Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mbola Tsy Tonga ny Androko”

“Mbola Tsy Tonga ny Androko”

“Mbola Tsy Tonga ny Androko”

Tsy voafehin’ny mpamily azy intsony ny kamiao be iray mpitondra fako, ka lasa tany amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Voadona tamin’izany ny mpivady iray sy ny tovolahy iray 23 taona. Maty tsy tra-drano izy mivady, fa ilay tovolahy kosa torana. Izao no tonga tao an-tsainy raha vao nahatsiaro tena izy: ‘Tena tsy mampino ahy iny zava-nitranga iny. Andriamanitra ô, ampio aho mba tsy haninon-tsy haninona.’ Hoy izy: “Mbola tsy tonga ny androko.”

EFA nandre tantara toy izany angamba ianao. Rehefa nieren-doza ny olona iray, dia misy miteny hoe: ‘Mbola tsy tonga ny androny.’ Rehefa nisy maty tamin’ny loza indray, dia hoy izy ireo: ‘Izay no anjarany’, na hoe ‘Izay no sitrapon’Andriamanitra.’ Na ampifandraisin’izy ireo amin’ny lahatra, na anjara, na vintana ilay zava-nitranga, na heveriny ho avy amin’Andriamanitra, dia mitovy ihany ny zavatra inoany. Maro no mino fa efa voalahatra ny zava-miseho eo amin’ny fiainany, toy ny fahafatesana, loza, na zavatra hafa. Tsy azo ihodivirana, hono, izy ireny. Tsy vao izao anefa ny olona no mino ny lahatra.

Nino, ohatra, ny Babylonianina fahiny, fa misy vokany eo amin’ny fiainan’ny olona ny kintana sy ny fihetsehan’izy ireny. Mitady fambara eny amin’ny lanitra àry izy ireo mba hahalalany izay tokony hatao. Nivavaka tamin’ny andriamani-bavin’ny anjara ny Grika sy ny Romanina. Ireo andriamani-bavy ireo, hono, no mamaritra ny anjara tsara na anjara ratsy ho an’ny olona, ary mety ho vitany koa aza indraindray ny manafoana ny fikasan’i Zeosy sy Jopitera, izay andriamanitra lehibe kokoa.

Mino ny Hindoa sy ny Bodista, fa vokatry ny nataon’ny olona iray tamin’ny fiainany teo aloha ny zavatra iainany amin’izao fotoana izao. Izay ataony ankehitriny kosa, hono, no hamaritra ny zavatra hiainany amin’ny fiainany ho avy. Mitovitovy amin’izany koa ny fampianarana momba ny lahatra ataon’ny fivavahana hafa, anisan’izany ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.

Tsy mahagaga àry raha olona maro no mino ny anjara sy lahatra, na dia amin’izao andro maoderina izao aza. Mino izy ireo fa tsy azo ihodivirana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany sy izay ho fiafarany, satria efa voalahatra izany. Ahoana no hevitrao? Efa voalahatra tokoa ve ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, toy ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazana, eny fa na dia ny andro ahaterahana sy ahafatesana aza? Efa voalahatra ve ny fiainanao? Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly momba izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Ken Murray/New York Daily News