Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anao ny Safidy

Anao ny Safidy

Anao ny Safidy

“Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.”—Genesisy 1:27.

I RAY tamin’ireo zavatra faran’izay “tsara” nataon’Andriamanitra “tamin’ny fotoanany” no resahina eo, dia ny namoronana an’i Adama sy Eva, ilay mpivady lavorary. (Mpitoriteny 3:11) Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.”—Genesisy 1:28.

Nampahafantarin’Andriamanitra azy mivady ny fikasany, rehefa nilaza an’ireo teny ireo izy. Tokony hanan-janaka maro i Adama sy Eva, hikarakara ny tany, ary hanova azy io ho paradisa honenan’izy mivady sy ny taranany. Tsy nandahatra ny fotoana hahafatesan’izy ireo mihitsy Andriamanitra. Nampanantena zavatra faran’izay tsara ho azy ireo kosa izy. Afaka nanana hoavy sambatra mandrakizay i Adama sy Eva, raha nanao safidy tsara sy nihavana tamin’Andriamanitra foana.

Tsy nanao safidy tsara anefa izy ireo, ka nanjary nihantitra sy maty ny olombelona rehetra. Niaiky toy izao i Joba: “Ny olona atera-behivavy dia fohy andro iainana sady mitebiteby lava.” (Joba 14:1) Fa inona no nitranga?

Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romanina 5:12) I Adama io “olona iray” io. Tsotra sy mazava ny didin’Andriamanitra, nefa ninia nandika izany izy. (Genesisy 2:17) Tsy afaka niaina mandrakizay tao amin’ny paradisa i Adama noho ny safidy nataony. Ota sy fahafatesana no lova navelany ho an’ny taranany. Toa tsy nisy fanantenana intsony tamin’izay. Izany tokoa ve no izy?

Fotoana hanavaozana

Nanoratra toy izao ny mpanao salamo, an’arivony taona tatỳ aoriana: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Ahoana no anomezan’Andriamanitra toky antsika fa mbola ho tanteraka ilay fampanantenany tany Edena? Resahina amin’ny fomba kanto ao amin’ny Teniny ny zavatra hataony tsy ho ela. Izao no voalaza ao: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Andriamanitra mihitsy, avy eo, no nilaza hoe: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”—Apokalypsy 21:4, 5.

Samy manana ny fotoanany ny zava-drehetra, hoy ny Baiboly. Rahoviana àry no ho tonga io fotoana fanavaozana io, ka ho tanteraka ilay fampanantenana kanto nataon’Andriamanitra? Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mamoaka an’ity gazety ity, fa miaina amin’ny “andro farany” isika izao, ary tsy ho ela dia ‘hatao[n’Andriamanitra] vaovao ny zava-drehetra.’ (2 Timoty 3:1) Miezaka mampahafantatra izany amin’ny olona izy ireo. Mampirisika anao izahay mba handinika ny Baiboly sy hianatra momba an’ilay hoavy sambatra mety ho azonao. Mampirisika anao koa izahay mba hanaiky an’ilay fanasana hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita izy. Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.” (Isaia 55:6) Tsy voalahatra mihitsy ny fiainanao. Miankina amin’izay ataonao ny hoavinao mandrakizay.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Ataoko vaovao ny zava-drehetra”