Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanandroana?

Izao no amaritan’ny diksionera iray ny atao hoe fanandroana: ‘Fandinihana ny toerana misy an’ireo planeta, masoandro, volana, ary kintana. Mihevitra ny mpanandro fa misy vokany eo amin’ny fiainan’ny olona ireo zavatra ireo rehefa miova toerana.’ Mihodidina amin’ny masoandro ny tany ao anatin’ny herintaona, ka toy ny hoe miova toerana foana ny kintana, rehefa jerena avy etỳ an-tany. Efa ela ny olona no nandinika an’ireny fiovana ireny, ka nilaza fa misy dikany lehibe izy ireny.

Azo inoana fa tany Babylona no niandohan’ny fanandroana. Sady nandinika ny kintana sy ny antokon-kintana ny Babylonianina, no nivavaka tamin’izy ireny. Lasa nanao izany koa ny Israelita rehefa nivadi-pinoana. Vao mainka nihabetsaka ny olona nanao an’io karazana fanandroana io tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’i Joda. Efa ela be anefa Andriamanitra no nilaza ny heviny momba an’io fanao io. Voalazan’ny Lalàn’i Mosesy fa tsy maintsy vonoina ho faty izay mivavaka amin’ny kintana.—Deoteronomia 17:2-5.

Niezaka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina àry i Josia Mpanjaka. Norarany, ohatra, ny fanaovana sorona “ho an’ny masoandro sy ny volana sy ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.” Nahoana izy no nanao izany? Satria te “hanaraka an’i Jehovah sady hitandrina ny didiny.” (2 Mpanjaka 23:3-5) Tokony hanao toy izany koa ankehitriny izay te hivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”—Jaona 4:24.

Iza ireo “Zanakalahin’i Zeosy” resahin’ny Asan’ny Apostoly 28:11?

Tantarain’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa nisy sarin’ny “Zanakalahin’i Zeosy” teo amin’ny lohan’ny sambo nandehanan’ny apostoly Paoly, avy tany Malta ho any Potioly, tamin’ilay diany ho any Roma. (Asan’ny Apostoly 28:11) Be dia be fahiny ny tantsambo sy mpanao dia lavitra nampiasa an’io sary io.

Lazain’ny angano grika sy romanina, fa niteraka kambana roa lahy i Zeosy (na Jopitera) sy Léda. Castor sy Pollux no anaran’ireo zaza ireo. Tantsambo nahay be, hono, izy ireo, ka nahavita nampitony ny rivotra sy ny onja. Lasa noheverin’ny tantsambo ho andriamanitra mpiaro azy àry izy ireo, ka nivavahany. Nanao sorona ho azy ireo ny mpanao dia lavitra, ary nangataka ny fiarovany rehefa nisy oram-baratra. Misy hazavana toy ny tselatra miseho tampoka indraindray eo amin’ny andrin-tsambo rehefa avy be ny orana. Antsoina hoe afon’i Saint-Elme ilay izy. Maro ny tantsambo nino fa iny hazavana iny no anaporofoan’ny zanak’i Zeosy hoe nohenoiny ny vavak’izy ireo.

Be dia be ny Grika sy Romanina nivavaka tamin’i Castor sy Pollux. Nilaza ny boky tranainy iray fa nanao izany koa ny olona tany Kyrena, any Afrika Avaratra. Tsy lavitra an’io toerana io rahateo ny tanàna niavian’ilay sambo resahin’ny Asan’ny Apostoly, satria avy tany Aleksandria, any Ejipta.

[Sary, pejy 9]

Sarin’i Nazimaruttash mpanjaka babylonianina miaraka amin’ny kintana maromaro

[Sary, pejy 9]

Vola madinika denaria misy sarin’ny “zanakalahin’i zeosy”, 114-113 talohan’i kristy (T.K.)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Tsangambato: Réunion des Musées Nationaux/Art Resource, NY; vola madinika: Courtesy Classical Numismatic Group, Inc./cngcoins.com