jehovah izay mihaino an’ilay mpanompo

18, 19. a) Inona no fitahiana azon’izay mihaino ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina? b) Inona no tokony hataontsika?

18 Taorian’ny nanendrena ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, dia ‘maro no notarihiny ho amin’ny fahamarinana.’ (Dan. 12:3) Anisan’izany ireo manantena ho tafavoaka velona rehefa haringana ity tontolo ratsy ity. Lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Fitahiana tokoa izany!

19 Tsy ho ela dia ‘hidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra ilay tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao [ireo 144 000] sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.’ Mbola hahazo fitahiana hafa amin’izay ireo mihaino azy. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra mihitsy no ho eo amin’izy ireo. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ (Apok. 21:2-4) Aoka àry isika hihaino an’i Kristy sy ny voahosotra, izay mendri-pitokisana.

Inona no Nianaranao?

• Inona no porofo fa atokisan’i Jehovah ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina?

• Inona no porofo fa tena matoky an’io mpanompo io i Jesosy Kristy?

• Nahoana isika no tokony hatoky ny mpanompo mendri-pitokisana?

• Ahoana no hampisehoantsika fa matoky azy io isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Iza no nofidin’i Jehovah ho vadin’ny Zanany?

[Sary, pejy 26]

Notendren’i Jesosy Kristy hiandraikitra ny “fananany” ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina

[Sary, pejy 27]

Manampy ny voahosotra isika rehefa mitory